lalànan'ny asa vaovao

1. ari.malala ( 07/11/2007 07:23)
Enga anie ry reto mba tsy ho lany le lalàna vaovao fa tena maty ny mpiasa madinika, indrindra ny an'ny zone franche... aiza v ka d hahazo mampiasa vehivavy @ alina hono, ho lasa 15andro ftsn ny congé, ny impots moa dia ho 25% ny salaire brut:-( famonoana mpiasa anie zany e!
2. kally ( 07/11/2007 08:35)
Ny ankamaroan'ny firenena rehetra mandroso anie ry Ari ka izany ihany ny faharetan'ny fialan-tsasatra azonao e.Raha tiana handroso haingana i Madagasikara dia tsy maintsy miasa, fa ny karama no aoka ho arakarak'izany koa.
Raha resaka hetra indray dia raha tiana hiadana hanana fitsaboana tsara sy lalana tsara ny firenena dia tsy maintsy mandoa fandraisan'anjara amin'izany ny olom-pirenena fa tsy ny fanjakana nomanonta vola hanaovana an'ireny.
Saingy raha karama efa tsy ampy no anesorana 25% mavesatra be. Tokony hifampitsinjo ny fanjakana sy ny vahoaka fa hanjary ho kamo hiasa ny vahoaka raha izay azony lasan'ny fanjakana daholo.
(Aty aminay aza ny impôts misy mahatratra 52%, ny aza tratrany ihany fa miteny irery).
Asaivo ataony tery omby ririnina e!
3. Valala ( 07/11/2007 10:06)
kally ka le karama kely loatra d izay no mampiferinaina ny mpiasa,fa raha amin'ny antonony le izy tsy maninona, satria na mandoa impots betsaka aza mety mba azo hiafina ihany ny ambiny,le mampiasa vehivavy amin'ny alina aloha tena tsy mety amiko, iny aloha tokony tsy ho laniana. le 25% koa mavesatra loatra, raha misy fiatraikany am vahoaka le impots nalaina hatramzay d tsy maninona loatra,fa amzao toa mandoa impots nefa toa tsy misy vokany akory fa toa ny ministera sasany fotsiny no matavy sy miroul am 4X4 daholo izy milaza fa sefo rehetra ity.
Asa aloha fa tsy hay tsony izy ity e!
4. Kwasi ( 07/11/2007 10:31)
Tena tsy lasa kosa aloha io hetra 25% be io e. Nefa ny servisim-panjakana izay andehanan'io vola io tsy alehany daholo. Sa anakaramana ny ministra sy ny fandaniana ao ambonimbony ao io?

Ilay conge 15 andro dia tsara ho an'ny mpampiasa fa tsy tsara ho an'ny mpiasa.
5. sakaizakely ( 07/11/2007 10:42)
enga tokoa tsy ho lany fa toa fanandevozana sy fanararaotana déguisés fotsiny izy izany...

tokony ho safidy ilay hoe hiasa alina na tsia ny vhv,

ny isan'ny andro fialantsasatra indray dia tsy fantatro izay am zao fotoana fa raha de 15 andro zany indray hitako hoe kely
any amindry kally ve de 15 andro tokoa ny congé ? aiza izany klou ? tsy mampino mantsy

ny hetra koa dia tokony misy barême ohatra hoe arakaraky ny isa sy ny taonan'ny ankizy, dia mba asiana minimum koa. 25% izany aloha antonony e ! Saingy ilana antoka fa andeha @ zay tokony ampiasana azy ny volambahoaka fa tsy hanatavizana ny eo manampahefana sasantsasany fotsiny

fa tony ki zone-n'jone franche itony klou de resaben'ny vazaha te hanabe ny tombontsoany io. Mi délocaliser ny famokarana any am taniny izy de aty amintsika gasy kely no faly ery mampiasa olona maimaipoana. Asa moa ohatrinona no anakaramana ny mpiasa aty amintsika fa mihena injato mihitsy ny vola laniny @ mpiasa gasy, fa ny andry zareo ny marges bénéficiaires mitombo foana.

atao akory fa lalampiainana izany e ! Misy ny mpanararaotra, dia misy ny araraotina avec la complicité du gvt
6. ari.malala ( 07/11/2007 14:16)
tsy mitovy anie ny valeur ny vola any ivelany sy ny vola aty e! raha hatao hoe antonony le 25%, ngamba nareo manao calcul à base ny valeur ny vola any aminareo, fa raha aty no mikarama 1000.000F ohatra d alàna le 25% zany hoe 750000F sisa ny karamany manofa trano (olona 5 izy ao antrano izany hoe izy mivady d zaza telo) , mandoa ecolage, mbola mandoa frais koa mandeha miasa sy mandeha mianatra de mba ho ampy v zany 1volana? nefa ny vary aty zao efa ho 6000F ny kilo, de mbola antonony iany v le 25% halaina am karama e!! amzay tsy mitsahatra miakatra isanandro ny vidin'entana! raha tsy hiresaka afatsy ny vary fts za!
7. patrick2002 ( 07/11/2007 14:39)
Na inona na inona aloha filaza ah! dia @ ny habetsahany vokatra ihany no mitondra any @ fampandrosoana ,ary tsy misy vokatra raha tsy miasa ny olona ,Ny gasy dia anisany olona kamo miasa fa samy miandry vola bojo fotsiny ,jereo ny sinoa, efa nisy fanadihadiana nataon'ny industrie textile fa raha ny sinoa 1 ao anatiny 8 segonde manao tee-shirt 1 ,ny gasy 12 segonde ,ary ny marocaine 10 segonde jereo amin'izany ,
Eo @ impot indray dia ilaina dia ilaina ny impot mba hanaovana ny fampandehanan-draharaha rehetra sy anakaramana ny mpiasa-panjakana ,polisy ,mpampianatra ,dokotera, hatramin'izay anefa dia ny vaventy izay vitsy anisa ihany no mandoa impot any dago fa tsy misy madinika maro anisa nandoa impot mihintsy.
Fehiny marina fa tombotsoa ny vaventy (patron) ity lalana ity nefa atao ahoana fa tsy maintsy tambatambazana ny patron mba hanome asa ny madinika maro anisa amin'izay mitombo ny vokatra ,dia azo ampiakarina ny karama ny mpiasa ,Ka mahareta fa hanana ny soa
8. ari.malala ( 07/11/2007 14:54)
ô ry patrick a!!! tsisy madinika mandoa impot aona, ko in ty igr alaina am karamanay mpiasa privee lava ity e! nareo ngamba no mpiasampanjakana miandry igr andoavana ny karamanareo nef any asampanjakana ilaharana tsy vita aradalàna sns d miaro mafy ery zato enao!!!
9. rush ( 07/11/2007 15:58)
marina aloha fa be loatra ny 25% e! fa nga aty andafy?fa samy mandoa impots daolo dia arakarakin'ny karama kosa no aloa e!ny karama aty dago tena kely tsy mahavelona ka!soa aza fa afaka manao asa maizina daolo ny gasy!
10. fijo ( 07/11/2007 21:22)
kally an,aiza izany congé 15 j izany????ny aty frantsa izao dia 2.5 / volana.

ekeko fa indraindray mety misy hilana le fampiasana vehivavy amin'ny alina,fa io mila arofanina mafy satria tsy mitovy ary mafy kooa ny miasa alina.mila zavatra mazava tsara io.hiarovan any fanararaotana.

le resaka hetra indray,amiko iny azo hiadian kevitra.ekeko fa mila izany ny firenena,nefa koa vahoak amiadana no antoky ny fampandrosoana,ka tsy aleo ve dinihina miaraka io?
11. patrick2002 ( 07/11/2007 21:33)
ari.:Fa firy % ny IGR naloanao any Madagasikara ,tsy haiko aloha fa izaho mino fa tsy mihoatra ny 3% ,tena epsilon io raha mihoatra ny Impot sur le revenu eran'izao tontolo izao
ka!soa aza fa afaka manao asa maizina daolo ny gasy!

Ka io asa maizina io mihintsy ilay mahavoa ny economie kou ,N'aiza naiza firenena dia miady amin'io asa maizina io daholo ,ary eto no mampiahiahy anahy momba an'ity lalana vaovao ity satria betsaka ny malagasy any @ secteur informel ,mivarotra ramanonaka ,composé, voasary ,akondro ,ny mpiompy madinika kisoa ,akoho ,ka mety tsy hisy fiatraikany @ service public ity lalana vaovao ity hany ka mety haleon'ny olona manao secteur informel toy izay hiasa any @ usine hamokatra ,dia vao maika hiemotra ny firenena, satria raha miasa izy mety ho lasa impot fotsiny ny karamany.
12. LazaDaddy ( 07/11/2007 23:36)
fijo:
kally an,aiza izany congé 15 j izany????ny aty frantsa izao dia 2.5 / volana.
Ka i Frantsa zany anisan'ny tsy tafiditra @ ilay voalazan'i Kally ry Fijo ah.
kally:
Ny ankamaroan'ny firenena rehetra mandroso anie ry Ari ka izany ihany ny faharetan'ny fialan-tsasatra azonao e.
13. patrick2002 ( 08/11/2007 02:54)
Ny aty canada sy amerique aloha dia 15 jour ihany ny congé payé, ary raha miasa alina ianao dia tsy payé fois 2 ohatry ny an'i dago na france fa mitovy ny miasa antoandro ihany .
Ny ahy fotsiny no tiko lazaina dia isika any madagasikara dia faly ny maka tahaka ny any frantsa nefa tsy mitovy ny moyen mazava loatra ,jereo fotsiny fa vao nanao 40 h /semaine ny tany France dia natao 40H/semaine ny tany mada , i Maurice nefa t@ 1988 vao nanao 40H/semaine tara 6 ans taty aoriana ,izaho koa mino fa afaka 2 taona angataka 35h/semaine koa ny any dago.
14. ravatorano ( 08/11/2007 05:17)
ny reko farany momba an'io dia efa manao projet de loi apetraka eny amin'ny assemblée nationale ny fanjakana foibe (ny mpanatanteraka izany)
ny tena fandehany dia izao hampitomboina adiny dimy ny ora iasana amizao izany hoe ho lasa 45 ora izany amin'ny herinandro ka na hiasa adiny Sivy isan'andro ianao dia tsy miasa ny sabotsy na manao ny adiny valo ihany fa miasa adiny dimy ny sabotsy izany hoe miditra ami'ny valo mirava amin'ny iray atoandro
ny maagaga ahy fotsiny dia izao ny filoham-pirenena dia nanemotra ny fidiran'ny mpiasa amin'ny sivy nefa izao dia ampitomboina indray ny ora hiasany:?::?::?:
manarak'izany raha mitombo ny ora iasana mazava ho azy fa tsy maintsy hampakarina ihany koa ny karama ka haharaka an'izany indray v ny teti-bolan'ny fanjakana:?::?::?: izao aza efa manahirana ihany:wink:
Momba ny congé defa raikitra fa dia io 15 andro io no any amin'ilay projet de loi na vinavinan-dalana
ny reko any amin'ny birao rehetra eny aloha dia izao raha miakatra ny karama ary tokony amin'ny tena izy dia tsy olana izany fa raha tsizay dia hisy olana kely indray eto amin'ny tanana
momba ny IGR dia izao io arakaraky ny karama raisinao no mampiakatra ny isan-jato alain'ny fanjakana aminao izany hoe raha mikarama be ianao dia be koa ny hetra alohanao ary mazava be izany fa na izany aza mampimenomenona ny rehetra io satria asa na isika malagasy no tsy mahatsapa loatra ny hoe inona no antony andoavana hetra na koa hoe tsapatsika loatra fa tsy mandeha any amin'ny tokony ho izy ny hetra alaina amitsika hatramin'izay
lava loatra:-P:-P:-P:-P
15. ari.malala ( 08/11/2007 10:25)
ka le IGR nge alaina iany nefa ts itako we mankaiza e! tena mampiteny ny moana mitns ny mijery fiche de paie am faran'ny volana mijery ny fidanganle IGR, nefa toa ts hitako we natao in le izy sa nankaiza...
16. bozyboleta ( 08/11/2007 12:49)
Ka le hetra nge miditra any @ kitapom-bolam-panjakana hanatanterahana ny asam-panjakana fa tsy hitanao mivaingana hoe ity le vola naloako teo de nividianana an'ty na nomena an'i ann...
Refa manao teti-bola ny fanjakana isan-taona de voafaritra ao hoe ny ministera zao de ty ny teti-bolany hanaovana an'ireto karazana tetik'asa ireto; ireo hetra angonina @ mpandoa hetra no hanatanterahana an'ireo tetik'asa ireo ary koa andoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana.
Isika mpandoa de tena mimenomenona tokoa fa tsy mahita zavatra mivaingana mihatra @ tenantsika mivantana. Ny antony de satria le hetra aloantsika iny no ifampizarana @ ireo 90% (raha tsy diso za an)ny mponina tsy mandoa hetra.
Mampalahelo fa ny mandoa ihany no mandoa ka izany no mahatonga ny % alaina ho betsaka satria mila vola ny fanjakana koh. Mbola toe-tsain'ny maro koa le mitady hevitra foana tsy andoavana io...
Raha mandoa daholo ny rehetra de tsy maintsy hahita zavatra hiova ihany tsika.
17. fijo ( 08/11/2007 22:19)
laza sy patrick,azafady fa tsy haiko hoe any aminareo 15 j ny congé.za kosa mahita hoe tsy ampy izany.ary rariny ny frantsay raha miaro ny 30 androny.tsy andevo isika fa mpiasa.

le resaka mitombo adiny 5 aloha tsy olana io raha atao ny asabotsy.
de tokonyatao hita mazava koa ny lalan'ny hetra fa izay no mahatonga ny olon atsy handoha
18. patrick2002 ( 09/11/2007 02:01)
Ny manahirana @ politikan'ny hetra any madagasikara anie dia be loatra ny olona miasa any @ secteur informel eh! any ka tsy hita marina hoe mankaiza ilay hetra ka mahakivy ny mandoa azy ,amiko dia tokony io secteur informel io no hiadiana ny handoavan'ireny olona ireny hetra ,satria raha ouvrier iray any dago tsy maharaka ny vola ampidirin'ilay mpivarotra masikita ,na composé akory ,ilay ouvrier anefa hampitomboana foana ny hetrany ,farany izy hiala @ asany handeha hivarotra composé kou :-D:-D:-D
19. kally ( 09/11/2007 14:24)
Miala tsiny fa izay vao niverina teto, hay nisy nametra-panontaniana ho ahy tao. Misaotra an'i LD koa namaly avy hatrany ny fanontaniana nila valiny.
Izay mazoto miasa ihany no mandroso,ianareo any Frantsa anie tsy hoe mananona aho fa rebireben'ny mpanao gazety frantsay sy tampenany ny masonareo dia tsy mahita fa mikorosy midina ity tany ipetrahanareo e!:wink: aza tezitr fa zava-misy izany.
20. kally ( 09/11/2007 14:30)
Dia tapaka ity izy (fa nisy nandrebireby)fa tsy dia io voalaza io ambony io loatra no resaka izao fa i Madagasikara.

Miombon-kevitra tanteraka amin'ny namana sasany hoe nahoana raha asiana fanaraha-maso aloha sy alamina tsara ny resaka secteur informel mba tsy hitontona any @ mpiasa sy ny vahoaka madinika daholo ny hetra.
Nahoana raha asiana fanaraha-maso ny fandoavana ny hetram-panana (trano; tany etc) satria dia mahafantatra olona tsy mbola nandoa hetra mihitsy aho nefa tany be sy trano ngeza be.
Nahoana raha saziana mafy ny fiarakodia miantsonantsona fahatany sy tsy manara-dalàna fa vola daholo ireny.
Ary raha azoko tsara koa tsy dia ny fanjakana loatra no tena te hampihatra an'io hetra io fa ny mpampindram-bola no isan'ny mibaiko hoe izao no ataovy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1137