Vao maika tonga tamin'izay nilainy azy !

1. niryna ( 05/11/2007 06:27)
Misy ala-maitso mavana eo an- tokontanin'ity rangahy iray.Faly sy finaritra ery izy mijery sy mitazana azy ireo isan'andro.Misy hazo iray izay hafa indrindra mijoalajoala anefa eo am-povoan'ilay ala.Manintona ny hafa ny mijery azy io hazo eo am-povoany io.Nisy ity mpiara-monina iray nanana fitsiriritana ilay hazo ary farany lasa niteraka fankahalana sy famotehina ilay azo mihitsy aza ny tao an-tsainy.Ho tapahiko io hoy izy anan-kampo ka tsy ahita fahafinaretana intsony ilay zalahy io.Notanterahiny tokoa izany ary niakatra ny tambohan' ity olona tsy tiany izy.Notsofainy ny hazo,tsy nampoiziny fa nihamafy ny fanatsofana azy,vao maika nitombo ny hatezerany ary hadinony vokatr'izany fa efa hadiva maraina ny andro.Voakapany soa aman-tsara ilay hazo ary tra-maraina teo izy noho ilay fialonana diso tafahoatra,nianjera ny hazo ary mbola niteny indray izy hoe any amin'ny tranony mihitsy no tiako hianjera io.Kanjo raha vao naka bahana iny ity mpankahala!Izy ihany no nianjeran'ilay hazo.Nahatazana ilay tompon'ilay hazo,izay niaraka t@ olona iray.Novonjeny ilay mpiara-monina taminy izay nianjeran'ilay hazo-be.Misaotra hoy ilay tompon'ilay hazo fa vao nitady hevitra mihitsy izao izahay mirahalahy ny hanapahana io hazo io.:D. :roll:
Vao maika tonga tamin'izay nilainy azy tokoa ilay izy
(l)Niryna
novalian'i niryna ny 08/11/2007 06:00
2. koffman ( 05/11/2007 08:49)
ny azy no be indrindra, ny adidy vita , ny fahafinaretana tsy azo , ny tena naratra,
:-D:-D:-D
3. finoanaranoray ( 05/11/2007 09:27)
:lol:
4. ikaretsaka ( 05/11/2007 11:40)
izany no hoe "asa soa" @ fomba mihaja ry zanako
5. tsimiandravola ( 05/11/2007 18:03)
niryna:

Misy ala-maitso mavana eo an- tokontanin'ity rangahy iray.Faly sy finaritra ery izy mijery sy mitazana azy ireo isan'andro.Misy hazo iray izay hafa indrindra mijoalajoala anefa eo am-povoan'ilay ala.Manintona ny hafa ny mijery azy io hazo eo am-povoany io.Nisy ity mpiara-monina iray nanana fitsiriritana ilay hazo ary farany lasa niteraka fankahalana sy famotehina ilay azo mihitsy aza ny tao an-tsainy.Ho tapahiko io hoy izy anan-kampo ka tsy ahita fahafinaretana intsony ilay zalahy io.Notanterahiny tokoa izany ary niakatra ny tambohan' ity olona tsy tiany izy.Notsofainy ny hazo,tsy nampoiziny fa nihamafy ny fanatsofana azy,vao maika nitombo ny hatezerany ary hadinony vokatr'izany fa efa hadiva maraina ny andro.Voakapany soa aman-tsara ilay hazo ary tra-maraina teo izy noho ilay fialonana diso tafahoatra,nianjera ny hazo ary mbola niteny indray izy hoe any amin'ny tranony mihitsy no tiako hianjera io.Kanjo raha vao naka bahana iny ity mpankahala!Izy ihany no nianjeran'ilay hazo.Nahatazana ilay tompon'ilay hazo,izay niaraka t@ olona iray.Novonjeny ilay mpiara-monina taminy izay nianjeran'ilay hazo-be.Misaotra hoy ilay tompon'ilay hazo fa vao nitady hevitra mihitsy izao izahay mirahalahy ny hanapahana io hazo io.:D. :roll:
Vao maika tonga tamin'izay nilainy azy tokoa ilay izy
(l)Niryna

Torak'izany koa ity tantara kely ity:
Tratran'ny Japoney hono ity Pasitera tamin'ny andron'ny ady lehibe,ary amin'ny maha Pasitera azy dia heverin'ny Japoney ho mafy tokoa ny finoany ka tsy azo hoozongozonina mihitsy na dia ampiharina aminy aza ny fampijaliana faran'izay mahery vaika.
Tapaka ny hevitra fa hotsapain'ny Japoney izany hamafisan'ny finoana Kristianna izany.Dia hoy ny mpampijaly mantsy an'ilay Pasitera:"Izao no ataonao:tsory aminay mazava tsara ny fandavanao ny finoanao,ny fivadihanao amin'i Kristy,fa raha tsy izany dia atombokay ny famaizana faran'izay mafy ary hiafara amin'ny fahafatesanao izany".

Tsy nananosarotra mihitsy ilay Pasitera namonjy nitanisa ny maharatsy ny kristianisma ,sy ny maha "revin-gadra" ny finoana Kristianna,sy ny maha "légende" ny "Tompo"-ny.Nolazainy fa fitediavam-bola fotsiny no niraiketany sy nampianarany an'io finoana io ,ary "resaka "carrière".

Nihanahana fotsiny ny Japoney.

Io indrindra no tonga amin'ilay fitenenan'i Niryna hoe "tonga amin'ny notediaviny" ilay Pasitera.

Ary minoa ahy ianareo fa ny 80% n'ny Psitera sy Mopera dia ATHEE (farafahakeliny io).

NB:io tantara kely io dia tsy tadidiko intsony hoe taiza no hitako ,ka aza manontany ahy ny source.Misaotra!


6. pissoa ( 05/11/2007 18:15)
Ary minoa ahy ianareo fa ny 80% n'ny Psitera sy Mopera dia ATHEE (farafahakeliny io).

Hay ve izao no atontan'isa e ! Raha marina io dia tena RATSY tokoa ny AT ... tsy menatra akory mampiasa ny "madinika" (ie - lazain'ny athee fa donto sy mahantra hono ny booobaka aminay Kristianina) hananganana ny kariera :-D:-D:-D
7. tsimiandravola ( 05/11/2007 18:42)
pissoa:
Hay ve izao no atontan'isa e !
Io mihitsy ny atontan'isa araka ny fahitako azy...
Misy ara Masera ,tsy mino an'Andriamanitra mihitsy ry zareo nefa voatery mijanona masera ihany satria menatra ny "voady efa natao" (fanapahankevitra diso aloha loatra tamin'ny fahatanorana).
Mba andramo anie ny mikaoty Masera(vazaha) , à 60% manaraka fotsiny .Izaho izao efa niraiketany saika tsy afaka, fa tamana tamin'ilay nodonafako in-dray mandeha fotsiny:D

De lazaovy fa fahotana mahavery any amin'ny afobe ho an'ilay masera indray ny mba mananika ny lanitra faha-fito!:-*
8. pissoa ( 05/11/2007 18:50)
Tena ratsy marina zany le AT kle :-D:-D:-D
9. tsimiandravola ( 05/11/2007 18:57)
Ataovy hoe ratsy izy araka ny mahazatra anareo ê!
Fantaro nefa fa tena "agréable" ho an'ilay masera mihitsy an!:-D
10. pissoa ( 05/11/2007 19:08)
ka tsy fidiny ho ahy anie le miteny an'io e :-D
fa izay no hitako amin'ny zavatra vao nosoratanao koa ... sa tinao handainga na hihatsaravelatsihy kely za :-D:-D:-D:-D:-D
11. ikaretsaka ( 05/11/2007 23:34)
hihihihi:-D
12. cutie ( 06/11/2007 00:05)
misy mahay manao hatsikana mitsy ato :-D:-D:-D:-D
13. niryna ( 06/11/2007 05:48)
koffman:

ny azy no be indrindra, ny adidy vita , ny fahafinaretana tsy azo , ny tena naratra,
:-D:-D:-D



:D nanao adidy tsy nampanaovina.Rehefa ao anaty hatezerana hono na ny fandriana mavesa-be aza zakan'ilay olona tezitra! Nisy izany ary natsipiny teo alatrano ilay izy noho ny hatezerany tamin'ny vadiny.Rehefa nisinda ny hatezerany,nandeha nibata ilay fandriana izy,tsy nahazaka.Voatery niantso olona hafa hiara-hibata azy ho ao an-trano.:D
14. niryna ( 06/11/2007 05:48)
ikaretsaka:

izany no hoe "asa soa" @ fomba mihaja ry zanako



:roll:
15. niryna ( 06/11/2007 06:08)
tsimiandravola:



Torak'izany koa ity tantara kely ity:
Tratran'ny Japoney hono ity Pasitera tamin'ny andron'ny ady lehibe,ary amin'ny maha Pasitera azy dia heverin'ny Japoney ho mafy tokoa ny finoany ka tsy azo hoozongozonina mihitsy na dia ampiharina aminy aza ny fampijaliana faran'izay mahery vaika.
Tapaka ny hevitra fa hotsapain'ny Japoney izany hamafisan'ny finoana Kristianna izany.Dia hoy ny mpampijaly mantsy an'ilay Pasitera:"Izao no ataonao:tsory aminay mazava tsara ny fandavanao ny finoanao,ny fivadihanao amin'i Kristy,fa raha tsy izany dia atombokay ny famaizana faran'izay mafy ary hiafara amin'ny fahafatesanao izany".

Tsy nananosarotra mihitsy ilay Pasitera namonjy nitanisa ny maharatsy ny kristianisma ,sy ny maha "revin-gadra" ny finoana Kristianna,sy ny maha "légende" ny "Tompo"-ny.Nolazainy fa fitediavam-bola fotsiny no niraiketany sy nampianarany an'io finoana io ,ary "resaka "carrière".

Nihanahana fotsiny ny Japoney.

Io indrindra no tonga amin'ilay fitenenan'i Niryna hoe "tonga amin'ny notediaviny" ilay Pasitera.

Ka raha olona iray ve no mangalatra akoho dia ny mponina ao Alasora rehetra lazainao fa mpangalatra akoho daholo.?


Ary minoa ahy ianareo fa ny 80% n'ny Psitera sy Mopera dia ATHEE (farafahakeliny io).

Tsia ,tsy mino an'izany aho.
Ny fiainana dia misy + sy - daholo,misy lafy tsarany sy ratsy.Misy mpino an'Atra ary misy ny mpanohitra azy.

MPITORITENY 3


1 Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin'ny lanitra.

2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena;

3 Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;

4 Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;

11 Ny zavatra rehetra samy nataony ho miendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.

12 Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.

13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.

14 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.



NB:io tantara kely io dia tsy tadidiko intsony hoe taiza no hitako ,ka aza manontany ahy ny source.Misaotra!

:roll::D
Mifanohitra ny tantarako kosa ny anao e. Ny ahy olona mamaly faty sy olona manana fialonana no resahiko eto.Raha tianao ho fantatra dia mitovy .Mbola adinoko kely fa hoy ilay rangahy iray hoe" tsy fantatro ahoana no nahavitanao an'io mihoatra izay noeritreretiko.Hianao hoy izy no nanampy ahy nanantanteraka ny fikasako " Tsy vitany nanampy ilay rangahy ilay olona be fialonana fa noho izy nieritreritra nanao ratsy,iny ratsy noeritreretany iny indray no tena nanova ny fiainan'ity mpiara-belona aminy.
16. niryna ( 06/11/2007 06:22)
pissoa:

Ary minoa ahy ianareo fa ny 80% n'ny Psitera sy Mopera dia ATHEE (farafahakeliny io).

Hay ve izao no atontan'isa e ! Raha marina io dia tena RATSY tokoa ny AT ... tsy menatra akory mampiasa ny "madinika" (ie - lazain'ny athee fa donto sy mahantra hono ny booobaka aminay Kristianina) hananganana ny kariera :-D:-D:-D

=D
Hitako .Na mino an'Atra anie aky izy na tsia ,misy foana Atra e.Samy tiany ho vonjena daholo ny olona rehetra.
Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. Jaona 6:40.
Saingy Atra no namela ny devoly hanao izay zavatra ratsy ety an-tany,ary misy koa tsy manaiky ny ho vonjen'ny Tompo na fantany aza izany.
Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa. IJa 5:19
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra. II Pet 3:9




17. niryna ( 06/11/2007 06:24)
tsimiandravola:

pissoa:
Hay ve izao no atontan'isa e !
Io mihitsy ny atontan'isa araka ny fahitako azy...
Misy ara Masera ,tsy mino an'Andriamanitra mihitsy ry zareo nefa voatery mijanona masera ihany satria menatra ny "voady efa natao" (fanapahankevitra diso aloha loatra tamin'ny fahatanorana).
Mba andramo anie ny mikaoty Masera(vazaha) , à 60% manaraka fotsiny .Izaho izao efa niraiketany saika tsy afaka, fa tamana tamin'ilay nodonafako in-dray mandeha fotsiny:D

De lazaovy fa fahotana mahavery any amin'ny afobe ho an'ilay masera indray ny mba mananika ny lanitra faha-fito!:-*



Angaha hianao mpaminany sandoka no mikaonty izay any am-pon'ny olona any.Sa tsy mba nampianarina an'izany ny didy nareo hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina?
18. niryna ( 06/11/2007 06:37)
tsimiandravola:


Misy ara Masera ,tsy mino an'Andriamanitra mihitsy ry zareo nefa voatery mijanona masera ihany satria menatra ny "voady efa natao" (fanapahankevitra diso aloha loatra tamin'ny fahatanorana).
Mba andramo anie ny mikaoty Masera(vazaha) , à 60% manaraka fotsiny .Izaho izao efa niraiketany saika tsy afaka, fa tamana tamin'ilay nodonafako in-dray mandeha fotsiny:D



ka inona no olana aminao amin'izany? Izay ahazoana famonjena no tadiavinay fa tsy hi-kaonty izay masera any.Toa reraka amin'ny tsy fitiavana ny fivavahana kristiana kosa hianareo izany e.
Mbola tsy mahita valiny ihany izaho hatramin'izao hoe inona no nataon'Atra -reo anareo?
Nanasitrana,nampianatra ny aza manenjika,aza mitsara,tiava ny namanao tahaka ny tenanao? Toa tsy mahita taratra an'izany aho hatramin'izao.:D

6 Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.


18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.

19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.

20 Kanefa aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.


23 Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.

24 Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry hahare izay renareo, fa tsy nahare.
Lioka 10
19. niryna ( 06/11/2007 06:48)
tsimiandravola:

Ataovy hoe ratsy izy araka ny mahazatra anareo ê!
Fantaro nefa fa tena "agréable" ho an'ilay masera mihitsy an!:-D

Matahotra ve hianao fa tsy mari-pototra ny fitsarana olona?
Ratsy araka ny mahazatra an'iza?:oops:

Rehefa ratsy dia ratsy fa tsy misy tsaratsara-ratsiratsy izany.
Na miaraka amin'Atra na fahavalony.
Tsy ho voatery hanaraka ny tenin'Atra koa anie hianao e,raisina an-tanan-droa fotsiny ny fizarana ny tenin'Atra ho an'ny rehetra.Samy tian'Atra daholo na iza na iza samy mbola tiany ho voavonjy ihany koa.Saingy efa nomena safidy ny rehetra ka na isika miaraka aminy na isika manohitra aminy.Safidinao io.


Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika. Sal 135:5-6

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.
I Tim 2:5-6
20. niryna ( 06/11/2007 07:09)
niryna:
Mifanohitra ny tantarako kosa ny anao e. Ny ahy olona mamaly faty sy olona manana fialonana no resahiko eto.Raha tianao ho fantatra dia mitovy .Mbola adinoko kely fa hoy ilay rangahy iray hoe" tsy fantatro ahoana no nahavitanao an'io mihoatra izay noeritreretiko.Hianao hoy izy no nanampy ahy nanantanteraka ny fikasako " Tsy vitany nanampy ilay rangahy ilay olona be fialonana fa noho izy nieritreritra nanao ratsy,iny ratsy noeritreretany iny indray no tena nanova ny fiainan'ity mpiara-belona aminy.

Tsimiandravola a> Mitovy amin'io tantara noresahiko io tsy misy valaka no nahazo an'i Kristy izay nohombohana tamin'ny hazofijaliana tao Kalvary.

Efa ela no nataony Satana daholo izao rehetra izao mba hamonoana an'i kristy.Ao amin'ny bokin'ny Eksodosy dia namono ny zanaka lahin'ny Jiosy ny Farao kanefa narovan'Atra Mosesy.Ka ny zanany vavy ihany no nitaiza azy :o
Ao amin'ny TV indray dia teraka indray Kristy dia iny Heroda mpanjaka naniraka ny namono ny zaza roa taona latsaka.Na izany aza dia mbola narovan'Atra indray koa i kristy izay naniraka anjely izy niteny tamin'i Josefa mba hitondra ny zaza ho any Egypta .
Na dia nampiasa ny heriny aza izy hamonoana an'i kristy,izy indray no voan'ny nataony,nanatona ny tenany teo ambony hazo.

Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro,[u] nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
Apo 12:3-4
Io satana io.:evil: Fahavalo efa resy.
Hoy satana hoe andeha ho an'ny an-danitra aho ,hisidina avo dia avo.Kanjo izy any amin'ny afobe no misy azy ,any no misy ny fitomaniana sy ny fikotreha-nify.:cry:
Kristy indray maty teo ambony hazofijaliana ary nidina tany ambany ,nandalo ny afobe ,kanefa na ny fahafatesana azy tsy nahatohitra Azy.
:D
Satan nitady hiakatra avo dia avo :arrow: nitsingidingidina tery
kristy kosa nanetri-tena:arrow:lasa any an-danitra ,eo an-tananan-kavanan'ny Ray.:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0729