ahitan-doza ve ny mivadika finoana???

1. bosista ( 28/10/2007 18:03)
marina ve fa mahalasa adala na koa tsy mahavanombanona ,tsy mahazarizary ny mivadika finoana,sa menace fotsiny io? raha maharesy lahatra ahy ary ny fivavahana anakiray ary hitako fa mafonja kokoa ny heviny sy ny fotom-pampianarany de tsy azo atao ve ny mivadika? de hijanona foana izany aho amin'ny finoako izay misy ahy na dia hitako fa diso?
novalian'i fijo ny 07/11/2007 00:22
2. ikaretsaka ( 28/10/2007 19:00)
za aloha tsy naninona e..
za sekta nifindra katolika fa naninona aho ko naninona?
3. xxx ( 28/10/2007 19:12)
Zah koh zao nivadika , tsy manin zah zao .Io finoanao tam mbola kely io anie an'ray sy reninao no nolovainao eh! fa refa tonga saina ianao dia mahay misafidy zay tinao. Ny finoanao no mahavonjy anao.
4. xxx ( 28/10/2007 19:20)
F'angaha moa tsy maintsy mikambana amina fiangonana foana. Diniho kely : Fa maninona no tena manakana ny olona tsy hiova finoana ny antokom-pinoana iray ?
Mety ho valiny : Satria bizna izany ny antokom-pinoana rehetra sady raha dinihina anie mitovy daholo ihany ny fombafomba sns ka inona moa no ialana amin'ny iray raha hifindra any amin'ny mtovy aminy ihany??
5. pissoa ( 28/10/2007 19:40)
Misy tsy mitovy ka ! :-D:-D:-D:-D:-D
6. ikaretsaka ( 28/10/2007 19:47)
misy tsy mitovy ka.. za manokana tena nahatsaoa fahabangana be ..dia niala t@ ilay 1 taloha dia nifindra.
7. Papoose ( 28/10/2007 21:56)
za misabaka :-P
8. ikaretsaka ( 29/10/2007 00:09)
tsy de mety loatra izany ry papoose fa misamaka eo ndry izay vao .."coup double miteny.. tapy mandeha" eo!
Dominay gisitra!
9. Belle ( 29/10/2007 00:50)
bosista:
de hijanona foana izany aho amin'ny finoako izay misy ahy na dia hitako fa diso?
Matoa ianao mbola manontany hevitry ny hafa dia misalasala fa tsy resy lahatra. Inona no tokony mbola ilanao hevitra raha efa hitanao fa diso ny inoanao? Tsy mifanipaka ve izany?
10. niryna ( 29/10/2007 03:46)
Asa aloha fa samy manana ny heviny io.Ny fantatro fotsiny raha kristiana ilay olona ka miova na mihemotra(backslider na fornicator) dia ho mafy aminy ny fitsarana rehefa hatrizay.Efa nahalala izy izany kanefa nanohitra ny teny nomena azy.Raha tsy nahalala indray izy,ka izy aza tsy nahalala dia ny asa nataony no hitsaran'Atra azy any aoriana.Mafy kokoa ho an'ireny mino ireny ka mihemotra ny hanohitra ilay fanahy ratsy avy eo.
Raha trano efa nadio no tilitilin'ny satana dia sarotra ho azy irery no hiditra ao fa lasa maka namana avo fito eny izy......hanafika ao rehefa nivadika tamin'ny Tompo ilay olona.Ka dia sarotra ho an'iny olona iny ny hiverina noho izay olona mbola tsy nahalala an'Atra kanefa mora resy lahatra...:D:D
11. Jeankely ( 29/10/2007 08:29)
Efa hoe hitany fa diso hono dia mbola hanontaniana ihany hoe hijanona sa tsia. Tsy ny hafa no nilaza aminao hoe diso fa ianao sy ny fieritreritrao koa inona indray? Aza mivadika fa manaova ody fitia=))=))=))=))=)).Mahaiza mibosy tsara
12. ikaretsaka ( 29/10/2007 10:42)
ny ahy zao ilay evanjelika be ireny fa tena hitako hoe tena misy banga be sy tsy feno mihitsy ilay hoe "minoa fotsiny ihany sy le izy misaratsaraka be ireny... dia nifindra ho katolika aho!
za tsy niteny hoe ratsy ilay izy fa tsy ampy, tsy integre, tsy "whole" fa misy "hole"
13. Jeankely ( 29/10/2007 11:44)
Tsara angamba raha atao hoe tsy ampy aminao araka ny fihevitrao satria izay mijanona ao mbola mahita hoe ampy. Ny mahagaga dia ny sasany milaza hoe efa hita fa tsy tsara koa inona no hinoana zavatra hitanao tsy tsara. Fa manara-davahany ve no atao hoe finoana sa ny fo sy ny eritreritra sa ahoana e?
14. cazal ( 29/10/2007 12:11)
bosista: tsy misy antony tokony hanotaniana aloha raha ny fijeriko azy satria : raha mahay sy nandinika soratra masina MANOKANA ianao dia ho hitanao ny hipetrahana! Inona no voasoratra ary inona no eo anolohako!!!!!

fa tsy vaha-olana mitsy ny woé zao nolazain i.;;; na zao no nolazain i pasteranay sns... TOKONY hapetraka foana woé inona no voasoratra ??

DONC RAHA NY SORATRA MASINA NO DIKAINAO Dia ho meloka eo anoloan ny Tompony ianao!

toy ny lalana eo @ firenena ihany io e! rehefa mandika lalana dia voasazy! mikasika ny firenena sy ny fanjakana izany!

ny makany @ fiainana mandrak izay koa toy izany ary tsy misy risoriso na fahalalana olona na aferafera ny maky! tokana ihany no ahafahana makany !!!!
15. Kwasi ( 29/10/2007 15:50)
bosista> Raha mifindra antokom-pivavahana ianao dia tsy hitako izay ahitandoza @ izany. Betsaka no nifidy lalana hafa satria izay no hitany fa ahafahany manompo ny Tompo bebe kokoa, sy ahatsapany ny fiorenam-pinoany.

Raha mifindra finoana indray ianao, izany hoe tsy mino an'i JK ho mpamonjy ny fanahinao intsony - izay indray zavatra hafa.
16. ikaretsaka ( 29/10/2007 20:06)
a tsy vaha-olana mitsy ny woé zao nolazain i.;;; na zao no nolazain i pasteranay sns... TOKONY hapetraka foana woé inona no voasoratra ??


voasoratra aiza kay io ry cazal.. dia nosoratan'iza?

Kwasi: nga fanahy ihany no vonjen'i JK?:roll:
17. Fody ( 29/10/2007 20:25)

Ilay hoe: MIVADIKA no ratsy. Fa raha mahatsiaro tena tsy mivadika sy tsy mamadika an'i Kristy, dia izay no tena izy.

Tsy voatery hiala amin'izay Fiangonan'ny tena koa rehefa mahita fa misy zavatra tsy mandeha ao. Azo atao tsara ny mijanona ary miezaka manarina izay hita fa tsy mety sy diso. Tsarovy fa tsy ny rehetra no mahatsapa ny fahadisoan'ny Fiangonana misy azy, noho izany raha hiala ianao izay mahita ny hadisoan'ny Fiangonanao, dia ho maro ny ho diso hevitra ao; fa raha mijanona ao kosa ianao ka mandray ny anjara birikinao amin'ny maha-kristiana anao (ratsam-batan'i kristy) miara-miasa amin'izay mpitondra manarina ny lesoka, dia ho maro no ho voavonjy. Mety hisy hanenjika ianao sns, nefa fantaro fa na i Kristy koa aza dia nohenjehana. Aza manao hoe: dia izaho bitika ity ve dia hahavita inona? Mahatokisa an'Andriamanitra dia tsy ho irery ianao.

Raha ohatra moa ka tena hitanao fa tsy misy hevitra mihitsy ny hanarenanao ny hadisoana misy ao, dia mandehana araka izay lazain'i feon'ny eritreritrao, izay tsy inona fa Feon'Andriamanitra mibitsika aminao.
18. ikaretsaka ( 29/10/2007 20:30)
HS kely aloha alohan'ny hanitarana azy
samihafa ny "mivadika" sy ny "mifindra" ary ny "miverina"an

Raha Silamo lasa Kristianina dia "mivadika"
fa raha Propesta lasa Advantista dia "mifindra"
Raha Propesta lasa Katolika dia "miverina"
19. cutie ( 29/10/2007 21:28)
tsy ahitan-doza ny mivadika finoana, refa hainao le hinoanao.:lol::lol::lol:
20. ikaretsaka ( 29/10/2007 22:12)
namaste njy ry cutie
eka ouzz
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2155