Halloween?Tokony hankalaza ve ny kristiana?

61. niryna ( 31/10/2007 04:26)
fijo:

mahagaga ahy ny fahaterena misy amin'ny sain'ny mpino sasany.azafady fa tena "fahaterena no fahitako ilai izy.fety io,de izay.aza raisina hoe fety misy sarina mpamosavy na devoly na anjely fa fety./mifalia de mihinana,fa fety ny andro.

Tsy misy manery ka indrindra fa tsy mino Azy ka izay ilay lalana midadasika,afaka mandeha any izay tsy tia manaraka ny tenin'Atra.Mbola omeny fotoana foana ny rehetra ,rehefa tonga ny fotoana tsy hisy intsony ny fotoana fa izay voasoratra dia ho voasoratra.

62. niryna ( 31/10/2007 04:28)
LazaDaddy:

fijo> ilay fanontaniana mipetraka anie dia izao e:
Halloween?Tokony hankalaza ve ny kristiana?
dia ao anatin'ny fisainana sy finoana Kristianina no hamaliany azy angamba ka izay no mahatonga anao hilaza azy hoe
fijo:
azafady fa tena "fahaterena no fahitako ilai izy
satria ifantoka @ ilay finoana Kristianina ilay fijeriny fa tsy mivelatra @ mpamosavy sy devoly araka ny teninao :)


misaotra anao .=D :-*:-*
63. niryna ( 31/10/2007 04:32)
Rasiligaoma:

Kristianina koa aza adino fa olon'izao tontolo izao, mbola eto an-tany isika fa tsy any an-danitra akory, ary mbola société-na olona eto an-tany no misy antsika

Ny jiro dia atao eo ambony avo tsara ho tazana sy hanazava ny ao anaty maizina.Olon'izao tontolo izao?
Izay indrindra no hiadiana andro aman'alina.Tsy ny nofo aman-dra no miady fa ny fanahy maloto izay apetrak'i satana handravana ny mpianakavy,mpivady,mpihavana, mpinamana ary ny manodidiny.
Izany no mahatonga antsika mila miambina andro aman'alina.Tsy ho potraka na hanaiky hilazan'ireo izay manoro voana,tsy mijery ny ao anaty baiboly fa izay saim-patany ihany.Mampalahelo kanefa safidiny io

64. niryna ( 31/10/2007 04:33)
LazaDaddy:

Rasiligaoma> inona moa no tianao ambara @ ilay hoe "olon'izao tontolo izao"?


Izaho koa mba saika hanontany :D
65. niryna ( 31/10/2007 04:37)
Rasiligaoma:

>mbola eto an-tany no miaina! efa io nohazavaiko eo ambony io fa aza tsimponina


Miaina eto an-tany tsy midika fa olon'izao tontolo izao?
Olon'izao tontolo izao amiko dia ireo olona manaraka ny filan'ny nofo,tsy mety resy lahatra fa misy Atra.Matahotra ny ho fantatra fa marina izay voalaza ao anaty baiboly kanefa manao izany izy dia toheriny foana ny tenin'Atra.Ireo no karazan'ny olon'izao tontolo izao.Mihaina amin'izao tontolo izao ny olona izay tena kristiana,efa lasa mpanompo an'Atra fa tsy manaiky ho olon'izao tontolo izao intsony.Lasa olon'Atra indray.

66. niryna ( 31/10/2007 04:44)
LazaDaddy:

aleo fa tsy tsiponiko aza e :)
Rasiligaoma:
Kristianina koa aza adino fa olon'izao tontolo izao, mbola eto an-tany isika fa tsy any an-danitra akory, ary mbola société-na olona eto an-tany no misy antsika
Ny Kristianina olon'Andriamanitra fa tsy olon'izao tontolo izao :)




:D
Rasily a> Jaona 3:16-17 no milaza fa ny olon'izao tontolo izao,fa rehefa nanomboka nino an'i Kristy izy ireo dia lasa olon'Atra.Voavidin'ny ran'i Kristy.
Jaona 3
16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
67. ikaretsaka ( 31/10/2007 13:51)
misy teny izay manao hoe
" Raha niara nisotro ny aleoko maty t@ Jesoa Tompo isika ka manana fahafahana, dia tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any da santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra"

tsy hoe Zanak'A/tra dia hi flotte flotte eo.. :roll:

"atomboy ety an- tany ny paradisa hoy ny zezoita e"
68. LazaDaddy ( 31/10/2007 21:39)
karetsaka:
"atomboy ety an- tany ny paradisa hoy ny zezoita e"
mba farito sy hazavao kely r ikaretsaka izany paradisa izany aza aloha fa atombok'isika a :)
69. fijo ( 31/10/2007 22:57)
laza,amafisiko ny voalazan'i rasiligaoma ery ambony sy ity lazain'ika ity.eto antany aloha isika,dia izay misy eto koa mba arao.
omeko ohatra ise.
izahay moa miparitaka be rahaity finoana ity.
ny rainay.tsy mbola itan'ny masonay niditra fiangonana izany mandrapahafatiny.nefa tsy tiany mihintsy aho raha vao mananihany fiangonana.tsy haiko lery na ninon na tsia.
ny reninay protestanta voto finoan abe.sy ny zokiko vavy.
ny zokiko lahy matoa katolika le mpilalao saple ireny.(ny zanany vavy roa izao prtes)
ny zokiko eo alohako(makorelina finoana)taloha lery protes dia toa nivadika silamo,dia izao za farany tany izao toa lasa hoe jiosy ino aizany indray.(misaron doha ny vadiny sy ny zanany)

ka io no hakako ohatra.
i lery io rehefamiaraka izahay any,dia olana be,fa tsy misy hoaniny izay hoaninay rehetra,fa fady ny finoany hono;
de isaky ny hiaina dia lasa olana hoe ary i J....
satria lery efa toa tsy mijery izay eto an tany fa ny tsy hita foan ano handrandrainy.
70. niryna ( 01/11/2007 04:57)
ikaretsaka:

misy teny izay manao hoe
" Raha niara nisotro ny aleoko maty t@ Jesoa Tompo isika ka manana fahafahana, dia tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any da santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra"

tsy hoe Zanak'A/tra dia hi flotte flotte eo.. :roll:

"atomboy ety an- tany ny paradisa hoy ny zezoita e"

flotte mankaiza,sao lasa mandeha any Ikopa amin'ny farany. Angaha mora ny manara-dia an'i Kristy.Raha misy te-hanaraka ahy hoy izy dia aoka izy hilanja ny hazofijaliako .Aiza moa izy io ry ika :D
Toa lasa mitovy ilay finoana iray milaza fa tsy misy ny paradisa koa hianao izany fa ety an-tany no manomboka. Kanefa isika hono mpivahiny fa any an-danitra vao mahazo karamaintso sy citoyen maimai-poana,tsy vidiam-bola tsy misy tebiteby fa tonga dia guarantie 100% :D:D
71. niryna ( 01/11/2007 05:02)
fijo:

laza,amafisiko ny voalazan'i rasiligaoma ery ambony sy ity lazain'ika ity.eto antany aloha isika,dia izay misy eto koa mba arao.
omeko ohatra ise.
izahay moa miparitaka be rahaity finoana ity.
ny rainay.tsy mbola itan'ny masonay niditra fiangonana izany mandrapahafatiny.nefa tsy tiany mihintsy aho raha vao mananihany fiangonana.tsy haiko lery na ninon na tsia.
ny reninay protestanta voto finoan abe.sy ny zokiko vavy.
ny zokiko lahy matoa katolika le mpilalao saple ireny.(ny zanany vavy roa izao prtes)
ny zokiko eo alohako(makorelina finoana)taloha lery protes dia toa nivadika silamo,dia izao za farany tany izao toa lasa hoe jiosy ino aizany indray.(misaron doha ny vadiny sy ny zanany)

ka io no hakako ohatra.
i lery io rehefamiaraka izahay any,dia olana be,fa tsy misy hoaniny izay hoaninay rehetra,fa fady ny finoany hono;
de isaky ny hiaina dia lasa olana hoe ary i J....
satria lery efa toa tsy mijery izay eto an tany fa ny tsy hita foan ano handrandrainy.



Ka izay no mahatonga hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza.Hianareo izao sady tsy an'ny atsy no tsy an'ny aroa.Nanao izay fantany ihany ny mamanao saingy ny mpaminany tsy masina an-taniny.
Dia io ary fa mipetraka ilay hoe samy manana ny finoany ary tsy mitovy ny Atra hivavahany koa mazava ho azy anie izany fa samy maka ho azy .Dia io indray fa misy finoana vaovao ny an'i fijo.Tena lasa mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra indray ary.Dia manjary tsy misy vondrona intsony.Izay miaraka vato fa izay misaraka fasika.Tena mampalahelo izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4633