Halloween?Tokony hankalaza ve ny kristiana?
41. Papoose
(
30/10/2007 00:44)
niryna:
Marina izany ary tsy mandaha aho fa misy fanazavana maro any rehetra any,ilay izy lasa nivadika no mampatonga ahy hanontany hoe tokony hankalaza ny fetin'ny maty sy ny fetin'ny devoly ve ny kristiana.Angaha tsy hitanao io origine nolazain'ika io,izay mitovy ny fanazavako amin'ny teny gasy.
Mifaly ny olona amin'ny vokatra maro nankarina ary misaotra izy amin'izany ka ny voatavo sy ny vomanga sy izay karazany maro no feno sady izay koa moa miova ny toetr'andro dia lasa orange daholo ny na ny ankanjo hanaovana aza.Fa taty aoriana ilay izy dia lasa niova ary dia mankalaza ny fanahin'ireo maty ary dia manao akanjona devoly !!.
Misy tokony hifandraisana amin'ny mpino ve izany manao akanjona devoly sy maska devoly izany?
Tamin'ny mbola tsy nahalala ny tena dia nitondra ny zanako nandehandeha aho fa tsy nisy saina ratsy tao ary tsy nahafantatra fa mba mandeha ny olona dia nandeha ka.Taty aoriana dia nampifantariko azy izany toy ny dadabe noely ihany io.
Pissoa ,maro be anie ny ankizy no very tsy hita trace amin'io andro io aty aminay e.:cry::cry:
Ny voan'ny accident moa dia tsy tenenina intsony satria mifampitoraka atody na mitoraka atody eo anoloan'ilay fiara ireo tanora manao maska.Diniho amin'izany fa lasa mitatra ratsy hatrany ny saina ,manao maska:mangalatra ankizy,manao maska:mitoraka sy mietraketraka fa tsy misy mahita ny tarehy.Asa izany na asan'iza na iza.:idea:
Zao ary e!
Hitako tsara ilay fanazavana eo ambony nataon'Ika ka, ary tena marina fa niova izy taty aoriana. Ka raha miresaka fiovana ihany dia tsy akanjona devoly ihany no hita ao fa karana costume betsaka! Miova manaraka ny generation ilay izy ka miverina foana @ilay efa voaverimberina hoe safidy io na Kristianina aza ianao! Hevitro zay!
Jereo raha miresaka fankalazana ny 26 Jona, fankalazana ny fahaleovantena io raha ny tokony ho izy fa betsaka ny olona manao bizna na fireworks ohatra, dia ahoana?? dia tsy tokony ankalazaina ve satria lasa danger ho an'ny olona?
(Tsy nampidirako resaka maha-Kristianina io saingy betsaka ny sujet afaka ampifandraisana @zay maha-Kristianina izay)
42. niryna
(
30/10/2007 04:43)
LazaDaddy:
Hoy i lehilahytsyresy::
Ny Kristianina dia toy ny olombelona rehetra: LIBRES.
1) Tsy ny olombelona rehetra no libre
2) Libre midanadana koa ny vavahady mankany @ fahaverezana, afaka makany ianao raha izany no tianao ampiasana ny liberty-nao.
=D
43. niryna
(
30/10/2007 04:59)
ikaretsaka:
miaraka ohatra hoe miaraka misakafo, miresaka sns.... manome rariny, sns...
dia nga raha manao haloween mijangajanga?
Ity anie fetin'ny devoly e,mankalaza ny fetin'ny ny tsy mpino izay voalazako eo ambony.Tsy afaka miaraka ny fiderana an'Atra sy ny fiderana an'i satana ao am-piangonana.Kanefa maro ireo olona no mampiditra an'io ao.
Matio 6:24
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna hianareo.
DEOTORONOMIA 30
15 Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
16 tamin'ny nandidiako anao andro-any ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny làlany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona hianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino hianao, fa voataona hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
18 dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa hianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana hianareo.
19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao,
44. niryna
(
30/10/2007 05:02)
Papoose:
Le izy associee @resaka culture dia safidy io fa tsy hoe tokony na tsia araka ny voalazan'ny namana sasany eo ambony!
Eritrereto ihany hoe raha Krisitianina ny olona iray ka handeha ho any @ firenana slamo ray hanao vacances ohatra dia handeha hanontany koa v hoe, sao de tokony tsy hanao vacances any @reny toerana ireny fa Kristianina:?:
papoose a,rehefa tsy mahafantatra ilay olona dia tsy maninona tsy anome tsiny Atra fa raha mahafantatra kanefa minia manao fanahiniana dia izay no zava-doza.
Zaro amin'ny lalana tokony alehany hono ny zaza.Raha mbola kely izy izany asianao mijery ireo zavatra ireo ary am-pahafantarinao aminy ny antony hankalazan'ny olona dia ho fatany tsy ho ela ny tokony ataony na tsia.
45. niryna
(
30/10/2007 05:09)
lehilahytsyresy:
:^)Ny Kristianina dia toy ny olombelona rehetra: LIBRES.
Donc afaka mankalaza Halloween amim-pahafahana izy.
Ny mety hoe tsy azony atao angamba dia ny mampifangaro ny Halloween amin' ny fety relijiozy.
Ny fiangonana Kristianina (ankoatry ny sekta sy ny cults) dia manana fahafahana, fa tsy misy hoe fanerena tery-vay-manta sy brainwash toy ny an' ireo sectes extremista.Misy aza moa miteny fa hoe tsy tokony hanao fety koa ny olona rehefa krismasy. hihihi... tsss...:D Zany ve de mba tiako ? :lol:
Dia omena safidy izany hianao ka mba zarao ny ankizy ity
http://www.chick.com/reading/tracts/1825/1825_01.asp
46. niryna
(
30/10/2007 05:12)
ikaretsaka:
rehefa tsy mahafaty dia ataovy:
Esory ao an-tsaina ho'a le hoe rehefa Zavatra tsy hay ny manazava azy dia ratsy izay!
tsy hoe rehefa avy nanao halloween akory dia lasa olon-dratsy sy lasa mpamono olona-> donc tsy tokony raisina sy atokana hoe ratsy ny manao izany!
fantaro foana aloha! dia iaino! alohan'ny hitenitenenana be fahatany!
niryna:
Haloween=Eve of All Hallows
misy antony izany ireo andro manaraka an'io:
1 Novambra= All Saints Day
2 Novambra= All Souls Day
Reveillon mialohan'ny fetin'ny n'ny fanahy izany ilay izy, na ny masina na ny tsy masina!
Dia ankalazao koa ireo fety ireo : Ohatran'ny hoe New Years Eve de ny ampitso New Years! (dia manao reveillon ny olona. dia ny ampitso misy fankalazana!)
Dia mankalaza aza ny fety fa tsy maninona ka
Zarao ny ankizy ity,afaka manao akanjo izay tiany ny rehetra.:D
http://www.chick.com/reading/tracts/0063/0063_01.asp
47. niryna
(
30/10/2007 05:23)
ikaretsaka:
miaraka ohatra hoe miaraka misakafo, miresaka sns.... manome rariny, sns...
dia nga raha manao haloween mijangajanga?
Tsy mitovy mihitsy izany ry ika.Raha hoentin'ny olona ho any amin'ny mpanao fanafody gasy ve hianao fa haka tapakazo anaovana ody varotra na ody fitia dia andeha?
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo.Ny mitovy ihany no miaraka indrindra raha resaka finoana an'i kristy.
I MPANJAKA 18
21 Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
Happy Hallowenn Ikaretsaka sy izay mankalaza an'io !!
http://www.chick.com/reading/tracts/0058/0058_01.asp
(teny anglisy)
http://www.chick.com/reading/tracts/0553/0553_01.asp
(teny espagnol)
48. niryna
(
30/10/2007 05:32)
cazal:
niryna :
zavatra efa hita izao ve fa zavatra tsy mitombina dia mbola atao?
ny fanotaniana tokony hipetraka ao antsain ny TENA kristianina dia woé aiza ho aiza ao anatin ny baiboly no misy izany?
raha mandinika sy efa nandinika ny baiboly ianareo dia hahita fa hay ireny ily fetin ny jetilisa voalaza ao ..... iza no ao ambadikan ireny? satria tsy misy afa tsy SAFIDY 2 ihany na @ Andriamanitra na @ Devoly, tsy msy akoatr ireo koa dia anjaran'ny tsirairay no mifidy izay lalan-kalehany tsy misy an-tery, fa samy hotsaraina avokoa ny olona rehega araka ny zavatra nataony tsirairay tsy misy azo anilihina woé ka i .... no nampianatra an izany na i.. dadanay sns... TOMPON'ANDRAIKITRA NY TSIRAIRAY AMIN NY SAFIDY ATAONY
misaotra anao.
Tian'Atra ny ho voavonjy daholo isika saingy nomeny safidy tokoa ny tsirairay na hijanona amin'izao na hitady famonjena
http://www.chick.com/reading/tracts/0795/0795_01.asp
Ity ny fampanantenana nomeny antsika
"Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika." Gal 6:8-9
49. niryna
(
30/10/2007 05:40)
ikaretsaka:
mamalankira indray i Laza!
Ny "manome rariny" lazain'i Jesoa Dia ny nanala ilay fisainana hoe satria ireny mpanota sy jiolahy sy poblikanina sy samaritanina dia avakavahana! azo @ izay?:-D
Tsy manavakavaka ilay izy fa hoe moa ve hianao hiaraka hanao fanatitra amin'ny devoly?
Fantatrao ny tiako ho lazaina.Andeha hanao fanatitra izany hianao? Efa vita ny fanatitra ary ny ran'i Kristy no fanatitra tokana namonenjena ho antsika tsirairay avy.Vita hoy izy,tapitra a,tsy misy intsony !!!
Dia izao no hiafaran'izay tsy manaraka ny tenin'Atra :oops:
http://www.chick.com/reading/tracts/5007/5007_01.asp
50. niryna
(
30/10/2007 05:47)
Papoose:
niryna:
Marina izany ary tsy mandaha aho fa misy fanazavana maro any rehetra any,ilay izy lasa nivadika no mampatonga ahy hanontany hoe tokony hankalaza ny fetin'ny maty sy ny fetin'ny devoly ve ny kristiana.Angaha tsy hitanao io origine nolazain'ika io,izay mitovy ny fanazavako amin'ny teny gasy.
Mifaly ny olona amin'ny vokatra maro nankarina ary misaotra izy amin'izany ka ny voatavo sy ny vomanga sy izay karazany maro no feno sady izay koa moa miova ny toetr'andro dia lasa orange daholo ny na ny ankanjo hanaovana aza.Fa taty aoriana ilay izy dia lasa niova ary dia mankalaza ny fanahin'ireo maty ary dia manao akanjona devoly !!.
Misy tokony hifandraisana amin'ny mpino ve izany manao akanjona devoly sy maska devoly izany?
Tamin'ny mbola tsy nahalala ny tena dia nitondra ny zanako nandehandeha aho fa tsy nisy saina ratsy tao ary tsy nahafantatra fa mba mandeha ny olona dia nandeha ka.Taty aoriana dia nampifantariko azy izany toy ny dadabe noely ihany io.
Pissoa ,maro be anie ny ankizy no very tsy hita trace amin'io andro io aty aminay e.:cry::cry:
Ny voan'ny accident moa dia tsy tenenina intsony satria mifampitoraka atody na mitoraka atody eo anoloan'ilay fiara ireo tanora manao maska.Diniho amin'izany fa lasa mitatra ratsy hatrany ny saina ,manao maska:mangalatra ankizy,manao maska:mitoraka sy mietraketraka fa tsy misy mahita ny tarehy.Asa izany na asan'iza na iza.:idea:
Zao ary e!
Hitako tsara ilay fanazavana eo ambony nataon'Ika ka, ary tena marina fa niova izy taty aoriana. Ka raha miresaka fiovana ihany dia tsy akanjona devoly ihany no hita ao fa karana costume betsaka! Miova manaraka ny generation ilay izy ka miverina foana @ilay efa voaverimberina hoe safidy io na Kristianina aza ianao! Hevitro zay!
Jereo raha miresaka fankalazana ny 26 Jona, fankalazana ny fahaleovantena io raha ny tokony ho izy fa betsaka ny olona manao bizna na fireworks ohatra, dia ahoana?? dia tsy tokony ankalazaina ve satria lasa danger ho an'ny olona?
(Tsy nampidirako resaka maha-Kristianina io saingy betsaka ny sujet afaka ampifandraisana @zay maha-Kristianina izay)
Tsy afaka ny andresy lahatra ny rehetra aho sady tsy anjarako izany,ny anjarako fotsiny dia ny mampiseho ny zava-misy.Avy taiza no niandohan'io fety io.Maninona no betsaka ny zaza very rehefa tonga io fotoana io.Ny andro hafa very fa misy chance hoe hita ihany fa ity andron'ny satana ity dia ataony sorona an'ny satana ny zaza.Io izany ilay fanatitra.(sacrifice).
Tsy misy hidiran'ny fetin'ny 26 juin mihitsy ilay izy ka.
Mahereza daholo ary e.:D
Jaona 10:10-11
10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
51. ikaretsaka
(
30/10/2007 21:36)
efa nohazavaiko an'i niryna foana ireo.. fa niryna moa ny azy ihany ny asesiny ko:roll:
52. fijo
(
30/10/2007 22:21)
mahagaga ahy ny fahaterena misy amin'ny sain'ny mpino sasany.azafady fa tena "fahaterena no fahitako ilai izy.fety io,de izay.aza raisina hoe fety misy sarina mpamosavy na devoly na anjely fa fety./mifalia de mihinana,fa fety ny andro.
53. Rasiligaoma
(
31/10/2007 03:13)
miombon-kevitra!
raiso ohatran'ny hoe vazaha sendra any M/Kara amin'ny andro famadihana ny tenanao! fety io ko!
raiso ohatran'ny hoe vazaha sendra any M/Kara amin'ny andro famadihana ny tenanao! fety io ko!
54. LazaDaddy
(
31/10/2007 03:24)
fijo> ilay fanontaniana mipetraka anie dia izao e:
Halloween?Tokony hankalaza ve ny kristiana?dia ao anatin'ny fisainana sy finoana Kristianina no hamaliany azy angamba ka izay no mahatonga anao hilaza azy hoe
fijo:satria ifantoka @ ilay finoana Kristianina ilay fijeriny fa tsy mivelatra @ mpamosavy sy devoly araka ny teninao :)
azafady fa tena "fahaterena no fahitako ilai izy
55. Rasiligaoma
(
31/10/2007 03:27)
Kristianina koa aza adino fa olon'izao tontolo izao, mbola eto an-tany isika fa tsy any an-danitra akory, ary mbola société-na olona eto an-tany no misy antsika
56. LazaDaddy
(
31/10/2007 03:33)
Rasiligaoma> inona moa no tianao ambara @ ilay hoe "olon'izao tontolo izao"?
57. Rasiligaoma
(
31/10/2007 04:07)
>mbola eto an-tany no miaina! efa io nohazavaiko eo ambony io fa aza tsimponina
58. LazaDaddy
(
31/10/2007 04:15)
aleo fa tsy tsiponiko aza e :)
Rasiligaoma:Ny Kristianina olon'Andriamanitra fa tsy olon'izao tontolo izao :)
Kristianina koa aza adino fa olon'izao tontolo izao, mbola eto an-tany isika fa tsy any an-danitra akory, ary mbola société-na olona eto an-tany no misy antsika
59. niryna
(
31/10/2007 04:20)
niryna:
Happy Hallowenn Ikaretsaka sy izay mankalaza an'io !!
http://www.chick.com/reading/tracts/0058/0058_01.asp
(teny anglisy)
http://www.chick.com/reading/tracts/0553/0553_01.asp
(teny espagnol)
Ka tsy mba nijery ity sary nisy nandefa ity hianao kay kou ”
http://www.chick.com/tractimages37172/0058/0058_16.gif
Page 16
Ny ankizy hono lazainy eto fa tia mankalaza ny halloween kanefa tsy mahafantatra na inona na inona ny ao ambadika.Inona izany ambadika izany ry ika?
http://www.chick.com/tractimages37172/0058/0058_17.gif
Page 17
Loza ity fa tsy kivazivazy ilay izy hono ho an'ireo satanist sy ireo mpiara-dia aminy.:roll:
http://www.chick.com/tractimages37172/0058/0058_18.gif
Page 18
http://www.chick.com/tractimages37172/0058/0058_19.gif
Page 19
Ary maninona io rangahy io no miteny hoe kristy tsy tia ilay halloween?
http://www.chick.com/tractimages37172/0058/0058_20.gif
Page 20
Nataon'i satana daholo izay hevitra rehetra tsy ahatanterahana ny hafatr'Atra.
Halloween hono manokatra varavarana ho an'ny satanism
60. niryna
(
31/10/2007 04:24)
ikaretsaka:
efa nohazavaiko an'i niryna foana ireo.. fa niryna moa ny azy ihany ny asesiny ko:roll:
2 kor 6:13-14
13 Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mahalalaha kosa hianareo.
14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina?
17 "Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehovah. Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha"(Isa.52.11.12).
Hafan'ny kristy daholo ireo fa tsy avy aty amiko .
