Inona no hataoko?
1. deric
(
22/10/2007 12:57)
Teraka tamin’ny 27 Novambra 1970 aho. Katôlika ny Raibeko sy ny Renibeko, katôlika koa ny Raiko sy ny Reniko. Mazava arak’izany fa tokony ho katôlika koa angamba aho raha lovaina io anaram-piangonana io.
Vita batemy hono aho, ataoko hono satria tsy tsaroako ny nanaovana ahy an’ izany.
Ny zavatra tsapako dia tsy dia nazoto nankany ampiangonana loatra ny tao aminay, fa ireo zokiko no mba mankany ihany. Indraindray koa dia tsaroako fa entiny manarak’ azy ireo aho.
Metimety ho tany amin’ny faha dimy na fahaenina taonako angamba no mba tsaroako farany niarahako tamin’ireo zokiko nankany am-piangonana ; tsy nazoto intsony aho satria tsy tantiko ny hanoana,toa atoandro be mantsy ny firavan’ny fotoam-pivavahana. Marihiko fa na dia nankany ampiangonana aza aho dia tsy misy fantatro ary tsy misy haiko izay atao ao ; tsaroako aza fa rehefa nilahatra hihinana ny vatan’i Kristy tery aloha ireo zokiko, dia mba saiky handeha koa aho fa nanairy ny hihinana ; tamin’izany dia norarana aho , eny nasaina nipetraka mihintsy aza.
Satria hitako fa samy mihinana avokoa izay rehetra tonga eny aloha, dia nanantena ny mba hitondran’ireo zokiko aho, nefa indrisy. Tsy naharitra aho fa nangataka taminy raha izy mbola nandohalika iny, sady nihomehezany aho no nokapohiny ny tanako.
Ny alahady taty aoriana moa dia tsy nazoto intsony aho, nataoko fanalako ny tenako ny hoe : « tsy tantiko ny ny miaritra hanoanana fa ela be vao mirava ».
Indray andro anefa tany am-pianarana, 10 taona tany ho any aho, dia masaka ny karajianay samy zatovo mpiara-mianatra: rehefa nandeha ny resaka sy ny tantara dia tonga tamin’ny resaka “fara andro ».
Satria maro ny mpikarajia dia samy nanana ny filazany ry zalahy, mihaino fotsiny no anjarako:
- ao any nilaza fa hisy safo-drano ka ho maty an-drano avokoa ny olona rehetra
- ao koa ny nilaza fa afo no hilatsaka avy any an-danitra handoro ny olona ety an-tany
- nisy koa no nilaza fa ho tonga ny adin’ny firenen-drehetra ka hipoaka avokoa ny baomba rehetra any an-dafy, dia samy maty daholo; ka rehefa maty dia Andriamanitra ihany no mandevina dia tsarain’Andriamanitra ny fanahy dia misy atsipy any amin’ny afobe, fa misy entiny any am-paradisa
Ny hany nitambaran-dry zareo nanan-kolazaina tamin’io fara andro dia ny hoe: “amin’ny taona 2000”
Na dia mpihaino fotsiny aza aho, mandinika izay voalaza, ninoako ireo tantara ireo ary ny tena natahorako dia ilay hoe “ho maty”, “ho dorana”, “ho amin’ny afobe”. Toa ninoako avy hatrany fa mananitanina ahy ireo loza amin’ny taona 2000 ireo.
Ny hany mba nandraisako anjara tamin’ity tantara iray ity dia ny fanontaniko hoe : « dia inona ry zalahy no tokony hatao mba tsy ho may any amin’ny afobe any?”
Maromaro ihany ny namaly fa ny tena raikitra tao an-tsaiko dia ny hoe: “mianara katesizy letsy a, dia amin’izay ialahy ho mpikôfesy, dia hatao kôminio voalohany ary dia ho mpandray Kôminio”.
Na dia efa tafiditra tao am-pianarana aza aho dia niverimberina tao an-tsaiko ihany ilay hoe “katesizy, kôfesy, kaôminio”
Iny andro iny ihany, raha vao tonga tany an-trano aho, dia niteny avy hatrany tamin’ny ray aman-dreniko hoe: hianatra katesizy aho ka hanao kôminio voalohany.
Nahataitra ny olona ihany io fanapahan-kevitro io, satria efa nisy fotoana nanambatambazana ahy tamin’izany, eny notambazana ankazo sy kiraro vaovao mihintsy aho rehefa hatao kôminio voalohany, saingy tsy nisy nampihontsana ahy na dia kely akory izany.
Ity fanampahan-kevitro ity dia tsy nitadiavako tambiny fa fikirizako handosirako ilay fahafatesana sy ny afobe.
Io fotoana io indrindra dia efa hanomboka ny fianarana kaofirimansiona indray ny zokiko iray. Dia nasaina niaraka taminy aho, kanjo rehefa tonga tany amin’ilay Masera mpampianatra dia nasaina nody aloha fa tsy maintsy misoratra anarana any amin’ny sefo kartie hono.
Dodona aho ka tsy nangatak’andro fa avy dia nankany amin’ ilay sefo kartie izaho sy ilay zokiko iray. Ka rehefa nambaranay azy fa hisoratra anarana amin’ny fianarana Katesisy aho, dia tsy taitra akory izy namaly anay hoe: “Aiza ny karne fandoavanareo adidy?” tsy tadidiko tsara na adidy momba ny inona na inona no aloa any am-piangonana, ka isaky ny mandoa dia raiketina ao amin’ilay karne izany. Teo noho eo ihany dia nihazakazaka nody aho, naka ilay karne tamin’ny Mamanay, ka nitondra izany ho amin’ilay Ramatoa sefo kartie.
Teo ampandinihany ilay karnenay anefa dia hitako nanodinkodin-doha izy, farany moa dia niteny izy hoe: Mbola maro be ny adidy tsy vitanareo, ka aloavy aloha ireo izay vao azoko raisina anarana ianareo;sady natolony anay ilay karne.
Nony tonga tany an-trano izahay ka nanao ny tatitra tamin’ny ray aman-dreniko, dia ilay tenin’ ilay ramatoa sefo kartie, nefa rahampitso indray hoy I Mamanay.
Tonga ihany ny ampitso izay efa tsy andriko nandritra ny alina, hiverina any amin’ilay sefo kartie indray izahay, nohazavain’ny Mamako tamiko anefa ny tsy fisian’ny vola tao an-trano; koa noho izany dia tsy nitondra vola izahay fa teny no ho entina any amin’ilay Ramatoa: “Soraty ihany hoe ny anarako fa rehefa amin’ny faran’ny volana dia haloa avokoa ireo vola ireo, hoy Mamanay sy Dadanay”
Tsy misy hevitra, tsy misy hevitra! Izany no tena ventin’ilay valin-teny, tsy nanan-kalahatra intsony aho fa efa nidiran’ny fahadisoam-panantenana. Ilay zokiko anefa dia mbola niangavy fatratra ihany ny mba handraisana ny anarako ao amin’ny lisitra, nefa indrisy.
Tsy nisy mihitsy ny rirany izay mba azo honidirana. Tsy azoko nolazaina hoe nody maina izahay fa tamin’alahelo lehibe no nodiako, impolo kely izao aho no mamaoka ny ranomasoko tamin’ny tanan’akanjoko, eny maizina tamiko ny tany aman-danitra, tsapako fa tapaka ny tetezana saika mba hiampitako, nihidy tamiko ny varavaran’ny lanitra.
Tsy fantatro na nety ny hevitro na tsy nety tamin’izany fotoana izany: Dia izay vola ve? Nefa dia ekena fa haloa! Nefa dia izany no tsy nandraisana ny anarako!
Niady ny saiko, toa efa hitako Andriamanitra mandray ny soroko ka manao hoe “ao amin’ny afobe no anjaranao”.
Niady ihany ny saiko, aiza indray re no halehako e! Inona indray re no hataoko e!
Kivy tanteraka aho ary heveriko fa izany angamba no tena famoizam-po teo amin’ny fiainako; fiainianana no novolavolain’ny saiko, voady avy hatrany no nipololotra teo amin’ny molotro: raha izaho tsy mila mivavaka izany intsony, satria efa nivonona hivavaka aho nefa nosakanana tamin’ny alalan’ izay vola tsy voaloan’ny ray aman-dreniko. Tsy azon’izan’iza resahina amiko izany fivavahana izany, fa rehefa hatsipin’Andriamanitra any amin’ny afobe aho dia hambarako azy aloha hoe: izaho vonona ny hivavaka, saingy ilay sefo kartie no nisakana ahy e!; na hahafaka ahy izany na tsia dia hambarako ihany fa tsy dia safidiko ny ho may ao an’afobe.
Tsy hotohizako intsony izay adihevitry ny mpianakavy taorian’io fa tsy nisy nifantohan’ny saiko intsony hafa-tsy ny hoe: “tsy mila fivavahana aho, avelao any amin’ny afobe rehefa izay no anjarako”
Ny hany sisa nanomezako toky ny tenako tamin’izany dia ny hoe: Efa olon-dehibe aho amin’izany taona 2000 izany ka tsy efa mba tsy matahotra izay zavatra hitranga sy ho avy eo; ary afaka hifandahatra tsara amin’Andriamanitra ny antony nahatonga ahy tsy hivavaka intsony.
Teo no azoko nolazaina fa nanaisotra ny tenako tamin’ny finoana katolika aho, eny nanaisotra tenako tamin’ny fivavahana koa aza, ary na dia misy aza ny fanontaniana hoe inona ny finoanao dia sahiko ny milaza fa “tsy misy”, izany hoe tsy mino na amin’iza na amin’iza aho.
Nitombo aho, nihelehibe, nefa tsy nahalala ny resaka fivavahana.
Niriko anefa ny mba ho mpivavaka be, niriko mihintsy ny ho tonga mpitarika olona amin’ny fiavavahana, mba handositra izany afobe izany; nefa indrisy fa rava ilay izy, rava noho ny anarako tsy voaray ho isan’ny mpianatra katesizy, rava noho ny adidy tsy voaloa tamin’ny fiangonana,.rava noho izaho efa nanapan-kevitra fa tsy hivavaka intsony.
Na dia mbola nitohy aza ny tantarako dia faranako eto izay noheveriko fa hosoratako ho anao mpamaky.
Azonao atao tsara ny mandiso ahy amin’izay mety ho fahadiasoako, na milaza izay mba hevitrao ny amiko sy ny fanapahan-kevitro. Mety mba misy mitovy tantara amiko ve?
Na dia mbola hametraka fanontaniana amiko koa aza ianao dia tsy atoko ho olana izany fa hamaly izay azoko valiana aho.

novalian'i niryna ny 02/11/2007 18:13
2. bozyboleta
(
22/10/2007 14:21)
Ozy enao @ le lohahevitra hoe inona no ataoko? Azafady fa tsy de azoko loatra le fanontaniana ka voatery manontany ndray e!
@ zao zany enao inn? Taorian’ireo zvtr niseho ireo, mpino enao zao sa tsia?
Miankina @ zay le atoro anao @ le fanontanianao @ lohahevitra io.
:-*

3. misset
(
22/10/2007 15:02)
lava be le tantara nefa tsy hita tsara ny tena votoatiny d tsy hita ze avaly
4. pissoa
(
22/10/2007 15:15)
Izaho kanokana koa tsy nahita hoe mikasika ny inona no tiana nanontaniana tamin'ilay hoe "Inona no hataoko ?" :roll::-D:-D:-D
5. tsaramaso
(
22/10/2007 15:17)
Vahaolana 1 :
Mandehana amin'irony antsoin'ny katolika hoe "sekta" irony !!!!!!!
Vahaolana 2 :
- Mamakia baiboly isan'andro irery
- Mivavaha isan'andro samirery
- Mividiana koa mofo sy divay dia hano irery
Fa aleo aloha i tsaramaso mba hanao quote an'ilay tantara e !!!!! hahahaahaha

deric:
Teraka tamin’ny 27 Novambra 1970 aho. Katôlika ny Raibeko sy ny Renibeko, katôlika koa ny Raiko sy ny Reniko. Mazava arak’izany fa tokony ho katôlika koa angamba aho raha lovaina io anaram-piangonana io.
Vita batemy hono aho, ataoko hono satria tsy tsaroako ny nanaovana ahy an’ izany.
Ny zavatra tsapako dia tsy dia nazoto nankany ampiangonana loatra ny tao aminay, fa ireo zokiko no mba mankany ihany. Indraindray koa dia tsaroako fa entiny manarak’ azy ireo aho.
Metimety ho tany amin’ny faha dimy na fahaenina taonako angamba no mba tsaroako farany niarahako tamin’ireo zokiko nankany am-piangonana ; tsy nazoto intsony aho satria tsy tantiko ny hanoana,toa atoandro be mantsy ny firavan’ny fotoam-pivavahana. Marihiko fa na dia nankany ampiangonana aza aho dia tsy misy fantatro ary tsy misy haiko izay atao ao ; tsaroako aza fa rehefa nilahatra hihinana ny vatan’i Kristy tery aloha ireo zokiko, dia mba saiky handeha koa aho fa nanairy ny hihinana ; tamin’izany dia norarana aho , eny nasaina nipetraka mihintsy aza.
Satria hitako fa samy mihinana avokoa izay rehetra tonga eny aloha, dia nanantena ny mba hitondran’ireo zokiko aho, nefa indrisy. Tsy naharitra aho fa nangataka taminy raha izy mbola nandohalika iny, sady nihomehezany aho no nokapohiny ny tanako.
Ny alahady taty aoriana moa dia tsy nazoto intsony aho, nataoko fanalako ny tenako ny hoe : « tsy tantiko ny ny miaritra hanoanana fa ela be vao mirava ».
Indray andro anefa tany am-pianarana, 10 taona tany ho any aho, dia masaka ny karajianay samy zatovo mpiara-mianatra: rehefa nandeha ny resaka sy ny tantara dia tonga tamin’ny resaka “fara andro ».
Satria maro ny mpikarajia dia samy nanana ny filazany ry zalahy, mihaino fotsiny no anjarako:
- ao any nilaza fa hisy safo-drano ka ho maty an-drano avokoa ny olona rehetra
- ao koa ny nilaza fa afo no hilatsaka avy any an-danitra handoro ny olona ety an-tany
- nisy koa no nilaza fa ho tonga ny adin’ny firenen-drehetra ka hipoaka avokoa ny baomba rehetra any an-dafy, dia samy maty daholo; ka rehefa maty dia Andriamanitra ihany no mandevina dia tsarain’Andriamanitra ny fanahy dia misy atsipy any amin’ny afobe, fa misy entiny any am-paradisa
Ny hany nitambaran-dry zareo nanan-kolazaina tamin’io fara andro dia ny hoe: “amin’ny taona 2000”
Na dia mpihaino fotsiny aza aho, mandinika izay voalaza, ninoako ireo tantara ireo ary ny tena natahorako dia ilay hoe “ho maty”, “ho dorana”, “ho amin’ny afobe”. Toa ninoako avy hatrany fa mananitanina ahy ireo loza amin’ny taona 2000 ireo.
Ny hany mba nandraisako anjara tamin’ity tantara iray ity dia ny fanontaniko hoe : « dia inona ry zalahy no tokony hatao mba tsy ho may any amin’ny afobe any?”
Maromaro ihany ny namaly fa ny tena raikitra tao an-tsaiko dia ny hoe: “mianara katesizy letsy a, dia amin’izay ialahy ho mpikôfesy, dia hatao kôminio voalohany ary dia ho mpandray Kôminio”.
Na dia efa tafiditra tao am-pianarana aza aho dia niverimberina tao an-tsaiko ihany ilay hoe “katesizy, kôfesy, kaôminio”
Iny andro iny ihany, raha vao tonga tany an-trano aho, dia niteny avy hatrany tamin’ny ray aman-dreniko hoe: hianatra katesizy aho ka hanao kôminio voalohany.
Nahataitra ny olona ihany io fanapahan-kevitro io, satria efa nisy fotoana nanambatambazana ahy tamin’izany, eny notambazana ankazo sy kiraro vaovao mihintsy aho rehefa hatao kôminio voalohany, saingy tsy nisy nampihontsana ahy na dia kely akory izany.
Ity fanampahan-kevitro ity dia tsy nitadiavako tambiny fa fikirizako handosirako ilay fahafatesana sy ny afobe.
Io fotoana io indrindra dia efa hanomboka ny fianarana kaofirimansiona indray ny zokiko iray. Dia nasaina niaraka taminy aho, kanjo rehefa tonga tany amin’ilay Masera mpampianatra dia nasaina nody aloha fa tsy maintsy misoratra anarana any amin’ny sefo kartie hono.
Dodona aho ka tsy nangatak’andro fa avy dia nankany amin’ ilay sefo kartie izaho sy ilay zokiko iray. Ka rehefa nambaranay azy fa hisoratra anarana amin’ny fianarana Katesisy aho, dia tsy taitra akory izy namaly anay hoe: “Aiza ny karne fandoavanareo adidy?” tsy tadidiko tsara na adidy momba ny inona na inona no aloa any am-piangonana, ka isaky ny mandoa dia raiketina ao amin’ilay karne izany. Teo noho eo ihany dia nihazakazaka nody aho, naka ilay karne tamin’ny Mamanay, ka nitondra izany ho amin’ilay Ramatoa sefo kartie.
Teo ampandinihany ilay karnenay anefa dia hitako nanodinkodin-doha izy, farany moa dia niteny izy hoe: Mbola maro be ny adidy tsy vitanareo, ka aloavy aloha ireo izay vao azoko raisina anarana ianareo;sady natolony anay ilay karne.
Nony tonga tany an-trano izahay ka nanao ny tatitra tamin’ny ray aman-dreniko, dia ilay tenin’ ilay ramatoa sefo kartie, nefa rahampitso indray hoy I Mamanay.
Tonga ihany ny ampitso izay efa tsy andriko nandritra ny alina, hiverina any amin’ilay sefo kartie indray izahay, nohazavain’ny Mamako tamiko anefa ny tsy fisian’ny vola tao an-trano; koa noho izany dia tsy nitondra vola izahay fa teny no ho entina any amin’ilay Ramatoa: “Soraty ihany hoe ny anarako fa rehefa amin’ny faran’ny volana dia haloa avokoa ireo vola ireo, hoy Mamanay sy Dadanay”
Tsy misy hevitra, tsy misy hevitra! Izany no tena ventin’ilay valin-teny, tsy nanan-kalahatra intsony aho fa efa nidiran’ny fahadisoam-panantenana. Ilay zokiko anefa dia mbola niangavy fatratra ihany ny mba handraisana ny anarako ao amin’ny lisitra, nefa indrisy.
Tsy nisy mihitsy ny rirany izay mba azo honidirana. Tsy azoko nolazaina hoe nody maina izahay fa tamin’alahelo lehibe no nodiako, impolo kely izao aho no mamaoka ny ranomasoko tamin’ny tanan’akanjoko, eny maizina tamiko ny tany aman-danitra, tsapako fa tapaka ny tetezana saika mba hiampitako, nihidy tamiko ny varavaran’ny lanitra.
Tsy fantatro na nety ny hevitro na tsy nety tamin’izany fotoana izany: Dia izay vola ve? Nefa dia ekena fa haloa! Nefa dia izany no tsy nandraisana ny anarako!
Niady ny saiko, toa efa hitako Andriamanitra mandray ny soroko ka manao hoe “ao amin’ny afobe no anjaranao”.
Niady ihany ny saiko, aiza indray re no halehako e! Inona indray re no hataoko e!
Kivy tanteraka aho ary heveriko fa izany angamba no tena famoizam-po teo amin’ny fiainako; fiainianana no novolavolain’ny saiko, voady avy hatrany no nipololotra teo amin’ny molotro: raha izaho tsy mila mivavaka izany intsony, satria efa nivonona hivavaka aho nefa nosakanana tamin’ny alalan’ izay vola tsy voaloan’ny ray aman-dreniko. Tsy azon’izan’iza resahina amiko izany fivavahana izany, fa rehefa hatsipin’Andriamanitra any amin’ny afobe aho dia hambarako azy aloha hoe: izaho vonona ny hivavaka, saingy ilay sefo kartie no nisakana ahy e!; na hahafaka ahy izany na tsia dia hambarako ihany fa tsy dia safidiko ny ho may ao an’afobe.
Tsy hotohizako intsony izay adihevitry ny mpianakavy taorian’io fa tsy nisy nifantohan’ny saiko intsony hafa-tsy ny hoe: “tsy mila fivavahana aho, avelao any amin’ny afobe rehefa izay no anjarako”
Ny hany sisa nanomezako toky ny tenako tamin’izany dia ny hoe: Efa olon-dehibe aho amin’izany taona 2000 izany ka tsy efa mba tsy matahotra izay zavatra hitranga sy ho avy eo; ary afaka hifandahatra tsara amin’Andriamanitra ny antony nahatonga ahy tsy hivavaka intsony.
Teo no azoko nolazaina fa nanaisotra ny tenako tamin’ny finoana katolika aho, eny nanaisotra tenako tamin’ny fivavahana koa aza, ary na dia misy aza ny fanontaniana hoe inona ny finoanao dia sahiko ny milaza fa “tsy misy”, izany hoe tsy mino na amin’iza na amin’iza aho.
Nitombo aho, nihelehibe, nefa tsy nahalala ny resaka fivavahana.
Niriko anefa ny mba ho mpivavaka be, niriko mihintsy ny ho tonga mpitarika olona amin’ny fiavavahana, mba handositra izany afobe izany; nefa indrisy fa rava ilay izy, rava noho ny anarako tsy voaray ho isan’ny mpianatra katesizy, rava noho ny adidy tsy voaloa tamin’ny fiangonana,.rava noho izaho efa nanapan-kevitra fa tsy hivavaka intsony.
Na dia mbola nitohy aza ny tantarako dia faranako eto izay noheveriko fa hosoratako ho anao mpamaky.
Azonao atao tsara ny mandiso ahy amin’izay mety ho fahadiasoako, na milaza izay mba hevitrao ny amiko sy ny fanapahan-kevitro. Mety mba misy mitovy tantara amiko ve?
Na dia mbola hametraka fanontaniana amiko koa aza ianao dia tsy atoko ho olana izany fa hamaly izay azoko valiana aho.
6. ikaretsaka
(
22/10/2007 21:31)
Halavan-draha izany! fa alohan'ny hijerenany hoe inona no hatao dia aleo aloha jerena hoe inona no natao sy tsy natao an:!
ny nataonao:
-nanontany ny tenanao aloha
-ny nandeha nijerijery ihany
-ny tsy nitondra kaly, nefa azo atao ny mitondra kaly raha zaza 5 na 6 tao na izany..:wink:
-Ny nanana fahavononana te handray ireo sakramenta
-Ny nanafangaro ny adidim-pokontany @ adidim-piangonana (na mifandray aza ireo.. tsy compatible fa complementaire)
Ny tsy nataonao:
-Ny niampiasa saina ka nijery tsara ilay antony hoe "maninona... satria nahoana"
-Ny nampiasa ny "fihevitrao manokana" fa tsy mba nanontany tamin'olona rehefa hitady valiny @ ilay fanontaniana nanitikitika anao ireo
-Azonao natao rehefa nanambola ianao... no nanarina ilay fahadisoam-panantenanao, ka nan ome courage tena hamita ilay revirevy tamin'ny mbolakely
dia ny tokony hataonao? tsotra: manao ireo tsy nataonao!

7. tsimiandravola
(
22/10/2007 22:09)
Lava le izy fa voavakiko hatramin\'ny farany,ary bravo na izany aza fa mazava tsara ny fanehoana hevitra.
Remarque:Ika retsaka ihany amin\'ireo namaly no tsapako fa namaky (na dia ampahany kely fotsiny ihany aza).
Ny iangaviako an\'i deric dia izao:
Apetraho tsara ny fanontaniana amin\'ny tenanao ary amin\'ny fo tsy miangatra:
-Inona marina no torohevitra mety hahasoa ho azoko amin\'olona vontom-pinoana?Jereo fotsiny ny valiteny azonao dia ho hitanao ny valiny.
-Inona ,araka ny fiheveran\'i deric azy ,no antony ijanonako eto ary mahatonga ahy ho \"mahery fiteny\" azy indraindray (miala tsiny)??? (misy nahavatra mihitsy aza nilaza fa manana haine aho).Matetika aza aho dia mila \"hiteny ratsy\" mihitsy ,saingy soa ihany aho fa \"hendry\" :D (Dieu merci! houu lala c\'est le comble):-D
-Inona no \"motovation-ko\" raha mahavatra,miaritory mandika amin\'ny teny gasy ,ireo boky navoakan\'ny vazaha aho?
(tsy noterena aho tsy novozonina,ary tsy mandray vola)
Jereo izany ato :
http://geocities.com/tsinisijesoa/tsinisijesoa.html
Anoraty aho dia miresaka isika:
tsinisijesoa@yahoo.fr
Misaotra.

8. LazaDaddy
(
22/10/2007 23:27)
deric> sao kosa dia sitrapon'Andriamanitra mihitsy ny tsy namelany anao hianatra an'ilay katesizy? Inona ny mety ho anton'izay raha marina?
9. soanja
(
23/10/2007 05:04)
Misaotra an'i Deric amin'ny fanazavana fa mazava tsara ny olana mipetraka aminao.
Napetrakao tamin'ny fiarahamonina na ny societe na ny manodidina anao; izay anisan'izany ny fiangonana, izay antsoinao hoe fahatokisana sy fifikirana ny momba anao rehetra nefa lasa rano izany ary na fantatrao aza fa misy ny FAMONJENA dia satria tsy tsapanao teo amin'ny fiainana izany satria nokosehin'ireo ary foana ny environnement tokony hanome an'io dia zary lasa niodinanao izany.
Matoa anefa mametraka ny olana ianao izao eto imasonay dia satria MISY FITAKIANA ANY ANATINAO NY HIFOHAZAN'IZAY FANAHY NOKOSEHINA HATORY IZAY TALOHA.
Ity tantara nosoratanao io no atao hoe fijoroana ho vavolombelona fa na misy aza ny fanapotehana ataon'ny fiarahamonina dia misy fitakiana any anaty mibitsika mangina aminao ka nahatonga anao manoratra eto.
Efa dingana voalohany izany fa tohizo.
Dingana manaraka dia ny famakiana boky vitsivitsy momba ny fahafantarana ny atao hoe olombelona ary ny lalana alehantsika. Iza moa aho FANAHY sy VATANA raha miaraka ao anatin'ity tenako ity.
Mamonjea fiangonana akaiky anao indrindra dia midira ao. Mivavaha mangina eo amin'ny dabilio ary akipiho ny masonao. Raha mahatsapa fiovana na zava-mandalo mampihetsika ny momba anao ao anaty izany fihetsika izany dia tohizo foana. Fiangonana misy fahanginana no atombohy azy an! fa tsy ireny mitabataba be ireny. Mila mifandray amin'ilay ao anatinao aloha ianao vao mifandray amin'ny hafa. Raha manao izany impolo ianao tsy mahatsapa zavatra dia manorata aty amiko.
Manomboka amin'ny fahanginana, fandinihana ny tena, ny fanantenana ny hahatsapa an'Andriamanitra samirery aloha izay vao miroso amin'ny fandalinana an'Andriamanitra eo anivon'ny hafa.
Aza mbola mandray ireny mpitory baiboly ireny aloha fa rehefa mahavita fandinihan-tena matetitetika ianao vao miroso amin'izany hoe ITY TOKOA VE ILAY LALANA NATOKANA HO AHY! Isan-karazany mantsy io lalana io fa IRAY ihany ny tanjona raha mahatratra ny fiombonana amin'ny samy olombelona; fitiavana sy fankalalana ary fandraisana ny hafa, izay tsy iza fa I JESOA amiko.
Hanenika anao anie ny Fitoniana!

10. niryna
(
23/10/2007 06:32)
Misaotra an'i Deric nitantara ny fiainanao.Misy fiangonana nanao io nahazo anao io ary vao haingana kely.Tsy nahazo niditra ny fiangonana ilay olona maty fa teny ivelany no nataon-dry zareo.Ny antony ,tsy nahaloa adidim-piangonana hono.Tsy nanaiky ny lehiben'ny fokontany fa tsy ny fanaovana adidy tsy vita no hidirany any an-danitra.Io ilay asa ho an'ny hafa.
Misy fotoana daholo ny zavatra rehetra,ary ny fiverenan'ny zavatra nitranga taminao dia azo hilazana fa mbola mitamberina ilay hetahetanao.Atra mitady antsika rehetra,tiany daholo isika,eny fa na dia tsy mpino aza.Mitadiava fiangonana ka rehefa hitanao sy tsampanao fa nahazo herin'ny Fanahy Masina hianao dia mijanona ao amin'ilay fiangonana.Mivavaha ary mangataha ny FM hanazavanao izay lazain'ilay
mpitondra,fantatrao avy hatrany hoe misy FM ity fiangonana ity na fiangonana maty.
Mahereza.Diniho tsikelikely ary vakio ny baiboly ary atomboy ao amin'i Jaona.Na dia fehiteny kely iray fotsiny aza no vakianao isan'andro dia efa manampy anao tokoa izany.

11. majesty
(
23/10/2007 09:02)
Deric: olana fahiny ary mbola mitohy ankehitriny eo @ reo fiangonan-dehibe vitsivitsy ankehitriny io resaka ara-bola io,ka mahatonga fisian'ny tsy fitovian-tsaranga eo @ samy mpino,ohatra,raha nahavita adidy sy mpikambana mavitrika ao ampiangonana dia maharitra ora 4 na 5 ny fotoam-pivavahana rehefa entina ao am-piangonana ny razana (ny fandraisana komonio sns manginy fotsiny).Rehefa tsy dia nahavita adidy indray dia zara raha raisina eo am-baravaram-piangonana dia vita.Vao tsy ela akory aho no nanatrika fandevenana ny valy lahiko iray izay,dia nomarihina tsara tao anaty faire part fa hiditra ao @ fiangonana iray ao Anosivavaka ny razana,rehefa tonga ny andro fandevenana anefa dia tsy nosokafana ny fiangonana ary ingahy pasitera tsy hita izay nalehany,satria tsy nahavita adidy ilay olona maty.
Hiverina amin'i Deric amin'zay aho;manao ahoana izany zao no fandraisan'i Deric an'ireo karajianareo t@ mbola kely ireo mikasika ny amin'ny fara andro,misy tahotra ve?

12. prime
(
23/10/2007 11:18)
Deric> Mahontsa ny mamaky ny tantàran\'ise...
Ny azoko ambara dia izao:
Raha vakiana tsara ny nambaran\'ise dia manana hetaheta lalina ise ny tsy ho lasa any amin\'ny helo sy ny afobe... misy antso amin\'ise... izany no manaporofo ny endrik\'Andriamanitra ao amin\'ise hitady firaisana amin\'Izy mpamorona mandrakariva sy miantso ny tsy hahalasa an\'ise any amin\'ny toerana tsy nomanina ho an\'ise fa ho an\'ilay fanahy ela sy ny forongony dia Satàna devoly... olona tokana, Andriamanitra tonga nofo, JESOSY KRISTY no manana ny fanalahidin\'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita ary manana fahefàna feno handefa na tsia ny fanahy iray ho any amin\'izany toerana izany...
Hevitra telo no hitako nivaingana tamin\'ny nambaran\'ise:
Ny azo ambara dia tia an\'ise Jesosy, tsy Izy no hanakana ny anjara fiainana sahaza ho an\'ise dia ny fiadanana sy ny fifaliana sy ny fahafenoana sy ny fahasoavana mandrakizay fa Izy koa aza mbola miantso an\'ise hanatona sy hanaiky ary hino Azy, araka ny voasoratra hoe :
\"...Minoa an\'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.\" Asan\'ny Apostoly 16:31
Tsy ny fahadisoan\'ny hafa sy ny fanitrikitrihina ny tsy fahombiazany, na ny fanamarinan-tena eo imason\'Andriamanitra no hahitàn\'ise fiadanana fa ny fihaonana sy ny fandraisana an\'i Jesosy ao ampon\'ise... tsy ny Ray aman-dRenin\'ise (tsy nahaloa adidy tamin\'ny fiangonana sy ny manodidina), tsy ramatoa sefo kartie (nandà ny fangatahana famindram-po), tsy ny Ray aman-dRenim-piangonana (nandà an\'ise tsy hiditra katesizy raha tsy nahaloa adidy), tsy Andriamanitra (toa tsy nihaino ny hetahetan\'ise) tsy akory no diso indrindra fa raha mandinika tsara ise dia nihodina ise ary izay fihodinana izay tsy hanatona an\'Andriamanitra izay indrindra no tena mila handinihan-tena ka ibebahana... izany no efitra nanasaraka an\'ise tsy nahitàn\'ise ny voninahitr\'Andriamanitra...
Andriamanitra mbola tsy nanidy ny varavarany ary mbola te-handray sy hamonjy an\'ise mba ho isan\'ny olom-boavonjy... koa manasa an\'ise aho hamaly ireto antson\'i Jesosy ireto :
\"Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.\" Matio 11:28
\"Mitadiava an\'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.\" Isaia 55:6
\"Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.\" Jeremia 33:3
\"7 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.\" Matio 7:7-8
\"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.\" Matio 6:33
Mivavaka ho an\'ise aho mba hihaonan\'ise amin\'i Jesosy ka handraisan\'ise ny tena fiainana dia Izy Andriamanitra te-honina ao amin\'ise...
Koa ny torohevitro rehefa voadinik\'ise tsara ireo voalaza ireo dia manatona fiangonana akaiky indrindra dia mivavaha mandrakariva ny itarihan\'Andriamanitra ny dian\'ise mba tena ihaonan\'ise amin\'Andriamanitra marina... ary rehefa izany dia mangataha fihaonana amin\'ny Ray aman-dReny am-panahy amin\'izany fiangonana izany mba hanoro lalana an\'ise handray an\'i Kristy...
Aza mitsahatra ny mivavaka sy ny mangataka amin\'i Jesosy ny hahitan\'ise ny fitiavan\'Andriamanitra... dia aza mierikerika fa hazony hatramin\'ny farany ilay hetahetan\'ise fa tsy sahaza ho an\'ise ny helo sy ny afobe...
Fa Jesosy, ilay efa tia an\'ise sy nanolotra ny ainy mba tsy hahatonga an\'ise any amin\'ny afobe banjinina mandrakariva...
Ary farany, raiso ny baiboly dia mivavaha mandrakariva mba hanomezan\'Andriamanitra an\'ise ny fanahy masina handraisan\'ise ilay teny fiainana... mamakia izany tsy tapaka fa amin\'ny alalan\'izany no anambaran\'Andriamanitra ny sitrapony amin\'ise...
Koa mahereza ise ry Déric, Andriamanitra anie homba an\'ise ka hihaona sy handray an\'i Kristy ise dia hiray lova Aminy hanjaka amin\'ny fiadanana sy ny fiainana mandrakizay...

- nanana faniriana mafy ise ny tsy ho anisan\'ny ho lasa any amin\'ny helo...
- voasakana ise no sady nahatsiaro tena ho nalemy noho ny nataon\'ny hafa ka naharary ny fo sy ny saina...
- nalahelo ise ka nivoady mihitsy ary vonona ny hanatrika an\'Andriamanitra tamin\'ny tsy rariny nahazo an\'ise ary tsy hivavaka intsony...

13. pissoa
(
23/10/2007 13:22)
Hevitra maromaro raha mbola tsy raikitra be ilay hevitrao :
1 - Mandehana any amin'ny fiangonana hafa, tsy Katolika.
2 - Mandehana any amin'ny fiangonana Katolika hafa noho ilay nalehanao.
Somary mahagaga ahy ny zavatra tantarainao satria mba nianatra katesizy fito taona ihany aho, fa tsy nisy na dia in-1 taona aza karne nosavaina izany hoe resa-bola. Ny zavatra nanontaniana tamin'ny voalohany dia bokim-pianakaviana Katolika satria voasoratra ao ny dingana efa nataoko tamin'ny finoana ka miankina amin'izay ny Kilasy handefasana ahy.
3 - Mandehana any amin'ilay fiangonana ihany (raha mbola any) fa efa niova izay ny sefo kartie :-D:-D:-D

14. ikaretsaka
(
23/10/2007 13:31)
pissoa.. izay manko!
efa voalazako eo ambony eo ihany ny nataony sy ny tsy nataony
dia ireo nolazainao ireo ny tokony hataony: ny manao ny tsy nataony
dia io nolazainao io!:-D:-D
lazadaddy> misy teny izay koa Andriamanitra tsy manampy ny tsy manampy ny tenany..efa afaka ampiany izao izany no tenany dia tairo @ izany

15. vavolombel
(
23/10/2007 13:47)
mandehana amin'ny fiangonana hafa tsy katolika, ny varavaran'ny lanitra tsy natao ho an'ny katolika irery fa mivoha ho an'ny rehetra,misaora an'Andriamnitra aza ianao fa tsy tafiditra ao!sinon, loza!!!!
18. fijo
(
23/10/2007 21:21)
efa te hiditra ise ry deric nefa moa resabola io ka tsy koty ,de mijanona,fa tsy fivavahan aihany ny fiainana fa be no azo atao
20. prime
(
24/10/2007 11:07)
ikaretsaka:... tenin'iza io r'ika?:)
misy teny izay koa Andriamanitra tsy manampy ny tsy manampy ny tenany..efa afaka ampiany izao izany no tenany dia tairo @ izany
rasiligaoma:... izay ahoana ry rasiligaoma? hoe mijanona fa tsy fivavahana ihany no fiainana ve?...hummm
izay!