Inona no hataoko?

21. LazaDaddy ( 24/10/2007 11:15)
prime:
... tenin'iza io r'ika?
tenin'ny mpiadilahy polit'ika :)
22. prime ( 24/10/2007 11:35)
LD> Izay mantsy ka asa raha mety amin'ny kristiana na tsia...:)
23. fijo ( 24/10/2007 20:20)
elahy ry laza tena tsssss;:-D:-D:-Dsao dia rapasy malama vava no tsaroan'ialahy eto?
prime,ka olona efa mba vonona sy mba nanao izay azony natao,nefa voahidy varavarana foana,ka inona indray.ny sekta no mitaty azy ny farany.
raha mba holasa krispijo moa lery ko haninona
24. ikaretsaka ( 25/10/2007 03:25)
LD sy Prime .. misy "soratra" bedebe momban'io ao @ "bokinay nindraminareo" ao fa odianareo fanina..
Jakoba ohatra (toko faha 2 manomboka eo @ 11)
Fanambarana ( Toko faha 20 ao izy izay)

--> voalaza fa hampian'Atra (vonjena ohatra) raha miasa manampy ny tenany

Aza izay tiatiana amin'ny "bokinay nindraminareo" ihany ho'a no tsiponina fa izy rehetra...:wink:
25. LazaDaddy ( 25/10/2007 10:55)
=))
26. Mandefitra ( 25/10/2007 12:12)
ikaretsaka:
Aza izay tiatiana amin'ny "bokinay nindraminareo" ihany ho'a no tsiponina fa izy rehetra...

famaritana vaovao, version ikaretsaka :
baiboly = bokin'ny katolika ... :roll:

27. fijo ( 25/10/2007 21:18)
avereno fotsiny ny bokin'olona e.io anie ry zalahy le mampiady e.sady indraminareo le boky ,no tsy vakianareo tanteraka,fa izay sendra ny masonareo vao maraina fotsiny.
za koa aloha mba nindrana tao ihany ka,ny hany mba notanako de hoe"miteraha ka mamenoa ny tany"
28. prime ( 26/10/2007 10:55)
ikaretsaka:
misy "soratra" bedebe momban'io ao @ "bokinay nindraminareo" ao fa odianareo fanina..
... hay moa anareo izy io?
29. fijo ( 26/10/2007 21:50)
ka ry zalahy kosa anie no nampiasa an'io voalohany e.mpindrana aby isika taty aoriana.
30. niryna ( 27/10/2007 04:11)
ikaretsaka:


lazadaddy> misy teny izay koa Andriamanitra tsy manampy ny tsy manampy ny tenany..efa afaka ampiany izao izany no tenany dia tairo @ izany

Aiza ao amin'ny baiboly io ry ika? Manampy tokoa Atra indrindra ho an'ireo izay tsy mahita lalan-kaleha intsony.Tsy mbola hitako tao anaty baiboly mihitsy io teninao io hatramin'izao.Teny nataon'ny olona io fa tsy teny avy tany amin'Atra velively :-*

31. prime ( 30/10/2007 11:39)
fijo:
ka ry zalahy kosa anie no nampiasa an'io voalohany e.mpindrana aby isika taty aoriana.
... Ianao izany mpindrana?:)

ikaretsaka> mba hazavao hoe ny maha"anareo" azy? dia ny maha"mpindrana" ny hafa?:)
32. fijo ( 30/10/2007 23:24)
prime,ka ny krispijo anie mampiasa ny hoe"miteraha ka mamenoa ny tany e"teny nindramina tao amin'ilay boky nindramina io.
33. deric ( 31/10/2007 07:53)

MIsaotra anao mpisera rehetra e!misy hotsakotsakoina izay avy aminareo.
Maro aminareo anefa no nanao hoe malalaka loatra ilay fanontaniana, ny tantaran'ny fahazazako sy ny heivitro tamin'izany io nomeko io, te-hihoitra anea aho amin'izao fotoana izao, izany hoe tsy te-hihazona io fanapahan-keviro hoe" tsy hivavavaka intsony" io; fantatro koa fa tsy hahafaka ahy amin'ny fitsaran'Andiamanitra mihintsy ilay kasaiko ho valin-teniko Aminy.
efa mba manana ny hevitro sy ny fikasako ihany aho, nefa heveriko fa maty koa ny maka ny hevitry ny hafa, satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra, misaotra anareo nanome havitra rehetra e!
valiny manokana ho an'ni "majesty":
Hiverina amin'i Deric amin'zay aho;manao ahoana izany zao no fandraisan'i Deric an'ireo karajianareo t@ mbola kely ireo mikasika ny amin'ny fara andro,misy tahotra ve?
ny tahotro mihintsy no nitadiavako lalana handosirako izay atahorako. mandraka ankehitriny dia mamaky baiboly aho na dia tsy any am-piangonana aza, tena mamahy mafy aho raha mamaky ny ao amin'ny apokalypsy satria mbola ilay atahorako no lazainy ao.
Misaotra manokana an'i Prime koa aho amin'ny famelomany indray ny fanantenako izay fisaka hatrizay amin'ny teniny hoe:
Andriamanitra mbola tsy nanidy ny varavarany ary mbola te-handray sy hamonjy an'ise mba ho isan'ny olom-boavonjy...
Ary farany, raiso ny baiboly dia mivavaha mandrakariva mba hanomezan'Andriamanitra an'ise ny fanahy masina handraisan'ise ilay teny fiainana... mamakia izany tsy tapaka fa amin'ny alalan'izany no anambaran'Andriamanitra ny sitrapony amin'ise...

Koa mahereza ise ry Déric, Andriamanitra anie homba an'ise ka hihaona sy handray an'i Kristy ise dia hiray lova Aminy hanjaka amin'ny fiadanana sy ny fiainana mandrakizay...

Ry zareo a! mamaky baiboly aho, mivavaka aho, saingy heveriko fa tsaratsara kokoa ny hananako mpanampy(mpitarika) ahy amin'izao faniriako izao.
moa ve katesizy ihany no handosirako ny afobe sa misy fomba hafa, mba hanampiako ny famakiako ny baiboliko?
misaotra.
34. niryna ( 02/11/2007 18:13)
Deric a>tsy misy hisaoranao fa izaho koa aza tena midera ny finiavanao sy ny filazanao ny marina izay mampatahotra anao.Misy tokoa ny afobe,tsy hoe akory mampatahotra aho fa misaora an'Atra fa nomeny hery hianao tsy ho any.
Ny baiboly no milaza fa lalana iray ihany no mankany an-danitra
JAONA 14
5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?

6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.

Ny tiako ho tenenina aminao izany dia tsy misy na iray aza afaka ny hamonjy antsika,mino an'i kristy,apetraho eo am-pelantanany ny fiainanao manomboka androany

Hoy ny tenin'Atra manao hoe "satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao." Rom 10:9

Maneke Azy ary ataovy amin'ny fonao tokoa izany fa ho hitanao izany gadra manafaka anao izany.Hianao irery ihany dia mahita izany rehefa tena mino tokoa.:D

1- Maneke tokoa fa tsy olo-marina hianao fa mpanota
2- Manetre-tena ary mangataha famelan-keloka tsy hanao izay fantatrao fa tsy mendrika nataonao fahiny.
3- Ao anaty vavaka mangina izay ataonao dia hampandrosoy ao am-ponao i Kristy(antsoy Izy fa miandry sy mihaino ny vavaka ataonao).
Aorian'ireo zavatra ataonao ireo dia manomboka zanak'Atra hianao ary tsy hisy hanafaka izany intsony amin'ny fiainanao.Manomboka miaraka aminao amin'izay ny FM,miambena tsara fa tsy tian'i satana na ny miaramilany isika ho afaka amin'ny fanangejan'i satana.
Izay fahotana nataonao rehetra tany aloha dia voasasan'i kristy amin'ny rany avokoa ary ao aminao Izy ary hianao ao Aminy. Tsy misy fifaliana lehibe mihoatra an'izany amin'ny fiainana nodiaviko.Mino tanteraka koa aho fa ho faly toy izany hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0507