Naleony nody fa tsy tantiny intsony.

1. niryna ( 19/10/2007 06:51)
Nisy rangahy sivy taona izy no noentin'ny rar taty Amerika, manambady aman-janaka izy,mpihoty voasary no asany.Tsy manana taratasy izy fa mbola eo am-piandrasana.Nisy fanenjehina ny olona tsy manana taratasy dia voasambotra daholo ireo olona efa mi-isa 300 namany.Ny vady aman-janany anefa efa manana ttsy sy manana zom-pirenena saingy ela loatra hoy izy dia tsy mahandry intsony izy.Reraka aho hoy ihany izy ny mandositra lava,tonga ny mpisava mandom-baravarana,tsy mahita tory aho andro aman'alina fa mitaintaina lava hoe hisy polisy na hisy hanoro.Androany izy namory ny havany ary niteny ny alahelony sy nampahafantatra azy ireo fa hody any amin'ny firenena izay niterahany izy fa tsy tantiny intsony toa izay ho tratra ka alefa mody ankeriny sy gadrana.
Tantara misy ity ary marina.
Efa mba nandalo izany ve hianareo? Mitebitrby lava ,izay atao rehetra manjavona avokoa fa tsy manana taratasy? Toa very tanteraka ny fanantenana,hody manahirana,hijanona tebiteby lava
Mafy izany hoe tsy maintsy handao ny vady aman-janaka izany ary hanavao fiainana any amin'ny tanindrazana izay tsy mbola niainana mihitsy
novalian'i niryna ny 09/11/2007 21:11
2. steeeel ( 19/10/2007 06:56)
zareo mexikana ireo no tena betsaka toa izany any amin'iny atsimo iny.
Fa ny tena loza amin'izy ireo dia tsy ny fanjakana loatra fa ny atao hoe Minute-Men izay miady amin'ny invaders ary tena hari-fomba be lavitra noho ny FBI.
3. jaah ( 19/10/2007 10:55)
mampalahelo zany tantara zany , ny azoko hambara anao dia mivavaha fa ny vavaka manova zavatra ho an'i
mino dia mahereza
4. niryna ( 19/10/2007 18:47)
steeeel:

zareo mexikana ireo no tena betsaka toa izany any amin'iny atsimo iny.
Fa ny tena loza amin'izy ireo dia tsy ny fanjakana loatra fa ny atao hoe Minute-Men izay miady amin'ny invaders ary tena hari-fomba be lavitra noho ny FBI.

Ny sinoa koa misy mandeha amin'ny sambo dia fatiny sisa no tonga,maro ka fa tena mafy anie rehefa mitebiteby lava toa izao e.Tsy fantan'ny olona izany
5. niryna ( 19/10/2007 18:48)
jaah:

mampalahelo zany tantara zany , ny azoko hambara anao dia mivavaha fa ny vavaka manova zavatra ho an'i
mino dia mahereza

Marina tanteraka io ary maro ny olona nahita izany.
6. xxx ( 19/10/2007 18:52)
tsy hisy intsony ny olana mivavaka de miova ny zavatra :{
7. melody ( 19/10/2007 20:48)
Nisy rangahy sivy taona izy no noentin'ny rar taty Amerika, manambady aman-janaka izy,mpihoty voasary no asany.

Tsy azoko, raha efa manambady izy, sivy taona izy tonga tao Amerika.... niandry paps fôna ve hatramin'izay?
8. xxx ( 19/10/2007 21:20)
matetika ny uscis manome chance foana ho an'izay very statut ka lasa mponina tsy ara-dalàna. matetika izy ireny mivadika ho refugié, makeny amin'ny aeroport dia mitady avocat favy dia mandoa vola dia ny avocat no mitady antony isankarazany hahalasa refugié azy, toy ny hoe homosexuel nefa silamo dia tedavin'ny fianankaviana vonoina raha mandeha mody.
Misy koa ny hoe manambady teratany na olona manana citoyenneté dia afaka harenina ny statut.
fa rehefa ela loatra indray no naha tsy nisy taratsy azy dia toa sarotra be fa miafara amin'ny deportation. Ny deportation indray toa tsy manana accord ny usa sy ny Madagasikara dia tsy alefany makany Mada fa alefany makany canada raha tsy diso aho.
Marobe ny malagasy tsy misy taratasy ao usa ao.
9. niryna ( 20/10/2007 02:21)
melody:

Nisy rangahy sivy taona izy no noentin'ny rar taty Amerika, manambady aman-janaka izy,mpihoty voasary no asany.

Tsy azoko, raha efa manambady izy, sivy taona izy tonga tao Amerika.... niandry paps fôna ve hatramin'izay?

sivy taona izy no noentin'ny fianakaviany nifindra monina tsy ara-dalana.Nanambady aman-janaka izy taty aoriana dia niandry ny ttsy,ela loatra kanefa ny fanenjehana mafotaka ,mijaly,mitaintaina,tsy tantiny intsony dia naka fanampaha-kevitra izy fa andeha hody satria mitebiteby lava amin'ny tahotra.Tsy maintsy andao ny vady aman-janany izany izy.:cry:

10. aloalo ( 20/10/2007 05:00)
aty frantsa alou raha mi héberger oul tsisy ttsy d voaenjika koa e !

misy alou tsy maintsy miasa maizina eny, fa ny mahavariana dia mivoaka alina reo, tokony mba mitandrina ihany kanefa mety mandreraka le miafinafina angamba. Firy no tratra dia alefan'ireo mody, zara raha mahatondra entana, mampalahelo !
11. xxx ( 20/10/2007 17:00)
Mazana anie ny miaina aty ivelany aty e,tsy fantatry ny olona any amintsika izany
12. xxx ( 20/10/2007 17:03)
Marina izany,marary, vola be no aloha.Izay aleha mampitaintaina foana.Misy an'izao indray hono e,dia manao an'iny kanefa alain'ny avocat fotsiny ny vola,manjavona izy avy eo.
13. xxx ( 20/10/2007 17:07)
Betsaka mihintsy ny miaina ny toa izany. taty andafindriaka taty no nahalalako fa raisina ho mitovy amin'ny jiolahy ny olona tsy manana taratasy, ary ny tena loza dia na ny tena manana taratasy aza mety hianjera hitovy ny tsy manana taratsy ihany rehefa izy izay no hanenjika.
ny avocat dia betsaka no mamitaka fa maro ireo toniziana voaroaka hody kanefa efa nandany 15,000dolaka tamin'izy ireny, ary masiaka dia masiak tokoa ny mpitsaran,ny immigration raha sendra tratra ianao.
14. sipagasy ( 20/10/2007 19:07)
ka manaova ny marina ihany izany ny fanafodiny e!
15. niryna ( 22/10/2007 02:53)
aloalo:

aty frantsa alou raha mi héberger oul tsisy ttsy d voaenjika koa e !

misy alou tsy maintsy miasa maizina eny, fa ny mahavariana dia mivoaka alina reo, tokony mba mitandrina ihany kanefa mety mandreraka le miafinafina angamba. Firy no tratra dia alefan'ireo mody, zara raha mahatondra entana, mampalahelo !

ka ilay tsy fisiana kosa mazaka maniraka kou.:cry:Tsy maintsy mihinana.Ny zavatra mahavariana dia rehefa mandehandeha ao Frantsa ny gasy vahiny dia tsy maintsy mifanena ireo efa mipetraka ao.Maro izy ireo no mandositra raha vao mahita,ny antony hatramin'izao dia tsy fantatro.Ary maro no voan'izany fa tsy izaho irery ihany a.Tsy ny rehetra akory a.

16. niryna ( 22/10/2007 02:54)
xxx:

Mazana anie ny miaina aty ivelany aty e,tsy fantatry ny olona any amintsika izany

Izany tokoa,mila mivavaka isika ary tena manatona an'Atra tokoa fa tsy misy zavatra tsy vitany.Mahereza

17. niryna ( 22/10/2007 02:57)
xxx:

Betsaka mihintsy ny miaina ny toa izany. taty andafindriaka taty no nahalalako fa raisina ho mitovy amin'ny jiolahy ny olona tsy manana taratasy, ary ny tena loza dia na ny tena manana taratasy aza mety hianjera hitovy ny tsy manana taratsy ihany rehefa izy izay no hanenjika.
ny avocat dia betsaka no mamitaka fa maro ireo toniziana voaroaka hody kanefa efa nandany 15,000dolaka tamin'izy ireny, ary masiaka dia masiak tokoa ny mpitsaran,ny immigration raha sendra tratra ianao.

Ireny mpamitaka olona ireny kosa tokony ho gadrana raha manoro ilay voadona :roll:
Ny sinoa no nahenoko fa mijaly ,mandoa vola an'ilay olona hono izy ary lasa mpiasany manao ny asany mandra-pahandoavany ilay vola nahatongavany amin'ny karama varimasaka.
Ny colombiana indray sy ny namany dia miasa mafy ary manao trano mitambatra efa ho 10 ry zareo.Tsy mahazo mampiditra vehivavy fa lahy daholo ary tena mahangona zavatra izy any amin'ny taniny.

18. niryna ( 22/10/2007 03:00)
sipagasy:

ka manaova ny marina ihany izany ny fanafodiny e!

Angaha kosa moa manao ratsy izany?Tsy misy ny lalana ahazoana maka ilay ttsy na elabe.Vitsy ihany no manao ratsy dia ireny alefa mody ireny.Ny saina mitebiteby hoe misy manenjika aza efa tsy fidiny koa anao ratsy eo indray ve tsy ho samborim-potsiny eo.Mampalehelo tokoa
19. xxx ( 23/10/2007 04:30)
ary nareo ve efa nifanena na nantonin'ireny olona, na izy izay uropeana tatsinanana, na marokana, na karana pakistanais,.... manontany izy raha afaka manao mariazy blanc amin'ny anabaviny na ny havany tiany hafarana? Vonona ny hanome vola be mihintsy ireny olona ireny, ny an'ilay marokana vavy izay dia hoe te handositra ny fampivadian'ny Ray amandreniny azy amin'ny lehilahy tsy tiany, ny an'ilay karana satria hono tsy tafiditra aty andafy ry zareo fa sarotra kokoa taorian'ireny 911 ireny dia ny fanambadiana ihany no hahatafidirany, etc.
Zavatra anisan'ny tena mba nanahirana ahy ny mandositra ireny olona ireny satria voarara io zavatra tadiaviny amiko io.
20. niryna ( 23/10/2007 05:00)

misy io ka,ny avocat dia miteny ny olona foana hoe manambadia amerikana.Maro tokoa ny olona manambady,misy lasa mifankatia.Misy moa dia tsy sitrapony ka ny zaza no mijafaka satria lasa tsy misy hifandraisany sy tsy tia an'ilay rainy ny zaza noho ilay reniny tsy manampitiavana azy fa an-taratasy fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1671