NOTRE DAME de LOURDES

1. xxx ( 15/10/2007 20:32)
Nanontaniana ity zaza iray hoe
Nahoana no misy rano ao akaikin'ny la grotte à Lourdes.
Ny Valiny : Pour laver Maria sa pour l'Ave Maria
novalian'i fijo ny 31/10/2007 23:39
2. ikaretsaka ( 16/10/2007 03:20)
hanasana ny otan'izao tontolo izao ko ko
3. Mandefitra ( 16/10/2007 06:41)
ikaretsaka:
hanasana ny otan'izao tontolo izao ko ko

Hafahafa zany filazan-tsaran'i Ika zany ...
Fa nga tsy ny ran'ny Zanak'Ondry irery no manafaka ny fahotan'izao tontolo izao? :?:
4. ikaretsaka ( 16/10/2007 16:00)
ko tsy ny Jiosy ny afak'ota voalohany y?
satria ireo no nanao hoe aleo hiraraka any aminy sy ny taranany ny rany rehefa nanasa tanana i plato!
5. ikaretsaka ( 16/10/2007 16:06)
aleo ovaina kely aza raha mankarary ny lohanao e.. ny ranon'i lourdes dia:
natao hitsofana rano ireo olona nihaiky heloka ka mangataka ny famindram-pon'ny Tompo miaraka @ vavak'i Masina Maria
6. fijo ( 16/10/2007 21:17)
de maninona rehefa mahazo io rano io????
7. ikaretsaka ( 17/10/2007 02:21)
afaka hetaheta
8. cutie ( 17/10/2007 02:53)
:-D:-D:-D:-D
9. Rasiligaoma ( 17/10/2007 03:54)
hafaka hetaheta, velombelom-panahy, madio fa avy nisasa, mety ho sitrana koa satria nodiovin'ny rano ny any anaty any, entina mitso-drano olona koa io
10. cutie ( 17/10/2007 04:00)
Mpandefa : Rasiligaoma [ Valio ] 17-10-2007 05:54:37
Lohateny : Re : NOTRE DAME de LOURDES
hafaka hetaheta, velombelom-panahy, madio fa avy nisasa, mety ho sitrana koa satria nodiovin'ny rano ny any anaty any, entina mitso-drano olona koa io

zany an :lol:
11. Rasiligaoma ( 17/10/2007 04:03)
ieu!
mandehana any Lourdes anie dia jereo sy zahao sy andramo e!
12. Mandefitra ( 17/10/2007 04:43)
Rasiligaoma:
hafaka hetaheta, velombelom-panahy, madio fa avy nisasa, mety ho sitrana koa satria nodiovin'ny rano ny any anaty any, entina mitso-drano olona koa io

Zany rehetra zany efa vitan'ny Ran' Jesosy Kristy daholo ka, tsy mila mankany Lourdes akory.
13. Rasiligaoma ( 17/10/2007 04:59)
tena araka ny tenin'i Ika atsy hoe raha izany anie dia ny Jiosy sy ny taranany no olomasina sy madio indrindra ato an-tany satria:
raha nanasa tanana i Pilato dia hoy ny jiosy hoe aleo hilatsaka any aminy sy ny taranany ny rany!
14. Mandefitra ( 17/10/2007 05:26)
Zay nge no nataoko hoe hafahafa le testamenta-nareo ..

Romana 1:16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.

Galatiana 3:28 Tsy misy intsony na jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.

Ny nandatsahan'i Kristy ny Rany, de ny fanavotany zay rehetra mino Azy ...
15. ravatorano ( 17/10/2007 06:06)
za aloha mbola tsy tany lourdes fa kosa ireo fianakaviana isaky ny makany la frantsa any dia miangavy amindry zareo aho mba hitondrany rano avieo satria hitako fa raha marary andoha matetika aho dia misafo amin'io dia maivamaivana raha misy zava miseho ao antrano ka aùmpiasaian ilay rano dia hita fa misy vokany tsara fa tsy maintsy arahina finoana sy vavaka izany !
Ho ahy manokana sy ny fianakaviako io ah !
:wink:
16. Mandefitra ( 17/10/2007 06:26)
ka io anie ry zoky na pipin-tsokatra aza refa inoana mahasitrana asthme e ... :)
Ary efa nahitsin'i Kristy isika t@ ilay narary teo amoron'ny farihin ny Betesda.Tsy nila nankeny @ ilay rano akory ny marary fa Tenin ny Kristy dia ampy nahasitrana azy:"Mitsangana, betao ny fandrianao" ...
17. tywa68 ( 17/10/2007 07:44)
Ravatorano : betsaka mihitsy ny olona manao ohatranao, ary matoa mandaitra aminao sy ny ankohonanao izany, dia satria zay no sitrak'Atra.

Mandefitra : eeeeeee tsy maintsy hamaly indray hoe fa maninona ? :lol::-D
18. Mandefitra ( 17/10/2007 08:28)
tywa68:
Mandefitra : eeeeeee tsy maintsy hamaly indray hoe fa maninona ?

hehehe mampihomehy ko tywa68. Raha mahasoa anareo le rano nge tsy olana, na menaka avy any israely io, na rano tsy dikaimborona eny ambohimanga io ...
fa ny tsy mety ngamba hoy aho, sy nahitsiko teo de le tenin' Ika hoe:
ikaretsaka:
hanasana ny otan'izao tontolo izao ko ko


Manjary very maina ny Ran'i Kristy raha ny ranon'ny Lourdes no mahavita an'zany ... sa ahoana hozy tywa?






19. tywa68 ( 17/10/2007 09:21)
Mandefitra : tsy nisy nanoratra teo hoe mahasolo ny ràn'ny Kristy fa misy olona mahazo fahasoavana aminy ary tsy zay rehetra maka an'io rano io akory dia hahita an'izany (fa maninona indray hoe ?):-D:-P
20. mbaliana ( 17/10/2007 10:18)
le nolazain'i xxx tary amboalohany aloha dia diso e.. tsy hoe mamerina ny efa voalaza tany aloha fa izay mino fa i Masia Maria dia manampy vavaka ho an'izay mangataka zany aminy dia mahazo valiny amin'izay nangatahany... (betsaka aloha no manao temoignage amin'io fa nahazo fahasoavana tamin'ny fangatahana vavaka tamin'i Masina Maria...ary tsy tany Lourdes ihany fa tany amin'ny tany hafa koa...Roma koa ohatra...
Ny tena izy dia tokony ho tantaraina hoe ahona no niavian'io rano io...
Ilay notenenin'Ika ...tokony nazavainao fa tsy natao nao safo be mantsiny ohatr'io... mila fahatokisana fa Atra koa afaka mampiasa ny olona hafa (toy ny Masindahy sy Masimbavy)hanehoany ny fitiavany antsika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1149