Inona ny anareo no olana aty ivelany?

1. niryna ( 15/10/2007 01:20)
Ho an'ireo izay efa monina na hifindra monina no tiako ho resahina.Asa hianareo raha mba nanao toy izany ,faly ery ny hoe hivoaka,kanefa tsy mahalala izay hiafarana aty ivelany aty.
Maro ny zavatra mahafinaritra sy tsy mba fahita tany amintsika,saingy ny mahasamihafa azy dia miaina na niaina tao anaty tebiteby lava.Soa ihany fa manana an'Atra nianteherana fa raha tsy izany angamba dia kivy tanteraka na ny saina na ny fanahy ary indrindra ny vatana.
Tsy mba misy an'i dada na i mama hitarainana aty.
Asa aloha fa toa tsy mitovy ny tebiteby mahazo na nahazo ny olona e,na ny ttsy hipetrahana raha mbola tsy manana,na ny fahatahorana ny mpanenjika .Isan'andro matory amina tahotra.Tebiteby lava no hiainana,asa ireo vahiny nipetraka na mipetraka any amin-tsika raha mba toy izany.Misy fanavahana na ny asa aza ka tezitra ny tompon-tany fa lasan'ny vahiny hono ny toerana.Ny fiangonana no mahafinaritra tsy mba mijery tavan'olona.
Heverin'ny olona fa manam-bola foana ny tena rehefa hoe avy aty an-dafy izany,tsy fantany mihitsy anefa ny ezaka sy ny zavatra niaretana ary mbola hiaretan'ny hafa ihany koa,aty.Tsy mitaraina dia toa mandeha ho azy no fijeriny.
Inona ny anareo ny olana na mbola olana hitanareo?

novalian'i niryna ny 29/10/2007 03:00
2. miarina ( 15/10/2007 11:18)
Ny olana dia tsy misy fa ny olona ihany no mamorona ny olana.
Raha tsy asiana olana ny fiainana dia tsy misy ny olana.
3. diamondra27 ( 15/10/2007 11:50)
za koa mitovy @ miarina io saingy hanampiako azy dia hoe: tena mbola lasa revy ny gasy mbola tsy nivoaka ka rehefa lazainao ny marina izy hoe: aty ange ka otran'zao sy zao de lazaina fa ny tena no mialona sy manao sabotage tsy te-handehanany

de aleo ho tonga ahita e!

====> ho an'zay manaiky hihaino conseils kosa dia aleo mahalala olona mipetraka aty ihany fa sahirana aty eo.
Dia mila olona mafy saina fa tsy ireny olona mora kivy @ fiainana ireny. TOLONA ny fiainana.
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto

Dia rehefa tonga aty andafy de tsy mijanona ao an-trano fa manontany ny asso gasy misy eo akaikinareo

De mamonjy ihany koa eglise gasy eo akaiky (raha afaka mande lavitra moa tsy misy olana)

hatreo aloha ...
4. xxx ( 15/10/2007 11:51)
Marina mihintsy fa rehefa any an-tanin'olona dia tsimaintsy tratry ny fanavakavahana. Aiza ve ka na dia ny hividy zavatra izao aza rehefa sendra an'ireny olona mpanavakavaka ireny dia voakitakita tsy mitovy amin'ny mpividy rehetra.
Taloha aho no tsy dia rototra amin'ilay fandehan-javatra fa amin'izao efa mihombo loatra ilay izy "trop! c'est trop!" hoy ny fitenindry zalahy mpanavakavaka
5. xxx ( 15/10/2007 12:39)
Otranio d lazao ny any dago fa mafy ny fiainana aty fa tsy araka ny eritreretinareo azy,lazao azy ny zavamisy iainanao ,fa raha tsy zany ianao mangana eo,za ko mba anisan'ny miady @ fianana ko fa lazaiko ny ahy fa tsy misy vola raofimpotsiny aty,ka omeo omeo lava!!
6. booboo ( 15/10/2007 12:48)
Nenà ny olako zao dia ity hanao ron'akoho sy sakamalaho nefa matsatso velona, ny hatsiaka sy ny sery nefa efa tsy mahafoy anà sahady. Tsssssss.

7. Samoana ( 15/10/2007 13:19)
Ilay fiaraha-monina mihonona @ bonjour bonsoir aty no tena olana amiko. Tsy misy intsony le hoe: " Lany ny sira fa mandehana kely maka atsy amin-dry Perline atsy avaratra ô ".
Raha resaka vola sy harena indray moa na be an-tanana na kely an-tanana miasa sy lany foana iny ka tsy tsapa intsony ny maha olana azy:-D
8. niryna ( 16/10/2007 04:06)
miarina:

Ny olana dia tsy misy fa ny olona ihany no mamorona ny olana.
Raha tsy asiana olana ny fiainana dia tsy misy ny olana.

=)) .Sambatra hianao izany tsy misy olana.Izany miasa tsy manana mpiasa izany ,mitovy ny omena ilay mpitaiza ny karama angaha moramora.Aty tsara be raha misy reny toy ny an'ny sinoa sy ny karana ary ny vahiny hafa ,alainy ny reniny hitaiza
9. niryna ( 16/10/2007 04:09)
diamondra27:

za koa mitovy @ miarina io saingy hanampiako azy dia hoe: tena mbola lasa revy ny gasy mbola tsy nivoaka ka rehefa lazainao ny marina izy hoe: aty ange ka otran'zao sy zao de lazaina fa ny tena no mialona sy manao sabotage tsy te-handehanany

de aleo ho tonga ahita e!

====> ho an'zay manaiky hihaino conseils kosa dia aleo mahalala olona mipetraka aty ihany fa sahirana aty eo.
Dia mila olona mafy saina fa tsy ireny olona mora kivy @ fiainana ireny. TOLONA ny fiainana.
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto

Dia rehefa tonga aty andafy de tsy mijanona ao an-trano fa manontany ny asso gasy misy eo akaikinareo

De mamonjy ihany koa eglise gasy eo akaiky (raha afaka mande lavitra moa tsy misy olana)

hatreo aloha ...

Marina mihitsy izany.Ny olana misy kely foana fa mila mafy tokoa. Na mijery ny kintana aza tsy mahita akory.
Marina izany a,iray fotsiny no kintana mba hitako.:D
Ary manankina ny fo amin'Atra mafy fa tena hitanao izany hoe olona irery izany,miara mitolona amin'ny fiainana,indrindra ireo izay mbola mpitovo.
10. diamondra27 ( 16/10/2007 04:25)
Misy ilay hira zay manao hoe: "Hay teo foana i Kristy"

Tena tsy irery isika raha manana an'i Kristy fa manampy @ lafiny rehetra Izy.

Efa niteny nge izy hoe: mavesatra ve ny entanao? omeo Ahy Ento aty entiko.
Dia samia mametraka ny entany @ Jesoa avy raha manana olana izany e!

Ireny promesse ao @ baiboly ireny dia alaivo araky ny teniny toy ny hoe: mahay ny zavatra rehetra aho @ alalan'Ilay mampahery ahy.
Izaho tsy handao anao mihintsy
Mangataha dia omena
sns sns
11. niryna ( 16/10/2007 04:26)
xxx:

Marina mihintsy fa rehefa any an-tanin'olona dia tsimaintsy tratry ny fanavakavahana. Aiza ve ka na dia ny hividy zavatra izao aza rehefa sendra an'ireny olona mpanavakavaka ireny dia voakitakita tsy mitovy amin'ny mpividy rehetra.
Taloha aho no tsy dia rototra amin'ilay fandehan-javatra fa amin'izao efa mihombo loatra ilay izy "trop! c'est trop!" hoy ny fitenindry zalahy mpanavakavaka

Misy manavaka ary misy mahafinaritra fa arakarany io.Ny tena mazana dia ilay maheno maty .Ny frais lafobe ,ny tena tsy maintsy mandeha. Raha azo atao ihany dia miantsoantsoa matetika sady efa mba misy ireny credit ireny dia mba afaka miantso,fa taloha izany anie ry ireto ka tena mijaly mihitsy e,lafobe ny vola hiantso any amin'ny tanana.:cry::D

12. niryna ( 16/10/2007 04:29)
xxx:

Otranio d lazao ny any dago fa mafy ny fiainana aty fa tsy araka ny eritreretinareo azy,lazao azy ny zavamisy iainanao ,fa raha tsy zany ianao mangana eo,za ko mba anisan'ny miady @ fianana ko fa lazaiko ny ahy fa tsy misy vola raofimpotsiny aty,ka omeo omeo lava!!

xxx a,tsy mino izy,kanefa ry zareo aza mba afaka mijery sy mahita ny rar eo foana,saingy hoy ny olona hoe lavitra hianao ka mamy aminao ny fianakaviana fa miady ny olona
Akaiky hono mifamono tahaka ny alika,lavitra hono mamono akoho(raha misy ny akoho hovonoina):D

13. niryna ( 16/10/2007 04:36)
booboo:

Nenà ny olako zao dia ity hanao ron'akoho sy sakamalaho nefa matsatso velona, ny hatsiaka sy ny sery nefa efa tsy mahafoy anà sahady. Tsssssss.

=))=)) ndry aky mampihomeha a
Mihinana voanjo,karazana nuts ireny sy vitamine E,C.
Tena matsatso daholo anie ny hena e. Sady toa ohatrany mankaleo indraindray indrindra ny tena raha mahandro foana,raha mifandimby indray dia tiako.Tsy izy izay no nahandro hoy ny ato an-trano.;-). dia mazoto aho mihinana. Ataovy lasopy aky a miaraka amin'ny pate jaune kely.Efa nahandro lasopy miaraka amin'ny vorivorinkena ve indry?
Ilay efa madio any amin'ny sinoa,dia tetehina madinika kely ka rehefa ho masaka vao arotsaka?Tsara be ny tsiron'ilay lasopy + persily+ tongolo maitso kely.
Na ity atao rehefa sendra voan'ny sery iny.Ataovy be tongolo gasy sy onion ilay lasopy akoho sy sakamalaho fa tena manampy be
14. niryna ( 16/10/2007 04:39)
Samoana:

Ilay fiaraha-monina mihonona @ bonjour bonsoir aty no tena olana amiko. Tsy misy intsony le hoe: " Lany ny sira fa mandehana kely maka atsy amin-dry Perline atsy avaratra ô ".
Raha resaka vola sy harena indray moa na be an-tanana na kely an-tanana miasa sy lany foana iny ka tsy tsapa intsony ny maha olana azy:-D

=))=)) ary ilay hoe mba ampindramo kely afokasika hono izahay.Ny elo hindramin'ny olona,izay hita rehetra toa mifampihindrana daholo tokoa e,sira,elo,kifafa. Toa tsy mba afaka mitafa miaraka mihirahira daholo ny ankizy ?
Lasa tonga dia samy mamonjy TV na milalao eo am-pototry ny TV ny ankizy.Maro tokoa ny zavatra tsy mitovy ny nandalovantsika. Na ny mpiara-monina aza toa samy midy any an-tranony any daholo.
15. steeeel ( 16/10/2007 05:41)
Ireo olana dia:
-lehibe loatra ny tanàna, lavitra ny toerampiasana.
-tsy maintsy mividy fiara ihany na efa tia mandeha bus sy metro aza.
-instable ny tsenan'ny asa: androany ianao mety manankarena rahampitso ihany anefa ianao dia mety ho borina.
-mannjika ny fanjakana mitaky hetra.
-mifanena amin'ny olona isankarazny samy hafa fiaviana sy finoana ary ny tena loza dia mi-imposer ny finoany daholo (mahatsiaro ilay Imam izay aho raha tratrany nifoka sigara teo ambaravaran'ny campus fahiny, ary notaritiny ho any amin'ny Maosikey).
-mahita fotsy sy karana miady eny andalana lava, ny fotsy sasany tsy tia karana, ny philipinos tsy tia karana, ny karana tsy tia mainty hoditra, sns.
-sahirana isaky ny miova tanàna fa lehibe loatra ka sarotra ny mitady banking machine hangalana vola kely entina hisakafoanana.
-Ny kaly tsy zarizary, ny hany mba sipagasy revena efa lasan-dry leirony....:-D
16. niryna ( 16/10/2007 14:36)
steeeel:

misaotra anao fa hitovizana daholo ireo.Ny ankizy mahay teny gasy fa vary amin'anana.Atao gasy tsy gasy atao vazaha anefa tsy ataon'ny vazaha ho mitovy aminy :D
17. xxx ( 16/10/2007 14:43)
Ny ahy indray mitovy ny vahiny hoe ny zanakay tsy mety mody, izahay anefa manana fikasana ny hody rehefa antitra .
18. mandrindra ( 16/10/2007 17:37)
gay, gay, maro loatra izany olana izany. aleo tsy eritreretina fa mankarary andoha, mankarary fo. ny ahy dia ny vahaolana sy izay mampety ny fiainako no ataoko.
19. niryna ( 17/10/2007 05:06)
misy lafy tsara maro ka ,ny fianarana,ny fahaizana miteny hafa,ny fiaraha-monina,ny asa aman-draharaha.Aty no tena feno fiangonana saika izay toerana aleha misy daholo.Tena zava-dehibe izany,manampy ny mahantra ara-tsakafo,akanjo,fianarana,fitaizana ny ankizy,eny fa na dia ny vakansy aza dia mandeha ny zanaka mahantra .Fampianarana ireo zaza tsy mahay,be zavatra tsy andoavam-bola indrindra ireny reny mananontena ireny,tsy mando vola any amin'ny university ny zanany.
20. tywa68 ( 17/10/2007 06:54)
xxx:

Ny ahy indray mitovy ny vahiny hoe ny zanakay tsy mety mody, izahay anefa manana fikasana ny hody rehefa antitra .

Avelao ny ankizy hitombo aloha dia raha mahavita tena dia nareo no mody (satria nanangona) miandry azy hamangy na hiantso rehefa mahatsiaro :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2978