Izay kely nananany no nesorina taminy.
1. niryna
(
13/10/2007 06:02)
Nisy roa lahy mamo niditra ny fiangonana rehefa naheno ireo nihira izy.Ny fiangonana aty moa dia misakafo kely rehefa mirava ny fotoam-pivavahana ka notarihan'ity rangahy iray ity namany izay samy mamo.
Rehefa nitori-teny ilay pasitera dia nanatona ilay iray ka niteny hoe omeo izany Kristy anao izany aho.omeo izany fahaizanao izany aho.Nampiantranon'ity pasitera an-trano ity iray fa ilay iray vao nahita ny namany nandeha teny aloha dia lasa nivoaka.
Nandeha teny ny andro ary nanontanian'ity mpiangona ity tovolahy hoe nanao ahoana izay ilay dadatoanao?
Nitanondrika izy sady niteny hoe nodi-mandry izy herin'andro lasa izay.Nitsiky kely indray izy fa ny hafan'ity dadatoany hono dia hoe tsy matahotra intsony aho fa manana an'i kristy.
1-Hatraiza ny fetran'ny finoana?
Raha mandalo zava-tsarotra isika kanefa mahalala fa tsy handao antsika Izy na hanary antsika,toa tsy mety ihany ny saina fa be fanahiana?
2- MARKA 4
24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo.
25 Fa izay manana no homena; ary ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy
Ahoana no fomba atao mba hampitomboana ny finoana satria raha tsy mitombo ilay izy dia alainy hono:D.

novalian'i niryna ny 19/10/2007 04:58
2. Rasiligaoma
(
13/10/2007 06:31)
milay mihitsy io fiangonana any aminareo io ry Niryna ka. ny fanaoko fony mbola tany diatsy mahandro sakafo rehefa alahady, dia rehefa taratara iny vao mipoitra manafika sakafo fotsiny. kaly io ko! moa mpianatra ny tena tamin'izany ka somary teritery ihany ny enti-manana, moa mba tsitsiana hijerevana sarimihetsika sy ny sisa...
fa bref, mahafehy azy ilay tenin'Aa io ilay hoe izay manana no omena, ilay kaly any am-piangonana.(tahaka ahy)
ary izay tsy manana dia ny kely ananany aza ho esorina aminy : toy ny rakitra sy ny 1/10 n'ny fananana alaina ohatran'ireny ataon'ny fiangonana madinika aty amintsika aty M/kara ireny e, ilay tontolo betsaka mafy ady: Isotry, 67 ha no mbola volosana sy alaina ilay kely mba ananany, sy any no tena be fiangonana kely maniry ohatran'ny anana!
Tanteraka mihitsy io soratra masina io ka! amen!

3. andryrabe
(
13/10/2007 06:41)
aoka ho tsarovana ihany koa anefa ry namana fa ny fanaovana 10 isanjato anie ka anisan'ny hafatra iray izay tsy tokony ho adino amin'ny hafatra napetraka ho antsika e.
ny zavatsarotra tsy mainsty misy foana amin'ny fiainana fa ny hery entina miatrika azy no tsy mitovy.
misy ny efa manana fiarovana , misy kosa ny tsy mahafantatra akory hoe inona ny fiomanana tokony atao.
ny anjaran'ny mahalala de ny mampahafantatra ireo tsy mahalala, raha tsy mandray moa izy de azy izay.

4. Rasiligaoma
(
13/10/2007 06:46)
efa lalana taloha io ko!
betsaka ny fanoharana efa nilazan'i Jeso fa izay ao am-po no mikaonty. ohatran'ilay vehivavy manano-tena nandrotsaka farantsa kely vitsivitsy sy ilay mpanakarena nandrotsaka be dia be tao amin'ny fandatsahan-drakitra

5. andryrabe
(
13/10/2007 07:29)
marina fa misy ny lalana taloha nefa aoka hotadidiana fa tsy mifanohitra velively ny testamenta taloha sy testamenta vaovao fa mifanampy aza.
6. ikaretsaka
(
13/10/2007 15:29)
andryrabe> angamba kosa tsy noferana hoe 10% intsony e fa efa mahasolo azy koa ny asa soa sy ny fanomezana ny fotoanan'nytena hanampiana nu fiangonana
(Jakoba 1:5)
Izay manome an-kafaliana no sitraky ny Tompo fa tsy izay manome an-kabetsahana
(Jakoba 1:5)
Izay manome an-kafaliana no sitraky ny Tompo fa tsy izay manome an-kabetsahana
7. niryna
(
14/10/2007 03:46)
Rasiligaoma:
milay mihitsy io fiangonana any aminareo io ry Niryna ka. ny fanaoko fony mbola tany diatsy mahandro sakafo rehefa alahady, dia rehefa taratara iny vao mipoitra manafika sakafo fotsiny. kaly io ko! moa mpianatra ny tena tamin'izany ka somary teritery ihany ny enti-manana, moa mba tsitsiana hijerevana sarimihetsika sy ny sisa...
:roll: dia nahazo vatsim-panahy ve rasily?
fa bref, mahafehy azy ilay tenin'Aa io ilay hoe izay manana no omena, ilay kaly any am-piangonana.(tahaka ahy)
Izany ve tsy mifanohitra,iza ilay manana rasily?
ary izay tsy manana dia ny kely ananany aza ho esorina aminy : toy ny rakitra sy ny 1/10 n'ny fananana alaina ohatran'ireny ataon'ny fiangonana madinika aty amintsika aty M/kara ireny e, ilay tontolo betsaka mafy ady: Isotry, 67 ha no mbola volosana sy alaina ilay kely mba ananany, sy any no tena be fiangonana kely maniry ohatran'ny anana!
Toa tsy mitombona izany amiko.
raha manana $10 hianao dia $1 no omenao
raha manana $100 dia $10 no omenao.Mitovy izany.
Atra angaha mangataka izay tsy nomena anao,sady Azy daholo koa anie ilay vola e,ny fahendrenao nanangona,ny fahasoavana nomeny anao nahazo asa,ny hery nomeny anao nahatonga anao niasa ka nahazo vola.Izany rehetra izany sy ny maro mbola tsy ho voatanisa nomeny daholo.
Tanteraka mihitsy io soratra masina io ka! amen!
Ary ahoana no fipetrany raha ny finoana no resahina an'io.Izay manana dia mbolo omena be dia be,izay tsy manana na manana kely iny indray ary hono no mbola alainy raha tsy ampiasaina?
8. niryna
(
14/10/2007 04:11)
andryrabe:
aoka ho tsarovana ihany koa anefa ry namana fa ny fanaovana 10 isanjato anie ka anisan'ny hafatra iray izay tsy tokony ho adino amin'ny hafatra napetraka ho antsika e.
ny zavatsarotra tsy mainsty misy foana amin'ny fiainana fa ny hery entina miatrika azy no tsy mitovy.
misy ny efa manana fiarovana , misy kosa ny tsy mahafantatra akory hoe inona ny fiomanana tokony atao.
ny anjaran'ny mahalala de ny mampahafantatra ireo tsy mahalala, raha tsy mandray moa izy de azy izay.
Marina tokoa izany,mampianatra izany daholo ny ankabiazan'ny fiangonana fa ilay mampiantra azy no anjaran'ny tsirairay.
MALAKIA 3
8 Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo? Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.[Heb. fanatitra asandratra]
9 Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao.
10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
andry a> tantara marina ity an.Nanao fanampiana ny fokontany nisy azy ity namanay ka nitety ny tranon'ireny be antitra ireny nanome azy ireo rano fa mafana be hoy izy ny andro.
Noho ny efa ho tapitra ny fotoana dia nisy ramatoa antitra iray niteny hoe ireto misy akanjo raha misy tianao .Feno hoy izy ny fiarako ary samy nahazo ankanjo daholo izahay mianakavy.Ny ambiny hoy izy nateriny tany am-piangonana ho an'ny mahantra.
Izay dia hilazana fa amin'ny zavatra tsy am-poizina ka manampy olona hianao dia misy valiny foana matetika.
Ity indray misy iray :niteny irery hono ity rangahy tao am-piangonana ary nanao eson-teny izy sady narotsany ilay $ 5 miforiporitra.
Nony nivoaka ny fiangonana izy ,nandrivotra ny andro ary iny teo an-kaikiny nisy $5 niforiporitra ihany koa.Nangovitra aho hoy izy,sady nanenjika ahy ny teniko niteniteny foana.Nijoro nilaza izany tao amin'ilay fiangonana izy ka niteny hoe Atra tsy azo vazivaziana :oops:
9. niryna
(
14/10/2007 04:25)
Rasiligaoma:
efa lalana taloha io ko!
betsaka ny fanoharana efa nilazan'i Jeso fa izay ao am-po no mikaonty. ohatran'ilay vehivavy manano-tena nandrotsaka farantsa kely vitsivitsy sy ilay mpanakarena nandrotsaka be dia be tao amin'ny fandatsahan-drakitra
dia mbola mitombona foana io.
Ataovy hoe izay kely eo am-pelantananao no hanomezanao azy satria kely .Raha manana kosa hianao dia afaka manome mihoatra aza.
Ity indray misy tantara.Izay reko sy fantatro no lazaiko satria mitamberina ato an-tsaiko ilay izy an.
Nisy ramatoa izay nitady ivavahana izy ary tena manana toetra tezi-dava sy manana fankahalana koa mafy ny fiainany ary nanana fanampahan-kevitra izy ny hanatona an'Atra.Vokatry ny fiainany no antony amin'izany,io moa dia hiaraha-mahalala fa misy fiantraikany rehefa tsy manana fahatokisana an'Atra isika.
Nandeha niangona izy ary naheno ilay pasitera tao amin'ny fiangonana niangonany niteny ilay am-pahafolon'ny fananana.Mpitondra alikan'olona no asan'ity ramatoa ity,alika iray fotsiny no entiny mandehandeha.Firana,maka rivotra eny amin'ny arabe.Raofiny ny maloto fa raha tratra mantsy dia mandoha $350 (sazy).Ilay karamany kely iny no nanalany ilay 1/10 sady niteny hono izy hoe omeko ity raha tena marina tokoa izany hoe averin'Atra amiko izay omeko azy sy ny hoe manao rakitra any an-danitra ho ahy aho.Izao hitenenako izao lasa tsy maharaka intsony izy mitondra ny alikan'ny olona fa lasa nitombo 14 ny alika hoentiny. Fiainana an-davanandro io no resahiko a
Na dia ny zanany aza hono izao dia efa manomboka am-pianariny manao an'io.Sarotra ilay izy satria mety tsy nampianarina isika,kanefa kosa raha afaka manao zavatra hafa ,manampy ara-tsaina ,vatana,hery sns.Efa zava-dehibe izay eo amin'ny fanasoavana ny mpiara-belona.Eny fa na dia isika mandany ny andro mizara izay kely nomen'Atra hamonjena ny hafa aza dia faly Atra .
10. niryna
(
14/10/2007 04:26)
andryrabe:
marina fa misy ny lalana taloha nefa aoka hotadidiana fa tsy mifanohitra velively ny testamenta taloha sy testamenta vaovao fa mifanampy aza.
marina izany,sady tsy afaka misaraka.
11. niryna
(
14/10/2007 04:35)
ikaretsaka:
andryrabe> angamba kosa tsy noferana hoe 10% intsony e fa efa mahasolo azy koa ny asa soa sy ny fanomezana ny fotoanan'nytena hanampiana nu fiangonana
(Jakoba 1:5)
Izay manome an-kafaliana no sitraky ny Tompo fa tsy izay manome an-kabetsahana
Angaha tsy hitan'ika ilay olona nanome 1 million de dollar ny fiangonana ? Rehefa nohalalinina dia tsy mpino izy taloha no nivadika ho mpino.^:^
Marina izany fa afaka manome mihoatra fa tsy ferana.
Ilay fanampiana amin'ny fiainana dia tena mahita sy azoko tsampain-tanana ny hafaliako.
Ity vao nitranga tamin'ny herin'andro an.Napetrako tao ambon'ny latabatra ny bokiko izay nomen'ny olona ahy mba ho zaraiko ny mpiara-miasa aminay.Nasiako soratra hoe "Take me home" dia nampiako hoe "free"
"hoento mody manaraka anao aho,omena fotsiny"
Inona no nitranga hoy ika tamin'iny androtr'iny ihany?
Nisy namako iray izay nanome ahy cassettes efa ho telom-polo angamba ireo fa tsy nosaiko,nalaiko tany anaty ny fiarany.Toriteny rano fotsiny
Tsy nidila akory ny andro iray an.Tena valaka sy gaga tanteraka aho no nisaotra an'Atra satria tamin'ny foko madio no nizarako ny bokiko ho an'ny mpiara-miasa amiko kanefa dia nomen'ny namako toriteny aho satria fantany fa tia mihaino sy mandalina soratra masina.Izany no atao hoe fifaliana tsy voavidy vola amiko.
12. ikaretsaka
(
14/10/2007 12:24)
dia bokty ve atakalo kasette.. karazan'ny ty sy nday an-kolaka anie izany e!
rehefa free de free fa tsisy takalony!
rehefa free de free fa tsisy takalony!
13. niryna
(
15/10/2007 03:00)
ikaretsaka:
dia bokty ve atakalo kasette.. karazan'ny ty sy nday an-kolaka anie izany e!
rehefa free de free fa tsisy takalony!
Tsy miteny takalony aho fa fanandrifihanjavatra no tiako ho tenenina.Ary matetika io dia mahazo ny rehetra fa tsy izaho irery.Izay zavatra ataontsika dia tsy mitady tambiny na iray aza,indrindra ny mitory ny tenin'Atra.Nomeny maimaim-poana isika dia mizara maimaim-poana(mampitombo ny finoana mba tsy ho faty).Izany no mahatonga ilay fiteny hoe ny finoana dia tsy avy amin'ny asa fandrao hisy hirehareha.Ny finoana tsy arahan'asa dia naman'ny maty ,izany hoe raha manana finoana hianao ka tsy mampiasa na manitatra an'io finoana io dia namany ho foana tsikelikely izany, fa tsy hoe asa=work akory .Izay no fahalalako ny dikan'io.
Efesiana 2:8-9 fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
"For by the grace are ye saved,through faith,and that not from ourselves it is the gift of God.Not of works,lest any man should boast"
Tsy ny fanaovana asa no mety ahavonjy ny olona,Raha te ho voavonjy dia mino an'i kristy ho mpamonjy,raha tsy mino Azy dia tsy ahazo famonjena mihitsy,voavela ny fahotana(Rom 4:7-8), rahalahy sy anabavy mahatoky ao amin'i Kristy(Kol 1:1-3),afaka amin'ny fanangejana nataon'i satana, ary lasa olombaovao(raha mitovy ny fiainana tsy mbola nandray an'i kristy ihany no mbola hiainana dia tsy ho olom-baovao izany)(2 kor 5:17)ary izay no hiadiana sy hiambenan-tsika isan'andro:D
14. diamondra27
(
15/10/2007 06:58)
amiko tsy dia voatery resaka materiely foana no tiana lazaina fa izay hanananao rehetra: na tsy manambola aza ianao fa afaka mampahery olona dia efa zava-dehibe izay.
Ny sakafo haninao, ny tranonao, ny asanao, izay zavatra rehetra rehetra harena daholo ireny fa tsy ny vola ihany akory no atao hoe: harena amiko.
miankina @ finoanao ihany io
Ny sakafo haninao, ny tranonao, ny asanao, izay zavatra rehetra rehetra harena daholo ireny fa tsy ny vola ihany akory no atao hoe: harena amiko.
miankina @ finoanao ihany io
15. ikaretsaka
(
15/10/2007 17:54)
ny ahy aloha ny fandraisako azy tsy hoe satria izao nahazo an'ixzao dia vokatr'ilay izaho nahazo an'izao izay e.. raha izany ny spiritualute dia tena mivoana mihitsy amiko.
na fifanandrifihan-javatra aza tsy raisiko loatra amin'izany, lasa finoanoam-poana izany.
avis ko personel io an
na fifanandrifihan-javatra aza tsy raisiko loatra amin'izany, lasa finoanoam-poana izany.
avis ko personel io an
17. tsiafoi1
(
16/10/2007 11:18)
Rehefa manolotra ho an'Andriamanitra dia tokony ho ao an-tsaina foana we FANKASITRAHANA SY FANATITRA, tsy ampahafirin'izay efa nomanin'Andriamanitra ho antsika zay omentsika azy; Fa raha izay no toen-tsaina sy toe-po enti-manolotra ho an'Andriamanitra de hanome mihoatra ny 1/10 aza isika. De hanome be izay mangataka amintsika isika; De ho foana ny mpangataka ary ny Fiangonan'Andriamanitra tsy hangataka intsony fa manana ny ampy aza.
19. niryna
(
17/10/2007 04:11)
diamondra27:
amiko tsy dia voatery resaka materiely foana no tiana lazaina fa izay hanananao rehetra: na tsy manambola aza ianao fa afaka mampahery olona dia efa zava-dehibe izay.
Ny sakafo haninao, ny tranonao, ny asanao, izay zavatra rehetra rehetra harena daholo ireny fa tsy ny vola ihany akory no atao hoe: harena amiko.
miankina @ finoanao ihany io
Izaho koa mino an'izany,tsy ho voatery hanana vao hoe hanao zavatra fampiroboroboana ny asan'Atra.Na mitsiky sy mahay miara-monina ary mampiseho fa izy no jiro manazava ireo manodidina azy avy amin'ny alalan'ny fihetsika ,fiteny fotsiny dia efa zava-dehibe izay :D
20. niryna
(
17/10/2007 04:15)
ikaretsaka:
ny ahy aloha ny fandraisako azy tsy hoe satria izao nahazo an'ixzao dia vokatr'ilay izaho nahazo an'izao izay e.. raha izany ny spiritualute dia tena mivoana mihitsy amiko.
na fifanandrifihan-javatra aza tsy raisiko loatra amin'izany, lasa finoanoam-poana izany.
avis ko personel io an
Marina izany saingy mahafinaritra anao foana ny manohitra ny teniko. Tsy mila tamby ny fanaovana soa ny olona,izay zavatra ataon'ny tananao havanana aza atao fantatry ny tananao ankavia akory.
Izay kely nananana no miala amintsika raha tsy manao na inona na inona isika:arrow: mila kolokoloina ny finoana .Ahoana no anaovana izany?
Avy amin'ny alalan'ny famakiana ny tenin'Atra isan'andro,ny fivavahana, ny mivavaka amin'ny hafa,ny fitoriana ny tenin'Atra.Izay no tiako resahina,raha milaza isika hoe kristiana kanefa ny toetrantsika mampiverin-dalana dia kristiana anarany fotsiny isika.