-Ny sakafo anio

21. mangabe ( 14/10/2007 17:16)
menalamba:

Tsy maka-tenda be ve ny ravin-tsainjo?



Izany noho tena mahagaga..Rehefa any dago mampalailay ny tenda mihintsy ny mihinana ny ravin-tsoajo raha ratsy fanamboarana...Ny anay kosa dia mamboly ( mampiasa ny saojo fotsy kelin'ireo sinoa...). Mangidihidy be rehefa manambotra azy ka tsy manao gant fa akotran'izay dia tsara be ilay izy...
22. mangabe ( 14/10/2007 17:18)
fahamarinana:

:arrow:any tamatave izy varotan'ny karana atao beignets dia misy fangarony hena sa inona moa,tsara be kah,asa raha misy efa nihinana an'io...i Diam's angambany,eo bazar be e (taloha fa mety tsy eo ntsony koa satria efa elabe zany lazaiko zany).Ravitsaonjo hoy ny olona fa asa raha izy tokoa,fa matsiro kah!!(l)





Marina ny anao fa matsiro be izy io. Any Antananrivo koa misy mivarotra izy io fa maina indray dia atao vary amin'anana ilay izy (poly na toly moa?) Omena ny mampifana...
23. mangabe ( 14/10/2007 17:23)
ie.. mamboly mangahazo zahako
manafatra tahony (vomanga, mangahazo) avy any madagasikara dia ambolena ao an-jaridaina rehefa printemps dia esorina rehefa automne sady mihinana mangahazo sy vomanga ihany ihany!

ny fitotoana ny raviny dia amin'ireny fitotoankena elektrika ireny ihany!
ny fandrahoana azy dia nahandro gasy

raha tsy tiana hamody ilay taho mangahazo/vomanga dia azo atao ao anaty vazy ngezangeza fotsiny.. fa misy raviny koa na izany aza..., ny vomanga no omena zavatra handadizany..
fa malazo ihany izy ireo rehefa tonga ny ririnina dia tsy maintsy ongotana

misy fakany ihany koa fa madinika kely ohatran'ny tain'ondry! dia miandry raha misy olona tonga indray @ printemps dia afarana tahony indray



[/quote]


dia azoko indray izany ny ravitoto e! Ela ny ela dia tsy mila manafatra anana intsony 'zany 'zah!
Fa aiza aloha ih=anao noho mipetraka soa dia tsy mety ambolena azy eto région parisienne?
24. mangabe ( 14/10/2007 17:36)
gasytsara501:

Zah nanafatra vônin'anana avy mada, tsy haiko hoe été ilay izy afafy sa printemps , tapa-kevitra hanao jardin manko satria tsy mahita anana mihintsy aty aminay eny fa na dia miakatra 100 km anandrano foana no hita de zay.

Omeo hevitra ry karetsaka,ny anana aloha no nafarako, te anohatra amboly gros pois (kabaro), vôntsirôko (tsy haiko raha misy anarana hafa) koa zah satria nanafatra anio koa de mba te hanararaotra tsy haiko raha aniry ihany na ahoana fa dia ho hita eo, miandry amin'ny taona ho avy koa manko vao mamboly eh!!!!.Zah tsy ary nanao jardin fa amin'izao nanofa tany zahay de anararaotra eh.





Efa nisy resaka otranio t@ ity forum ity...izaho koa manko tia anana be nefa tsy dia mahita naha rehefa misy dialafo loatra. Dia tapakevitra namboly. T@ ity toana ity aho tsy dia nanao satria tsy teto an-toerana rehefa tonga ny printemps. Soasety, ravin-tsoanjo sy ramirebaka izao noho vokatra.
Ny fanao-ko dia mamboly rehefa printemps, récolte été sy début automne.
T@ ity toana ity koa hitako fa be dia be ny anamamy maniry eny an-morondalana eny . Nalaiko ny voniny dia naniry. Misy anamamy maniry izao eo amin'ny balcon-ko.
Ny saosety dia avela ho manomboka maniry amin'ny toerana tsy mangatsiaka nefa misy masoandro. Rehefa manombola maniry iny izy izay voa atao anaty tany misy zezika (soavaly ny fanaovako).
Ny soanjo indray moa dia otri'zany koa saingy lava be kokoa izay voa mamelana. Anaty tany noho mety azy dia rehefa misy felana, récoltéo une fois fa aza esorina fa avelao ao anaty tany fa mbola hanome be dia be hatramin'ny hatongavany ririnina.
Ny vomanga indray dia alona ao anatin'ny tavohangy rano 1.5l notapahina ny lohany. Rehefa mitsiry iny izy dia atao ao anatan'ny tany.
25. gasytsara501 ( 15/10/2007 17:22)
Misaotra betsaka ry mangabe fa zah mantsy mbola tsy ary nanao jardin taty, fa dia anohatra amboly amin'ny printemps eh, sady tsy maintsy manohatra koa dia ho hita eo, fa ny anah zao dia vonin'anana ihany no nafarako , dia io gros pois(kabaro) sy vôntsorôko io,fa misaotra eh, rehefa mande mada zah de anararaotra mihintsy, aty aminay tena tsy misy anana
mahafa-po mihintsy, mety aniry aloha satria tamin'ny zah avy tà Mada nitondra vônina bênja ireny dia somary elaela vao nanome fleur fa naniry tsara sady lava amin'izao izy mamelana tsara dia lety ho ohatr'izany koa zany ny anana.

Misaotra betsaka fa dia anohatra amin'ny taona ho avy eh!!!.
26. ikaretsaka ( 16/10/2007 03:28)
gasytsara> za aty @ region mangatsiaka ka.. fa maniry tsara:wink:

kallie> asitrika tsara any anaty entana
27. pariniza ( 19/10/2007 07:45)
voanjobory sy hen'omby e,saingy lay voanjobory nolomana roa andro vao malemy.Voanjobory nafarana tany dago izany
28. boubounezy ( 08/11/2007 20:50)
tsaramaso lena mara2 sy hena omby ny anaay é! miama b tsika retra:miam::miam::miam::miam:
29. dongadonga ( 08/11/2007 21:12)
ny anay an de henakisoa sy amalona tena annnnnn:miam::miam::miam::miam::miam:
30. booboo ( 10/11/2007 18:42)
ay ay ay mampanoana beeeeeeeeeee aby zany motikareo zany !
31. fahamarinana ( 14/11/2007 20:09)
pariniza:

voanjobory sy hen'omby e,saingy lay voanjobory nolomana roa andro vao malemy.Voanjobory nafarana tany dago izany

:arrow:efa misy voanjobory amin'ny boite koa varotana aty fa tsara aloha e sady efa masaka koa,anamamy sy angivy sy ravitoto koa,tsara daholo.(l)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.712