Iza i Jesoa
2. ari.malala
(
05/10/2007 13:19)
Zanak'Andriamanitra, ilay Olona faharoa ao @ Trinité Masina, Zokiko Izy, satria efa natsangan'ny Ray ho zanany t@ batemy aho, mpanalalana ahy @ Ray Izy, Olona faran'izay be fitiavana idnridnra fa na be tahaka ny inona aza ny heloko dia avelany foana
3. bozyboleta
(
05/10/2007 13:53)
Ny cv-ny fantatro aloha tsy ho detailler-ko eto fa ny zava-bitany sy maha-Izy Azy ahalalako Azy de:
- Toy ny navalin'i Simona Petera hoe " Ianao no Kristy, zanak'Andriamanitra velona"
- Toy ny filazan'i Jaona mpanao batisa hoe " Zanak'ondrin'Andriamanitra hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao"
Jesoa dia:
- Ilay tia ahy sy ianao ka nanolotra ny ainy hamonjy ahy sy ianao noho ny fahotantsika.
- Ilay lasa nipetraka eo ankavanan'ny Ray ary mbola hiverina eny @ rahon'ny lanitra hitsena ahy sy ianao.
- Ilay be fitiavana miandry hatrany ireo mania mba hitodika Aminy (betsaka izy ato saingy safidy moa io)

4. soanja
(
05/10/2007 14:27)
Ilay naterik'i Masina Maria Virjiny Mandrakizay!
Nohariana talohan'ny taona rehetra. Ilay ho avy amboninahitra indray andro any hitsara ny velona sy ny maty sns sns.... Ilay fitiavana!

6. kiranil
(
05/10/2007 15:33)
Miarahaba,
- Jesosy Kristy dia ilay zanak'Andriamanitra lahitokana izay nanetry tena ka nitafy nofo tahaka antsika ary nanaiky ny ho faty mba hamonjena ny olona ho afaka amin'ny fahotany, kanefa nitsangana tamin'ny maty nandresy ny fahafatesana izay herin'ny maizina.
- Jesosy Kristy dia ilay nampianatra ny mpanaradia Azy hifankatia, mifamela heloka, tsy hankahala eny na dia ny fahavalony aza, hiala amin'ny ratsy fanao ary hanao ny sitrapon'Andriamanitra.
- Jesosy dia ilay naniraka ny Fanahy Masina na ny Fanahin'ny fahamarinana mba hananatra, hampihaiky ny olona ny fahotany, hibebaka sy hitarika ny olona amin'ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra.
- Jesosy Kristy dia ilay ho avy indray ary amim-boninahitra hitsara sy hamaly ny olona araky ny nataony avy.
Ny nahafatarana ireo dia ny fitarihanan'ny Fanahin'Andriamanitra izay nirakitra izany an-tsoratra ao amin'ny Soratra Masina fa tsy sanatria vokatry ny fisain'olombelona fotsiny.
Fehiny> Vakio ny Soratra Masina dia meteza tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia ho hitanao ny tena fahamarinana.
Misaotra.

7. tsimiandravola
(
05/10/2007 16:20)
I Jesoa dia pseudonyme n'olona iray izay nateraka an-taratasy (scribes juifs) fotsiny ,noho izany tsy nisy ara-tantara mihitsy.Ny olona nisy ara-tantara ka nandrafetana an'io Jesoa io dia ny mesia Jiosy antsoina hoe Joany n'i Gamalà,zanak'i Jodasin'i Gamala sy i Salomé,zafikelin'i Ezekiasy,...ireo rehetra ireo dia samy taranak'i Davida hono ,ary tompon'ny seza fiandrihanan'i Jerosalema izay ibodoan'ny clan des Herodes.
Tsy manaratsy an'io Jesoa io aho.Natao izay ahatsara an'io ka nanaovana azy ho Jesoa humble et débonnaire...etc fa ny tena aratsiako sy tsiniaviko dia ilay Mesia namoronana ny tavany izay hita taratra ao amin'ny baiboly ny toetra ratsiny.
Sans rancune!:D

10. gasynamana
(
05/10/2007 18:35)
Raha amiko manokana dia tsy misy olona tia ahy mihoatra an'i Jesoa. Izaho koa mino fa ny hany hasambarana ho ho ahy (sy ho antsika olombelona) dia ao aminy ihany.
tsimiandravola: tsy misy olana izay filazanao fa fomba fijerinao io, saingy raha tomorina akaiky dia somary maivana ihany ny fomba filazanao ny tsy fisian'i Jesoa.
Ny fampiasana ny teny hoe: hono, dia midika fa tsy tena sur amin'izay lazainy ilay olona. Manaporofo ny fahamaivanan'ny fikarohana nataony io. Raha fikarohana siantifika no nataonao dia tena maivana mihitsy. Azafady!!!

Ny olona nisy ara-tantara ka nandrafetana an'io Jesoa io dia ny mesia Jiosy antsoina hoe Joany n'i Gamalà,zanak'i Jodasin'i Gamala sy i Salomé,zafikelin'i Ezekiasy,...ireo rehetra ireo dia samy taranak'i Davida hono ,ary tompon'ny seza fiandrihanan'i Jerosalema izay ibodoan'ny clan des Herodes.
Ny fampiasana ny teny hoe: hono, dia midika fa tsy tena sur amin'izay lazainy ilay olona. Manaporofo ny fahamaivanan'ny fikarohana nataony io. Raha fikarohana siantifika no nataonao dia tena maivana mihitsy. Azafady!!!
11. niryna
(
05/10/2007 19:30)
ari.malala:
Zanak'Andriamanitra, ilay Olona faharoa ao @ Trinité Masina, Zokiko Izy, satria efa natsangan'ny Ray ho zanany t@ batemy aho, mpanalalana ahy @ Ray Izy, Olona faran'izay be fitiavana idnridnra fa na be tahaka ny inona aza ny heloko dia avelany foana
=D=D amin'ny manaraka ho tohizako ny teninao fa misy maro ihany koa ho an'ireo tsy te ahalala an'i Kristy fa lasa maro izy ato.:@ ka anjarantsika ny mivavaka azy ireo
12. fijo
(
05/10/2007 20:45)
i jesoa dia zazasary,zanak'i maria tamina olonkafa.noho io izy tsy zanak'i josefa io,dia somary nahatsiaro voahilika i ranamana tao an trano ,ka nihezaka mafy hitady izay hampiavaka azy;ary dia nanitatra saina ka namorona hevitra hafa noho ny mahazatra ny tao an tanana.ny olana di aizao,izy nitarika olona hanaraka azy,fa izy nijanon atamin'ny fomban drazany.
13. piste
(
05/10/2007 23:24)
Samy namaly t@ fahazoany azy moa izany. Tsy i Jesoa standard anefa no nanontanian'ny Gasynamana, izany hoe : nianarana tany @ Katesizy kely na voalaza tao @ Baiboly. Fa i Jesoa araky nahalalanao Azy personnellement. Eto dia ny relation-nao personnelle Aminy no mi-compte fa tsy ilay voalazan'i Dadapasy sy Damòmpra intsony. Ary io no hahafahantsika mamaly ilay fanontaniana.
Ary tsy voahozongozon'ny Théorie be etsy sy aroa izay fahalalana anaty an'i Kristy izay satria zavatra iainana.
Dia mahereza hatrany

14. ikaretsaka
(
06/10/2007 02:31)
na zanak'olona Izy, na zanak'Andriamanitra, na zanak'ondry na mpaminany na rabbi na mpanao mazi, na zanak'i maria sy josefa.
Ny important dia ato anatiko Izy, raha manaiky aho fa nandray ny Fanahy Masina, sy mitoetra ao amiko, satria Raha noraisiko ny fanahy masina dia mazava ho azy noraisiko ny 2 hafa (vokatr'ilay trinite 3 nefa 1 io e)
izay no mahatonga ahy manampy Azy foana amin'ny fandraisana ny "mofo velona" avy any an-danitra.
Ny Teny tonga Nofo
ny Nofo tonga Mofo... ho eo amintsika mandrakariva

15. niryna
(
06/10/2007 03:23)
piste:
Samy namaly t@ fahazoany azy moa izany. Tsy i Jesoa standard anefa no nanontanian'ny Gasynamana, izany hoe : nianarana tany @ Katesizy kely na voalaza tao @ Baiboly. Fa i Jesoa araky nahalalanao Azy personnellement. Eto dia ny relation-nao personnelle Aminy no mi-compte fa tsy ilay voalazan'i Dadapasy sy Damòmpra intsony. Ary io no hahafahantsika mamaly ilay fanontaniana.
Ary tsy voahozongozon'ny Théorie be etsy sy aroa izay fahalalana anaty an'i Kristy izay satria zavatra iainana.
Dia mahereza hatrany
Koa aiza ny valin'ny anao raha izany?
Iza Jesoa aminao?
16. xxx
(
06/10/2007 05:05)
piste> valio ary ny fanontaniana tompoko. amin\'i andriamatoa piste iza Jesosy Kristy?
17. andryrabe
(
06/10/2007 05:59)
betsaka ny aratantara sy lovantsofina fa ilay Jesoa tiana horesahina angamba ilay voalaza ao amin'ny baiboly. ka hoy ny fanontaniana hoe "iza moa Jesoa" dia valiako tsotra hoe vakio ny baiboly dia ho hitantsika rehetra ao hoe iza io Jesoa io. ary izay ao anaty baiboly no hitovizan'ny rehetra izay mino.
izay tsy mino tsy omena tsiny fa...
izay tsy mino tsy omena tsiny fa...
18. xxx
(
06/10/2007 06:27)
Jesosy ilay teny tonga nofo , raha ho an'ny tsy mino sy ny mitady famantarana sy porofo lalina dia ho sarotra hoa azy ny hino izany hoe teny tonga nofo izany
19. anselme999
(
06/10/2007 07:38)
valiny,i jesoa dia toy ny olona rehetra,samy nateraka ihany,ny mampiavaka kely azy dia t@ fomba faha4 no namboaran'Andriamanitra azy,izy dia mpaminany,tsy misy afaka manova zay voalazan'Andriamanitra ka hisy ol sahy hiteny fa misy Andriamanitra roa izany,amiko raha misy Andriamanitra nanambotra an'i jesoa dia zay ihany no Andriamanitra,jesoa zany namboarina otrany zavatra rehetra ihany,sady tsy misy Andriamanitra misakafo,sy matory zany,izy aza mbola mangataka @ Andriamanitra,ahona zany raha enao ihany no angatahanao,tsyhowen fotsiny eo?
20. Fiffi
(
06/10/2007 07:42)
Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin ‘ny fiainan- tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an- danitra, mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ry Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.