Iza i Jesoa

21. anselme999 ( 06/10/2007 07:52)
Ha!Ha!Ha Andriamanitra ihany no tompony fitsarana fa tsy misy afaka mandidy azy amzay tiany atao,eny fa na dia i jesoa zany aza,asantanan'Andriamanitra ndray no ndeha hanana fahefana hiotra azy,sady Andriamanitra tsy niteraka zany sady tsy nateraka toa an'ijesosy,
22. gasynamana ( 06/10/2007 10:19)
fijo: Jesoa zazasary?
1 - Raha zazasary i Jesoa, araka ny fomban'ny jody dia efa tokony ho faty i Maria raha vao bevoka azy fotsiny. Maty notoraham-bato ve anefa i Maria?

2 - Raha zazasary i Jesoa dia tsy nanana ray nitahiza azy.

3 - Averiko eto ity fanontaniana ity ho an'i Fijo: "Moa ve voafehin'ny lalan'ny natiora daholo ny misy rehetra?"
23. Fiffi ( 06/10/2007 12:44)
"anselme999":
jesoa zany namboarina otrany zavatra rehetra ihany
namboarina ahoana ? iza no nanamboatra azy ? zavatra nga Jesoa no hamboarina ? :roll:
"anselme999":
sady tsy misy Andriamanitra misakafo,sy matory zany
:roll::roll:
24. pissoa ( 06/10/2007 22:05)
marina ny tenin'i Piste fa miandry an'ilay valiny koa ! Iza Jesoa ho an'i Piste ? :-D:-D:-D
25. ikaretsaka ( 06/10/2007 22:48)
ny jesoan'i piste inoako fa tadiaviny @ alalan'ny zavatra rehetra, ohatran'ny hitadiavako ny jesoako ihany :wink:
26. diamondra27 ( 07/10/2007 11:28)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/jesosy/video/x1nv9p_nijaly-jesosy-chorale-militaire-lov_music

taiza no niandohan'i Jesoa de taiza no niafarany?
27. rakaroka ( 07/10/2007 15:12)
anselme999:

Ha!Ha!Ha Andriamanitra ihany no tompony fitsarana fa tsy misy afaka mandidy azy amzay tiany atao,eny fa na dia i jesoa zany aza,asantanan'Andriamanitra ndray no ndeha hanana fahefana hiotra azy,sady Andriamanitra tsy niteraka zany sady tsy nateraka toa an'ijesosy,



Tena marina ny fihevitra eto, ary izay no remise en question @ fiheverana tafahoatra an'i Jesoa satria na i Jesoa dia nilaza fa tsy fantany velively izay hipêtraka na eo an-kavia na eo an-kavanan'Atra Ray. Io mantsy ilay sangodi-panin'ny finoana amam-piheverana an'i Jesoa.En faites manana ny andraikiny tahaka ny "christ" hafa izy, dia nanao izany, vao haingana izao no nisy "soeur" nangataka fahasitranana t@ Jean Paul II ary dia sitrana soamantsara. Ho ahy dia "christ parmis les "autres" izy natao ho "exemplaire" hianarana izay tsara.
Ny tena vraie question angamba dia Hoe "Qui es-tu?" pour cette vie:
ton rôle à jouer, sns...
Dia ny valin-teny koa ahatrika ny fiainana fa tsy
blablabla!
28. prime ( 08/10/2007 11:38)
gasynamana:
Ho anao iza i Jesoa?
... \"Tompoko sy Andriamanitro\" Jesosy... ilay tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay...
29. mandrindra ( 09/10/2007 13:31)
gasynamana:

Ho anao iza i Jesoa?

ilay dimbaka avy any nazareta

30. fijo ( 09/10/2007 21:30)
raha tsy zazasary jesoa,naninona i josefa no saika hanary an'i maria nony fantany fa bevohoka??????de mody lazaina fa nisy anjely nanazava ny sainy????

fanontaniana,raha mino ianareo fa andriamanitra no nanao an'i jesoa,
mino koa ve hianareo raha nilaza RanavalonaI fa ny fanahi ndradamaI no tonga nahabevohoka azy tamin'ilay koto???
31. prime ( 10/10/2007 08:08)
fijo> tsy zazasary Izy satria fantatra ny Rainy... ary ilay Rainy rahateo niaiky Azy ho Zananilahitokana...:)

Mitombina ny adisain'i Josefa... raha ianao no teo amin'ny toerany tsy maintsy mba vaka ihany koa hoe fofombady ho ampiakarina nefa mitondra vohoka... fa Andriamanitra manankarem-pahasoavana ka ny anjeliny mihitsy no nirahiny hanambara ny fahamarinana tamin'i Josefa...

Ny amin'i Koton-dRadama dia fantatra ny Rainy(Andriamihaja) fa tsy niafina tsy akory saingy eo imason'ny vahoaka dia tsy maintsy nitadiavana hevitra ny ilazàna azy satria tsy nanambady Rabodo (Ranavalona I)... ny hany hevitr'ireo mpanolon-tsaina sady ho nentina nanalàna ny kristiana (moquerie) hoe raha nety tamin'ny vazaha no tsy hety amin'ny mpanjakavavy???!!!.. dia nafafy ny lainga fa bevohokan-dRadama I Rabodo tamin'ny alalan'ny fanahy masin'ny andrian-dahy Radama I efa maty taona vitsy talohan'ny nahabevohoka ny mpajakavavy...
32. fijo ( 10/10/2007 21:11)
io ary.rehefa maria dia hoe masina ,fa nahoana no tsy masina ny an'ny mpanjaka gasy....izay le fomba fijery antsoiko hoe "efa mamon'ny finoana"azafady fa tsy manambany fa tena toa ny olona mamo ny mpino raha vao io resaka finoana io.
raha misy olona bevohoka tsy nisy firaisana ve,nahoan ano olona iray ihany??????soa wa fa tsy hita intsony ny taolandry zalahy ireny.ry jesoa sy josefa sy ry karazany io,fa rah atsy izay,nisy ny testa ADN ary di anirava tampoka teo ny finoanareo rehetra.mivavaha mafy tsy ahitana ny taolany fa horohorontany be io raha hita
33. niryna ( 11/10/2007 04:14)
prime:

fijo> tsy zazasary Izy satria fantatra ny Rainy... ary ilay Rainy rahateo niaiky Azy ho Zananilahitokana...:)

Mitombina ny adisain'i Josefa... raha ianao no teo amin'ny toerany tsy maintsy mba vaka ihany koa hoe fofombady ho ampiakarina nefa mitondra vohoka... fa Andriamanitra manankarem-pahasoavana ka ny anjeliny mihitsy no nirahiny hanambara ny fahamarinana tamin'i Josefa...

Ny amin'i Koton-dRadama dia fantatra ny Rainy(Andriamihaja) fa tsy niafina tsy akory saingy eo imason'ny vahoaka dia tsy maintsy nitadiavana hevitra ny ilazàna azy satria tsy nanambady Rabodo (Ranavalona I)... ny hany hevitr'ireo mpanolon-tsaina sady ho nentina nanalàna ny kristiana (moquerie) hoe raha nety tamin'ny vazaha no tsy hety amin'ny mpanjakavavy???!!!.. dia nafafy ny lainga fa bevohokan-dRadama I Rabodo tamin'ny alalan'ny fanahy masin'ny andrian-dahy Radama I efa maty taona vitsy talohan'ny nahabevohoka ny mpajakavavy...



prime a,misy tantara mitovy izany koa tany guinea.Lasa nandeha niasa lavitra hono ity rangahy vadiny dia niverina izy afaka herintaona.Lazainy hoe bevohoka ny fanahy masina hono ny vadiny :roll:ary dia nino tokoa izy.Fanahin'ny razana io fa tsy ny FM akory a
34. niryna ( 11/10/2007 05:07)
Raha araka ny baiboly no hilazako an'i Kristy dia :
1- Zanak'Atra Izy: Lk 1:35,Jaona 3:16,Jaona 1:1,14
2-Nanao sorona ny Ainy Izy:Heb 10:10-12
3-Izy dia naka endrik'olombelona ka tonga nofo:Gen 1:27
4-Izy irery ihany no Kristy ,tsy misy na iray aza afaka haka ny toerana namonjeny antsika mpanota.
5-Izy ila Mpamonjy na raha adika dia salvation of God=God our Saviour.
6- Avy amin'ny alalan'ilay anarany irery ihany no namonjeny antsika: Mt 1

20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe : Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao ; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,

21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
7- Tsy misy lalana mankany amin'ny Ray raha tsy avy Aminy irery ihany:
JAONA 14
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.

8-Tsy misy anarana hamonjena antsika raha tsy Izy Irery ihany:
ASA 4
11 "Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro" (Sal 118.22).

12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

9-Ary farany raha mino Azy tokoa dia hovonjena isika:Tsy mila vola,tsy mila manao asa ,tsy ny fandehanana any am-piangonana,tsy ny anaran'ny fiangonana fa[u] ny finoana Azy amin'ny fo manontolo,ny fanekena Azy ho Mpanavotra sy Mpamonjy,ny fifonana Azy ary miaiky tokoa fa nanao fahadisoana ka mibebaka.
ROMANA 10

9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.

10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.

Mahereza daholo ! :D
35. prime ( 11/10/2007 10:01)
fijo> Ka tsy hisy hahita mandrakizay ny taolam-balon'i Kristy satria Izy efa any an-danitra ao amin'ny fanjakàny...:) (ny an'i Josefa no mety ho hita na dia ho sarotsarotra aza satria maty talohan'i Kristy izy)
36. fijo ( 11/10/2007 20:57)
prime ,hivavao mafy tsy ho hita wa fa sao loza be ny hitranga
37. prime ( 16/10/2007 11:49)
fijo> tsy mila ivavahana satria Izy efa any amin'ny fanjakàny... tsy iray na roa no vavolombelona nahita Azy nitsangana tamin'ny maty... ireo Mpaminany taty aoriana maro, tsy iray na roa no efa niakatra tany an-danitra nahita sy nijoro teo anoloany, Izy ao amin'ny fanjakàny... Ary Izy tsy hoe hijanona ao amin'ny fanajakàny fotsiny ihany fa ho avy hitsara amin'ny andro farany... izaho tsy hamerina betsaka intsony rahateo ny teniny fa tokana ny fahamarinana dia araka ny voalaza manao hoe :

"Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina." Romana 14:17

"Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina." Salamo 75:2
38. mandrindra ( 16/10/2007 14:29)
prime, misy tsy azoko kely ilay hoe any amin'ny "fanjakany". fa aiza ny fanjakany ary inn moa izany ny ety antany, araka ny hevitrareo kristiana, raha toa ka any antoerankafa ny fanjakany araka io filazanao io?:D
39. fijo ( 16/10/2007 22:23)
prime an,ita be hoe mamerina izay nampianarina an'ise fotsiny ise ato ,fa azafady
40. prime ( 17/10/2007 09:47)
mandrindra> misy heviny maro ny hevitry ny fanjakàn\'Andriamanitra...

- ny heviny iray voalohany dia ilay fanjakàny efa hatramin\'izay talohan\'ny nahariana izao tontolo izao (tsy eto an-tany) ary itoerany ankehitriny (lanitra na ny fanjakàn\'ny lanitra) araka ny voasoratra hoe :

\"Ray ô, tiako mba ho any amiko amin\'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan\'izao tontolo izao.\" Jaona 17:24

- ny heviny anankiray hafa dia ilay fanjakàna manontolo mihitsy, na ny any an-danitra na ny ety an-tany ka nandraisany ny fahefàna taorian\'ny niakarany tany an-danitra avy nitsanganany tamin\'ny maty... ka mahaMpanjaka feno Azy, ka iantsoana Azy mihitsy aza hoe Mpanjakan\'ny Mpanjaka...

\"Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;\" Matio 28:18

- ary ny heviny iray tena anisan\'ny manan-danja koa dia ilay fanjakàny miorina amin\'ny fiarahany sy ny firaisany monina ao amin\'ny mpino amin\'ny alalan\'ny fanahy masina sy ny teniny... na dia mbola velona eto an-tany aza ireto farany... (maro ny fanoharana momba ity farany)

\"Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan\'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo]\" Lioka 17:21
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1024