green card lottery

1. dailynews ( 03/10/2007 13:39)
misokatra androany ny green card lottery- tsy misy vola aloa izany.
http://travel.state.gov/visa/immigrants/types/types_1318.html
novalian'i sarobidy ny 19/11/2007 06:30
2. Fiffi ( 03/10/2007 14:26)
heu...nga niova ? nga tsy hoe arakarak'le olona ho any ? ohatra olona 1 na couple , na fianakaviana ? :roll: efa nandé be teto ny momba an'io an ! saingy ny hafarany de aleo manatona ambasady raha mila visa makany...am ity njay kalou tsy aiko zay fandehany....
3. dailynews ( 03/10/2007 15:31)
ny green card lottery dia tsy mandoa mihitsy h@ izay raha toa ka tonga dia ny website ny goverenemanta amerikana no handehanana sy hanaovana application. ny mahatonga ny olona mandoa vola dia satria misy agence hafa mampiditra ny application nao dia mazava ho azy fa maka vola izy noho izay asa ataony izay.

afaka mampiditra manokana ny olona iray tsy mila mandalo agence fa tonga dia manao azy direct any amin io web io. asakasak izay te hadoa vola anefa any amin ny agence maka vola. tsy midika mihitsy hoe mandoa vola ny olona iray dia miakatra ny chance hahazoany ny lottery.

4. dailynews ( 03/10/2007 15:35)
ny agence izay mapandoa vola olona dia aoka hazava fa tsy maintsy mbola mandalo io website ny governemanta amerikana io ihany rehefa hampiditra ny olona izay nandoa vola taminy.

5. Kwasi ( 03/10/2007 15:39)
Course zany, fa de any zamerika no fotoana @ 2009 e..... Raha tsara chance.:)

6. Fiffi ( 03/10/2007 15:46)
humm.......hatram'zay nahafantarako an'io kalou de hoe mila mitandrina ny olona fa arnaque le izy....

http://www.zdnet.fr/actualites/internet/0,39020774,39352598,00.htm
7. dailynews ( 03/10/2007 18:27)
izay no mila handehanana directe any amin ny official site ny green card lottery.

tsy misy tokony hahatahorana raha ny site ny goveremanta no handehanana fa ny mahatonga ny olana dia ny mpanelanelana. aza mandalo mpanelanelana.

vitsy ny gasy no mba mandray anjara fa firenena maro dia mahay manararaotra tokoa. t@ resultats 2007 dia 21 ihany ny gasy nahazo.

8. Belle ( 03/10/2007 18:48)
dailynews: Misaotra anao nandefa ny rohy teto. Efa fantatry ny Malagasy ihany izy io ary misy dia misy tokoa ny manao ary mahazo. Ny olan’ny ankabeazan’izy ireny nefa dia ny ivantanana any mandra-pahavitàna tena irery, hany ka na mahita hatao frais azy izy dia very fotsiny ihany ilay lottery azo. Raha mahita hevitra momba io na fomba hanampiana ny efa any an-toerana dia mba hihamaro tokoa ny gasy any bekintana.
9. lehilahytsyresy ( 04/10/2007 08:58)
Belle:

dailynews: Misaotra anao nandefa ny rohy Green Card Lottery. Efa fantatry ny Malagasy ihany izy io ary misy dia misy tokoa ny manao ary mahazo. Ny olan’ny ankabeazan’izy ireny nefa dia ny ivantanana any mandra-pahavitàna tena irery, hany ka na mahita hatao frais azy izy dia very fotsiny ihany ilay lottery azo.


Marina tena marina mihitsy ny voalazanao.
Izay mihitsy ny cas nahazo ahy tamin' ny 1994 (nahazo tamin' ny DV-1 Visa Lottery 1995).
Nony farany moa dia navela fotsiny ilay izy.
Tsy nampaninona koa moa satria aho mbola mpianatra teny amin' ny anjerimanontolo tamin' izany fotoana izany.
Sady tsy Zamerika ihany ange akory no misy zava-tsoa e.
Na izany aza, nampalahelo ihany, satria lasa amin' ilay fitenenana hoe "tafita vao rendrika".
10. vahiny2004 ( 04/10/2007 09:42)
ie nisy gasy fantatro koa ohatr'izany, sady izy somary efa lehibebe , fa tsy antitra (45 ans) , dia manan-janaka 3, dia teo no nahasahirana azy hoe hipetraka aiza ary
11. cazal ( 04/10/2007 11:41)
Mba mailomailoa ihany ré ry malagasy, fa be anie no voafitakan io e! lazaina fa gratuit nefa avy eo misy vola aloha ambadika ihany!

Vao haingana koa nisy ilay resaka tao @ ministere FOP iny!! dé mbola tsy mety fay ihany ve ra malagasy!!!

Mbola misy aza mandefa mail lazainy fa nahazo des millions Dollars nareo sns..... mangataka copie Passeport, sns...izy ireo!!! ary andefasany document fopla siakarazany izao! ary mandany miatso tel mihitsy izy ireo, Nefa ny gasy refa woé misy miatso avy an ndafy zay dé bé S dia roboka!!!!

Ka manasa anareo ary lazao ny namana rehetra mba tsy hanadrakandrana ireny resaka fampiresahana ireny ity misy site iray ohatra fotsiny http://www.arobase.org/arnaques/afrique.htm
manambara satsatsasany ary milaza fomba fanaon ireo.

Izaho mako efa nahatratra ka tany Pays Bas izy ireo no voajonoko, dé lé Afrikanina maity ireo!!! Noraisimpotsiny ary efa betsaka ny olona voany ary betsaka ny fitaovana tratra tao amin izy ireo tamin izay!
3 volana teo nifampiresafan amail, ka tratrako ny farany !!!!:lol::lol::lol::lol:

Dé zay mafy loha te hanakarena tapoka :twisted::twisted: dé avelao hifanena amin ireo fa aza mimenomenona avy eo fa dé :lol::lol::lol:fotsiny§!!!
12. Fiffi ( 04/10/2007 11:47)
heu...efa nist resaka be momba an'io kalou teto an ! de hita fa arnaque ftsn le izy....
Ny zavatra faran'zay tsotra atao de manantona ny ambasady de mazava daholo ny rehetra.....
13. Belle ( 04/10/2007 14:51)
cazal sy Fiffi: tsy arnaque na fanatonana ambasady izany ny resaka amin'ity visa lottery, rohy nalefan'i dailynews ity, fa tena resaka matotra entre ilay olona sy ny fanjakana (immigration) amerikanina. Raha tsy fantatrareo dia jereo aloha ilay rohy nalefany. Tsy mitovy amin'ireo resaka lazainareo ireo mantsy izy ity fa "ofisialy" ara-panjakana (raha io rohy io no ampiasana). Amin'ity kosa izany, dia tokony ampaherezina ny vahoaka Malagasy handray anjara, fa io olana voalaza eo ambony io no indro kely aminy.
14. xxx ( 04/10/2007 15:53)
Ary firy mille dollar no tokony homanina raha toa ka mahazo amin'io?
Dia tsy maintsy mahalala olona any amerika ve sa inona no tokony atao?
15. Fiffi ( 04/10/2007 16:02)
Belle:

cazal sy Fiffi: tsy arnaque na fanatonana ambasady izany ny resaka amin'ity visa lottery, rohy nalefan'i dailynews ity, fa tena resaka matotra entre ilay olona sy ny fanjakana (immigration) amerikanina.
Belle: de mazotoa aza de bonne chance.....(efa be zay vao2 heno momba an'io ka tsy handresy lahatra anjy zah an ! )


16. booboo ( 04/10/2007 16:10)
Fiffi, Cazal > tsy azoko hoe fa maninona no tsy azo atokisana io site io nefa an'ny fanjakana ? :roll:. Tsy hoe satria lottery dia arnaque zay hihihhihihi. Ny fanjakana any mihitsy no manao lay izy isaka ny vanim-potoana voafaritra mazava dia io avoakany @ site io @ fomba ofisialy ho fantatry ny be sy ny bobaka.
17. Fiffi ( 04/10/2007 16:50)
booboo: heu...nisy dinika momba an'io teto tam herintaona....de asa kalou raha efa niova ny fandehany fa....
http://www.zdnet.fr/actualites/internet/0,39020774,39352598,00.htm
de ozy zah hoe maninn raha toundé manantona ambasady de hazava ny rehetra ?

18. Belle ( 04/10/2007 17:40)
Averiko indray ary amafisiko fa tsy misy idiran'izay resaka na dinika momba azy teto na tany an-kafa mihitsy io rohy nomen'i dailynews io. Tsy misy tokony anatonana ny ambasady izany koa! I Fiffi manamafy foana izay resaka reny ambietsy sy ambieroa fotsiny fa tsy mandeha mijery izay voalaza ao amin'io rohy io aloha, vao manohy ny resany!

Izaho mihitsy no efa nanao ary nahazo. Izany no hanamafisako azy eto!
19. Fiffi ( 04/10/2007 18:27)
Fiffi:

Belle: de mazotoa aza de bonne chance.....
:)


20. booboo ( 04/10/2007 18:54)
Fiffi > tsy mamaky tsara tokoa ;-):-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3765