inona no antony

41. niryna ( 01/10/2007 03:27)
gasynamana:

Ka na secte aho na tsia, izao no izy amiko raha tiany hisy tokoa ny adi-hevitra:

1 - Mahalala izay lazainy ny tsirairay

2 - Mba hahafahana mamaly izay lazain'ny hafa dia fantarina tsara aloha izay tiany lazaina, mba tsy hanaovana toy ny fomba mahazatra an'i fijo: "mampiteny izay tsy notenenin'ny hafa akory"

3 - Raha fanazavana foana no omena ny olona dia tsy hahalala ny tena marina izy. Jereo izay nataon'i Kristy: mazana ny fanontaniana atao aminy dia fanontaniana no havaliny azy. Ny anton'izany dia mba hahitan'ilay olona ny marina. Toy izany koa no nataon'i Socrate. Fa tsy tian'i fijo io fomba io satria mampiseho ny hadalana beny



=D=D misaotra gasy a.Na ahoana fanazavana omena azy tsy ho azony mihitsy satria manana maso izy fa tsy mahita,manana sofina izy fa tsy mandre,ary manana tanana izy fa tsy afaka mandray.Izay no tsy hitovizany amin'ny olona mpanara-dia an'i Kristy.Matoa koa mahay miteny ny ao anaty baiboly dia tsy avy amiko na avy amin'ny herinay izany.Mangataha ny FM hiresaka aminao sy hanazava anao ny tenin'Atra dia mahay mampiasa ny tenin'Atra koa hianao.
Ho Azy Irery hatrany anie ny voninahitra.
Aleo indray aloha hitsimponana ny ao anaty baiboly fa io no porofo hilazako ny tenin'Atra.;-) Mifanaraka izay sujet omenao fa tsy manao pli-vava fotsiny sanatria.

EFESIANA 4


17 Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;

18 fa efa tonga maizina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin'ny fony,


Dia ity indray koa ny manaraka.

ROMANA 10


2 Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.

3 Fa satria tsy Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.

4 Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.


OOOPPPSSS!! Tsy ho azonao mihitsy ny tenin'Atra kanefa alefako ihany sao mba ny famakianao azy no hanomezan'Atra herin'ny FM ho anao.

ROMANA 10
MALAGASY

17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.

18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa "Efa nivoaka ho any amin'ny teny rehetra ny feony, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao" (Sal. 19. 4).

:roll::roll:Attention !!! en avant-en avant.:cry::D
Efa nahare foana izany hianao ka aza mandainga hoe tsy nisy nilaza aho Tompo,noheveriko fa miteniteny foana ireo mitory ny teninao Tompo.Mankaleo ahy ny fanafantarany ny teninao izay mifandraika ny sujet foana Tompo fa tsy hoe manao pli-vava akory izy ireo.

JAONA 14

16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.


Mba azonao veroka ve ny teny nomen'Atra eto?
Tsy ahazo ,tsy hihaino,ary tsy hanaiky ny tenin'Atra mihitsy hianao raha tsy manaiky an'i Kristy ho Tomponao:arrow: Na inona sujet mivoaka eto ka miresaka finoana an'i Kristy dia ho lavinao sy ho malilo ny sofinao mamaky sy mihaino azy.Kanefa ny Tompo efa miandry anao hatrany ka na ny volondohanao aza dia efa voahisany.Izay mangina volamena,aleo mamaky fotsiny toy izay manenjika an'Atra.
Ny fahasoanavan'ilay Atra iray be famindra-po anie hirotsaka ao aminao.

Tompo o ,tsy takatry ny sainay ny fitiavanao anay.Hianao no mahalala ny ato am-ponay tsirairay avy.Tantano sy vimbino hatrany izahay hihaino sy hankatoa ny didinao.Ambino amin'ny herin'ny satana izahay fa halany sy tsy tiany izahay hanaraka anao.Enga anie izay fanampiana rehetra nomenao ireo namanay rehetra manambara ny teninao dia tsy handalo fotsiny ihany fa ampiasainay amin'ny fiainanay tokoa.Tantano izahay mba ahalala ny marina mandrakariva.
Avy amin'i JK ilay Zanakao no hanaovanay izany vavaka izany.Amena



(l)niryna
42. gasynamana ( 01/10/2007 13:22)
Ikaretsaka: hafa be anie izany resaka izany e! Ohatra ny tsy mifankahazo mihitsy ny zavatra lazaintsika. Asa na izaho no manjary tsy mahay teny malagasy, na ianao no tsy mahazo izay tiana ambara.

Inona no antony mahatonga anao ho secte, hoy ianao. Dia Novaliako soa aman-tsara fa i fijo no milaza fa secte aho (tsy olana amiko izany)... Avy eo indray nivadika ny resaka fa izaho no manakana an'i fijo tsy hanangana secte... Ohatra ny lasa hafa be le resaka.
43. Kwasi ( 01/10/2007 15:35)
Ikaretsaka:
kwasi> izay indrindra! inona no tsy nahafa-p[o/b] t@ ilay lalana nizorana hatramin'izay dia [b]naninona no IO no lalan-kafa nizorana?
satria nisy INONA tao?


Betsaka ny antony:
- Sendra nanao faute tsy nifanaraka t@ eritreritry ny tena ny mpitarika dia leo
- Nahita fa "miaina" tsaratsara kokoa ilay lalankafa noho izay nahazatra
- Nandinika lalina loatra ny baiboly dia nahita fa misy tsy miady ny code de la route nahazatra, dia lasa nijery lalana izay hitany fa mifanaraka @ code izay eritreretiny (fa marina)
- Diso fanantenana t@ izay narahina hatr@ izay
- Sendra naheno fandaharana t@ radio, dia nanaraka dia resy lahatra

... santionany sendra tonga ato an-tsaiko fotsiny ireo, fa na ianareo aza mety afaka manohy azy misimisy kokoa.
44. fijo ( 02/10/2007 22:33)
blablabla daholo aloha hatramin'izao fa tsy misy manazava le antony nidirana ho sekta.
ny sasany mody manontany hoe "inona no atao ho esekta"???;izay antony nidiranao tao lazaina fa tsy ny dikany.samy hafa ireo.
lazao izay antony de vita ny resaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4645