inona no antony

1. fijo ( 28/09/2007 20:52)
hoanareo mpikambana amina sekta,"ry niryna,gasynamana,tsaramaso,sns"inona no antony nahatonga anareo hiditra amin'ireny nefa ny katolika sy ny protestanta eo mbola manohy hatrany ny asany?????sa misy mankaleo ao???
novalian'i fijo ny 02/10/2007 22:33
2. pissoa ( 28/09/2007 21:00)
fa ahoana ny hahaizan'i Fijo hoe sekta reo ?
:-D:-D:-D
3. fijo ( 28/09/2007 21:03)
ny fomba firesaka anie defa ahitana taratra ny finoana e
4. pissoa ( 28/09/2007 21:05)
:?:
5. fijo ( 28/09/2007 21:07)
ny sekata dia tsy manana fanazavana zavatra,fa maka andiany avy ao anty baiboly izy ,mba hanohanany ny heviny.de jereo fa izay no betsaka ao.ary tsy mandroso hevitra koa,fa mody manontany eo,miandry ny hevitrao,dia iny no hitadiavana fika baiboly hanoherana azy
6. ikaretsaka ( 28/09/2007 21:23)
ngamba @ le hafahafa fihetsika...
7. fijo ( 28/09/2007 21:24)
asa fa dia miandry andry zareo mba hanazava ny saintsika
8. ikaretsaka ( 28/09/2007 21:25)
zahay sy pissoa sy tywa ary ari zao mitovy fiangonana, dia secte zay ary sa tsy secte @ fijo:-P
9. fijo ( 28/09/2007 21:28)
nareo sekta lohany ka,fa ireo sekta farany no mahaliana ahy
10. boubounezy ( 28/09/2007 21:59)
aléoko iany athée ndray2, tsy ainao tsony zé tena marina @ lé resaka fivavahana, nefa za alou mino an'A/tra mintsy é!^:^
11. gasynamana ( 28/09/2007 22:04)
Satria ve sahy manatsikafona ny hadalanao rafijo de secte. Iantsonao vonjy amin'ny katolika sy ny protestanta satria tsy hainao toherina ny heviny? Ambom-po diso toerana ny anao andrematoa!

12. ikaretsaka ( 28/09/2007 22:09)
ka porofoy kosa ary hoa fa aza manao affirmatio gratuite fotsiny
13. gasynamana ( 28/09/2007 22:17)
ny porofo azony omena dia tsy misy. Toy ny mahazatra.
Ohatra ny filazany fa mifanohitra ny zavatra ambarako sy hery, rehefa anontaniana anefa izy hoe inona no mifanohitra ao? Inona ny hevitra tiana'i hery lazaina, moa fantatrao? Ny valin-teny boribory no avaliny an'ireo. Toton'omby bory fotsiny
14. ikaretsaka ( 28/09/2007 22:30)
dia azavao tsara aminy fa mety tsy takatry ny sainy re e!

teneno fotsiny oe "tsy secte aho fa za zao ka.. dia omeo ny antony" izay angamba moramora koko aminy a ny mahazo azy sa ahoana?
fa raha tsy sahy miteny ianao, betsaka kosa ny miahiahy, tsy miaro azy aho fa mba marina ny heviny t@ iny
15. cutie ( 28/09/2007 22:33)
te hisolo vava i Ika :-D:-D:-D:-D
16. ikaretsaka ( 28/09/2007 22:34)
tsy misolo vava aho fa manolo-tsaina fotsiny ka, mba manome suggestions e
17. gasynamana ( 28/09/2007 22:43)
Ka na secte aho na tsia, izao no izy amiko raha tiany hisy tokoa ny adi-hevitra:

1 - Mahalala izay lazainy ny tsirairay

2 - Mba hahafahana mamaly izay lazain'ny hafa dia fantarina tsara aloha izay tiany lazaina, mba tsy hanaovana toy ny fomba mahazatra an'i fijo: "mampiteny izay tsy notenenin'ny hafa akory"

3 - Raha fanazavana foana no omena ny olona dia tsy hahalala ny tena marina izy. Jereo izay nataon'i Kristy: mazana ny fanontaniana atao aminy dia fanontaniana no havaliny azy. Ny anton'izany dia mba hahitan'ilay olona ny marina. Toy izany koa no nataon'i Socrate. Fa tsy tian'i fijo io fomba io satria mampiseho ny hadalana beny
18. cutie ( 28/09/2007 22:44)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 29-09-2007 00:34:44
Lohateny : Re : inona no antony
tsy misolo vava aho fa manolo-tsaina fotsiny ka, mba manome suggestions e

ok:lol:
19. gasynamana ( 28/09/2007 23:08)
Hisy dikany inona koa moa ny hilazako fa secte aho na tsia e? raha hilaza sy hanazava aho fa tsy secte, moa tsy holazainy fa miaro-tena fotsiny. Raha tsy hiteny kosa dia hambarany fa tsy misy havaly satria tena izy.

Tsy misy dikany izay fiheverany momba ahy any, fa raha ady hevitra no hatao afaka mifandahatra tsara aminy aho, na dia tsy manana mari-pahaizana firy aza.
20. rabilabila ( 28/09/2007 23:16)
Fa
inona no antony?


Ny Ntaolo tsy nankàny an-tsekoly
Nandrato fianarana ambony
Kanefa manam-pahendrena,
Tsy voavidy vola
Tsay takatr'harena
Tandremo dia tandremo ireny
Fa lovan'ny tena
........

Clin d'oeil:wink:fotsiny re olona a!!! Te-hi-détendre kely an'ilay atmonsphère e!!
Tonga tampoka tao an-tsaiko fotsiny ilay hira nahita ny titre i fijo:lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2375