ny gasy mpino

1. fijo ( 26/09/2007 21:46)
misy zavatra tsikaritro hatrany mada ka mbola taratro eto.fa sarotra be hoan'ny gasy mpino ny hanaiky fa misy gasy tsy mino an'izany andriamanitra izany.
marihiko hoe gasy,satria amin'ny vazaha io dia ekeny tanteraka ary hajainy.fa amin'ny gasy dia tena ,hoe
-mody tsy mino ,na
-olona misy fahavoazana ,rah avao hoe tsy mino.
fahateren tsaina ve no anton'io sa tsy fahalalana sa inona???
novalian'i fijo ny 04/10/2007 20:50
2. cutie ( 26/09/2007 23:47)
tsy fahalalana sy ny tsy fiezahana ny hahalala ( lasa tery saina ihany zany ):-D
3. LazaDaddy ( 26/09/2007 23:54)
fijo> tsy tena "mpino" izy raha izany satria raha tena mpino izy dia tokony ahalala fa: misy ny olona tsy hino hatr@ farany, misy ny tsy ho voavonjy, misy ny hivadika amin'ilay finoana marina,...
4. tsaramaso ( 27/09/2007 02:28)
fahateren tsaina ve no anton'io sa tsy fahalalana sa inona???

1- fahateren-tsaina !!!!!
2- alahelon-tsenan'ireo maty aza mba te ho maro !!!!!
3- Refa ndraindray fitiavana an'elahy !!!!!!!
5. kiranil ( 27/09/2007 04:36)
Miarahaba,

Ny tsy finoan'ny olona (na vazaha io na gasy) tsy mahafoana velively ny fisian 'Andriamanitra.

ohatra tsotra : Raha anontany olona maro tsy mahalala ny fisian'ny andriamatoa Hery isika, dia hilaza ry zareo hoe : "tsy misy i Hery."

Dia izaho sy ianao anefa hilaza ary hanamafy ny fisian'i Hery (na dia mbola tsy nahita an'Hery aza aho) ary na dia holazain'ingahy fijo sy ramatoa cutie hoe "tery saina" aza.

fehiny>> manamafy ny voalazan'i lazadaddy fa misy ny tsy nino, tsy mino ary tsy hino an'Andriamanitra hatramin'ny farany.

mbola misy foana anefa ny fiantsoana ny olona izay mbola velona hibebaka kanefa kosa raha handa hatramin'ny fara fofonainy izy dia akory atao; fa dia izay izany!

Afaka adidy Izy ka ary diniho ny hiafaran'ny tsy mino, ny vetaveta ny mpamono olona, sy ny mpandainga sns.. ao @ apokalipsy 21:6-8.

Misaotra.
6. fahamarinana ( 27/09/2007 06:37)
fijo:

misy zavatra tsikaritro hatrany mada ka mbola taratro eto.fa sarotra be hoan'ny gasy mpino ny hanaiky fa misy gasy tsy mino an'izany andriamanitra izany.
marihiko hoe gasy,satria amin'ny vazaha io dia ekeny tanteraka ary hajainy.fa amin'ny gasy dia tena ,hoe
-mody tsy mino ,na
-olona misy fahavoazana ,rah avao hoe tsy mino.
fahateren tsaina ve no anton'io sa tsy fahalalana sa inona???

:arrow:Ny ahy ndray ny fahitako azy manokana aloha an (za no resahako eto an fa tsy ny hafa ),dia ohatra hoe Fijo tsy mpino zao dia ekeko tanteraka fa za kosa ny hataoko dia ny mifampizara sy mitory amin'ny Fijo hatrany tant que eken'ny Fijo ny discussions ataoko dia rehefa mandà i Fijo dia ekeko koa fa azoko atao koa ny mitory na tsy handahatra ny versets etc...aza fa amin'ny alalan'ny fitiavana sy fifandraisana amin'ny Fijo fontsiny koa.Izy daholo anie zany e!Fa marina tokoa aloha fa raha atao dridran-gilo dia tsy mety nefa koa an samy manana ny fomba amam-panaony e,zay lay maha-samihafa ny olombelona!(l)

7. Jeankely ( 27/09/2007 07:20)
Lainga be izany. Minoa an'ANDRIAMANITRA daholo ny MALAGASY rehetra any MADAGASIKARA ny GASY any Europe no tsy fantatra. Ny fomba fanehoana ny fisian'ANDRIAMANITRA na ny fomba FANAJANA ny DIDINY no tsy mitovy. Ny sasany manaporofo fa mety ny mangoron-karena ary mamitaka ny namana satria ady ny fiainana, ny hafa manporofo fa tsy fahotana ny Mi-MASTA, mendrika ny manambady havana, azo atao ny ny mampirafy, milalao sy ampoka tsara vao manambady, sns. Ny fisainana no tsy mitovy fa samy mahalala ANDRIAMANITRA daholo. Rehefa avy manao ny tsy mety ny sasany dia mivoaka ny hoe IZAY TSY NANONTA AMINAREO NO AOKA HITORA-BATO AZY. Tsy tokony ahitsy izany fa samy mpanonta. Ny MALAGASY mino fa ny gasy tsa fantantatra
8. pissoa ( 27/09/2007 10:45)
Fijo:
misy zavatra tsikaritro hatrany mada ka mbola taratro eto.fa sarotra be hoan'ny gasy mpino ny hanaiky fa misy gasy tsy mino an'izany andriamanitra izany.
marihiko hoe gasy,satria amin'ny vazaha io dia ekeny tanteraka ary hajainy.fa amin'ny gasy dia tena ,hoe
-mody tsy mino ,na
-olona misy fahavoazana ,rah avao hoe tsy mino.
fahateren tsaina ve no anton'io sa tsy fahalalana sa inona???


Toa hitako amin'i Fijo ihany nefa ireo zavatra lazainao ireo manoloana ny olona mino.
I Fijo ohatra izao efa nanoratra teto hoe tsy ny Kristianina no tena finoan'ny gasy fa ny fomban-drazana (izany hoe raha adika tsotsotra dia mody mino ny kristianina :-P )
Dia i Fijo koa izao ohatra efa nanoratra teto hoe nasesiky ny vazaha taminay ny mahaKristianina etc ... tsy haiko ny tokony andraisana izany olona azo sesefana fotsiny izany, lol. Raha tsy diso aho (miala tsiny ary ahitsio raha diso) araka ny hevitry i Fijo aza moa dia ny "tsy fahalalana" no mahatonga ny olona mino an'Andriamanitra. sns

Fanontaniana goavana : tery saina ve i Fijo sa tsy ampy fahalalana :wink:
9. ikaretsaka ( 27/09/2007 14:25)
cutie:

tsy fahalalana sy ny tsy fiezahana ny hahalala ( lasa tery saina ihany zany ):-D


izay!
Izay "lalitra" nafahana azy voalohany izay ihany no nasisiny tao an-tsaina dia lasa nihatery araka ny hangezan'ilay "lalitra" ny saina
10. fijo ( 27/09/2007 20:00)
kiranil,ny resaka eto tsy hoe misy andriamanitra na tsia,fa hoe ekena ve ny olona tsy mino fa misy.

jenkely,misy tokoa ny gasy tsy mino any madagasikara.ary maro tokoa.

pisso an,za milaza tokoa hoe io finoana io dia tsy finoana gasy,fa za tsy milaza mihintsy hoe tsy misy gasy kristianina.aza hafangaro ny lamba sy ny taty.
ie ,za koa dia mbola manamafy fa ny tsy fahalalana sy ny tahotra no mahatonga ny olona hamorona andriamanitra.izany hoe tsy midika izany fa tsy mihaiky ny finoany aho.manazava fotsiny ny antony hinoany.tsy mitovy mihintsy ny hoe tsy misy gasy kristianina ,sy ny hoe ny mahatonga ny olon ahino dia ny tahotra.
11. fijo ( 27/09/2007 20:01)
ny mahagaga ahy koa,dia ilay fisainana hoe "rehefa tsy mino dia ratsy izay,tsy mahalala ny tsara"sahiko nefa ny milaza eto,fa ny 90% ny gasy migatra ireo dia gasy mpino;
12. cutie ( 27/09/2007 20:21)
ny an-dry kiranil zany moa moa de tsy mamaky ze lazain'i fijo akory fa efa raikitapesaka ao an-doha we tsy mpino i fijo de avy any izy tonga de manapepo, aiza no tsy ataonay we tery saina:-D
13. fijo ( 27/09/2007 20:26)
tsy tery ny azy fa tsy malalaka fotsiny ka
14. cutie ( 27/09/2007 20:42)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 27-09-2007 22:26:21
Lohateny : Re : ny gasy mpino
tsy tery ny azy fa tsy malalaka fotsiny ka

mbola azo asisika ihany zany :-D
15. gasynamana ( 27/09/2007 20:42)
Ny maha tonga ny gasy hino dia tahotra? Raha tahotra no nahatonga anao hino taloha dia aza raisina ho ny malagasy rehetra no toy izany. Izaho izao dia tsy noho ny tahotra mihitsy no mahatonga ahy hino fa noho ny fahalalako fa misy Andriamanitra, ary noho ny fahatsapako koa fa tia ahy izy. Tsy vitsy ny kristiana ohatra an'izany.

Ireo gadra rehetra any Madagasika dia mpino daholo, tsy misy na dia iray amin'ireo aza tsy mpino: ao ny kristiana, ao koa ny tsy kristiana (silamo, na mitana ny finoana gasy...) Ny mahasamihafa azy kosa dia ny fampiharana na ny fiainany izay finoany izay.

Tsy mpino malagasy: misy tokoa ny tsy mino fa misy ny malagasy tena tsy mino mihitsy. Tena marina io, ary tsy fahateren-tsaina, na tsy fahalalana no mahatonga izany fa noho ny fahatsapany fa sarotra ny manda ny fisian'Andriamanitra raha ny zava-misy iainana fotsny aza no jerena.

fijo tsy mpino: amiko dia olona tsy misy hazon-damosina loatra raha ianao aloha, fa zafady. Hazavaiko: androany dia sahy manafy fa tsy misy andriamanitra, tsy misy izany Jesoa izany fa anganom-bazaha fotsiny, sns... Ampitson'iny indray anefa miady mafy ery milaza fa diso be raha lazaina fa vazaha i Jesoa fa tsy vazaha izy, de lazaina koa fa zaza sary izy, mpandrava tsena sns... Olona tsy misy ve afaka hanao ireo volazanao ireo?

fijo tsy mpino: olona tsy dia mandalina loatra ka normal raha tsy tena marim-pototra ny zavatra lazaina. Vokany, malaky miakatr'afo raha vao fotompotorona izay hevitra ambara.
Mbola hanamafisako an'io tsy fandalinanao io dia izao: mba jereo fotsiny ny famaritanao ny hoe andriamanitra sy ny demony: andriamanitra dia lahy antitra fotsy be volom-bava, ary ny demony dia mainty... Firy taona ianao, ary zaza firy taona no manao reaka sahala amin'izany? Moa mbola sahaza ny taonanao ve ny famaritana toy izany?
Izay!!!
16. fijo ( 27/09/2007 20:47)
mba asehoy eto hoe taiza aho no nilaza fa tsy mino ny fisian'ijesoa??????mino nyfisiany aho,fa tsy mino ny maha masina azy.aza mamorona rehefa miteny fa mahamenatra.raha mahita filazana indray mandeha fotsiny tato enao ,ka nilaza aho hoe tsy mino io fisiany io dia avohay,raha tsy mahita dia aza mamorona.
de amin'ny manaraka koa,mba mamoaha hevitra fa tsy mamototra ny hafa,tsy fahotana ny mamoaka hevitra eto,rah aizay no atahoranao.
17. gasynamana ( 27/09/2007 20:51)
Andraso andrematoa fa tsy izaho mihitsy no hanana toetra ohatra ny ananao ka hampilaza izay tsy nolazan'ny sasany
18. fijo ( 27/09/2007 20:53)
mba asehoy eto koa hoe taiza aho no nilza fa andriamanitra dia lahy antitra fotsy be.nefa ny antony iray tsyhinoako azy di any tsy mbola nisian'ny olona nahita maso azy.
sa efa fomba kritsianina vaovao ity famoronana ity?hi hi hii
19. gasynamana ( 27/09/2007 22:52)
10. Mpandefa : fijo [ Valio ] 23-08-2007 00:01:43
Lohateny : Re : silamo
hi hi hi ,andriamanitra koa anie devoly e,fa fotsy hono;de ny devoly mainty


Mbola misy resaka hafa moa ilazanao mivantana an'io teny ambony io fa mbola hotadiaviko. Toy izany koa ny nilazanao sy nanamafisanao fa tsy misy akory jesosy, izay dia tamin'ny fotoana nandalovan'i tsimiandravola teto. Ary dia tena resy lahatra tanteraka ianao tamin'izay.
Tsy hoe manara-mao ny zavatra lazainao aho fa mila mamantatra kosa ny olona iadian-kevitra. Izay no izy.

Averiko fa tsy izaho no hampiteny zavatra tsy nolazain'ny olona iray, toy ny fanaonao eto.
20. ikaretsaka ( 28/09/2007 02:12)
gasynamana> misy aloha dia tena mino nohon'ny tahotra mihitsy e, misy mihintsy aza le mpitory le mampitahotra be ireny: akaiky ny farany e.. zao e..

dia mba nanontany ireny olona ireny aho hoe fa maninona tokoa nareo no mankany..
dia hoe "akaiky hono ny farany ko" ho'zy le tambanivohitra! tsy hainy akory fa
matahotra izao "farany" farany izao fotsiny izy nefa na izay concept an'ny farany aza tsy fantany akory!

misy aza le mino fa fady ny mipipi eo, dia tsy manao daholo tokoa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3442