ny gasy mpino

21. cutie ( 28/09/2007 04:54)
dia mba nanontany ireny olona ireny aho hoe fa maninona tokoa nareo no mankany..
dia hoe "akaiky hono ny farany ko" ho'zy le tambanivohitra! tsy hainy akory fa
matahotra izao "farany" farany izao fotsiny izy nefa na izay concept an'ny farany aza tsy fantany akory!

:-D:-D:-D:-D:-D:-D
22. mandrindra ( 28/09/2007 16:17)
fijo:

misy zavatra tsikaritro hatrany mada ka mbola taratro eto.fa sarotra be hoan'ny gasy mpino ny hanaiky fa misy gasy tsy mino an'izany andriamanitra izany.
marihiko hoe gasy,satria amin'ny vazaha io dia ekeny tanteraka ary hajainy.fa amin'ny gasy dia tena ,hoe
-mody tsy mino ,na
-olona misy fahavoazana ,rah avao hoe tsy mino.
fahateren tsaina ve no anton'io sa tsy fahalalana sa inona???

marina io voalazan'i fijo io, aleo atao hoe ny nakamaroany fa tsy ho zato isanjato kosa aloha. rehefa milaza ny tena fa tsy mino dia toy ny manavy izany mihitsy ry zalahy mpino, dia avy eo mandeha avy hatrany ny fitsarana hoe lalana ratsy izany, diso izany safidy izany. ny fiainana amin'ny fiaraha-monina dia ny fanajana ny hevitry ny hafa fa tsy fitsarana avy hatrany.
ny valin'ilay fanontanina hoe fahaterana saina ve? dia hoe satria izay no nampianarina ny mpino, na kristianina, na slamo, hoe ny andriamanitra hivavahany ihany no tsara. izay no raikitapisaka ao aminy dia izay no averiny.
23. fijo ( 28/09/2007 20:30)
gasynamana,diso be ianao,izahay sy tsimiandravola dia mpinamana ary iray tanana aty.samy tsy mpino koa izahay roalahy,saingy,izy tsy mino an'andriamanitra sy ny fisian'i jesoa,za kosa tsy mino ny fisian'andriamanitra fa mino ny fisian'i jesoa ho olombelona,fa tsy mesia.aza hafangaro ne hevitra sy ny finoanay.
io resaka andrianamitra fotsy io,tompoko,dia tsy za no namorina azy,fa ny vazaha,jereo izay sary mirakitra fivavahan arehetra itanoa,fa nydevoly dia mainty ary andriamanitra na ny masina di afotsy.samy nofinofy anefa ireo zavatra roa ireo,fa ny iray fotsiny mainty ny iray fotsy.asa raha mba mazava aminao le izy.
24. fijo ( 28/09/2007 20:32)
de miandry le fotoana nilazako ny tsy fisian'i jesoa indray ary.
25. gasynamana ( 28/09/2007 21:58)
taona lasa tsy tsaroana angamba na minia tsy mahatsiaro. Azonao anontaniana ny rehetra : piste, salut, ikaretsaka, sns... fa tamin'izay fotoana izay dia nazava ny hevitrao: nilaza i tsimiandravola fa tsy misy jesosy, ary dia nanamafy izany voalazany izany ianao. Rehefa avy eo nisy nilaza fa hita ny taolam-balon'i jesosy dia nilaza indray fa tsy nitsanga-ko velona zany izy... Dia mba anontanio an'i piste izay nolazainy taminao tamin'izay fotoana izay.
26. ikaretsaka ( 28/09/2007 22:55)
oups lasa alohako i gasynamana.. vao saika hampatsiahy aho dia variana nikaroka tany @ tahiry lavitra tany fa tsy hitako.. fa nitovy eritreritra isika t@ iny
27. gasynamana ( 28/09/2007 23:01)
ikaretsaka: ekeko fa misy ny olona mino noho ny tahotra, fa tsy ny rehetra no toy izany. Nefa mba jereo izay voalazan'i fijo. Raha jerena akaiky dia milaza fa tahotra sy tsy fahalalana no mahatonga antsika hino. Izy be saina sy be sandry dia tsy mino intsony. Izay no tiany hambara. Raha diso io afaka milaza ny marina izy.

mandrindra: dia inona no maharatsy ny filazany fa diso safidy ny olona tsy mino? Inona no maharatsy ny hoe: izay inoako no tsara?

Raha maso afaka mandinika no ijerena ny zavatra rehetra dia sarotra ny handa fa tsy misy Andriamanitra. Ary raha amin'ny Fo afaka mitia sy saina vonon-kanaiky ny marina no handinihana ny fiainana dia sarotra ny handa fa Fitiavana Andriamanitra, ary tsy misy tsara mihoatra azy.

28. mandrindra ( 29/09/2007 17:31)
gasynamana, tsy ny filazana ny hoe "izay hinoako no tsara" no tsy mifanraka amiko; fa kosa ny avy hatrany dia fanaratsiana an'izay "tsy manaraka ny finoako". ohatran'io lazainao manaraka io ohatra hoe "raha maso afaka mandinika no ijerena", dia izaho tsy mino an'andriamanitra dia tsy afaka mandinika ve aho izany? natokana ho an'izay mino ve ny saina mahiratra?
29. naughtyboy ( 29/09/2007 18:43)
marina ny any mandrindra atreo,ary ny any fijo tsisy diso satria izay inoany tsy voatery ho asisika ao anaty atidohany hafa nyzv inoanao azo azavaina fotsiny fa aleo tsapany ilay resahanao manokana fa ilainy avy eo tsy ialina mandresy lahatra akory;-)
30. ikaretsaka ( 29/09/2007 19:19)
izay ilay hoe aza matahotra ny manao remise en question lazaiko ato foana iny e.
alohan'ny andresena lahatra aloha dia jerevo lalandava ny tena
31. gasynamana ( 29/09/2007 19:23)
mandrindra: tsy natokana ho an'izay mino ny saina mahiratra, fa ho an'ny rehetra. Nefa raha ny saina fotsiny dia tsy afahana manakatra ny tena marina. Voafetra izy io. Ary nampiasa ny voambolana hoe: MASO aho ialako amin'ny fiheverana, toy io fiheveranao io.
Ny MASO anondrona ny saina sy ny fanahy eto. Misy ny marina mazava sy eken'ny saina fa misy koa ny marina tsapa fa tsy hay hazavaina (io no atao hoe: revelation). Dia hoy i Jesoa indray andro: "Misaotra anao aho Raiko Tompon'ny tany sy lanitra nanafina izany rehetra izany tamin'ny hendry sy ny be saina fa nanambara azy kosa tamin'ny tso-po sy ny madinika".
Misy tovovavy kely izay: Thérèse-n'i Jesoa zazakely, no anarany. Tsy nianatra teologia izy io, nefa manambaka ny teolojiana maro raha ny fahalalany
32. pissoa ( 29/09/2007 19:41)
pisso an,za milaza tokoa hoe io finoana io dia tsy finoana gasy,fa za tsy milaza mihintsy hoe tsy misy gasy kristianina.aza hafangaro ny lamba sy ny taty.

:-D:-D:-D
Tadidio daholo ny hevitra nosoratanao teto, dia ho tsapanao fa manoratra "mitovy hevitra" amin'izany ianao !

ie ,za koa dia mbola manamafy fa ny tsy fahalalana sy ny tahotra no mahatonga ny olona hamorona andriamanitra.izany hoe tsy midika izany fa tsy mihaiky ny finoany aho.manazava fotsiny ny antony hinoany.tsy mitovy mihintsy ny hoe tsy misy gasy kristianina ,sy ny hoe ny mahatonga ny olon ahino dia ny tahotra.

Ny olona anie matoa miteny hoe "misy fahavoazana ny tsy mpino" ry Fijo dia manaiky izy izany fa misy tsy Kristianina ny gasy e, misy tsy mpino ! :wink:

Izany hoe izay himenomenoman'i Fijo amin'ny Mpino anie ka ataon'i Fijo aminy ihany e. :wink:

Somary HS fa misy hifandraisany amin'io ihany : Ny ahy izao ny hitako amin'ny firesaky i Fijo dia mi-jouer victime an'ny kristianisma i Fijo. Ny fiantsoan'ny Kristianina hoe sampy ohatra dia isan'ny tsy lanin'i Fijo mihitsy. Ny tsy tsapan'i Fijo nefa dia mizaka ny ataon'i Fijo koa izahay Kristianina (saingy izahay tsy be taraina angamba). Ny zava-dehibe aminay koa anie mba ataon'i Fijo tsinontsinona foana eto e, na amin'ny hevitra na amin'ny fiteny !
33. gasynamana ( 29/09/2007 19:48)
Ny zava-dehibe aminay koa anie mba ataon'i Fijo tsinontsinona foana eto e, na amin'ny hevitra na amin'ny fiteny !

Dia sahiny no milaza hoe: hajao ny hafa, nefa avy aiza no tena ipohiran'ny tsy fanajana?
34. rijadolly ( 30/09/2007 05:23)
Ny hevitra diso ka mbola hazavaiana hamarinina dia toy ny salaka ka ny tena ihany no fatorany .
Fijo lohahevitrao io,Marary an! tena marary.
Tsy misy fanampiny intsony ny an' Gasynamana sy pissoa fa tena ampy tsara,maneké moa fijo à izany an!
Misy ANDRIAMANITRA r'sé à!ary hinoako fa ianao no hitarikanay eo aloha amin'ilay lalana ho any amin' RAY den'ety an-tany fa ny fotoana no tsy antsika.Mahereza ry rahalahy mamaky ohatrizao nataon'Gasynamana toy izao fa ho resy lahatra foana ianao.
35. mandrindra ( 30/09/2007 06:48)
gasynamana, ny hitovizantsika hevitra dia tsy izay nandia fianarana ihany no manampahaizana, fa tsy terezin'i jesoakely irery ihany no toy izany.

ity fahamarinana tsapa ity indray mba hazavao kely hoe azafady, révélation avy aiza io? ary ahoana no ahfantaranao ny fiaviany?
36. ikaretsaka ( 30/09/2007 21:02)
gasynamana> ka ny olona rehetra anie tsy terezin'i jesoa zazakely aby e... ilaina ihany ny nandia fianarana..
fa tsy hoe nahavita izany terezy dia hahavita izany koa ianao
37. gasynamana ( 01/10/2007 18:54)
ikaretsaka: somary jereo tsara sy hadihadio ihany aloha izay lazain\'ny hafa izay vao manao tsikera fa indraindray mivila be. Izaho tsy nilaza mihitsy hoe: tsy ilaina ny mianatra. Tena ilaina ny mianatra. Ilana ny mapiaraka ny fahaizana sy ny finoana. Zavatra roa natao hifameno ireo. Ny mandeha ila no tsy mety.
Ny zavatra tiana hasongadina kosa raha nandray ohatra an\'i Mb Terezy aho dia ny hoe: MISY NY ZAVATRA TSY HAIN\'NY SAINA TAKARINA. IO NO ILAINA ILAY HOE REVELATION. Ny revelation dia tsy avy aiza akory fa avy amin\'Andriamanitra.
Ohatra amin\'izany revelation de Dieu izany ny fahatongavan\'i Jesoa ho nofo, ny soratra Masina, sns...
Tsy misy afaka hahalala an\'
38. gasynamana ( 01/10/2007 18:54)

39. gasynamana ( 01/10/2007 18:55)

40. gasynamana ( 01/10/2007 18:55)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1297