Fahaizana ny tenin'Andriamanitra

1. patrick2002 ( 25/09/2007 12:11)
Raha mandinika isika ,ny pasitera alohan'ny hatongavana amin'izany dia tsy maintsy manana masters en Theologie .Ny matieres hianarana ao dia maro ,civilisation antique, histoire de la religion ,entropologie ,eschatologie, sociologie ,culture, psycologie ,etc.. etc,izany hoe mianatra sciences humaines maromaro
Torak'izany ny mompera mianatra sciences humaines maromaro ,ka ohatra ny mompera jesuite dia eo @ 7 taona eo raha tsy diso izaho, etude superieure no atao vao mivoaka pretre izy .
Misy kosa ny finoana sasany dia mianatra ny baiboly ,mandinika ,Etude biblique ,dia mivoaka pasitera.
Fanontaniana :ny fahaizana tenin'Andriamanitra ve mila mahay Sciences humaine ,sa ny etude biblique dia ampy, izany hoe ny baiboly no atao reference :idea:
2. bozyboleta ( 25/09/2007 12:43)
Fanontaniana :ny fahaizana tenin'Andriamanitra ve mila mahay Sciences humaine ,sa ny etude biblique dia ampy, izany hoe ny baiboly no atao reference


Ty ny hevitro
Raha hoe fahaizana tenin’Andriamanitra, n’iza n’iza te hianatra an’io de afaka satria mety mihaino torinteny na manaraka fampianarana Soratra masina avy eo hatao tsianjery boloky fotsiny ny baiboly de vita.

Fa ny mahasamy hafa ny fanontanian’I Patrick sy ny voalazanao hafa eo de hoe tsy zay rehetra manao tsianjery boloky ny baiboly de afaka milaza tena ho pasitera sns na koa hitory ary indrindra moa ka hampianatra tenin’Andriamanitra.
Toy ny asan’ny mpampianatra ihany, tsy zay taranja ampianarina ihany no ifotorana fa mianatra ny fomba hampitana lesona (pédagogie na andragogie) koa izy, mila mahafantatra ny toetry ny olona, tantara sns
Tsy asa mora mihitsy ny hoe mpitondra fivavahana ary izay no idiran’ny fanolorantena (vocation) bedebe ao anatiny.
3. tsaramaso ( 25/09/2007 12:44)
Ny matieres hianarana ao dia maro ,civilisation antique, histoire de la religion ,entropologie ,eschatologie, sociologie ,culture, psycologie ,etc..

Torak'izany ny mompera mianatra sciences humaines maromaro ,ka ohatra ny mompera jesuite dia eo @ 7 taona eo raha tsy diso izaho, etude superieure no atao vao mivoaka pretre izy .
tsssssssssss!!!!! vato maromaro ve de mba ho ampy le ???!!!!!!!!

Aiza no tsy hisy pretra pedophile ???!!!!! aiza no tsy hisy pasitera vendram-pimaoty ??!!!!!!
4. ikaretsaka ( 25/09/2007 13:26)
Fanontaniana :ny fahaizana tenin'Andriamanitra ve mila mahay Sciences humaine ,sa ny etude biblique dia ampy, izany hoe ny baiboly no atao reference


amiko:
-Raha hoe ny tiany fotsiny ny hitabataba (sanatria boloky)ny Tenin'Andriamanitra dia betsaka ny mihevitra hoe ny Tenin'Andriamanitra dia ampy dia atao tsianjery eo de ferana amin'ilay toko sy andininy hay--> io ilay hoe izay tiany sy azoazony @ ilay Teny ihany no ataony tsianjery mantsina, dia rehefa misy olona manitatra dia na izy mora misafoaka na hitabataba ny momban'ilay olona manadihady azy, sy le hoe vao mahatsiaro voadona any @ ilay tsy nataony tsianjery dia hoe mitsara e, sns...

-Ilay mianatra dia io efa voalazan'i Bozyboleta io, ilaina tokoa ny mahafantatra ny manodidina azy, ny toetr'ireo olona ho feheziny, ny fahaizana lalindalina kokoa momban'ilay zavatra toriany sy itondrany ny olona ( na ara tantara na olona sy ilay societe,
Izany no mahatonga hoe regences e, scholastique e, noviciat e: izay fandraisana anjara sahady eo anivon'ny fiaraha monina.

"tsy fahafahana mivaona any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra"
5. rabilabila ( 25/09/2007 13:33)
Ary i tsaramaso tsy misy afatsy man.etotra no hainy ,esory kely aloha ny hoditra dia ho hita eo raha azo hohanina.

Ny olana amikodia na nianatra an'ireo aza izy dia ny nifotoràny dia ny fomba famaliana ireo izay mety hiady hevitra aminy ,ireo izay manana doutes , ireo izay tsy mino .Fa raha toa tokoa izy ka nandàlina tanteraka ny Anthropologie , na ny ethnologie ,na koa ary ny histoire de la religion na des religions ,na ny histoire dia tsy niteny zavatra ohatran'izao:"Les Juifs ont exagéré sous le coup de l'émotion ,c'est bien normale"(tambazako izay mahalàla ilay olona niteny an'io fehezan-teny io).
Hain'izireo ny mampiasa ny neurosciences ahafàhana manao ny manipulations isan-karazany fa raha hiresaka évolution ianao na hampiasa ny anaran'i Darwin dia tsipahiny tanteraka na hanao ny interpretation-ny .
Raha tena nianatra anthropologie , na ethnosociologie dia ho hitany fa betsaka kokoa ny zavatra nosimbainy noho ny zavatra nentiny tany amin'ny tàny rehetra izay nalehanysns....

Ny tiako lazaina dia tsy ampy ny fianàrana nataony satria dirrigé ,toa ny sekoly alahady dirrigé ,mazàva ny objectif : prosélytisme.

6. pissoa ( 25/09/2007 13:34)
ary inn no nianaran'i tsaramaso ? :°):-D

Fanontaniana :ny fahaizana tenin'Andriamanitra ve mila mahay Sciences humaine ,sa ny etude biblique dia ampy, izany hoe ny baiboly no atao reference

Tokony mianatra ze azo enarana rehetra ny mpitory. :lol:
7. tywa68 ( 25/09/2007 16:43)
Patrick2002 : tsy maintsy mahafantatra taranja be d be, mba tsy ho "boloky" hoy i bozyboleta !:lol:

pissoa : f'angaha nianatra izy ?:-D
8. pissoa ( 25/09/2007 18:48)
:-D:-D:-D:-D:-D
9. mbaliana ( 25/09/2007 18:48)
yeee fa raha iny le mitory teny iny tsara no misy mametraka fanontaniana sarotra valiana zay fa mila fahalalana zavatra hafa.. toa hanahirana ihany ny hamaly azy...
10. rakaroka ( 25/09/2007 19:08)
'zaho hitorian'ny namana maro teny ato sy etsy sy eroa io mahatsapa hoe "izay metimety aminy araka ny tenin'i Ika no draidrain-drizareo dridrangilo, dia misy teny maro voasoratra ao anaty baiboly ihany " tsy heveriny mahitsy izay heviny fa lalovan-drizareo fotsiny na tsy misy izany 'ngamba ny baiboliny. Ohatra "Mahazoa fahalalana, mahazoa fahendrena" miverina foana io ao @ Ohabolana ohatra, ary ilay izy tsy voafetra mihitsy hoe ny ao anaty baiboly ihany fa mbola nohamafisina koa hoe "fantaro ny zavatra rehetra sns... Izany hoe tsy natao hihanona fotsiny @ izay voasoratra fa hihevitra koa ny zava-misy hafa:roll:
11. ikaretsaka ( 25/09/2007 19:27)
mbaliana:

yeee fa raha iny le mitory teny iny tsara no misy mametraka fanontaniana sarotra valiana zay fa mila fahalalana zavatra hafa.. toa hanahirana ihany ny hamaly azy...


za mpanao io mpametraka fanontaniana sarotra valiana io.
dia matetika ny ataon'ilay tsy mahavaly dia mitsaratsara sy manakiana hono aho:(
dia ahoana indray ny fahitanareo an'ireny?
12. fijo ( 25/09/2007 21:08)
raha ny baiboly ihany no nianarany fa tsy nianatra ny hafa izy dia tsy ampy.mila mahay tantara sy ny momba ny olombelona izy,vao hafaka hitarika ny olona.izay no olana amin'ny le milaza ho mpitarika sasany.
13. pissoa ( 25/09/2007 21:10)
=D=D=D ho an'i Fijo :-D:-D:-D
14. fijo ( 25/09/2007 21:13)
saotra e,saotra ô,ndao aty amiko e
15. patrick2002 ( 25/09/2007 22:19)
mbaliana:

yeee fa raha iny le mitory teny iny tsara no misy mametraka fanontaniana sarotra valiana zay fa mila fahalalana zavatra hafa.. toa hanahirana ihany ny hamaly azy...


Dia hozy mompera hoe: sarotra izany rrrry zzzaannaakko :-D:-D:-D
Ka eo no tiko hisarihana ny saintsika ,misy fanontaniana sarotra ny mamaly azy ,satria na ilay mpitarika mihintsy no tsy mahita valiny ,na ilay mpametraka mihintsy no tsy haazo izay valim-panontaniana homena azy ,satria hita ny fahalalany dia hita fa tsy haazo izay valiny eo izy , :roll::roll:


16. ikaretsaka ( 25/09/2007 23:03)
misy ry patrick fanontaniana hain'i mompera ihany ny mamaly azy, fa hanahirana azy ny milaza azy direkta dia aleony milaza an'io toy izay midi-kizo.
Dia misy koa ilay mpametraka mihitsy no tsy mahazo ilay valim-panontaniana, raha ohatra izy ka mbola zatra sy mbola voarebireben'ilay "boloky"
17. patrick2002 ( 26/09/2007 01:34)
ka izay mintsy kah ,tsy hoe tsy mahay mompera ,fa ilay valiny mihintsy ,no hitany fa tsy ho azon'ilay mpametraka fanontaniana ,satria mbola misy zavatra afa ,tokony hazavaina vao tonga amin'io valim-panontaniana io ,na mety cours ray manokana mihintsy ilay fanontaniana.
18. fahamarinana ( 26/09/2007 03:51)
ikaretsaka:

za mpanao io mpametraka fanontaniana sarotra valiana io.
dia matetika ny ataon'ilay tsy mahavaly dia mitsaratsara sy manakiana hono aho:(
dia ahoana indray ny fahitanareo an'ireny?


:arrow:Za koa isany koa fa amiko ndray kosa aloha dia misy fotoana tsy hitovizan'ny hevitra mihintsy.Raha ny ahy manokana dia arovako ny hevitro fa kosa azavaiko na rehefa tsy voazavako dia ampiako tenin'ny Soratra Masina zay mba nianarako sy haiko mandinika( satria tsy tenenina fahatany amin'izao raha tsy hay ny dikany fa lasa mamorona ndray sy manova ny Tenin'Andriamanitra!!!)fa rehefa hitako fa tsy mitovy hevitra amiko lay olona dia tsy hitsara kosa aho na hanakiana fa asaiko azavainy amiko ndray ny azy dia raha sanatria tsy hitovy mihintsy dia miala aho mba tsy hifampiteniteny foana satria ndraindray misy io.Miala tsy hoe resy lahatra fa par respect kosa ,andro hafa ndray miverina sy mitory e fa tsy natao hiadiana na hoe ny ahy foana no marina.Zay aloha no fahitàko azy an,hevitro irery io.(l)

19. fahamarinana ( 26/09/2007 03:59)
:arrow:Miala tsiny fa tsy voavaliko ny fanontanian'ny Ika teo fa nentin'ny sentiment be loatra, nandalo toa anao io aho oah sady tamin'izany mbola tsy tao amin'ny Tompo tanteraka dia tena nahazo kamaikany tamin'ilay olona tokoa.Ary tena nampihemotra ahy mihintsy,ny tena moa mbola narefo,tsy nahay ,tsy mpino,tao anatin'ny recherche.Fa amin'izao tena itandremako be satria mahatafitohina olona be ilay toetra be drikina sy tsy mahay mifanakalo hevitra io.Ié mbola mahita aho aloha e,ny sasany mampiditra ondry ao am-bala,ny sasany mamoaka fa tsy maninona fa dia anjarako zany lay manenjika avy ato aoriana mamerina azy.Reraka ihany ndraindray fa rehefa zay no niantsoana ahy dia ataoko am-:lol:.....(l)
20. niryna ( 26/09/2007 06:02)
fahamarinana:

:arrow:Miala tsiny fa tsy voavaliko ny fanontanian'ny Ika teo fa nentin'ny sentiment be loatra, nandalo toa anao io aho oah sady tamin'izany mbola tsy tao amin'ny Tompo tanteraka dia tena nahazo kamaikany tamin'ilay olona tokoa.Ary tena nampihemotra ahy mihintsy,ny tena moa mbola narefo,tsy nahay ,tsy mpino,tao anatin'ny recherche.Fa amin'izao tena itandremako be satria mahatafitohina olona be ilay toetra be drikina sy tsy mahay mifanakalo hevitra io.Ié mbola mahita aho aloha e,ny sasany mampiditra ondry ao am-bala,ny sasany mamoaka fa tsy maninona fa dia anjarako zany lay manenjika avy ato aoriana mamerina azy.Reraka ihany ndraindray fa rehefa zay no niantsoana ahy dia ataoko am-:lol:.....(l)



=D=D
Isika tsirairay avy dia nomen'Atra fanomezana.Fantaro izany fanomezana izany.Ny pasitera sy ny mpitondra fiangonana dia mazava ho azy fa nandalina ho mpitondra fivavahana.Efa manao ny asany any am-piangonana izy ireo.Mijery taratra kely sy manampy ary manosika ireo izay nomen'Atra fahasoavana izy ato amin'ny serasera.Mino aho fa tsy hitoriteny ato intsony ireny fa efa manana anjara lehibe sy goavana any am-piangonana sy ny manodidina.Isika rehetra izay mino ary mahafantatra ny tenin'Atra no mizara,mijoro ho vavolombelona,manoro,manampy ireo ondry very mba hiditra ao anaty vala.

8 Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.

9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy mahatanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
Josoa 1:8-9

Raha mandalina sy mamaky ny tenin'Atra isika dia ho haintsika sy omen'ny Fanahy Masina hery koa isika hizara izany(tsy mila diploma ny fitoriana ny filazantsara ho an'ny manodidina,saingy raha tsy mino sy misy herin'ny Fanahy Masina dia tsy ahatafavoaka izay teny tian'Atra ho hampitana ny olona.)Io ilay voalaza ao amin'ny korintiana.Nomen'Atra hery ireo izay ho eritreretin'izao tontolo izao ho tsy manana fahalalana mba hampahamenatra ireo izay milaza azy ho avaram-pahaizana amin'izao tontolo izao,
18 Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. I Kor 3:18
Io izao dia misy heviny iray.Mino aho fa mety mahafantatra ny tiany ho lazaina eto hianareo.

17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;

18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.


20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitory teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena.) Mark 16:17-19,20

Izay rehetra mino dia afaka mizara sy mitory ny tenin'Atra ho an'ny namana ,havana,ny manodidina.
Kristy dia mamaly vavaka ,koa na iza mino Azy rehefa mandona ny varavarana dia ho vahany.Tsy hiazakazaka hiantso an'i Pasitera na monpera vao hanao ny asan'Atra ohatra.Mino hianao,omeny anao ny fahefana izay nomeny ny mpianany andramo rehefa sanatria misy zavatra lehibe mitranga amin'ny fiananao iny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 3.9804