iray tanjona ve Jehovah sy satana?

1. bosista ( 22/09/2007 14:03)
manao ahoana daholy,
mba manontany izaho amin-tsika mpino namana eto amin'ny serasera,fa nipetraka tamiko ity fanontaniana ity fa tsy hitako izay havaly azy,hoy ny SM ao amin'ny 1tantara21/1: ary satana dia nitsangana hampidi-doza t@israely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny israely, nefa izao koa no voalaza ao @ samolela,2samoela24/1: ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra indray t@'israely ka dia nanome saina an'i Davida Izy HANAO IZAY AHATONGA LOZA @ vahoakany hoe:mandehana ,isao ny israely sy ny joda!
fanontaniany dia izao:
-iza marina no nanome saina an'i davida i Jehovah sa i satana? tahak'izany koa iza no nitsangana hampi-ditra loza Jehovah sa i satana?ary raha samy izy roa tonta de quel raison izy roa mitovy hevitra?misy tombon-tsoan'ny satana ve ao?
-sa kosa hoe rehefa tezitra i Jehovah sanatria dia mitovy amin'ny satana, na asa iray amin'ny satana?
ny nahatonga io resaka io dia hoe betsaka ireo andininy izay mifanohitra ao amin'ny baiboly ary afaka alaiko amin'ny namako ,io ,le referances any aminy mampiseho le fifanoherana misy amin'ny bible ,de manantena ahazo valiny sy fanazavana amintsika rehetra
novalian'i fijo ny 05/10/2007 21:55
2. ikaretsaka ( 22/09/2007 14:24)
izay no anisan'ny mahatonga ahy tsy hitsimpotsimpona loatra izay voalaza ao @ baiboly satria raha ny ao ihany no ifoterana sy tsimpotsimponina dia izany tokoa, ary marina ny an'i bosista.

raha tsimponina amin'izay itiavana azy manko dia ny "eny" atsy @ boky atsy mety ho tsia "atsy" amin'ny boky hafa, na tsy mandeha lavitra fa vao toko miova aza dia mifamadika!

par contexte manko no amakiana baiboly fa tsy par fintsimponana andalana
misy tenin'i Md Augustin izat averimberiko eto foana

Md Augustin:
Raha izay tianao sy metimety aminao ihany no tsiponinao sy ekenao, rehefa finoana an'Andriamanitra (Jehovah sy Jesosy) no asian-dresaka, fa izay somary hafahafa aminao, na mety hanelingelina anao dia na tsy inoanano na hodianao fanina, dia tsy Andriamanitra na Jesosy na Jehovah intsony no inoanao , fa lasa ny tenanao
3. bosista ( 22/09/2007 14:28)
ka samy tompon'andraikitra @fiarovana ny soratra masina na izaho na ianao,adidintsika mpino no manazava amin'ireo mbola misalasala amin'ny baiboly
4. tsaramaso ( 22/09/2007 14:44)
bosista:
-iza marina no nanome saina an'i davida i Jehovah sa i satana? tahak'izany koa iza no nitsangana hampi-ditra loza Jehovah sa i satana?
Miombon-kevitra !!!!!
5. ikaretsaka ( 22/09/2007 14:44)
dia ilay fika fiarovana sy fanazavana no samihafa...
ny iray par tsimpona dia ny iray par contexte!

raha vao olona par tsimpona dia lasa manana io tendance hoe izay tiany ihany no tsimponiny (araka io voalazan'i St Augustin io ambony io)
6. kalina80 ( 22/09/2007 15:08)
ikaretsaka:

dia ilay fika fiarovana sy fanazavana no samihafa...
ny iray par tsimpona dia ny iray par contexte!

raha vao olona par tsimpona dia lasa manana io tendance hoe izay tiany ihany no tsimponiny (araka io voalazan'i St Augustin io ambony io)


D'accord be.Ny tenin'Atra aza tsimponina toy izany fa indraindray misy zvt tsy takatry ny saina mihitsy.Izy Atra ihany no mahalala azy.Mety hanozongozona ny finoana io na mampiverin-dalana mùihitsy aza.

7. ikaretsaka ( 22/09/2007 15:13)
betsaka manko ilay mitory teny ireny dia ny azy no asesiny dia asiana ilay toko sy andininy be ireny manazava ilay hevitra tiany hampitaina..
nefa rehefa tena dinihina dia mivoana be amin'ilay lazainy ny contexte.. na omena versets mandiso an'iny dia mitanatana vava eo fotsiny na lasa mitabataba
8. tsaramaso ( 22/09/2007 15:17)
Ankoatra ny fanaratsiana aloha hatreto
-->> mbola tsy nahazo valiny ilay fanontaniana e !!!!!!!
9. kalina80 ( 22/09/2007 15:24)
tsaramaso:

Ankoatra ny fanaratsiana aloha hatreto
-->> mbola tsy nahazo valiny ilay fanontaniana e !!!!!!!


za manokana aloha dia tsy mahay sady tsy te hahay mamaly anio e

10. ikaretsaka ( 22/09/2007 17:08)
fanontaniany dia izao:
-iza marina no nanome saina an'i davida i Jehovah sa i satana? tahak'izany koa iza no nitsangana hampi-ditra loza Jehovah sa i satana?ary raha samy izy roa tonta de quel raison izy roa mitovy hevitra?misy tombon-tsoan'ny satana ve ao?
-sa kosa hoe rehefa tezitra i Jehovah sanatria dia mitovy amin'ny satana, na asa iray amin'ny satana?


sarotra be ny mamaly an'io satria ts'isy precision hoe iza na iza tokoa no nitsangana namely, "raha raisina araka ny voasoratra", "qui s'excuse s'accuse" raha eto @ ity tranga iray ity
samy manana ny heviny eto!
aleo hanao honnette: tsy haiko!
11. gasynamana ( 22/09/2007 20:36)
Ilaina ny mandalina sy ny mamantatra izay voasoratra marina. Betsaka ny tranga sahala amin'io ao amin'ny Baiboly ao, ary tsara ny manamarika fa tsy voatery ho Andriamanitra no voatondro amin'ny anarana hoe Andriamanitra indraindray. Ohatra iray amin'izany ilay voalaza fa niady tamin'i Jakoba, ary resiny.
12. tsaramaso ( 22/09/2007 23:15)
i gasynamana ary ve nandalina sy namantatra izay voasoratra marina ??!!!!
dia i Satana ary ve zao no voatondro amin'ny anarana hoe : Andriamanitra ??!! sa tsy izy ??
13. ikaretsaka ( 22/09/2007 23:47)
tsy haiko hoe iza no mandalina aminareo!
fa hita @ toetra ihany anefa!
14. Bita ( 23/09/2007 00:15)
Inona ilay tanjona iraisany? Raha tany an-danitra satana t@ voalohany raha tadidiko tsara n y tantara taloha dia i Satana no Anjely farany tsara ary angamba lehiben'ny Anjely t@ izay. raha azoko tsara koa ilay tantara fa nahalala zavatra maro kokoa noho ny Anjely hafa izy. Ny nanaovan'Atra ny olona anefa no tsy fantany ka nahatonga azy nivadika t@ fahatokisan'Atra ary dia nitady hanodikodina ny Anjely rehetra hikomy. Voaroaka ary izy ary dia tonga tety an-tany. Naka endriky ny bibilava izy hamitahan an'i Eva ary ny tanjony teo koa dia hamitaka ny Ol... raha t@ tantaran'i Davida indray dia nampiasain'i Satana i Saoly hamotika azy ary nampiasan#Atra ny zanany Jonatana hiaro azy. Ary i Joba kosa dia fitsapana ilay olo nahatoky ary fakana fanahy. (fakam-panahy = Fitsapana??) Eo ve no tianao ho lazaina hoe mitovy tanjona? Misy mahasamy hafa ireo teny 2 ireo na misy hitovizany ny dikany....
15. soanja ( 23/09/2007 03:33)
bosista:

manao ahoana daholy,
mba manontany izaho amin-tsika mpino namana eto amin'ny serasera,fa nipetraka tamiko ity fanontaniana ity fa tsy hitako izay havaly azy,hoy ny SM ao amin'ny 1tantara21/1: ary satana dia nitsangana hampidi-doza t@israely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny israely, nefa izao koa no voalaza ao @ samolela,2samoela24/1: ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra indray t@'israely ka dia nanome saina an'i Davida Izy HANAO IZAY AHATONGA LOZA @ vahoakany hoe:mandehana ,isao ny israely sy ny joda!
fanontaniany dia izao:
-iza marina no nanome saina an'i davida i Jehovah sa i satana? tahak'izany koa iza no nitsangana hampi-ditra loza Jehovah sa i satana?ary raha samy izy roa tonta de quel raison izy roa mitovy hevitra?misy tombon-tsoan'ny satana ve ao?
-sa kosa hoe rehefa tezitra i Jehovah sanatria dia mitovy amin'ny satana, na asa iray amin'ny satana?
ny nahatonga io resaka io dia hoe betsaka ireo andininy izay mifanohitra ao amin'ny baiboly ary afaka alaiko amin'ny namako ,io ,le referances any aminy mampiseho le fifanoherana misy amin'ny bible ,de manantena ahazo valiny sy fanazavana amintsika rehetra


Tsotra be anie zany raha ny fahitako azy samy afaka manome saina ny olombelona avokoa na i Jehovah na i Satana. Eto moa i Davida no niasany. Efa voalaza io izany. Mety hitovy ny zavatra irahany atao fa saingy ny fikasany amin'izany no samihafa. I Jehovah dia Ray be fitia. Tsy vaofetra ny fitiavany ary ny zava-drehetra nombany antsika sy ny vahoakany dia ampitiavana daholo no anaovany izany.
Raiso amin'ny fo feno fitiavana ilay izy dia hazava sy hamirapiratra. Izay pitsopitsony any tsy olana. Olombelona no nanoratra ny baiboly fa tsy Andriamanitra akory. Fa raha Andriamanitra dia tsy nila nanontany intsony isika mianakavy.

Te hilaza fotsiny aho hoe miasa be/sahirana tokoa "hono" io Satana io rehefa feno ny fanahy masina ny olona iray ary anjakan'Andriamanitra ny momba azy rehetra. Izay hevitra rehetra hakana, handotoana ny fon'ilay madio dia ataony avokoa.


16. niryna ( 23/09/2007 04:34)
bosista tonga dia fantatra hoe silamo io namanao io.Io foana no anisan'ny fanontaniany ataon'ireo olona tsy kristiana any kristiana.Te-hampahafantatra ny kristiana izy hoe tsy mitovy ny hevitra tenenina ao anaty baiboly.:oops: too,bad.Izahay mahafantatra ny Atra hivavahanay,Atra miteny,Atra velona,Atra mamaly vavaka.
Mbola ho avy koa ny resaka Lioka,ny mpaminany farany,ny iza no lehibe Atra sa Jesosy.:wink:
Efa fantatray daholo izany fanontaniana izany ary izany foana no hoe heveriny handresena lahitra ny namana kristiana hoe tsy mitovy ny tena lazain'ny baiboly.
Diso hevitra izy,fantatray ny hivavahanay ary tsy hiova izahay na inona fiantraikan'ny andriamanitr'izao tontolo izao mitady handrombaka ny fanjakan'Atra.
Atra mahery ary izy no fara-pahataperana ny hery.
Satana dia afaka manao zavatra maro ary Atra no namela azy hanao izany.Manana fetrany anefa ny heriny fa tsy mitovy ny an'Atra.
Aminay kristiana dia Atra iray ihany dia Jehovah izany.Izy irery ihany no hinoanay sy hivavahanay.Izay tsy Jehovah no ataony atra satria mbola marobe ny karazana atra hivavahan'ny olona,izay atra lazainy fa tsy Jehovah dia azy ho azy fa tsy Atray izany.

17. niryna ( 23/09/2007 05:04)
Raha ny tantara iray manontolo no vakiana dia ho fantatrao ny dikany,raha io passage kely io fotsiny dia hitsimpona baiboly tokoa ny olona ka tsy ahafantatra ny antony:
Tadidio fa avelan'Atra maka fanahy ny olona Satana saingy tsy afaka manala ny ainy(Atra irery ihany no afaka manao izany)
I Tantara 21
Mitady fanazavana hianao ary dia vakio tsara aza:
Davida dia nalain'ny satana fanahy ary Atra no namela azy hanao an'io.Ny antony? Noho ny fiambohamboany sy noho ny tsy fananany finoana an'Atra.Fitsapana ho azy.
1 Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely..Rehefa naniraka olona izy hanisa ny mpanompon'Atra,3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
4 Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.

5 Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.


7 Ary tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
Inona no antony? Satria Jehovah tezitra tamin'Israely ary dia Davida no nasainy nampiasan'ny satana hanisa ny Israely ( 2 Sam 24:1).Nahatsapa Davida fa tsy nety ny nataony 8 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.

Eto izany Davida dia nahafantatra fa nanao fahadisoana tamin'Atra ary nitaraina(nibebaka)
18. niryna ( 23/09/2007 05:17)
Mitohy ny I Tantara 21:D
14 Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
Noho ny tsy fankatoavan'Israely ny tenin'Atra dia nanaiky izy ny ampiasa an'i satana haniraka an'i Davida hanisa ny mpanompon'Atra ary izay no lalana nataon'Atra handringanana ny Israely.kanefa dia nanenina Atra ary nampitsahatra ny fandrimpahana.
15[ Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.Fantatr'i Davida fa izy no nahatonga ireo fatin'olona marobe ireo, 17 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.,26 Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. 27 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.

28 Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo

19. niryna ( 23/09/2007 05:51)
Ny 2 Samoela 24 :D
1 Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra indray tamin'ny Isiraely, ka dia nanome saina an'i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin'ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda
Io no antony nampiasain'ny satana an'i Davida ( jereo ny 1 Tantara 21:1)

Rehefa nahafantatra Davida fa diso dia nifona tamin'Atra ary dia namaly azy Atra ,25 Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.

Atra dia afaka manome fahefana ny satana amin'ny fitsapana ho an'ireo izay mpanara-dia azy eny fa na dia kristy koa aza.(

Joba 1:11-12 Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra - raha tsy handa Anao eo imasonao aza [Na: hahafoy Anao mihitsy.] izy e!

12 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tànanao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tànanao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.


Matio 4:1
1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy.

1 Pet 4:17-19
17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra?

18 Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan'ny ratsy fanahy sy ny mpanota?" (Oha. 11. 31).

19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
20. niryna ( 23/09/2007 05:57)
Fehiny.Atra no namela an'i Satana haka fanahy an'i Davida satria tsy nanaraka ny teniny Israely ary dia Davida no nampiasainy avy amin'ny alalan'ny Satana naka fanahy azy.Nahafantatra Davida fa diso ary dia nifona tamin'ATra ka dia navelany ny helony.

Ho anay kristiana dia azo alaina ohatra io mahazo an'i Davida io ,mahatsampa fa manao fahadisoana,ary tonga dia mibebaka fa tsy anao an'iny intsony.Noho ny finoana miroborobo ato anatinay dia mahafantatra izahay fa mamela anay ny Atray rehefa miaiky ny fahotanay tokoa izahay.Na inona inona ataon'ny satana hamotrahana anay ,dia tsy ho kivy izahay ary tsy hiova finoana an'ilay Atra mahery,be fiantra,mamaly vavaka.Miampy ireo rehetra ireo dia mbola hiara-dia aminy koa izahay rehefa hatrizay miala ety.Io dia ny ran'i Jesosy irery ihany no hanavotra anay rehefa mino azy tokoa izahay.Fiainana aorian'ny fahafatesana.
I Jaona 1:8-9
8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
Tsy vao Davida irery ihany no navelan'Atra ho alain'ny satana fanahy fa maro;


^:^^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0906