mandry eritreritra ve?...

1. ari.malala ( 19/09/2007 07:10)
-Ireo lehilahy efa manambady, nefa mbola mampirafy, na efa manambady fa mbola manan-janaka ivelan'ny tokantrano? (tao anatin'ny tokantranony no nahazoany zza hafa fa ts talohany an, raha talohany ndray zavatra hafa)

-Ireo vcehivavy, efa mahalala fa vadin'olona iny na sipan'olona iny nefa mbola iarahana iany, ary iterahana mintsy aza?

-Ireo vehivavy, manambady, nefa mampirafy ny vadiny, ary manan-janaka @ le lelahiny? (manambady izy d manao sipa, d bevokanle bandy sipany iny, d le vady ao antrano no miassumer aniny zaza iny)

Asa alou fa aleo enjehin'ny omby masika mantsy toy izay enjehin'ny eritreritra e!...

2. Angolaina ( 19/09/2007 08:24)
mandry eritreritra e ! fa io koa tonga @ ilay ohabolana ray izay oe ny "ny vy tsy mikitrana irery" sy ilay oe "hitsikitsika tsa mandihy madigna fa ao raha" ka ao anatin'ny tokantrano tsirairay misy an'io zavatra io no mahalala io antony mahatonga ny fampirafesana io !
3. diamondra27 ( 19/09/2007 08:30)
ka le izy nge ry arimalala de zao e

manambady zany ny bandy de lasa manao mission ohatra we any majunga, na morondava
de refa vita ny asa ny la journée de mba manala azy kely any @ boaty ry zalahy , de le sipa kely kou @zany moa tena mi-allumée be misty de raikitra , de refa aveo bikina
de trop tara, inon tsony aza ny atao halàna ve le zaza?

tsy midika akory zany fa mankasitraka aho fa ohatra fotsiny zay omeko zay.

ny milokaloka vava de tsy azo atao mihintsy na de mpivavaka be tahaka ny inona fa ny aza voany ihany.
Refa tratry ny tambitamby sy ngolagola ny sipa tsara feo zay ny bandy tena mandraingiraingy tsy maharay lamba.
4. majakely ( 19/09/2007 08:44)
marina daholo zany...sady fanahiniana le izy akia ari-malala no sady Tsy fanahiniana aaa!!!!Ndrandray tongatonga ho azy le izy de lasa mampirafy hitan'ilay lelah hoe nahafinaritra beeeeeeeeeeeuh mintsy le tany ambadika tany noho ndry le ao antranony ao de tohizany ihany ny hataony fa fatany ara hoe tsy mety aza,le tsy nanao kapoty ndray de nahabikina sipa hummmm...maika loatra ngamba akia...hihihihi ...tsy hay tsony ee!!!
5. majakely ( 19/09/2007 08:46)
de otrizay koa ny vevavy mampirafy ,,nisy zavatra natsirooo beuhh mintsy tsy de fahitany ao antrano tany ambadika tany de lasa zao ,,,avieo mety hoe enjehin eritreritra ihany mais bon??!!! zay no prix à payer anle zavatra mafinaritra be iry ééé!!:-D
6. xxx ( 19/09/2007 08:59)
matetika rehefa mbola eo @ toerana (ilay mampirafy io) dia tsy manana recul hijerena hoe tsy mety ilay zavatra atao , fa mahita excuse sy raison foana hanaovana azy .

Jereo ange fa ny olona tsy mampirafy foana no miresaka hoe maninona no mampirafy ...etc fa ny olona mampirafy tsy mametraka fanontaniana izany
7. meva2 ( 19/09/2007 09:01)
Bjr daholo,

Elaela tsy nandalo fa mbola somary sahirana e!
Raha ny mikasika ny fanontanian'i ari malala, amiko manokana aloha dia marina fa @ maha olombelona nofo aman-dra dia misy ny pulsion, kanefa ny tohiny avy eo dia safidin'ny tsirairay. Mino aho fa ny saina sy ny fo koa dia afaka mi- contrôler ny vatana fa tsy ny contraire.Indrindra fa hoe resaka fahafinaretana vetivety no mety hanimba ny fiainana iray manontolo.
Samy manana ny fiainany anefa io fa kosa ny eritreritra manenjika dia misy ihany fa mety samy manana ny fandraisany azy.
8. hery ( 19/09/2007 09:41)
xxx:

Jereo ange fa ny olona tsy mampirafy foana no miresaka hoe maninona no mampirafy ...etc


Aleo hiteny fa sao dia hoe ... :-)

Izaho dia mahazo antoka 100% fa raha toa ka omena alalana hiaraka amin'ilay ampirafesiny ilay mampirafy dia tsy haharitra ela akory izy any dia ho leo na hampirafy vaovao indray.
Izay ilay olom-belona, izay tsy ananana ihany no toa tsara.
9. soanja ( 19/09/2007 09:46)
Miankina amin'ny fe-piaina ara-moraly sy sosialy apetrakao amin'ny fiainanao no hamaly izany fanotanianao izany.

Tsy mitovy ny fomba fijerintsika olombelona ny fiainana. Ny tena izy angamba dia hoe samy manaja izay mahasambatra azy.

Amiko matoa ny olona iray nanao safidy hampirafy sy na haka vadin'olona dia tsy zava-dehibe aminy ny zavatra heverinao fa goavana momba ny hasin'ny tokatrano. Na ny hoe hasin'ny tokatrano, samihafa ny handraisanao sy izy azy. Inona no soa toavina amin'ny mahaolombelona ahy? sns sns....
Tadidio fa isika rehetra io raha velona dia miezaka foana hanatratra izay mahasambatra antsika.

Tsy isika no hitsara fa aleo ny fiainany no hanome lesona azy. Ny hany hafatro dia hoe mahaiza mifidy/mandanjalanja ny ho vady mifanaraka aminao vao miditra amin'izany tokatrano izany ry tanora!
10. booboo ( 19/09/2007 10:07)
Miankina amin'ny fe-piaina ara-moraly sy sosialy apetrakao amin'ny fiainanao no hamaly izany fanotanianao izany.

Tsy mitovy ny fomba fijerintsika olombelona ny fiainana. Ny tena izy angamba dia hoe samy manaja izay mahasambatra azy


miombon-kevitra tanteraka
11. majakely ( 19/09/2007 10:34)
marina daholo izany !!!
12. mandrindra ( 19/09/2007 10:54)
ny ahy izany dia izaho mihitsy no lazaiko eto. ilay hoe mampirafy aloha dia famaritana diso,amiko. ny ahy dia ilay dradraiko lava hoe mizara fitiavana. ka io dia ataoko ary mandry ivohon'ny vato mihitsy ny eirtreritro satria ho ahy dia ara-dalana izany. tsy hoe akory tsy maintsy ataoko io fizarana io fa rehefa misy tadindokanga mifanaraka dia mandeha ho azy ny tanatara.
13. ari.malala ( 19/09/2007 11:13)
de hono hoa ry mandrindra, mba curiosité ty nenà, ts votery valina raha manohintohina, fantatry ny vadinao ve zany situation zany? de ts miteny ve izy? tsara fo kosa izany vevavy zany ka!

Fa za koa zany miombon-kevitra @ Hery hoe ze ts ananana iany no toa tsara e, io koa ilay hoe ny dobo tsy hita no mahamanina fa rehefa hita miloa-potaka e, sa aona?
14. mandrindra ( 19/09/2007 11:20)
ny hoe fantany direkta dia tsia. ny anay ny fiainana dia mizara telo : ny ankohonana, ny asa, ny manokana. dia tsinjaraina arak'izay ny fotoana. eo amin'ilay manokana dia malalaka. samy manao izay tiany rehefa tsy handeha hanfintohina. tsy azon'ny iray atao ny manontany na mitsabaka any amin'ilay faritra manokana. azo atao kosa anefa ny mitantara. marihiko fa ilay faritra manokana dia malalaka, tsy voatery hoe resaka fitiavana, fa ao ny namana, ny fanatanjahantena, ny vie associative izay tian'ny iray nefa tsy fy amin'ny ankilany...
15. ari.malala ( 19/09/2007 12:43)
mandrindra, ah bon... d aminao zany, ts mampanin anao kou v raha manana fisainana toa anao ny vadinao hoe ndeha "hifampizara fitiavana @ olon-kafa" any hoany koa izy? miala tsiny aloha fa tsy hoe miditra @ raharahan-tokan-tranonao manokana, fa mba mahavariana ana hoe mbola misy fifankatiavana ve ao antrnao de mila mifampizara fitiavana @ ol any ivelany, fa manin raha ao antrnao iany no zaraina le fitiavana ts lany laniana...ts haiko alou e, hevitro ana manokana!
16. tslem ( 19/09/2007 12:43)
Nanaitra ah tam torimasoko ty diniky Ari ty, tena tsy mandry ki ny eritreritra a, ny antony ilazàko zany d efa mba nanandrana nampirafy ihany ah :-D fa kay grave be lé izy koh, tena zany tokoa no oe enjehin'ny eritreritra an!
17. booboo ( 19/09/2007 13:28)
Tslem > hihihihihihi dia niverina natory ndray ve zao ?

mahavariana ana hoe mbola misy fifankatiavana ve ao antrnao de mila mifampizara fitiavana @ ol any ivelany, fa manin raha ao antrnao iany no zaraina le fitiavana ts lany laniana...


zà tsy variana nefany hihihihi. Amiko manokana, ny fiainana manana endriny maro. Matetika ny fomba fijerintsika ny tokony atao hoe fiainana no "ferantsika" ho iray fotsiny ny endriny (misy fifankatiavana ao an-trano dia tokony tsy mila mizara any an-kafa tsony zany sns). Tsy carré aby ny raha fa mety ho bori², triangle sns : dia tahaka izay koa ilay fiainana.
18. sakaizakely ( 19/09/2007 13:38)
amiko matoa "mizara" any ankafa izany dia efa naman'ny namono "eritreritra" tsy te handinintena @ tsy mety atao.

Betsaka tokoa manko ny miteny hoe ny tokantrano dia fiaraha-monina sisa aty afara rehefa ela niarahana, tsy misy ilay fitiavana mamy be toy ny t@ voalohany iny intsony fa dia fiarahana mipetraka sisa, dia fahazarana, indrindra indrindra ilay faux semblant eo imason'ny mpiara-monina sy ny mpianakavy sisa no kenakenaina fa ny ao ampo tsy miloaka ao efa tsisy ninn ninn intsony :roll::roll::roll:

Izany hoe tsy misy fitiavana intsony ho an'ilay ao antrano no mahamora koa ilay "fizarazarana" any ankafa.

Fijeriko manokana manodidina ahy izany ary hatr@ zay dia nitombina foana ny fahitako azy.

Raha mbola babo sy afapo amin'ilay iray tokana dia tsy taitra hijery ny hafa izany e ! Na inn défauts-ny na inn qualités-ny, ze ananany dia atao ampy rehefa tiana izy. Matoa voasinton'ny hafa dia efa antsitrapo dia aleo vonoina ny eritreritra tsy hanenjika...
19. mandrindra ( 19/09/2007 13:53)
ari.malala, tsy manontanty an'izay ataony aho. ka raha toa ka mizara any ivelany izy dia tsy olana amiko koa. na ho ahy na ho azy dia rehefa tsy mitondra mody, ary tsy manafitohina en direkta dia izay no izy. izay ilay hoe malalaka. raha vao mametraka fanontanina na maniasia dia tsy mahatoky izay. dia samy mazava hoe faritra malalaka tsy kitihana dia samy mahatoky.
dia misy ny manontany hoe mbola misy fitiavana ve amin'izany? ny valiny dia tena mbola mamy be lavitra noho ny tantely aza. na ny tany amboalohany aza tsy mahaleo ny ankehitriny. rehefa mihinana vatomamy maro samy hafa ianao dia hafa ihany ny tsiron'ny favori eee.
satria ve nandeha nisakafo tany amin'ny resto dia ny dikan'izany hoe ratsy ny nahandro ao antrano, tsia. dia io ilay mbola amafisiko hoe ny fitiavana tsy manapetra.
20. sakaizakely ( 19/09/2007 13:58)
Ireo lehilahy efa manambady, nefa mbola mampirafy, na efa manambady fa mbola manan-janaka ivelan'ny tokantrano? (tao anatin'ny tokantranony no nahazoany zza hafa fa ts talohany an, raha talohany ndray zavatra hafa)


Ny eritreritra (conscience) no mampiavaka ny olombelona amin'ny biby. Amiko matoa mahavita an'izany dia efa naman'ny tsy sokajin'ny olombelona intsony raha toa ka tsy misy eritreritra manenjika intsony :{

Ireo vehivavy, efa mahalala fa vadin'olona iny na sipan'olona iny nefa mbola iarahana iany, ary iterahana mintsy aza?


Vhv môla tsy mahay mionona am ze ananany fa mitsiriritra ny efa an'olona foana. Mitovy @ etsy ambony ihany

Ireo vehivavy, manambady, nefa mampirafy ny vadiny, ary manan-janaka @ le lelahiny?


Idem ary tena tsy mifaditrovana :{:{:{
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0392