mandry eritreritra ve?...

21. ari.malala ( 19/09/2007 14:08)
:roll::roll: d gaga b amzany za k! nenà d io hevitr'i sakaizakely io mintsy no ao antsaiko ao!

tslem, hihihi, tsra izany refa nanaitra andry le dinika fa ndry efa naika resin-tory taod nanadino anay :P

booboo, ts hoe ferana le fahitana ny fianana ka! fa ts hitako kosa anie hoe inona aza no antony nanaovana voady hoe hijan amnao rery sns raha handeha hifampizara fitiavana @ hafa refaveo e, tsy nisy fitenenana mints tao anatin'le voady hoe "eny fa enao no tiko fa refa maita ny manaitra ana za d hifampizarako fitiavana izy refa sendra okaz za :P" eo mints zany le ts azoko e! nilokaloka ery, maimay ery nanonona voady, hay ny any am-po ts tokana akory... de iverenako le hoe manan-janaka ivelan'ny tokantrano fa tsy nisy nanisy resaka mintsy, raha sendra misy cas otran'zay ato mba iangaviako hanao temoignage kely fa mahaliana ana na hanao xxx aza ts manin fa hajaina ny safidiny... atao ahoana ny hilazana @ vady amna-janaka hoe ary misy zanako, satria refa any aoriana any misy hono zany appel du sang izany, ka mety hifampikôty le mpianadahy (demis frères) de aona no ilzana azy hoe ts azonao atao ny miarak @ io fa io d anabavinao na anadhainao, nefa ts nampahafantarina taloha? ny tena grave mants d amzao fotoana izao ny ankizy efa mahay raha, ka raha efa niara-nandry tany ireo d atao aona?
22. ikaretsaka ( 19/09/2007 14:17)
Angolaina:

fa io koa tonga @ ilay ohabolana ray izay oe ny "ny vy tsy mikitrana irery" sy ilay oe "hitsikitsika tsa mandihy madigna fa ao raha" ka ao anatin'ny tokantrano tsirairay misy an'io zavatra io no mahalala io antony mahatonga ny fampirafesana io !

Misy mahamarina izay koa

23. kiadi ( 19/09/2007 16:05)
ary raha mahazo halalana ve de bola mapirafy ihany no filaza an'izany?
24. sakaizakely ( 19/09/2007 16:25)
kiadi> karazan'olona inn koa zany manome alalana izany ? tsisy hazondamosina ve ?
25. Fiffi ( 19/09/2007 17:07)
ari.malala:

-Ireo lehilahy efa manambady, nefa mbola mampirafy, na efa manambady fa mbola manan-janaka ivelan'ny tokantrano? (tao anatin'ny tokantranony no nahazoany zza hafa fa ts talohany an, raha talohany ndray zavatra hafa)
tena mahalasa heritreritra marina...de mba ahoana aza ny fiainany am-zany ? hafenina am le vadiny ve hoe manan-janaka hafa ? :{:{ na ho ela na ho aingana nefa tsy maintsy mivoaka hiany ny marina....


26. dadie ( 19/09/2007 18:01)
ari> ny aza voany iany aki a
,ny fo adala ,aona mo no tsy anejika ny eritreritra? ny tena tsy anjely fa olombelona iany :-*
27. Fiffi ( 19/09/2007 19:45)
kiadi:
ary raha mahazo halalana ve de bola mapirafy ihany no filaza an'izany?
:roll::roll:


28. ikaretsaka ( 20/09/2007 02:22)
Io no tena gravy!
Aty misy emission izay dia atao test ADN avy eo... fa tena tsy zanak'ilay Rangahy ny mahalala hoe tsy zanany ilay zaza nefa nobeaziny... aoka le:cry:

ari.malala:
-Ireo vcehivavy, efa mahalala fa vadin'olona iny na sipan'olona iny nefa mbola iarahana iany, ary iterahana mintsy aza?

-Ireo vehivavy, manambady, nefa mampirafy ny vadiny, ary manan-janaka @ le lelahiny? (manambady izy d manao sipa, d bevokanle bandy sipany iny, d le vady ao antrano no miassumer aniny zaza iny)
29. xxx ( 20/09/2007 06:54)
Za manokana zao tratrana cas we efa vadin'olona kay, ary mananjanaka le ranga, fa namitaka ana, d za nanan-janaka taminy sy niteraka:-( ny tena loza d efa bevoka b za vao nahalala ny marina rehetra:-( d mampalaelo ana ny vadiny amanjanany we voafahandalitra ry zareo:-( za kosa alou va onahalala ny marina d nisarahako le ranga e! ary ts mitamby na ariary any aminy akory aho amelomako ny zanako! vitako ny ahy! fa nyatahorako fts d io resaka appel du sang io! ts avelako mifanerasera aminay tsony mints le ranga fa ny trano misy ana aza ts atoroko azy akory!
30. mbaliana ( 20/09/2007 08:16)
xxx> ianao zao no manao an'izao satria zay no hitanao fa mety... fa raha ity hono ka mifampisipa na hivady ny zanakao sy ny zanaky le lhl tamin'le vadiny any aoriana any nefa kay iray Ray dia ahona ???
31. xxx ( 20/09/2007 11:57)
entina am-bavaka mba tsy hitranga izany zavatra izany ry mbaliana a! io mintsy no tena atahorako mafy mantsy! nefa za koa tsy te hahita gidragidra @ le izy satria tsin isak'izay mba hita le ranga de ny hamamoany no entiny ao antrano, za efa halan'ny ao antrano mafy mints t@zany andro zany hoe ity ndray le mamolava ity :oops: sady tsy manome vola izy fa ny aty amiko aza no alainy d ividianany toaka:-( d antony ray itsoahako anazy koa io:-(
32. soanja ( 20/09/2007 13:31)
kiadi:

ary raha mahazo halalana ve de bola mapirafy ihany no filaza an'izany?


tsia, tsy mampirafy intsony ny fiantso azy fa lehilahy tia vehivavy isan-karazany (variety)

Betsaka ny olona manome alalana ny vadiny toy izany miankina amin'ny zavamisy eo. Ny fahaizana mampifandanja sy mitazona ny fitiavana tsy ho voatohitohina no tena asa sarotra. Ny tokatrano mantsy tokony hisy tanjona foana (iombonana, ifanarahana, ifampiresahana) ary raha mbola samy mifikitra amin'iny tanjona iny dia izay no zava-dehibe.


33. ari.malala ( 21/09/2007 06:42)
tena otran'ny sarotra be ry soanja ziany hoe ny vadinao amenao alalana hoe ndana mampirafy kle:? ny efa misy tsy fidiny aza ts hita hoe ahoana no ialana ainy ko nenao ndray v homena alalana:? otran'ny sarotra iany an!
34. soanja ( 21/09/2007 13:34)
ari.malala:

tena otran'ny sarotra be ry soanja ziany hoe ny vadinao amenao alalana hoe ndana mampirafy kle:? ny efa misy tsy fidiny aza ts hita hoe ahoana no ialana ainy ko nenao ndray v homena alalana:? otran'ny sarotra iany an!


Marina izany ry ari.malala, mety sarotra tokoa izany rehefa jerena sy dinihina saingy rehefa tojo ilay olona toy izany ianao satria misy ireo olona ireo eto ambonin'ny tany (tia vehivavy na lehilahy isan-karazany) ka raha tianao ilay olona dia tsy ahita olana akory ianao. Satria hanaiky mora ny foanao SATRIA TIA IANAO.

Satria ny fifankatiavana dia tsy voafetran'izay zavatra isan-karazany filana sns any fa fifanojoana fanahy mifandray ary vonona hiara-dia hanantontosa zavatra iray na maromaro.

Izany no mahatonga ny tokatrano sasany mijoro foana na dia hita aza fa mampiaraka sy mandreraka be ny fijery ilay ataon'ny lehilahy ety ivelany. Ny zanak'ireo tafita daholo ary miaina tsara. Satria ilay vehivavy ao anatiny mino aho tamin'ny voalohany ohatra dia mety sosotra be sns ary adibe. Nisy ny resaka ohatra nefa tsy mety miova ilay lehilahy. Misy ny lehilahy tena miteny hoe:" hiova amzay aho" nefa na miezaka izy de refa ela ny ela dia miverina indray amzany fanaony izany. Ny farany dia manaiky ilay ramatoa fa izay le vadiny. Manana ny laharam-pahamehany izy matoa manao izay. Ohatra hoe: raha mbola manampy arabola ohatra le vadiny na mbola mikasika azy manome fitiavana sns mody alina, mikarkara ny ankizy dia hijanona izy. Be ny hiteny hoe raha zah amin'ny toerana tsy hijanona eo saingy tsy mitovy ny olombelona ny zavatra zakan'ny hafa tsy voatery zakanao. Satria tena misy tokoa io karazan'olombelona tia manandrana ny isan-karazany io ary tsy azo odiantsihita io. Anisan'ny natiora voajanahary eo amin'ny biby io ary betsaka no olombelona manana azy amin'ny fomba maherivaika. Ny lehilahy indrindra indrindra.

Fahalemena ve io? Ie. Azo sitranina ve? Ie, saingy mitovy kilasy amin'ny fahalemena hafa ihany io toy ny hoe mandainga, mifosa, mangalatra, tia toaka, tia sigara, tia mandanilany foana sns manimba daholo rehefa any aoriana. Misy fahalemena azo iafina ve? de misy ny fahalemena tsy azo iafiana?
Eo no mipetraka ny fe-piaina! Inona no soatoavina apetrakareo ao amin'ny fianakaviana?
Ny zavadehibe dia miodina ny communication ao antrano ary tsy misy mahatsapa voadingana na notsinotsinoavina amin'izay fikatsahana fahasambarana/fitoniana/fiadanana izany.

Mahereza hatrany!


35. ikaretsaka ( 21/09/2007 13:47)
dia ahoana indray ny eritreritrareo amin'ilay efa samy olona manambady dia ilay mifanakalo vady ao amin'ny efitra iray eo?
36. mandrindra ( 21/09/2007 15:33)
safidy malalaka daholo izany, ny mason'ny mpijery no mivontirika fa izy manao azy tsy taitra akory
37. dadie ( 21/09/2007 15:50)
34. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 21-09-2007 15:47:27
Lohateny : Re : mandry eritreritra ve?...
dia ahoana indray ny eritreritrareo amin'ilay efa samy olona manambady dia ilay mifanakalo vady ao amin'ny efitra iray eo?

aty an dafy kosany zany ika fa any dago v zany d oisy ? :roll:
38. mandrindra ( 21/09/2007 18:12)
dadie, misy io na any dago aza
39. ds ( 21/09/2007 19:22)
mandrindra:

safidy malalaka daholo izany, ny mason'ny mpijery no mivontirika fa izy manao azy tsy taitra akory

Izao olona rehetra tsaratsara toerana (na vavy na lahy) toa samy manana 2è bureau avy aty Dago ary fanta-poko tsara daholo. Izany angamba ny "norma" any Dago izao. Dia mandry izany ny eritreriny :-)

40. mandrindra ( 22/09/2007 10:04)
ds, fa na ny tsy tsaratsara toerana aza manana 2ème bureau koa fa saingy intérim fa tsy CDI
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008