Mankanesa aty Amiko:hira mampalahelo kanefa aza kivy.

1. niryna ( 18/09/2007 11:49)
http://www.youtube.com/watch?v=iOhqydiL_ak

27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.

28 Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Mat 11:27-28

Na inona na inona mihantra antsika amin'ny fiainana.Kristy no nampahary antsika sy mampianatra antsika fa tokony hanao ny anjarantsika isika dia ny mivavaka aminy izany.Ny ambiny Izy no hanao azy.

17[i] Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.

18 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.

19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;
Isaia 1:17-19

Raha manaiky ny hiavana amin'ny Tompoko isika,raha manaiky ny ho dioviny ny fahotantsika dia ho fotsy toy ny oram-panala izany.Isika manao ny anjarantsika ary ny ambiny rehetra dia Izy no hanao Azy

Ho Azy Irery ihany hatrany anie ny voninahitra,avy amin'Atra Raintsika sy Tompoko Kristy Mpamindra fo. Mpandray ny olana rehetra ho an'izay manaiky Azy sy manatona AZy ho sitraniny Izy.
I (l) Jesus
niryna
novalian'i niryna ny 22/09/2007 02:25
2. niryna ( 18/09/2007 11:51)
oops,fanitsiana kely fa miala tsiny
28 Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Mat 11:27-28
aty amiko
3. gasynamana ( 18/09/2007 12:19)
Iza moa no maniry hanana ny ratsy?
Moa azo ferana ve ny fo tsy hitia afatsy ny kristiana ihany, tsy misotro, tsy mifoka, sns...?
Raha avela ny mamo lava, nefa tia anao sady tianao, moa tsy vao maika mamono azy ve zany? Sao mba ny fiharahanao aminy no mampiova azy, sao izay no hahafahanao mitondra famonjena ho azy?

Marina fa mampijaly ny vady aman-janany ny lehilahy mamo lava, ka inona ary no azo atao aminy?
Mety hiteny isika hoe: lazao aminy fa ratsy io, torio aminy ny tenin'Andriamanitra... Nefa amin'ny fomba ahoana?
Raha tsy mino izy, moa misy fomba hafahana manarina azy?

4. cutie ( 18/09/2007 12:26)
aretina io amiko fa tsy :lol:fahotana
http://www.youtube.com/watch?v=9AFpv_5hOcQ
5. fijo ( 18/09/2007 20:20)
io mety vokatry ny fiarahamonina koa ka.mety efa nihaina tao anatin'izany foan aizy fony kely
6. niryna ( 19/09/2007 05:44)
gasynamana:

Iza moa no maniry hanana ny ratsy?
Moa azo ferana ve ny fo tsy hitia afatsy ny kristiana ihany, tsy misotro, tsy mifoka, sns...?
Raha avela ny mamo lava, nefa tia anao sady tianao, moa tsy vao maika mamono azy ve zany? Sao mba ny fiharahanao aminy no mampiova azy, sao izay no hahafahanao mitondra famonjena ho azy?

Tsy afaka ny hanary azy hianao ka,mijaly ilay vehivavy,mora ny miteny fa tsy eo amin'ny toerany ny tena.Raha kristiana izy dia eny,mivavaka azy no ataony.Lazaiko anao fa mahita aho olona efa ho 28 taona ny vadiny no mamolava,mijaly mafy izy,mahia kely.Ny fianakaviany miteny azy foana hoe laozy any io.Izy mamaly tsotra hoe maditra ny tena ve ho ariana aiza.Ny tsy fantatry ny fianakaviana fa raha misaraka aminy izy,hafirina ny havana no handray ilay ramatoa?
Tsy misy tsy mangidy tsy andramana,tsy misy tsy atao izay fialanana nenina.Toy ireny olona mankaleony anao ireny ohatra,olombelona marary ny fo saingy rehefa dinihina hoy ilay zaza nilaozan-drainy izay hoe hamaly faty azy no tiako hoy izy,inona no tombotsoako indray hoy izy fa dia ny mivavaka azy indray aza no ataoko.
Marina fa mampijaly ny vady aman-janany ny lehilahy mamo lava, ka inona ary no azo atao aminy?
Mety hiteny isika hoe: lazao aminy fa ratsy io, torio aminy ny tenin'Andriamanitra... Nefa amin'ny fomba ahoana?

7. niryna ( 19/09/2007 06:08)
gasinamana:
Marina fa mampijaly ny vady aman-janany ny lehilahy mamo lava, ka inona ary no azo atao aminy?
Mety hiteny isika hoe: lazao aminy fa ratsy io, torio aminy ny tenin'Andriamanitra... Nefa amin'ny fomba ahoana?

Raha tsy mino izy, moa misy fomba hafahana manarina azy?


Eny misy tokoa,isika fontsiny no mila mianatra ny faharetana:manana faharetana izany,misy ela,misy vetivety ary araky ny maha-ela azy amin'ny experience hitako no tena vao maika nifikirako tamin'Atra ary indraindray aho dia tsy haiko ny misaotra Azy.Rehefa mieritreritra izany fahantrako fahiny te-hianatra kanefa tsy mba nanambola ny rar.Toy ny fiteny hoe avo ny lanitra ka tsy takatro,ny fifaliako miaraka aminy amin'izao fotoana izao.Mahatsiaro ho akohokely mifatotra tady mahazaka aho ary nitondra ny tsy eran'ny aina.Toa honjoko irery ny fiainana,tsy mba misy havana hangatahana,tsy mba misy havana nieritreritra hoe mahantra ity fa andao ampiana,mandefitra mipetraka aman'olona,manao izay hitsikina lava na inona fihetsika tenenin'ny olona nipetrahana.Nandefitra aho,nanaja ny havako nipetrahako ary dia nisaotra azy ireo aza aho farany ka tsy nampoiziny hoe tsy tokony hisaotra hono aho.Ataoko ahoana moa no tsy hisaotra ny olona nanavotra ahy tamin'ny fiainako.Toy izany koa Atra amiko,raha mbola tsy nahita experience ny olona dia mety maivana aminy.Misy anefa tsy ho voatery fahoriana toy ny ahy,misy efa nahazo fahasoavana fotsiny.
Ny tanjoko fotsiny dia hoe hianatra aho ka na inona onjany dia zakaiko ary dia nozakaiko tokoa izany.Mbola kely aho kanefa nitondra fijaliana.Iza no namako? Ny baiboly,Atra no resahiko izay nahazo ahy.Izay ilay finoana kely kanefa dia afaka namindra tendrombohitra.

8. niryna ( 19/09/2007 06:29)
gasinamana:
Raha tsy mino izy, moa misy fomba hafahana manarina azy?


Eny,misy tokoa,firifiry ny olona no tao anatin'ny aizina no nivadika nino an'Atra ?
Ohatra iray ity:jiolahy be tsy misy toy izany ary dia vao noresahiny indray ny tantarany rehefa nitoriteny tany am-ponja izy.Hoy ilay lehilahy iray hoe:Tsy mino an'izany toriteninao izany aho hoe na jiolahy mpamono olona aza dia hiova ho kristiana?
Tsy mino hianao hoy ilay rangahy? Ity miresaka aminao ity izy.Iza hoy ity rangahy ao am-ponja?
Izaho izany hoy ity mpitoriteny.

Eny misy tokoa,tsy mora fa mila mianatra ny faharetana na manana patience:manana faharetana izany,misy ela,misy vetivety ary araky ny maha-ela azy amin'ny experience hitako no tena vao maika nifikirako taminy ary indraindray aho dia tsy haiko ny hisaotra azy.Toa ny fiteny hoe avo ny lanitra ka tsy takatro.
Moa ve hoy izy misy zavatra tsy hainy?

gasinamana>Ny fivavahana anie tsy hoe alaivo ny baiboly dia alefaso izay ao anatiny ao e.Vakio ny baiboly dia ampiaro amin'ny fiainana ilay izy.
Mivavaka,mangataka amin'Atra ny hamelany anao,ary mangataka amin'Atra ny mba ho voavonjy ilay olona tsy mety mino Azy.Mamaky baiboly ary mila mianatra sy miezaka ary mino fa tena misy Atra.
Andramo anie e.Mankanesa ao anaty trano iray dia mandoaliha,mivavaha eny na mitomany aza ianao (fa faly miresaka aminy )na mitomany fa tena mangetaheta ny hiresaka aminy ataovy daholo.Mbola tsy mangataka isika dia efa fantany ny omena antsika.Andramo ny miantso Azy mivantana fa indraindray isika mety tsy miantso Azy direct ,dia mety izany koa no antony hilazan'ny olona fa tsy mamaly vavaka Atra.
Antsoy izy ary farano ny "amin'ny anaran'i Kristy Mpamonjy anay na Mpanavotra anay na izay anarany fa izay olana misy amin'ny fiainantsika dia manana anarana amin'iny koa izy:mpanavotra,mpanasitrana,mpamelona,mpanafaka,mpa
mpahery sns.
Io koa ny ahy no fampiasako amin'ny fiainako,na inona na inona ataonay mianakavy kely dia tsy maintsy mivavaka izahay.
Satria fantatro fa mamaly vavaka izy,ary fantatro koa ny vavaka hoe tsy anjarako ilay izy na hoe miandry na eny na tsia ireo no valimbavaka fa tsy maitsy misy valiny foana.
Ilay olona mamo lava anie tsy mahafantatra hoe ratsy ilay izy e,teneninao fotsiny ilay izy hoe ratsy dia mino izany izy fa ny nofo no malemy hoy ny hira,ny fanahy no tsy mahazako.Mila hivavahana izy.
9. diamondra27 ( 19/09/2007 06:31)
Raha azo atao dia aza atao ny manambady mamo lava.

Raha mbola tsy niantra taminao io dia afaka ny hiteny zao sy zao ianao fa raha ao anatiny ianao dia hiova ny fijerinao.

Marina fa anjaran'ny olona efa mahalala sy mahafantatra ny manambara amin'le olona mamo lava fa tsy midika akory izany we: vadio le olona, raha tsy zany de efa mission suicidaire no ataonao, efa fantatra fa ratsy nefa mbola nidirana ihany.
Raha sanatria kosa fa tao anatin'ny tokantrano no niseho ilay situation , ohatra we nohon'ny adin'ny fiainana : aretina, tsy an'asa ka nahatonga le olona ni-déprime de anjaranao vadiny ny manoro lalana , mivavaka ho azy satria izany no maha-mpivady anareo.
Mitarika azy mba hanao cure de désintoxication etc.
Raha tsy mety kosa izy fa miziriziry @ heviny dia efa afaka ny adidinao @izay.
Tsy voatery hoe: hisy violence na dégât materiel ihany no manahirana @ireny mamo lava ireny fa misy ihany koa ny tena pire amiko izay tsy hita dia ny dégât moral, izany hoe: misy ny vady mamo lava tsy mamono fa tena mitritritra @ tany , tsy mahatsiaro tena, eny fa na de tsy any @ bar izy no manao izany fa ao an-tranonao dia tena manahirana ny saina ny mizaka izany rehefa ela ny ela.
Inona no mety vokany?
Raha tsy mahatsiaro tena le olona mamo , mety nahandro sakafo ilay olona de sady nisotro de doroka be avy teo de adinony ny namono ny afo. @zay fotoana zay de misy danger d'autrui, le vady anefa mety tsy tao t@io fotoana io fa mety hoe: niantsena na niasa na nanao zavatra hafa fa tsy voatery ho eo anilan'ilay olona 24H/24 dE DIniho @zany ny areti-tsaina mahazo le olona avy niasa na teny ampandehanana mahita ny zava-misy.
Raha vao maraina be de efa mamofona toaka le olona, ahoana no atao? Efa natao ny communication sns rehefa tsy mamo iny izy fa de mbola tsy mety miova ihany.
Na dia tianao tahaka ny inona aza ny vadinao , raha ny eti france aloha no lazaiko , raha hita fa mety hahavanon-doza noho ny toaka ny zaza na ny vady de tsy maintsy miditra an-tsehatra ny fanjakàna ka miteny aminao hoe: raha tsy mandray andraikitra ianao dia ho alainy aminao ny zaza. @izay fotoana izay dia inona ny ataonao? Na dia efa nivavaka sns aza fa zay no fiafarany dia tsy maintsy mandray andraikitra ianao mba hiaro ny zanakao eny fa na dia mbola tianao ilay vadinao. Dia iny ianao sy ny zanakao fa manao démarche fa tsy afaka ny hijanona @olona mamo lava eo

======> raha mbola tsy tafiditra @izany re rey olona dia aza midi-kizo fa aleo izy hitsabo tena @ ireny croix bleue sns ireny, aleo ny specialiste no hitantana azy Sy hanao ny asany fa tsy ianao



Tsy fanilikilihina ny mamo lava izany tsy akory fa fomba iray ihany koa entina hanampiana azy

Samy manana ny asany avy isika eto an-tany ary aoka mba samy haka ny place-ny sa ny don hananany.

Miala tsiny fa lavabe.
10. niryna ( 19/09/2007 06:33)
Hijoroko vavolombelona ity fa vao nitranga omaly:niantso ny zanako fa nisy zavatra sarobidy adinony ary nangataka ahy izy mba hiara-hivavaka aminy aho. Izay ,zavatra simple kanefa mino sy manantena fa misy Atra ary dia ampiharina amin'ny fiainana.Noteneniko fotsiny izy hoe andao aza hiara-hivavaka fa amin'ny manaraka dia afaka mivavaka irery hianao.Angamba ny tao anaty sainy hoe ny mamako mahay miresaka amin'Atra:D:D :roll: Na mahafantatra ny olona mila vonjy maro izy dia manana fahatokisana an'Atra miaraka amiko.Asa aloha izay tao anaty sainy tao.

Misy azo atao ve ?

Marina tokoa izany,tsy misy maniry hanana ny ratsy.Misy fisedrana daholo ny fiainantsika tsirairay,isan'andro,isan'ora.
Ny antony dia ampianarin'Atra isika ny hanana faharetana.Io no iray mahatonga ny finoana havesa-danja na tsia.Matetika mantsy toa tsy mety tapitra ny fahoriana saingy Atra nanome antsika fanantenana ary miaraka amintsika.
Ny Hebreo 13:5 no mampiseho antsika izanyIzaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.
Indraindray isika mieritreritra hoe tsy miaraka amintsika izy kanefa dia eo foana izy
Indraindray toa isika irery no misy olona fa ny an'ny hafa toa maivana na tsy mitovy.Tsy manome zavatra tsy ho zakantsika Atra.Mafy ilay izy rehefa mianjady amintsika ilay izy,saingy mivavaka isika ka na dia teny indraim-bava fotsiny aza hoe mafy amiko ity tompo o kanefa hianao efa nanome ahy fanantenana fa tsy andaho na hisaraka amiko hianao.Ampio aho tompo o.Antsoy mivantana izy,toy izaho miresaka aminao izao,antsoy Atra fa mamaly izy.

11. niryna ( 19/09/2007 06:42)
gasinamana:
Moa ve hoy izy misy zavatra tsy hainy?
Raha tsy mino izy, moa misy fomba hafahana manarina azy?

Voalohany indrindra aloha raha kristiana ilay vadiny dia ny mivavaka azy mba ho voavonjy izy no zavatra atao voalohany indrindra

13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin'ny fitiavana.

14 Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao"

15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.

16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.

18 Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.

19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'ny lanitra.
Gal 5:13-21


Ireo ambony ireo izany no voasoratra ao anaty baiboly fa tsy afaka handova ny fanjakan'ny lanitra ny olona raha manao ny iray amin'ireo raha tsy mibebaka na hibebahana ny ho voavonjy ny fanahiny
12. niryna ( 19/09/2007 06:46)
fijo:

io mety vokatry ny fiarahamonina koa ka.mety efa nihaina tao anatin'izany foan aizy fony kely

ie,mety nisy izany ary ireny olona ambony hasaina ireny dia toa tsy maintsy misotro sy mifoka dia izay fa tsy afaka intsony fa dia mizihitra be toy ny vhvvy bevohoka ny kibony.
Matetika dia nisy antony daholo no nahatonga an'io.Na izany aza rehefa tsy mahatohatra ny filan'ny nofo dia voa ihany ilay olona.Misy koa anie vehivavy mamo e,ary ireny no mora mitsingidingidina fa tsy mitovy ny fahazakan'ny lahy sy ny vavy ilay izy.
Tsy ho voatery ny toaka ihany fa na inona na inona filan'ny nofo kanefa tsy manaiky ny fanahy dia mila mivavaka isika.

13. diamondra27 ( 19/09/2007 06:54)
Samy manana ny trangany akia io ry nyrina a!

Ny fanjakana efa niteny taminao fa hoe: raha tsy mandray andraikitra ianao dia esorina aminao ny zanakao. Raha ianao no teo @le toerana tetsy ambony de inona no nataonao?
raha tsy mandray andraikitra ianao dia namany miray tsikombakomba aminy , mankasitraka ny ataony.
Voatery tsy fidiny ianao izany handao ilay tokantrano.
Tsarovy fa eto an-tany no misy antsika , misy ny lalàna mifehy ny tokantrano , mifehy any ampiasàna mifehy any ampiangonana etc... Matoa ireny lalàna ireny nisy dia tookony arahina. Tsy vitan'ny hoe: za mpivavaka dia hamaivanina ny zavatra hafa.

Izay azonao atao dia ataovy

Efa nanana faharetana ianao niaraka taminy hatr@ farany saingy ny fanjakàna miditra an-tsehatra ko inona ny azonao atao? iAnao aza mahita fa tsy mety ny ataony.

_______________________

hoy nyrina:
Marina tokoa izany,tsy misy maniry hanana ny ratsy.Misy fisedrana daholo ny fiainantsika tsirairay,isan'andro,isan'ora.
Ny antony dia ampianarin'Atra isika ny hanana faharetana.Io no iray mahatonga ny finoana havesa-danja na tsia.Matetika mantsy toa tsy mety tapitra ny fahoriana saingy Atra nanome antsika fanantenana ary miaraka amintsika.
Ny Hebreo 13:5 no mampiseho antsika izanyIzaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.
Indraindray isika mieritreritra hoe tsy miaraka amintsika izy kanefa dia eo foana izy
Indraindray toa isika irery no misy olona fa ny an'ny hafa toa maivana na tsy mitovy.Tsy manome zavatra tsy ho zakantsika Atra.Mafy ilay izy rehefa mianjady amintsika ilay izy,saingy mivavaka isika ka na dia teny indraim-bava fotsiny aza hoe mafy amiko ity tompo o kanefa hianao efa nanome ahy fanantenana fa tsy andaho na hisaraka amiko hianao.Ampio aho tompo o.Antsoy mivantana izy,toy izaho miresaka aminao izao,antsoy Atra fa mamaly izy.
_______________________________

===> dia hoy aho hoe: anjaranao ny mahalala sy manaiky ny fitondran'Atra rehefa sedra ilay fitsapàna ianao.
Afaka miteny kosa anefa isika we: an an an tena tsy zakako intsony izy ty ry Tompo fa tena mavesatra ilay entana ka omeko Anao (Jesosy)
14. fijo ( 19/09/2007 19:53)
marina ny an'i diams
15. ikaretsaka ( 19/09/2007 21:50)
izany koa ange ny nataon'i piera hoe za tsy handa anao izany e.. ho eny akaikinao foana e.. sns..
kanjo izy no ..mba marina raha izaho izany no namaliany ny mpitanin'afo

diams misy hira ankalazao misy hoe O ry Tompo Tia anay ..aza entina misedra izay tsy zakanay izahay
16. diamondra27 ( 19/09/2007 22:02)
ika: hira fihiranay refa vao manomboka ny fianarana ao an-dakilasy iny teny @ kolejy

ooo ry tompo tia
o ry Tompo tianay
aza entina
aza entina misedra zay tsy zakanay izahay
aza avela
aza avelanao irery
fa
fa ra tonga ny fotoana
ny fotoana
fa ra tonga ny fotoana hiverenanao indray e
mbola
mbola hino ve zahayyyy

;-)
c'est ma chanson préférée io tany an-tsekoly
17. ikaretsaka ( 20/09/2007 01:51)
:wink: diams..
18. Titanium ( 20/09/2007 02:03)
:^) Aleloy à! amen pour D... zany!=))=))
19. niryna ( 20/09/2007 04:56)
"Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra[na mitondra] ny fahotan'izao tontolo izao!" Jn 1:29 dia Kristy izany.
Manavotra ny olona amin'ny herin'ny devoly ve Kristy,ny asan'ireo mpamono olona tsy manan-tsiny amin'ny ady,ny mpietraketraky ny tany,ny rongony,ny fampiasana herin-tsandry,ny aretina ,ny mosary sy ny fahafatesana?
Manavotra ny olona maty noho ny mpitondra fiara mamolava,ny mpanao ankeriny ny zanak'olona,mpampijaly tsy manantsiny?
Ny valiny dia eny- saingy tsy araky ny valiny izay noekentsika sy eritreretin-tsika ilay izy.Mety misy te-hamaly faty,hamono,hitondra alahelo mandra-pahafaty,mihidy ny fo noho ny fitaka nataon'ny sasany sns.Kanefa ny nataony dia ny mamaly ireo olona ireo amin'ny fitiavana.Amin'ny maha-olona dia tsy manaiky ny saina,fa Aminy dia tiany isika hanaraka Azy,hanaraka ny diany.
24 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.

25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.

26 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?

27 Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.

28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.
Mt 16:24-28
20. Rasiligaoma ( 20/09/2007 05:46)
ny zavatra nataon'i Jesosy indrindra ry niryna dia ny mihaino , mandalina ny manodidina azy alo ha .. fa tsy nanao mihitsy izy ilay tsy te hahalala sy hamaky sy hanaja ny sasany sy ny hoe ny azy ihany no nasesiny be ohatran'ny sesi-tsaosisy! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4912