Fiainana mandrakizay(The promise of salvation)

1. niryna ( 13/09/2007 17:18)
Ny jaona 3:16 no mampiseho antsika ny fitiavan'Atra izao tontolo izao.
Tsinjaro hoe ny tiany ho tenenina ary inona no dikany?

Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao

Nomeny ny zanany lahitokana

Mba tsy ho very izay rehetra mino azy


fa hanana fiainana mandrakizay

misaotra

(l)niryna
novalian'i niryna ny 22/09/2007 02:39
2. ikaretsaka ( 13/09/2007 17:33)
dia tohizako ilay izy.. nomeny lalindalina tokoa tokoa ilay izy

"zay mihinana ny vatako sy misotro ny rako
no manana ny fiainana mandrakizay sy hatsangana @ fara andro


.. fa tena fihinana ny nofoko ary tena fisotro ny rako"

dia mbola nalalininy ihany t@ alakamisy masina.. mandrak'androany! isaky ny manao komonio

3. xxx ( 13/09/2007 17:53)
nasiany any adama sy eva ba ho feno ny tany?
4. niryna ( 14/09/2007 05:09)
[quote=niryna]
Ny jaona 3:16 no mampiseho antsika ny fitiavan'Atra izao tontolo izao.

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Ny famonjena izany na "salvation" dia entina hilazana fa afaka amin'ny gadran'ny fahotana na ny ota(eternala death) ny olona ka lasa manana fiainana mandrakizay(eternal life)

Aiza izany fiainana mandrakizay izany?
Ao amin'i Kristy.

Kristy no fiainana mandrakizay.Midira amin'ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.Mt 7:14

Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?

Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.
Jaona 14:5-7


5. niryna ( 14/09/2007 05:35)

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Jaona 3:16

Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao

Nasehon'Atra tamin'izao tontolo izao ny fitiavany ahy sy ianao ary isika rehetra tsy misy ankanavaka.
Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Rom 5:8

Nomeny ny zanany lahitokana

fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. Mat 20:28

Ahoana no nanomezan'Atra ny zanany ho antsika?

Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Rom 5:8
Kristy,zanak'Atra no nisolo ny fahotantsika,rehefa maty teo amin'ny hazofijaliana Izy. Dia niteny hoe "vita" Izy .Izany hoe vita ny hiraka nampanaovin'ny ray azy mba hanavotana antsika.:D^:^
Ary rehefa nanandrana ny vinaigitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. Jaona 19:30
6. niryna ( 14/09/2007 05:42)
ahoana no hamaliantsika ny fahafantesany teo amin'ny hazofijaliana?
Mba tsy ho very izay rehetra mino azy

Raha mino isika fa Kristy dia zanak'Atra,ary raha manaiky Azy isika ho Mpamonjy antsika Izy ,dia tsy andoha ny trosan'ny fahotantsika isika.Kristy no efa nanafaka antsika tamin'izany trosa izany teo ambonin'ny hazofijaliana.
Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.

Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana* ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe*: [Na: Nisy teny naloaky ny vavan'ny fahamarinana]
Isaia 45:22-23

Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny rany isika.Rom 5:9
7. niryna ( 14/09/2007 05:43)
fa hanana fiainana mandrakizay

Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 kor 5:17

dia mba tohizinareo indray ary ny manaraka :D

ahoana izany manana fiainana mandrakizay izany?
8. xxx ( 14/09/2007 08:28)
ny FIAINANA MANDRAKIZAY VE ?
recompense ho an'ireo zay " justes" sy reo "obeissants" nge zany e! ary io de manomboka eto an-tany , ka hatrany ambadiky ny fahafatesana, de fantatro fa marina zany!de mianara ny soratra masina ry reto a! vahaolana lehibe @ fiainana ny fahafantarana ny sitrapon'Atra sy ny tanjony ho antsika olombelona, misy tanjona ao matoa tsika nomeny ty fiainana ity, marina e!
"fantàro ny zvt rehetra, ary hazony mafy zay tsara"
9. kalina80 ( 14/09/2007 11:43)
[quote=niryna]


ahoana izany manana fiainana mandrakizay izany?



Ny manana ny fiainana mandrakizay ve?
ireo olona izay handova ny paradisa soa: ilay toerana efa natokan'Atra handraisana ireo izay nandray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany sy ireo izay nanao ny asana teto an_tany.



10. ikaretsaka ( 14/09/2007 16:39)
dia rehefa vita ilay "izay" amin'ny fiainana mandrak' "Izay" dia ahoana?
:wink:
11. kalina80 ( 14/09/2007 16:59)
ikaretsaka:

dia rehefa vita ilay "izay" amin'ny fiainana mandrak' "Izay" dia ahoana?
:wink:



d zay koa , hiaina am-pifaliana mandrakizay (éternellement) isika.Inona no mbola taduiavin'ikaretsaka ndray ankoatra izany?


12. ikaretsaka ( 14/09/2007 17:04)
ka rehefa vita ilay mandrakizay ka
rehefa vita le eternel?
13. fijo ( 14/09/2007 20:34)
za aloha dia mpankafy ny rany.io ihany.

ary sao dia nanaonao foan akosa le zanany de voasazy...
14. ikaretsaka ( 14/09/2007 23:24)
kalina> ny any @ afobe kao "mandrakizay" hono koa
15. niryna ( 15/09/2007 00:20)
xxx:

ny FIAINANA MANDRAKIZAY VE ?
recompense ho an'ireo zay " justes" sy reo "obeissants" nge zany e! ary io de manomboka eto an-tany , ka hatrany ambadiky ny fahafatesana, de fantatro fa marina zany!de mianara ny soratra masina ry reto a! vahaolana lehibe @ fiainana ny fahafantarana ny sitrapon'Atra sy ny tanjony ho antsika olombelona, misy tanjona ao matoa tsika nomeny ty fiainana ity, marina e!
"fantàro ny zvt rehetra, ary hazony mafy zay tsara"



=D:*
16. niryna ( 15/09/2007 00:39)
[quote=kalina80]
[quote=niryna]


ahoana izany manana fiainana mandrakizay izany?

Ny manana ny fiainana mandrakizay ve?
ireo olona izay handova ny paradisa soa: ilay toerana efa natokan'Atra handraisana ireo izay nandray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany sy ireo izay nanao ny asana teto an_tany.
ie ,dia ampiko kely koa hoe ireo izay:
Raha tokony hanana fiainana tsy hita izy,na maty ny fanahiny rehefa tonga ny fitsarana (etenal death) izy mampisaraka ny olona amin'Atra dia lasa mahazo fiainana mandrakizay (eternal life)izy izany hoe manomboka izao hitenenako izao ka manana fahatokisana an'i kristy izy, raha ohatra ka:
ho an'izay mino rehetra,ary amin'ny fotoana izay hatokisany sy hinoany an'i KJ (the moment you trust and believe Christ).
[b] Inona no mitranga a ! amin'ny fotoana hinoako sy hatokisako an'i Kristy ??:roll:

*voavela ny helokao(your sins are forgiven)
Kol 1:14
*lasa zanak'Atra hianao(you become a child of God) Jao 1:12
*mandova ny fanjakan'ny lanitra hianao(you possess eternal life) Jao 3:16

Ny fanontaniako dia hoe :Efa nandray an'i Kristy ho Tomponao sy Mpamonjy anao ve hianao?
Raha mino sy matoky Azy hianao dia afaka manaiky izany eny fa na dia amin'izao fotoana hanoratako ho anao izao aza.

Fa tsy misy hafa, na ny Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy. Fa "izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5). Rom 10:12-13









17. niryna ( 15/09/2007 01:09)
ikaretsaka:

dia rehefa vita ilay "izay" amin'ny fiainana mandrak' "Izay" dia ahoana?
:wink:


dia tonga ilay fahasambarana lehibe:mihira,mivavaka,mihaino ny aleloia hosana,hosana any amin'ny avo indrindra.Izay tsy tia mamaky baiboly aloha dia asa aloha e,mety ho mandeha tour ny mamaky baiboly:D:D,tsy misy intsony izany fahoriana izany,ny aretina rehetra dia efa nalevina any ambanin'ny rangolahy raha lasa alohan'izany.Tsy misy kilemaina na jamba fa dia omena fanahy feno vaovao.(vakio ny transfiguration-ny kristy fa toy izany koa no ho lovan-tsika.Lk 9:28-36,Mrk 9:2-8.
Ity vatana miakanjo tsara na mikimosimosy ity dia tsy izaho na hianao intsony,fanahy ao anatintsika no maha antsika.Tsy misy mpanankarena na mahantra.
Aleloia praise the lord tsy misy farany,tsy misy hoe aiza ny zanako na hoe aiza ny vadiko.Miara mihira sy mankalaza an'Atra daholo.Angaha niryna efa tany an-danitra no mahalala an'izany:roll:
Dia samy mandray ny medaille d'honneur daholo ny mpino rehetra according ny asa nanompoany an'Atra.Tsy hoe nanao an'izao aho an,nitory ny tenin'Atra ve ianao ? Arakaran'izay nataony izany.Dia misotro ny divay tsy misy toxic fa dovay hafakely.
Maneno daholo ny trompetra ny zava-maneno rehetra,tsy manao raharaha intsony,foana hatreo ny adin-tsaina sy ny fankahalana ,ny fangalarana,ny fitiavan-tena,tsy afaka mijerijery na mitsiriritra olona na zavatra ,na izay fakam-panahy mety handavo ny olona vokatry ny nofo malemy.Fiainana vaovao ary tsy miaraka amin'ny vady aman-janaka intsony fa lasa iray ao amin'ny Tompo daholo.Tsy misy hoe kato e,protest e,anglikana e,mety misy ireo izay tsy mino an'i Kristy koa tonga any satria nandray famonjena ,mety tato amin'ny serasera izy no nanomboka nandalina dia nino sns..
18. niryna ( 15/09/2007 01:10)
ikaretsaka:

dia rehefa vita ilay "izay" amin'ny fiainana mandrak' "Izay" dia ahoana?
:wink:


Ity ny endrika fiovan'i kristy:

Mat 17:1-8

1-Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

2 Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.

3 Ary, indro, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.

4 Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.

5 Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.

6 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.

7 Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa aza matahotra.

8 Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
19. niryna ( 15/09/2007 01:18)
Dia ity indray ny antsika olombelona
Aleo aloha hazava fa tsy afaka mankalaza an'Atra intsony ny maty raha amin'izao andro hiainantsika izao no asiako teny.Tsy afaka mivavaka na miresaka ny havana efa maty intsony izany isika fa efa any ambanin'ny tany izy ireny,malahelo isika kanefa fadio ny mivavaka satria mety ny feon'i satana no alainy ho feon'ny ray na reninao ohatra.Vaosoratra io ka aza lavina.

Rehefa tonga ny fiverenan'i Kristy no hafa indray iny satria hoy ny soratra hoe:5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.

6 Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy.
Mpit 9:5-6
20. niryna ( 15/09/2007 02:09)
Dia mbola voalaza ihany koa fa tsy afaka mankalaza an'Atra intsony ny maty,ka tandremo isika sao voafitak'i satana fa azy ity toerana misy antsika ity,ary izy koa dia manao fahagagana maro fa misy fetrany,mahay maka ny feon'ny olona izay heverinao fa mbola afaka hiresahana na dia maty aza .Mandra-pahafantaranao ny marina kanefa efa notenenina hianao dia efa lasa lavitra ny fitaka sy ny zava-dratsy ataony anao.
5 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera Anao?Sal 6:5
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5905