Fiainana mandrakizay(The promise of salvation)

21. niryna ( 15/09/2007 02:21)
Hiova ao anatin'indray mipi-maso ny olomboavonjy:

[b]51Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,

52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.

53 Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.[b]1kor 15:51-53
"The blood of Jesus Christ is the power to wash,to clean us in all sins and to make us close to God.Turn from darkness to light."
Ny ran'i JK no hery lehibe nanasa sy nanadio ny fahotantsika ary Izy no mitondra antsika hanatona ny Ray.Mivoha ao anaty maizina(tsy finoana,fankahalana, fahadisoana,heloka,fanaovana toetra tsy mifanarana ny sitrapon'ny Tompo ,ny tsy fahatokisana fa mamaly vavaka Izy,ny fananana hambo-po,ny tsy finoana fa misy Izy,manasitrana Izy,manafaka ny gadran'ny ratsy rehetra Izy sns)Efa nomeny antsika ny jiron'ny fahazavana dia i Kristy izany,maneke Azy ho mpanavotra sy ho Tompo fa ho vonjena hianao.Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray [Na: ateraka avy any ambony.] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
22. niryna ( 15/09/2007 02:24)
fijo:

za aloha dia mpankafy ny rany.io ihany.

ary sao dia nanaonao foan akosa le zanany de voasazy...



:cry:
23. niryna ( 15/09/2007 02:25)
ikaretsaka:

kalina> ny any @ afobe kao "mandrakizay" hono koa

eternal death ny afobe raha tsy manana an'i krisy ho mpanavotra azy ny olona ary tsy misy na iray aza afaka mankany amin'ny ray.Voasoratra io ka tsy azo lavina.

24. ikaretsaka ( 15/09/2007 19:38)
samy mi claim an'io fandehanana any daholo anie ry niryna ny fivavahana rehetra e
raha jerena isam-boky e..

@ baiboly Kristianina izao dia io no voalaza.
ny boky hafa dia milaza fa @ alalan'ny zavatra hafa ny ahatongavana any
ny bodista ohatra milaza fa zavatra hafa koa no mahatonga azy ho any..

arakara-pivavahana io fa tsisy exclusivite
25. niryna ( 16/09/2007 07:27)
ikaretsaka:

samy mi claim an'io fandehanana any daholo anie ry niryna ny fivavahana rehetra e
raha jerena isam-boky e..

@ baiboly Kristianina izao dia io no voalaza.
ny boky hafa dia milaza fa @ alalan'ny zavatra hafa ny ahatongavana any
ny bodista ohatra milaza fa zavatra hafa koa no mahatonga azy ho any..

arakara-pivavahana io fa tsisy exclusivite


:roll:dia tano ny anao,mahazo mamaky ny hafany hianao fa tano sy fantaro izay hinoanao.:*

26. tywa68 ( 17/09/2007 07:09)
niryna : f'impiry no averina aminao fa tsy mivavaka @ maty ny olona raha miresaka aminy, fa mivavaka ho azy ?
27. ikaretsaka ( 17/09/2007 12:14)
tywa> sarotra be ny miverina manasa atidoha voasasa...raha tsy rehefa maloto indray (padre pio)
28. tywa68 ( 17/09/2007 12:20)
Ika : ka na d reraka aza dia averiko koa ny ahy e :lol:
29. fijo ( 19/09/2007 20:48)
hi hi hi ,de horeraka eo tokoa anie toi e
30. niryna ( 22/09/2007 02:39)
tywa68:

niryna : f'impiry no averina aminao fa tsy mivavaka @ maty ny olona raha miresaka aminy, fa mivavaka ho azy ?

Teny gasy mazava izany.Miresaka anie ny atao hoe mivavaka e,miresaka amin'Atra izay mahazo anao,na misaotra azy amin'izay zavatra nataony anao.Manao inona ilay olona tsy miresaka:arrow:mivavaka.Inona izany aminao? Manao ahoana i mama,miresaka toy ny misy olona eo akaikiny,mandrehitra labozia dia mandohalika eo amin'ny trano tsy misy mamaly.Manao inona izany?
Eny e,aleo atao hoe tsy mivavaka .
Aminao manao inona izany ilay olona raha mieritreritra ilay olon-tiana efa maty? Inona no ataony? inona no ataonao aminy?

Amiko ny tanjoko dia ny ahalalan'ny olona ny marina izay ao anaty baiboly.Raha miteny Atra hoe aza mivavaka amin'ny maty fa tsy afaka hamaly na hidera ahy intsony ireny.Izay izany no hafany raha manao fihetsika mitovy izany aho dia manohitra izay teneniny.Izy ity anie tsy ny hoe opinion no hitondrana azy e,samy manana raha izany ny tsirairay.Ny baiboly no base-a azy eny fa na dia misy aza no tsy manaiky an'izany.

LIOKA 11:22-23

22 Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.

23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0889