Ny athée

1. gasynamana ( 12/09/2007 12:53)
Ny athée ve olona:

Tsy mino ny fisian'Andriamanitra

sa
Tsy mahalala ny fisian'Andriamanitra

sa

Tsy te hahalala ny fisian'Andriamanitra, na tsy miraharaha an'Andriamanitra

Misokatra ho antsika ny adihevitra
2. vegas ( 12/09/2007 13:30)
mahalala izy fa tsy mino.
3. ikaretsaka ( 12/09/2007 15:11)
mahalala aby fa tsy mino..
tsy maintsy misy anie le zavatra vao inoana na ekena e.., meme na anarana fotsiny aza!

fantatrareo ohatra hoe le "boribory misy rambony" dia "a" ny dikany
dia izy tsy manao izay, fa ny azy ohatran'ny tour eiffel ny "A" any!
methaphore io a:wink:
4. melody ( 12/09/2007 15:38)
ny fahalalako ny athé indray dia tena tsy mino mihintsy ny fisian'Atra.
5. soanja ( 12/09/2007 15:42)
gasynamana:

Ny athée ve olona:

Tsy mino ny fisian'Andriamanitra

sa
Tsy mahalala ny fisian'Andriamanitra

sa

Tsy te hahalala ny fisian'Andriamanitra, na tsy miraharaha an'Andriamanitra

Misokatra ho antsika ny adihevitra


Ny athee amin'ny ankapobeny dia miezaka izy na manery ny tenany izy hino sady hanome porofo fa tsy misy Andriamanitra.

Saingy miankina amin'ny toerana na manodidina iainan'ilay olona no mampitombina io hevitro io na tsia.

Zany hoe misy ny zaza iray teraka dia efa tsy nampahafantatra azy momba izany ATRA izany ny RAD-niny de noho izany dia rehefa lehibe izy dia tsy misy aminy Atra. Aty afara izy vao mety hikaroka na hahita AZY amin'ny lafim-piainana samihafa. Nefa raha tsy manana izany fitiavana te hikaroka sy hitady ary hanavao sy hanova izany izy dia ho Athee foana izy mandramaty.

Ireo izay miantso ny tenany ho Athee anefa dia manana ny didifolony na lalam-piainana toa antsika mpino ihany koa. Io no antsoina hoe ETHICS. Ka ny zava-drehetra mba ampilamina azy sy ampisosa ny fiainany dia ampanarahany an'io. Ary io no ampianarany/hanabeazany ny zanany.

Izay no mahatonga ny olona Athee hahavita zava-tsoa isan-karazany ka mampitalanjona ny Mpino be dia be nefa dia samy mahafantatra fa tsy mino an'Atra ireo olona ireo.


6. ratonga ( 12/09/2007 16:44)
gasynamana:

Ny athée ve olona:

Tsy mino ny fisian'Andriamanitra

sa
Tsy mahalala ny fisian'Andriamanitra

sa

Tsy te hahalala ny fisian'Andriamanitra, na tsy miraharaha an'Andriamanitra

Misokatra ho antsika ny adihevitra



tsy té hivadika atidoha amin'ny zavatra tsy misy dikany:lol:
7. zoubelou ( 12/09/2007 16:57)
Ireo oul manam-pahaizana sy mpandinika siansa no lasa Athée matetika...Satria tsy mionona amin'izay voalazan'ny Baiboly izy fa mikaroka dia... mahita zavatra...
8. fijo ( 12/09/2007 19:35)
tsy tokony hionona mihintsy amin'izay voalazan'ny baiboly,satria io dia boky toa ny boky tantara rehetra fa tsy misy mahasamy hafa azy.

za dia voasokajy amin'ity andian'olona ity.za dia efa maheno foan aizany andriamanitra izany,ary efa nino taloha"toa ny dadabe noely" fa taty aoriana no tsy nino intsony.
nefa araka io voalazan'i soanja io,dia mihezaka manaraka izay itako hoe tsara amin'ny fiainana aho.mety ao anaty didy folo io,mety tsy ao koa.
za manokana dia tsy manery ny tenako tsy hino,fa dia tsy mino fotsiny.
9. cutie ( 12/09/2007 19:37)
Mpandefa : melody [ Valio ] 12-09-2007 17:38:29
Lohateny : Re : Ny athée
ny fahalalako ny athé indray dia tena tsy mino mihintsy ny fisian'Atra

miombon-kevitra :)
10. fijo ( 12/09/2007 19:51)
mazava hoazy fa tsy misy izany aho
11. gasynamana ( 12/09/2007 22:05)
za manokana dia tsy manery ny tenako tsy hino,fa dia tsy mino fotsiny.

Mampalahelo ianao, fa mahantra loatra. Tsy manana raison matotra ny tsy hinoana nefa koa malaina ny handalina. Ataoko hoe kamo sao tezitra, nefa tsy mahita teny hafa azoko ilazana azy akoatra izay aho.
12. cutie ( 12/09/2007 22:07)
Voalaza teo :
za manokana dia tsy manery ny tenako tsy hino,fa dia tsy mino fotsiny.

mety mino zavatra hafa fa tsy ATra
13. ikaretsaka ( 13/09/2007 00:39)
ka tsy maintsy misy ange aloha ilay zavatra dia izay ianao vao minona tsy mino e..
ao anaty loha io.

ohatra hoe misy ny sitlo (na olona na ilay tena izy.. azafady letsy e) dia eo @ izya ilay saina manao heo mishy izy na tsy misy
14. Veloo ( 13/09/2007 00:49)
zoubelou [ Valio ] 12-09-2007 18:57:10
Lohateny : Re : Ny athée
Ireo oul manam-pahaizana sy mpandinika siansa no lasa Athée matetika...Satria tsy mionona amin'izay voalazan'ny Baiboly izy fa mikaroka dia... mahita zavatra...


ie, lasa tsy mino izay ao @ baiboly intsony
15. ikaretsaka ( 13/09/2007 02:31)
ka tsy ny baiboly ange no finoana e, Andriamanitra no finoana, ary izany no resaka ato, na misy baiboly na tsy misy, izany tsy manakana ny finoana na tsy finoana an'A/tra.
fa ny loha sy ny fonao no mitondra an'io..

ilay Andriamanitra inoana koa manko , mila faritana tsara hoe ilay andriamanitra iza?
misy olona tsy mahay mamaky teny, fa mino an'Andriamanitra, misy olona mino an'Andriamanitra , fa fomba hafa ny inoany azy!

le finoana sy tsy finoana no resaka eto fa tsy le hoe baiboly sy tsy baiboly
16. cutie ( 13/09/2007 02:53)
manasaro-javatra :lol: ndray i Ika
17. ikaretsaka ( 13/09/2007 03:05)
ka ny anareo mitady afangaro ny paoma sy ny voasary ko! (dun put egges in the same basket)
18. cutie ( 13/09/2007 03:07)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 13-09-2007 00:07:23
Lohateny : Re : Ny athée
Voalaza teo :
Voalaza teo :
za manokana dia tsy manery ny tenako tsy hino,fa dia tsy mino fotsiny.

mety mino zavatra hafa fa tsy ATra

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 13-09-2007 02:39:38
Lohateny : Re : Ny athée
ka tsy maintsy misy ange aloha ilay zavatra dia izay ianao vao minona tsy mino e..
ao anaty loha io.
19. majesty ( 13/09/2007 04:45)
Izaho manokana dia tsy resy lahatra hoe misy olona tsy mino ny fisian'Andriamanitra izany,mino ireo fa amin'ny endriny hafa ohatra hoe ilay Andriamanitra raisiny amin'ny hoe "être suprême" izay niandohan'izao rehetra izao,
20. niryna ( 13/09/2007 05:47)
fijo:

mazava hoazy fa tsy misy izany aho

Matoa ianao mbola manaraka ny tenin'Atra ato fa tsy miala dia te-hifanohitra fotsiny.Misy foana mantsy ny momba na mankahala ilay lazaina dia ianao no isany.Mampalahelo i fijo.Raha tia fakantsary aho dia eo foana na indray andro manontolo aza.Toy izany ihany koa raha tiako ny tenin'Atra dia satriko hijanona eto amin'ny serasera foana ary mandany fotoana lava be.Porofon'izany mahafantatra ianao fa misy izy saingy manao dohika mba hilazana fa tsy misy izy(opinion-nao fotsiny io)fa tsy afaka sy tsy nana-porofo mihitsy ianao hoe tsy misy izy.Mazotoa ary manaraka ny tenin'ATra fa maro ny jiolahy nilaza azy ho dadany fa rehefa tonga ny antson'ATra dia folaka ho azy ary ireny saoly ireny no santionany, izay novakianao ato no miverina ho torianao any amin'ny hafa.:* Mitete eo amin'ny vato ny rano ary farany mitsitra ny vato.

Misy koa ny olona tsy tia hilazaina ny marina na tezitra ny fahamarinana ka manohitra izay tenenin'ny soratra masina foana(manafina ilay fahadisoana sy ilay heloka ao aminy.Mikiky io ary aleo hono enjehin''ny mpamosavy toy izay enjehin'ny eritreritra)satria ny marina mandratra kanefa ny marina no hanafaka antsika amin'ny fanagejan'ny satana(the truth hurts,but it will set us free from Satan).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1807