Ny athée

41. rabilabila ( 14/09/2007 21:13)
Ikaretsaka>>>

Ny \"theisme \" dia miankina indrindra amin\'ny finoana andriamanitra tokana ,ary io andriamanitra dia ilay nolazaina fa niavian\'izao tontolo izao.Marihiko fa ny théisme dia tsy mitovy amin\'ny déisme na dia kely fotsiny aza no tsy mampitovy aminy.Matetika aza ny déiste dia lazaina hoe tsy te-ho AT fotsiny (AT latsaka fahefany :lol:)satria ny andriamaniny dia vague be .

Ny \"athéisme\" izany ,par définition \"dia tsy mino ny zavatra sur-naturel.


42. fijo ( 14/09/2007 21:31)
be mihintsy ny diso fihevitra ato.
misy mihevitra fa mila "antony vao tsy mino",fa nareo mino ve mila antony vao nino?????
misy tsy mino mihintsy hoe misy tsy mino,mampalahelo.fa tsy nisy noterena hino izany andriamanitra izany anie e,ary raha miresaka ato izahay,tsy hoe satria te hino ,fa mba maneho ny hevitray toa anareo maneho ny hevitrareo.

hoy mamanay izay raha nahafantatra fa tsy mino aho"mino enano fa te hanadala"indrisy,fa tsy fantany fa tsy voatery hino ny zanany na nino aza izy
43. rabilabila ( 14/09/2007 21:45)
tywa68>>> tsy misy AT plus ou moins izany toa ny hoe tsy misy olona plus ou mois virijiny .
Tsy mila miandry antso izy satria miezaka mitady ny valim-panontaniany amin'ny alàlan'ny natiora ,ny siansa ,ny filozofia ....
Tsy mitompo teny fatratra izy hoe manana ny fahamarinana satria izay vahaolana hita androany mety tsy hamaha ny olana rahampitso.

Ny mampalahelo fotsiny dia ny fanondroan'ny mpino molotra azy ho fosotry ny hadalàna rehatra izay mitranga eto ambonin'ny tany
44. fijo ( 14/09/2007 22:00)
marina mihintsy io,ny mpino dia mihevitra fa rehefa tsy mino dia ratsy.asa nefa,fa amiko,tsy mila mino vao mahalala fa ratsy ny mamon olona.tsy mila mino vao ahalala fa ratsy ny mangalatra vadin'olona(ny mpino aza manao an'io ny sasany)tsy mila mino vao hafaka ahalala fa ratsy miady fahatany.tsy mila mino vao hoafaka ahalala fa ratsy ny manao herisetra fotsiny.
45. gasynamana ( 15/09/2007 11:14)
Ny tsy mazava amin'ny sasany angamba dia ny dikan'ny teny hoe: MINO.

Ekena fa tsy an-tery ny tsy finoana na finoana. Manana ny fahafahany tanteraka ny tsirairay hisafidy izay hitondrany ny fiainany.
Fa ho an'ny kristiana inona kosa no mampiavaka azy amin'ny tsy mpino? na hoe inona ny zavatra ananany nefa tsy mba ananan'ny tsy mpino?
Laviko kosa ny hevitra fa tena mandalina hahita ny marina momba ny finoana ny athée. Raha tena mandalina mantsy izy dia hahita ny tena marina. Misykoa anefa ny mahafantatra fa minia mikipy fotsiny. Raha ireo mpandalina athée ohatra no jerena dia maro no mandà ny fisian'Andriamanitra tsotra izao satria manelingelina azy izany. Ekeny fa misy io, saingy alany eo amin'ny fiainany sy ny fandinihany ny fisiany noho ny antony mazava (jereo Sartre, Marx...).
Raha tsy misy fototra mazava ny tsy finoany dia hita taratra amin'ny zavatra ataon'izy ireo na ny teny ambarany ny fanaovany toton'omby bory toy ny kristiana tsy mandalina ny finoany ihany.
46. mbaliana ( 15/09/2007 12:14)
Mitovy hevitra amin'i rabilabila.. ny athé tsy mino ny fisian'ny pouvoir surnaturel fa mitady foana ny explication scientifique ry zareo... misy foana ny cause vao misy ny réaction...na dia mbola maro aza ny phenomène tsy ahita-dry zareo ny valiny.
dia zay no mahatonga ny AT koa manaja ny fiaraha-monina.. misy ny la paix rehefa tsy misy ny fangalarana ohatra... on fait une telle chose pour avoir une autre chose... ny At koa tsy midika hoe mauvais esprit...
Ny hitako ny At manana eritreritra tsara fa tsy miafara hoe ho an'olona le izy fa ny tenany no voalohany vao ny hafa...tsy hoe egoisme akory fa zay le principe...
47. gasynamana ( 15/09/2007 14:05)
Ny athée dia tsy voatery ho siantifika. Toy ny hoe ny siantifika rehetra koa dia tsy athée.

Fa maninona no tsy mino an'Andriamanitra izy ireo? Na ny marina kokoa angamba dia ny hoe: fa inona no antony analan'izy ireo an'Andriamanitra eo amin'ny fiainany?

Misy fomba fijery iray io voalazan'i mbalina io ambony io, izay azo porofona amin'ny alalan'ny tranga maro: Alana eo amin'ny fiainana Andriamanitra mba ho ny tena no voalohany fa tsy misy hafa. Fitiavan-tena ve zany? Fanimban-tena indraindray satria mihevin-tena ho tompon'ny tenany tanteraka ka mandeha araka izay saim-pantany fotsiny. Hatraiza anefa ny fahalalany? Ny marina hitany androany disoany indray ampitso, dia toy izany foana... Eto dia mba misarika anareo aho handinika kely ny hevitr'ireo athée maro, ny fiainany sns... Ilain'ny kristiana ny mamantatra an'izany. Izaho tsy milaza aminareo hoe tsarao na ratsy na tsara ny athée, fa te hisarika fotsiny anareo handalina ny hoe: inona no mampiavaka ny kristiana sy ny mpino aminy.
48. rabilabila ( 16/09/2007 22:05)
Gasynamana>>
marina dia marina tokoa io fehezan-teny voalohany io ,hoy aho hoe :ireo AT dia miezaka lalandava hanazàva ny zava-mitranga amin\'ny alàlan\'ny siansa , na filozofia....sy ireo taranja rehetra mitaky fandinihina.
Alana eo amin\'ny fiainana Andriamanitra mba ho ny tena no voalohany fa tsy misy hafa. Fitiavan-tena ve zany? Fanimban-tena indraindray satria mihevin-tena ho tompon\'ny tenany tanteraka ka mandeha araka izay saim-pantany fotsiny.



raha ny fahalalàko azy dia rehefa teraka isika dia samy niboridana aby ary tsy nanana izany finoana izany .Ny fitaizana no nitondra tamin\'ny finoana fa tsy safidy manokana akory.
Io fehezan-teny notsongoiko io dia tsy zaraiko aminao .Ny antony ? Raha zohiana ny tantara dia tsy mbola nisy AT (ankoatran\'ny AT idéologique tany URSS)nahavanin-doza ka nahatonga ireo ady maro samihafa nitranga .
Ny fitiavan-tena sy ny fanimban-tena angamba aloha dia spécialitén-draolombelona na iza izy na iza fa tsy exclusivité n\' AT akory.Raha ataonao ho an\'ny tsy mpino fotsiny mantsy izy io dia toa miteny ianao izany hoe tsy manana fahendrena izahay tsy mino .

Hatraiza anefa ny fahalalany? Ny marina hitany androany disoany indray ampitso, dia toy izany foana...


Ny fahalalàny ? Toa ny olona rehetra ,rehefa tsy nianatra na nandinika ny zava-boahary (toa ireo RAD mahafantatra ny natiora ka mahalàla hoe ito ravinkazo ito mety hanasitrana ,na mety mahafaty raha diso dosy...).
ny maha-samihafa azy dia tsy dogmatique izy fa mikaroka hatrany ny mety ho dikan\'ny zava-mitranga fa tsy mametraka izany ho fahasoavan\'atra na fitsapàna ,na koa hoe :efa voasoratra fa...
Soa fa ny marina androany mety ho diso rahampitso raha tsy izany ireo fanafody hita fa mitsabo vavony androany nefa nisy effets secondaires dia nijanona teo foana raha tsy nanaiky ilay olona nahita an\'io fa ilay fanafody vaovao manasitrana vavony tsaratsara kokoa satria negligeables ireo effets secondaires . Izay no tiako nolazaina tamin\'io,tsy mitompo teny fantatra izy ary tsy milaza ho mitazona ny fahamarinana fa izay hitany androany ka mety mamaly ny fanontaniany dia mety voatsipaka rahampitso raha misy théorie mitombona kokoa ,izany hoe en perpetuelle doute et questionnement izy ary EKENY IZANY contrairement amin\'ny dogme izay tsy misy alaharo alaharo fa tsy maitsy ekena.
Misaotra

49. tywa68 ( 17/09/2007 06:22)
Taiza koa ny nisy niteny hoe AT + ou - zany ? mba avereno vakiana aloha e ! mifankaiza @io nosoratako io ny valiny nomenao ???:lol:
Mba maneke hoe marina zany na diso satria zao sy zao, fa tsy ny efa voalazako no averina indray.:lol:
Tsy misy manondro molotra ny AT fa arakarak'ilay famaliana no hahitàna raha tena tsy manavaka ny AT, jereo fotsiny ny farateny nataonao io ambony io ...
Isika rehetra efa fantatra fa olombelona, fa ao ny tsy te-halala ny fitiavan'Atra, ka tsy maheno azy, satria repotra mitady vola sy ny rendrarendran'izao tontolo zao.
Ny AT zany dia miaina au jour le jour hoy ny vazaha ary tsy mino ny fiainana vaovao aorian'ny fahafatesana, izay hilofosan'ny mpino ny hahazahoana azy.
50. mbaliana ( 17/09/2007 10:05)
Raha zohiana ny tantara dia tsy mbola nisy AT (ankoatran\'ny AT idéologique tany URSS)nahavanin-doza ka nahatonga ireo ady maro samihafa nitranga .


ary Hitler ve tsy AT?

Soa fa ny marina androany mety ho diso rahampitso raha tsy izany ireo fanafody hita fa mitsabo vavony androany nefa nisy effets secondaires dia nijanona teo foana raha tsy nanaiky ilay olona nahita an\'io fa ilay fanafody vaovao manasitrana vavony tsaratsara kokoa satria negligeables ireo effets secondaires .


Tsy manana verité absolue koa zany na siansa na technologie izay presk AT ...


namanagasy>
inona no mampiavaka ny kristiana sy ny mpino aminy.
amiko dia i Atra Andriananahary no nanome anao ao amin\'ny situation iray dia zakanao iny zany...tsy amin\'ny fiandrasana fotsiny anefa fa tsy maintsy arahina asa...
51. rabilabila ( 17/09/2007 22:22)

Mbaliana>>

ary Hitler ve tsy AT?


Tsy AT i hitler fa katolika saingy contre ny kristianisme.
Aza adino fa :
-Izy dia nanery ny tanora aléma hivavaka rehefa any am-pianarana.
-Izy , raha tonga teo amin\'ny chancellerie dia nofinidin\'ny vahoaka aléma na dia efa fatanjareo aza ny foto-pisainany.
- Ny fiangonana , ny vatican ,dia nanohana azy tanteraka ary ninia-nikipy tamin\'ireo habibiana natao tamin\'ny jiosy , ny homosexuel, ny tzigane , ny sembana .

Tsy manana verité absolue koa zany na siansa na technologie izay presk AT ...


Ny siantifika ,raha mametraka ny maha-siantifika azy alohan\'ny finoany ( ho an\'ireo siantifika mpino ) dia dia tsy manana ny verité absolue mazava ho azy ;hoy izy hoe :\"tsy hoe tsy misy valiny io fanontaniana io ,fa mbola tsy hita ny valiny \"

Tiako ho soritana kely:
Ny anton\'ny AT akory dia tsy hitady na hanazava ny tsy fisian\'atra ,tsy olany izany satria ny sur-naturel dia tsy misy aminy .Manantena fotsiny izy hoe manana \"raison\" ny olombelona ka izay no mahatonga azy hanipika ireo hevitra izay heveriny fa manabotry ny fivoaran\'ny zanak\'olombelona.

Tywa68>>

Ny AT zany dia miaina au jour le jour ...


Samihafa ny atao hoe \"vivre au jour le jour\" sy ny \" vivre ici et maintenant \" inona no dikan\'izany ?

Ary tsy nanavaka aho fa mampiseho ny faha-samihafàna.
na tsy azoko ilay ataonao hoe \"farateny\"

Raha ny momba ny fehezan-teny voalohany indray dia ekeko fa izaho no diso famàky .

Mbola tsy naheno ilay fiantsoana izy na tsy te-hihaino koa !


Io fehezan-teny io angamba no nahatonga ahy ho nitsambiki-nikipy.Ialàna tsiny.

Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0455