Tany ampiasana...!

1. rova30 ( 11/09/2007 22:45)
Tsy haiko na aiza no tokony hametrahako ity hevitra ity, fa eto aloha: Zendana ny saiko, satria ilay olona mpiara- miasa amiko tena raboaiza(ta- ta-ta tatata) Mankarenintsofina ,akoatr\' izay anefa dia mahafinaritra ny fiaraha- miasa. Tsy hitako izay fomba hataoko mba hampangina azy , iny amin\' ny faran\' ny herin\'andro iny no tena tsy ahazakako, rehefa reraky ny asa , fa tsy misy (.) na(,) mihitsy izany rey olona. Mba manontany vaovao aho,indraindray,(par politèsse) fa ehe! anenenana foana matetika; ohatr\'ireny barazy vaky ireny.Miandry izay mba tsipi-teny avy aty aminareo e!Misaotra !
novalian'i rova30 ny 14/09/2007 13:47
2. xxx ( 11/09/2007 22:58)
anaovy vazivazy hoe: ary ianao ity koa tena mandeha pile mihitsy an.
ary raha masiaka ianao dia hoe: ny vavanao tahaka ny machine mihitsy an.
3. ikaretsaka ( 11/09/2007 23:00)
vazivadina tokao rehefa izany mifankazatra izany ko! atao hoe midina ny volume, na hoe tokony efa vonoina ny radio..
na hoe efa mihidy ny confessionnal
4. rova30 ( 11/09/2007 23:17)
...Ka ny olana amin'ilay izy anie dia olona efa zokinjokiny be ihany izy no sady ihany koa patron;efa mba maromaro ihany izay teny nitsivalana nataoko izay fa ehe !...tsy nandraha; ataoko amin' ny tsiky, aha! ataoko amin' ny montotra fa um umum!Ary tsy amiko irery izy no manao izao fa amin' ny mpiara- miasa rehetra mihintsy!Fa ny olana dia izaho no tena akaiky azy indrindra.Efa toetra angamba ilay izy, sa aretina, asa?!
5. soanja ( 12/09/2007 05:13)
rova30:

...Ka ny olana amin'ilay izy anie dia olona efa zokinjokiny be ihany izy no sady ihany koa patron;efa mba maromaro ihany izay teny nitsivalana nataoko izay fa ehe !...tsy nandraha; ataoko amin' ny tsiky, aha! ataoko amin' ny montotra fa um umum!Ary tsy amiko irery izy no manao izao fa amin' ny mpiara- miasa rehetra mihintsy!Fa ny olana dia izaho no tena akaiky azy indrindra.Efa toetra angamba ilay izy, sa aretina, asa?!


Sady azo lazaina fa toetra ilay izy raha ny fitantaranao azy no sady aretina koa.
Betsaka tokoa ny olona tsy mahalala fa misy fetrany ny fakan'ny olona ny teniny na ny serasera.
Ny hitako raha izaho dia milaza aminy tsotra fotsiny ny momba anao.
Ohatra hoe: "Izaho ry Dadasonina dia tsy mba be resaka loatra rehefa maraina ary tsy mahatanty resahina lavareny loatra, fa rehefa mba malalaka iny isika vao miresaka tsara. Sa ahoana hozy ianao?
Ny olako mantsy raha toa ka misy miresaka amiko loatra eo ampanaovana zavatra dia lasa badenina aho de manjary tsy vita tsara indray ny asantsika. Lazaiko ianao rehefa te hiresaka aho na izaho le manaka=dresaka iny de te hiresaka aho izay!"

De jereo raha mety handaitra io na tsia. Ny honest amin'ny hafa momba ny zavatra atao sy ny momba anao ihany no afaka hanampy anao satria misy tokoa ny olona tsy mahay mamaky fihetsika na maminavina na tantin'ny hafa ny zavatra iray na tsia (non-verbal communication cues)

Raha mbola tsy miraika izy de aretina tokoa ka eo no mipetraka ny fanontaniana na fahasalamana no zava-dehibe na karama. Mahereza hatrany.


6. tywa68 ( 12/09/2007 05:24)
tenenina tsotra hoe tena tsy te-hiaino anao izao fa aleo miandry misy fotoana kely iny dia io voalazan'i Soanja io e ! Rehefa tsy azony io dia miala @ilay efitra mihitsy ianao maka rivotra, dia mijanona ho azy izy, rehefa miverimberina ny fialànao an'ilay efitra, dia kôpy izy hoe tsy tokony hitatatata.
7. rova30 ( 12/09/2007 06:58)
Efa mba maromaro ihany anie izay fika nandramako izay , fa tsy nisy nahomby e! Ireo voalazanareo eo ambony ireo , efa sendra azy fa aha! Hasiako kadena angamba raha izao no hitohy.Ilay nolazain' i Soanja hoe fahasalamana sa karama no zava- dehibe? Mazava ho azy, fa 'lay hoe hametraka demission noho io antony io,tena tsy valable angamba eo amin'ny fanjakana. Efa ela ihany mantsy aho no niasa tao amin' ilay boite(7taona).Dia tsy hisy na dia "chomage" aza izany!Nefa na izany aza efa maminavina ihany aho ny ho amin' izay vahaolana izay.Zendana ho' aho!!!?!!!!????????????????
8. rova30 ( 12/09/2007 07:12)
...Misy an' izany hoe 'lay eo ampiresahana iny tonga dia ilaozako fotsiny izao, nefa tsy leo fa na izy : manara-b... na rehefa miverina aho dia mitohy ihany ny radio! Izany hoe miantso amin' ny phone izany mantsy dia aoka fotsiny hoy ianao, voatery tapahiko haingana foana ilay resaka. Nefa anie ity izaho ity ka mba be resaka ihany, fa dia nampiaiky ahy izany raha olona.
9. tywa68 ( 12/09/2007 07:21)
tsy hialàko @ asako kosa zany ry rova30 a ! mangatak @ patrô ho sarahina birao angaha tsy azo atao ?
10. bozyboleta ( 12/09/2007 07:49)
Asio ecouteur ny sofina roa de mba teneno moramora izy hoe aleo ndray za alou mba hihaino hira r'ise fa ratoandro ndray miresaka a! Sady ise koa hoe efa mitady ho low bat :-D
De refa atoandro ndray de lazao fa hihaino vaovao na tantara.
11. diamondra27 ( 12/09/2007 09:02)
lazao anay avy aloha ny zavatra efa nataonao taminy de atoroko anao ny tokony atao.
Misaotra ny manome ny liste

raha tsy nandaitra ilay notenenin'i soanja io de misy iray hafa azo atoro anao
12. sonwin ( 12/09/2007 10:53)
manoaka rehefa miha-lava be le koz' dia kop' izy
13. rova30 ( 12/09/2007 12:28)
Ireto izany ny santionany ry Diamondra:(marihiko fa patron-ko ilay olona ary tsy afaka miova poste aho fa mifameno ny asanay. 1° Hodiako tsy heno ny resany rehefa tsy tiako tohizana.2°Hovaiko resaka hafa tsy dia misy dikany eo no eo.3°Hanianiako matetika raha vao sendra ny saiko mirana .4°Manao montotra be vao maraina aho ka mandra- paharivan\' ny andro...dia izaho indray no hitadiavany izao blague bèlge à deux bal rehetra hitany izao:hampitsiky ahy no mba ao antsainy amin\' io !Indrisy ! Toa izaho indray no romotra alohany.5°rehefa hanontaniany aho hoe: fa maninona no tsy ahitandresaka? Dia valiako mora foana : lache-moi le basket!...J\'pas envie des parler;eiss...Miova staton fotsiny \'lay radio fa tsy mety mipika.Tsy amin\' ny teny gasy koa moa ny firesako aminy ka tsy mazava aminy;6°Asiako izany hoe banjiniko fotsiny izy rehefa miteny, fa tsy misy miditra ato antsaiko ny resany ; fa tsia, raha mbola afaka miteny ny anao , dia ta ta ta ihany ahoha;7°Mampalahelo ahy izy ,fa mety izany angamba ho\'aho ny fisehon\' izany hoe depression nervezy izany .DIA AVELAKO IZY HANALA NY FONY!!!!!!!!!!!!!
14. ikaretsaka ( 12/09/2007 17:24)

sonwin:
manoaka rehefa miha-lava be le koz' dia kop' izy
sonwin.. ny ahy koa... de avy lazaiko hoe maninona a? =))
15. rova30 ( 12/09/2007 18:56)
Izaho aloha tsy nanohaka, fa 'lay valiako hoe: umhm? sy 'lay vava midanaka be reny , indraindray .Dia izaho indray no lazainy hoe: amoureuse hono, satria lasa saina no fijeriny ahy.
16. diamondra27 ( 12/09/2007 19:03)
fahitako aloha de tena tsy conscient izy @ le comportement-ny e! midika zany lasa nareo no mizaka ny ataony.

Za tsy miteny we ny ahy no marina fa mba manoro fotsiny aho raha toa ka mety, manao choix enao:
1.maninona raha vao iny izy hiresaka aminao iny de mihirahira ianao sy ignorer-nao izy.
2. ny ahy ndray tsy manoaka fa teneniko izy we: vous pouvez repeter svp.De averina matetika io
3. te hanontany indray za we: mibedy ve izy rehefa tsy vita ny asanao? Ny tiako ahatongavana de we: refa manantona anao izy ka te-hiresaka aminao de ajanony ny rehetra de henoina izy, de lazaina hoe: mihaino anao etc... de tsy manao na inona na inona
refa tsy vita ny asa de lazaina oe: ka lany fotoana niresahana taminao aho de tsy nahavita asa de @ manaraka aleo za hiasa vao miresaka isika
Le izy koa moa zany efa nitarazoka de mety tsy efficace tsony koa ity metody farany ty fa andramo ihany.

tsy tadidiko tsony ze voalaza fa enao irery ve no ataony an'zao aloha sa ny mpiara-miasa rehetra e?

MONOLOGUE ny filaza an'zany, efa tsy valian'olona mbola mitatatata ihany :-w:-w


17. rova30 ( 12/09/2007 19:33)
Tsy izaho irery akory no hanaovany izao, fa ny mpiara- miasa aminay rehetra.Indraindray raha sendra olona hiresahana iny izy , alohan'ny firavanay,dia efa fantatra izay fa himenomenona ny ampitso satria tavela niresaka adiny iray na mahery, taorian' ny nodianay rehetra.
18. rova30 ( 12/09/2007 19:45)
Diamondra27:3°/ Samy miantoka izay ahavitanay ny asanay izahay, fa rehefa tena sepotry ny asa anie ny rehetra tsy misy miteniteny intsony e!Na izy aza, fa saingy vao misy mi- temps dia efa ndao indray ny anao.
19. Veloo ( 13/09/2007 01:32)
tssssss mora be ny va-olana - omeo sakafo izy sesefo ny vavany dia tsy afaka miteny intsony:-D:-D:-D

sn hi there!
20. rova30 ( 13/09/2007 06:27)
...a! ha! ha!lany fika sa ahoana? Mbola tsy hitanao marina ny toe- batany! Eritrereto anie!!Izy mahia no lava rajanana, izaho gasy kely: Potapota ihany, ka sarotra amiko ny hameno sakafo ny vavany,voatery tsy maintsy maka tohatra aho isaky ny hanao izany; ilay izy koa 'lay hoe manao regime efa ho roapolo taona, ka tsy misakafo any ampiasana.Dia ahoooooooooana ary!?!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3329