Ho aiza ianareo rehefa vita vakance hataonareo aty an-tany?

1. salmo1 ( 08/09/2007 09:29)
- Ny sasany milaza oe: ho any fasana, ny sasany kosa mievitra fa dorana @ afo de lasa lavenona... dia tsy misy fiainana intsony rehefa maty hono izy. Tsy misy porofo fa ny azo hatao dia mino an'Andriamanitra.

* Ianareo ve manantena tokoa fa tsy misy fiainana ao ambadikiny fahafatesana:?:

* Fa nahoana ny olona no matahotra amin'ny zany oe: fahafatesana:?:

* Fantatrareo ve fa mety rampitso ihany ianareo dia vita ny vakance hataonareo aty an-tany dia veloma mandrakizay ho any namanareo, ny fianakavianareo ary fitaovana sarobidinareo.

Tsy misy siantifika mahay sy mafantatra tsara an'izao tontolo izao. Na dia dokotera favo indrindra eto an-tany aza, ianao tsy maintsy ho faty... ilay dokotera ihany koa.

Fa maninona ianareo no tsy mibebaka:?:;-)


2. mandrindra ( 08/09/2007 09:46)
ho aiza aho rehefa maty?

rehefa tapitra ny fofon'aiko dia efa nametraka taratasy aho hoe omeo an'izay mila rehetra ny taovako, dia avy eo aleveno ao toy ny efa lasa rehetra.

izaho dia tsy matahotra ny fahafatesana. rehefa maty dia amty fa tsisy ady varotra. tsy mieritreritra aho na rahoviana io no ho avy na hoe ahoana no hialako amin'io. io tsinona no zo azoko voalohany fony vao teraka aho. ny fianana ao aorianan'ny fahafatesana dia tsy misy amiko.

fa maninona no tokony hibebaka????
3. lanto ( 08/09/2007 10:03)
(entre pa fotsiny : lasa mahay teny gasy be i salmo1 an :-) )
4. salmo1 ( 08/09/2007 10:09)
mandrindra:
ho aiza aho rehefa maty?
- Ho any @ AFO i mandrindra raha tsy mibebaka.

Fa nahoana no ho any @ AFO i mandrindra?

* satry tsy mibebaka :D8)

Mbola manana fotoana i mandrindra, hakatoa izay lazain'Andrimanitra sy hanaraka ny didiny, fa tsy izay teneniko akory... Fa satria izaho dia panota tahakany mandrindra. :)8)
5. ratonga ( 08/09/2007 11:38)
miombo-kevitra an'i mandridra:lol:
fiatsaram-belatsia fotsiny ny anareo miseo ho tena mpivavaka:evil:, manota d mibebaka, dé refa vita izay dé manota dray avy eo d mibebaka dray, in ko no dikan'izany, tsy aleo ihany tsy misy d tsy meheritreritra owe manota sady tsy mila mibebaka izany :-P:-D
6. salmo1 ( 08/09/2007 12:07)
ratonga:
manota d mibebaka, dé refa vita izay dé manota dray avy eo d mibebaka dray, in ko no dikan'izany, tsy aleo ihany tsy misy d tsy meheritreritra owe manota sady tsy mila mibebaka izany


Misy tokoa izany, oh: ''ny Alahady maraina mande mivavaka any Ampiangonana dia ny ariva mangalattra akoho'', fomba fitenin'ny Malagasy mahintsy izy io.

Kanefa, lazaiko aminareo: Andriamanitra tsy hiantso ny marina fa ny panota hibebabaka. Isika dia tsy misy marina sy tanteraka. Na manana harena sy vola be aza, de manantena fa miadana be tokoa... tsia, ho diso fanantenana isika rehefa avy eo...
Mbola misy zavatra takian'Andriamanitra amintsika.
7. Achia ( 08/09/2007 12:30)
Tena izay fahotana izay mihitsy anie ratonga no andehanana mivavaka e ! mba ahazoana famelankeloka sy hery mba hialana @ ny ota e! fa ireny ol tsy mba mandeha mivavaka ireny an efa masina be ireny ka tsy olana raha tsy mivavaka aza izy
8. kalina80 ( 08/09/2007 13:12)
Amiko, tsisy tanteraka ny tsirairay eto antany na dia iray aza.Fa Atra izay fitiavana sy be fahasoavana dia mpamela heloka isan'andro ary te hanova antsika.
Tsy misy tokony hifampitsarana ny maha mpivavaka na mody mpivavaka eto fa Atra irery ihany no mahita izay ao anaty.
Izaho dia manompo an'Atra @ fiainako, tsy midika anefa izany fa tanteraka aho.Atra no mahita ny fihezahako te hanantona Azy sy ny faniriako te hiova isan'andro.Noho izany, tsy matahotra fahafatesana aho satria efa voavela ny heloko sy ny fahotako ary mino aho fa Atra tsy mandainga @ teniny Izy.Fa raha ho avy tokoa ny andro izay ialako ety dia ho eo an-kavanany aho.
9. ikaretsaka ( 08/09/2007 14:01)
misy fiteny izay manao hoe
"Ireo izay mieritreritra sy manahy sahady ny momba ny fiainana aorianan'ity fiainana ity dia ireo izay tsy misy atao amin'ity fiainana ity"

dia nisy koa hoe:
"aza manahy ny ampitso ianareo.. jereo ny voro-manidina"
10. dailynews ( 08/09/2007 16:12)
ho any andanitra salmo a.
11. cutie ( 08/09/2007 16:56)
Ho aiza ianareo rehefa vita vakance hataonareo aty an-tany?

tsy misy mahalala ny ampitso:)
12. mandrindra ( 08/09/2007 17:23)
cutie, zah mahalala, rahampitso alahady :-D:-D:-D

salmo1, tsy mitovy isika fa izaho tsy mpanota izany kaaa

ratonga, izay mantsy ilay izy
13. Fiffi ( 08/09/2007 20:38)
Achia:

mba ahazoana famelankeloka sy hery mba hialana @ ny ota e! fa ireny ol tsy mba mandeha mivavaka ireny an efa masina be ireny ka tsy olana raha tsy mivavaka aza izy
^:^^:^


14. cutie ( 09/09/2007 02:04)
Mpandefa : mandrindra [ Valio ] 08-09-2007 19:23:26
Lohateny : Re : Ho aiza ianareo rehefa vita vakance hataonareo aty an-tany?
cutie, zah mahalala, rahampitso alahady

tsy misy mahalala ny avoakan'ny ampitso aza e:D
15. niryna ( 09/09/2007 05:32)
Fiffi:

Achia:

mba ahazoana famelankeloka sy hery mba hialana @ ny ota e! fa ireny ol tsy mba mandeha mivavaka ireny an efa masina be ireny ka tsy olana raha tsy mivavaka aza izy
^:^^:^






:roll:
16. niryna ( 09/09/2007 05:33)
ikaretsaka:

misy fiteny izay manao hoe
"Ireo izay mieritreritra sy manahy sahady ny momba ny fiainana aorianan'ity fiainana ity dia ireo izay tsy misy atao amin'ity fiainana ity"

dia nisy koa hoe:
"aza manahy ny ampitso ianareo.. jereo ny voro-manidina"



:roll:
17. niryna ( 09/09/2007 05:49)
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?

Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
Rom 6:3-4
Satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.

Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
Rom 10:9
Tsy matahotra ny ho faty intsony fa mahafantatra fa manana fanantenana ny ahita azy indray fa raha mino an'i Kristy amin'ny fo manontolo,raha nandray Azy ho Mpanavotra sy ho Tompo,raha nibebaka sy nangataka taminy ny ho dioviny ny fahotana dia tsy tokony hisy doubt intsony na fanahiana ny tsy ho any an-danitra.

Tsy manao raharaha intsony na mitebiteby amin'ny fiainana na marary dia mankany amin'ny dokotera.Mivavaka sy mihirahira fotsiny,ary misotro divay hafa kely .Tsy mitapoka tsy mahamamo,mandray medaille d'honneur ihany koa.:D
18. mandrindra ( 09/09/2007 08:27)
cutie:

Mpandefa : mandrindra [ Valio ] 08-09-2007 19:23:26
Lohateny : Re : Ho aiza ianareo rehefa vita vakance hataonareo aty an-tany?
cutie, zah mahalala, rahampitso alahady

tsy misy mahalala ny avoakan'ny ampitso aza e:D


dia mbolamisy ihany koa ny fantatro amin'izay ho avokan'ny ampitso:wink:. ohatra hisy ny andro, ary hisy ny alina, ny iray segondra dia mbola ho iray segondra, ny rano dia tsy mbola ritra (rahampitso io an:D) ets, ets....:idea::P

19. ratonga ( 09/09/2007 08:39)
cutie: :lol: rampitso tsy alahady tsony fa alatsinainy dray:-D:-D:-D
mandrindra: marina mitsy letsy zany lazain-lah zany:P, ny hinoan'ny sasany anefa ngé tena mbola tsy nisy vôporofo na kely aza ny wé fiainana ao arinan'ny fahafatesana, na iray aza tsy mbola nisy niverina nilaza izay tany nefa efa nisy firy miliara zay ny oul efa maty hatramin'izay nisihan'ny zanak'olombelona:-P:P:°)
20. fasaly ( 09/09/2007 09:28)
ratonga::wink: marina ihany aloha izany e! mbola tsy nisy tonga niverina nilaza ny fiainana any ankoatra any aloha hatramzao.....:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5725