Inona no tsy tian'ny devoly ho fantantsika?

61. niryna ( 06/09/2007 07:19)
cutie:

hatrany @ fiainana any ankoatra aza mbola omeny chance hijerevana an'io
:roll::roll::roll:


izaho koa aky ry cutie mbola gaga amin'io foana.Io dia hevitra iray manasaraka ny mino sy ny tsy mpino ihany koa.
Raha mbola misy ny chance aleo izany aloha ny olona hidoroka,higoka, hiloka,hijanganjanga sns fa mbola misy chance hono izany:arrow: maty aho basin-janako avy eo.
Raha mbola nomeny chance ihany fa velona dia mibebaha fa aza mino izay chance any an-koatra hivavahana izany.Aiza ao amin'ny baiboly OOOOOOOOO olona ao am-pigadrana no atao fanoharana. Very aho ......
niryna:



Mora ve ny mitady famonjena?


Eny tsotra toy ny miditra ny varavarana :Izaho no vavahady,raha Izaho no hidiran'ny olona dia ho vonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Jaona 10:9

Mora toy ny miantso fanampina satriaizay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena. Rom 10:13

Mora toy ny miantso ny ankizy ao an-trano: Hoy i Kristy hoe mankanesa aty amiko ,hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Mat 11:28

Mora toy ny mandray zavatra avy any amin'ny olona dia ny fanomezana izany :fa fahafatesana no tambin'ny ota;ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Atra ao amin'Kristy Jesosy Tompontsika. Rom 6:23

Mora toy ny misotro rano: hoy Kristyfa na iza na iza no misotra ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay;fa ny rano izay omeko azy dia loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay . Jaona 4:14

Mora toy ny mihinana mofo dia Kristy izany:Izaho no mofon'aina..Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra;raha misy mihinana ity mofo ity ,dia ho velona mandrakizay izy ;ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. Jaona 6:48,51

Mora ho an'izay mino Azy: lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino (Ahy) no manana fiainana mandrakizay. Jaona 6:47

Kristy irery ihany no hinoana fa izay fiainana aorian'ny fahafatesana dia izy irery no mandahatra izany raha mino azy,raha tsy mino azy dia any amin'ny farihy mirehitra afo,any no misy ny fitomaniana sy ny fikotriaha-nify.

Maninona ny baiboly no tsy nilaza fa any no misy ny fahasambarana sy rehefa avy eo mbola hivavaka ireo havanareo dia mettttty ho voavela ny eloka.????

Mino azy isika dia ataon'ny ho tonga zanak'Atra ary handova Azy koa,tsy mino azy dia miandry ny fitsarana fa tsy miandry toerana any amin'ny afo fandiovana,tsy mino an'izany aho satria tsy misy milaza izany ao anaty baiboly,fanoharana no omena dia iny no anadalana ny sain'ny namana. Minoa ianareo izay mino fa ny fantatro fotsiny rehefa mino an'i JK aho dia voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiaiana ny anarako sy ny anaranao izay mino Azy.
62. majesty ( 06/09/2007 08:50)
Hoy niryna:
ka izany indrindra no antony hampahafantarana ny namana @ izay tsy ho vao rebirebiny intsony.
Efa fantatray amin'izay ny kilean'ialahy hoy ny ankizy fa izahay tsy ho azon'ialahy eo intsony
adios satanas!



Raha tianao ny ahay hanavaka ny vola sandoka sy ny tena izy,dia ilay vola tena izy no dinihinao tsara satria rehefa hainao ny tena izy dia fantatrao avy hatrany ny hosoka na firy karazany na firy,noho izany dia aza variana mijery an'izay ataon'i Satana any fa izay tena fahamarinana jerena dia ho azonao avy hatrany izay mifanohitra aminy
63. LazaDaddy ( 06/09/2007 11:18)
majesty> =D
64. hery ( 06/09/2007 12:33)
niryna> :-)

Mora toa ny miditra amin'ny vavahady ety ihany koa.
Raha misy mpirahalahy dia ny iray horaisina ny iray havela.

niryna:

Maninona ny baiboly no tsy nilaza fa any no misy ny fahasambarana sy rehefa avy eo mbola hivavaka ireo havanareo dia mettttty ho voavela ny eloka.????


Film efa nandeha ilay hoe maninona ny baiboly no tsy nilaza... Satria tsy omby ao anaty baiboly ny tenin'Andriamanitra :-) sinon tsy Andriamanitra intsony izy.

Toa misy an'izao ao amin'ny baiboly ao hoe Sombiny ihany no soratana amin'ity boky ity sns... tadiavo ao fa nareo mpamaky baiboly.
65. ikaretsaka ( 06/09/2007 14:36)
nisy tenin'i ravaka malala izay hoe
rehefa mangetaheta.. tsara kokoa ny misotro ny rano ery an-doharano (na samy manaka etaheta aza ny rano)
66. niryna ( 08/09/2007 03:10)
Toy ny mahafantatra ny tsara sy ny ratsy ihany io.
Indraindray isika manantsofina kanefa tsy maheno,mana-maso kanefa tsy mahita.
Na ao am-piangonana aza dia tonga ao koa izy ary mahay misarin'anjely ihany koa.

Resahiko fa fiainana ary tokony ho mailo isika
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy
Gal 1:8
Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. II kor 11:14

Satana miresaka efa na ny mpino aza dia mety ho voarebirebiny:
-Dia tena mino ve ianao fa ny teny ao anaty baiboly dia avy amin'Atra?
- Dia tena mino ve ianao fa voavonjy ny fanahinao?
- Tsy voavonjy ianao fa Atra tsy mamela ny heloka
-Aza mivavaka ,tsy ilaina akory ny andehanana any am-piangonana....
-Dia hoy hianao hoe misaotra ry satana amin'izany toro-hevitrao izany.

Mpandainga izy. Miambena,aza manaiky ho fitahiny.
***Rehefa manota isika ,izany no antony angatahina an'Atra ny famelankeloka sy fifonana
** Rehefa manota isika,izany no antony andehanana any am-piangonana sy hitadiavana vonjy any amin'ireo namana kristiana .
** Rehefa manota isika ,izany no antony iray hamakiana ny tenin'Atra mba hakana hery sy hampianatra antsika ny lalana sy ny fahamarinana.
:D
67. ikaretsaka ( 08/09/2007 03:55)
Andao ary hatao hoe i satana no manontany an'io

-Dia tena mino ve ianao fa ny teny ao anaty baiboly dia avy amin'Atra?

mino aho..mino koa anefa fa tsy voafetra ho ao ihany Andriamanitra no niteny amintsika fa mbola miteny @ alalan'ny zavaboariny rehetra izy! ary ny baiboly mihitsy aza no nanambara fa "mbola betsaka ny tsy voasoratra, izay na izoa tintolo izao aza tsy ho omby"(Faran'ny Evanjelin'i Joany)

Dia tena mino ve ianao fa voavonjy ny fanahinao?

Mino aho fa voavonjy ny fanahiko rehefa imitoetra ao amiko i jesoa sy mitoetra ao aminy aho ary Izy Tenany no niteny, fa tsy i paoly, hoe izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no hanana ny (joany 6:50 mahery teo)
http://katolika.org/content/view/86/36/lang,mg/
-Aza mivavaka ,tsy ilaina akory ny andehanana any am-piangonana....

Dia hoy aho hoe dia haninona aho? nefa "tsy ny ahiahin'izao tontolo izao no lalana niantsoan'ny Tompo ahy fa ny mitia izay sitrak'andriamanitra, hivelomako manana Azy!

-Dia hoy hianao hoe misaotra ry satana amin'izany toro-hevitrao izany.

dia hoy hamaky azy hoe tiako ny hevitrao, fa taiki-pitia amin'ny ahy aho.
"I love all religions but i am in love with mine"
** Rehefa manota isika,izany no antony andehanana any am-piangonana sy hitadiavana vonjy any amin'ireo namana kristiana .

ieeeee... fa tsy @ namana fa amin'i Jesoa indrindra indrindra, (ao @ sakramentan'ny fampihavanana) eo isika dahy mitovy na tsy sahala aza

* Rehefa manota isika ,izany no antony iray hamakiana ny tenin'Atra mba hakana hery sy hampianatra antsika ny lalana sy ny fahamarinana.

Fomba 1 izay,
fomba faharoa dia ny mandinika sy mahatsapa tena, Toy an'i Piera nanota nanda an'i Jesoa in 3, tsy nila Tenin'Andriamanitra izy fa ny manodidina azy sy nandinika ny tenany teo izy dia hitany teo ny nataony dia nifona mafy izy... dia namindran'ny Tompo fo!
:wink:
68. niryna ( 08/09/2007 04:09)
Tsy afaka mamaly ny hafatra ao amin'ny Marie therese intsony aho fa nisy nanakana indray.
Too bad,ny tenin'Atra dia tsy maitsy voafafy foana na tsy eto aza no hamafy azy.
69. ikaretsaka ( 08/09/2007 04:19)
dia hanao karazana saple vinaninany i niryna izany. izao raha ny fahitako azy
(io teninao farany iofoana ny averimberina isaky ny sujet) karaha manao toko saplet
nefa tsy tia mafy ny fanaovana vavaka mizotra sy miverimberina:roll:
Ao fa hivavaka ho anao aho dia iangaviako koa i M Theresa hiara hivavaka miaraka amiko!
70. niryna ( 11/09/2007 07:29)
ikaretsaka:

dia hanao karazana saple vinaninany i niryna izany. izao raha ny fahitako azy
(io teninao farany iofoana ny averimberina isaky ny sujet) karaha manao toko saplet
nefa tsy tia mafy ny fanaovana vavaka mizotra sy miverimberina:roll:
Ao fa hivavaka ho anao aho dia iangaviako koa i M Theresa hiara hivavaka miaraka amiko!


Fa "izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5)Rom 10:13

satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao. Rom 10:9


Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily hianareo niala tamin'ny làlana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo. Deot 9:16

]Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.

Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.Oh 4:20-21

Aza miankohoka eo anatrehan'ny andria­manitr'ireny hianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.

Fa manompoa an'i Jehovah Andria­manitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ra­nonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretiny Eks 23:24-25

Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna hianareo.
Mat6: 24
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0075