Inona no tsy tian'ny devoly ho fantantsika?

21. ikaretsaka ( 04/09/2007 22:55)
izay le hoe analyze-na fa tsy tonga de tsaratsaraina fahatany..
efa novelabelariko teto ny momban'io concept mitsara hery tsy mi analyze io!
22. fijo ( 04/09/2007 22:57)
ka ny mahagaga,ny sasany de ny devoly foana no malaza????vao misy resaka tsy azo de devoly io.
tany tsararano mahajanga an,tsy nisy olona maty hoazy izany mihintsy.izay maty rehetra lazaina fa nisy namosavy.de ho toa izany koa ve ny mpino sasany eto.....
23. ikaretsaka ( 04/09/2007 23:14)
ka kamo hanadihady ... tsy mijery ny antony fa mitsaratsara fahatany
manome valiny tsy manao asamarika ho'zy le mpampianatra anay t@ garabola
24. niryna ( 05/09/2007 04:38)
RyAnona:

Tsy fantatro na fitsapana an'ireo RaD io loza io. Ny mpitantara moa tsy nanohy hoe: maty ve ilay tovolahy sa tsia. Ny zavatra hinoako na dia nanohoitra mafy ny zavatra lazain'ilay RaD aza ilay zanaka dia anjaran'ireo RaD ny mitondra amam-bavaka ny zanany ary mangataka famelan-keloka ho azy t@ zavatra rehetra noteneniny. Fantatry ry zareo tsara fa ireny zaza ao anatin'ny fotoana tena sarotra resehin-dahitra fa hoy ny SM: "Zaro ny zaza @ lalana tokony alehiny fa rehefa antitra aza izy tsy hiala @ izany." Marina ary tena mahagaga fa ny zanaka Pasitora matetika no manao zavatra mamoha fady sy manao ny fomban'izao tontolo izao mihoatra lavitra ny jiolahimboto satria ny fitiavany miherina sy manandrakandrana ary dia hararaotin'ny satana @ izay fotoana izay ny fahefany. Hoy ihany koa ny SM: "Mifalia ry zatovo dieny mbola tanora....." Dia eo indrindra no hanararaotan'ny tanora ary koa satana miditra lalina satria fantany fa raha tsy azony t@ mbola zaza dia eo misy fiainana vaovao manomboka... Tsy mahay loatra aho fa ny tiako ho lazaina dia raha mbola nahatsapa tena ho diso ka nibaboka sy nifona (tsy t@ RaD) fotsiny ilay tovolahy dia mino aho fa misy ny famelan-keloka ary satana manararaotra ny mandratra azy satria fantany fa vita hatreo ny asany t@ ilay tovolahy fa na maty ilay zaza na mbola velona ihany dia ny famelan-keloka azony dia nipetraka raha niaky sy matoky marina fa Atra manasa sy manadio.
Ho an'Atra irery ihany anie ny voninahitra anio sy mandrakizay.



Maty ilay tovolahy ka,tsy mba nangataka famelan-keloka akory,ny dadany sy ny mamany no nataony hamonjy azy. Ilay namany niara-nianatra azy no nanampoizina ny sainy.
25. niryna ( 05/09/2007 04:41)
Maro anarany Satana,iza avy izany?
- Devoly(Devil)
- bibilava(serpent)
-andriamanitr'izao tontolo izao(god of this world)

Iza koa mety mbola mahalala ny antsoina azy ve ianareo?
26. niryna ( 05/09/2007 04:46)
http://en.wikipedia.org/wiki/Image:GustaveDoreParadiseLostSatanProfile_color.jpg

Amin'ny sarisary dia atao hoe endrika misy rambo,misy tandroka,ratsy tarehy,misy elatra sns,kanefa toa tsy misy izany filazana ny endriky satana toa ireo izany ao anaty baiboly,sa ianareo mahita.
27. niryna ( 05/09/2007 04:56)
RyAnona:

Tsy fantatro na fitsapana an'ireo RaD io loza io. Ny mpitantara moa tsy nanohy hoe: maty ve ilay tovolahy sa tsia. Ny zavatra hinoako na dia nanohoitra mafy ny zavatra lazain'ilay RaD aza ilay zanaka dia anjaran'ireo RaD ny mitondra amam-bavaka ny zanany ary mangataka famelan-keloka ho azy t@ zavatra rehetra noteneniny. Fantatry ry zareo tsara fa ireny zaza ao anatin'ny fotoana tena sarotra resehin-dahitra fa hoy ny SM: "Zaro ny zaza @ lalana tokony alehiny fa rehefa antitra aza izy tsy hiala @ izany." Marina ary tena mahagaga fa ny zanaka Pasitora matetika no manao zavatra mamoha fady sy manao ny fomban'izao tontolo izao mihoatra lavitra ny jiolahimboto satria ny fitiavany miherina sy manandrakandrana ary dia hararaotin'ny satana @ izay fotoana izay ny fahefany. Hoy ihany koa ny SM: "Mifalia ry zatovo dieny mbola tanora....." Dia eo indrindra no hanararaotan'ny tanora ary koa satana miditra lalina satria fantany fa raha tsy azony t@ mbola zaza dia eo misy fiainana vaovao manomboka... Tsy mahay loatra aho fa ny tiako ho lazaina dia raha mbola nahatsapa tena ho diso ka nibaboka sy nifona (tsy t@ RaD) fotsiny ilay tovolahy dia mino aho fa misy ny famelan-keloka ary satana manararaotra ny mandratra azy satria fantany fa vita hatreo ny asany t@ ilay tovolahy fa na maty ilay zaza na mbola velona ihany dia ny famelan-keloka azony dia nipetraka raha niaky sy matoky marina fa Atra manasa sy manadio.

Misy maningana foana tokoa aloha e.Marina tokoa izany hoe zarina amin'ny lalana tokony alehany ny zaza.
Eny anjaran'ny rar no mivavaka ny zanany satria ny tanora no tena potehin'ny satana ireo ho avin'ny ankizy.
Fa izay araka ny nofo ida mihevitra izay zavatry ny nofo,fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana,fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana(sy fiadanana) Rom 8:5-6




28. niryna ( 05/09/2007 05:00)
Samoana:

Fanalàna ireo tandroka manoto an-tamponkandritsika satria ireo no marika itovizana aminy:evil:


Ie, fa ilay tandroka an'eritreritra fotsiny.
Toy ireny hoe mandeha mivoaka mankany an'efitra hafa ireny amin'ny alina tsy misy jiro,matahotra mafy ny tena ary mandeha be ilay saina toa misy olona manaraka foana.Toy izany koa no eritreretan'ny olona fa toa tsy misy tandroka ry zareo,sa ahoana hoy ianareo?
Anjely faran'izay tsara izy koa.Jereo koa ny commercial rehetra fa sary miboridana foana no atao eo na dia tsy misy hidiran'ilay vehivavy sy lehilahy aza.
Ny vehivavy no nataon'ny satana fitaovana,feno ary raha tsy mahay mitandrina dia voan'ny fakam-panahy ny lehilahy. Izany dia an'isany fitaovana am-piasan'ny satana.
29. niryna ( 05/09/2007 05:02)
ikaretsaka:

Ny tsy tian'ny devoly ho fantantsika?

Voalohany dia tsy tiany hifoha isika, ka lasa ferany hisafidy ilay "eo amin'izay tiantsika ihany" isika rehefa mitady an'Andriamanitra, Ferany ho eo @ ilay "zavatra izay mahafalifaly" antsika ihany no tadiavintsika.


Ferana ahoana izany fa tsy azoko? Izay zavatra mahafalifaly rehetra ve dia avy aminy sa ahoana ny tianao ho tenenina :roll:
30. niryna ( 05/09/2007 05:16)
pissoa:



Ozizy ny baiboly ao amin'ny pejy tsy tadidiko hoe : ny fitiavana no lehibe indrindra ! (Tsy haiko tsenjery fa nareo inoako fa mahay azy tsara). Ny isan'ny fahazahoako an'io teny io (izay hitako fa tsy iombonako amin'ny olona betsaka) dia hoe ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra ... sinon aza atao.
---> Tsy ny tahotra an'i Satana fotsiny no antony hanarahana an'Andriamanitra fa fitiavana an'Andriamanitra aloha no tokony ho voalohany ! Otran'ny tsy tian'i Satana ho fantatry ny olona koa io :oops::oops::oops::-D

Marina tokoa izany hoe ataovy amin'ny fitiavana daholo izay zavatra ataon-tsika.Io resaka fitiavana io dia mahafoaka zavatra lehibe mihitsy.Raha manao zavatra isika ka tsy misy fitiavana na finiavana na sitrapo izay mivoaka avy ao am-pontsika dia mikomy ny fanahy.Dia ireny olona mandeha miasa ohatra,vao hitanao izy dia mikonjo be ka rehefa anontaniana hoe fa maninona ianao izany androany dia hoy izy hoe kamo aho andeha hiasa,tsy tiako ity asa ity,aleoko ihany tany amin'ny asako taloha sns.Eny misy voatery manao asa izay tsy fidiny kanefa izany akory tsy hanomeza vahana ny satana hankahala ny asa.Raha tena hanana fifaliana hono dia tsy maintsy mitia ny asa izay atao.Io no zavatra iray mahalavorary ny tanjona izay tiana sy ho katsahina amin'ny fiainana.(The best successfull in life is to fall in love with your job!)
Satana dia misodisody hatraiza hatraiza,tsy misy tandroka izy kanefa koa ny mandripaka no tena tanjony ka izay manaiky am-piasany dia voany avokoa ka izany no mahatonga antsika mila miambina,mila mivavaka ary mila mamaky ny teniny ho ampinga sy fitaovana hiadivana aminy.Aza mino izay tenenin'ny hafa hoe tsy tokony hamaky baiboly isika.Tsy mitombina izany amiko satria na i Kristy aza dia niady mafy tamin'ny satana rehefa nakana fanahy efa-polo andro Izy ary dia hoy foana ny teniny hoe voasoratra hoe ...(it is writen):arrow: mila mamaky ny tenin'Atra isika raha tiana hipetraka ao am-pontsika izany teny izany fa tsy mandalo fotsiny ihany.Eny fa na satana koa aza dia manana ny fiangonana,ny olony sy ny miaramilany ao am-piangonana ary mahay ny tenin'Atra koa izy.:roll:

31. majesty ( 05/09/2007 05:16)
niryna:
vao mahita an'ilay lohateny aho hoe "inona no tsy tian'ny devoly ho fantantsika," dia tsy dia mandefa saina loatra amin'izany satria mandrary faly io ingahy rainy io raha vao izy foana no atao sujet fa mitombo ny lazany.
32. niryna ( 05/09/2007 05:29)
Mandefitra:

Tsy tian'i satana ho fantantsika fa efa zanak'Andriamanitra isika t@ Batisa masina, ary mitafy an'i Kristy.

Dia ampiko koa hoe Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i kristy dia tsy Azy izy.Fa raha kristy no mitoetra ao anatinare,na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana Rom 8:9

Ny mifanohitra izany izay manaiky an'i satana dia:Fa raha velona araka ny nofo hianareo dia tsy maintsy maty ;fa raha ny Fanahy no amononoanareo ny asan'ny tena ,dia ho velona hianareo. Rom 8:13

Ary ra mijery antsika Andriamanitra de tsy isika be fahotana io no hitany fa isika miakanjo fotsy tahak'ilay Zanak'Ondrin'Andriamanitra.
Ary raha tojo ze fahoriana toy izao, ka mbola mahatsiaro ihany fa zanak'Andriamanitra, tsy mbola tara ny mibebaka sy mifona mba ho raisin'i Kristy ao @ fanjakany:Tahak'ilay zanaka adala.

misaotra anao nizara.:*

Ivereno ilay fanekena naorin'Andriamanitra tao aminao t@ Batisa, fa Izy tsy mivadim-panekena rehefa vonona ny hibebaka sy hiverina aminy indray ianao.

Ny 2 Pet 3:9 koa no mbola manamarina io lazainao io hoe: Ny Tompo tsy mahefa ny teny fikasany,araka izay ataon'ny sasany ho fahelany;fa mahari-po aminareo Izy,ka tsy tiany hisy ho very fa mba tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

33. LazaDaddy ( 05/09/2007 05:35)
ikaretsaka:
-Miverimberina anefa fa Andriamanitra dia fitiavana fa tsy Andriamanitra Masika, Tsy Andriamanitra mpanasazy intsony!
Inoako fa tsy Andriamanitra no mamerimberina an'izany satria marina "tapatapany" io nambaranao io ka aoka ho mailo ihany :)

Marina tapatapany hoy aho satria:
- Andriamanitra dia fitiavana. Eny tena marina io
- Andriamanitra mpanasazy intsony! Io dia diso tanteraka ary manohitra ny maha Fahamarinana an'Andriamanitra.
34. LazaDaddy ( 05/09/2007 05:39)
ikaretsaka:
Tsy Andriamanitra mpanasazy intsony!
Arak'io ny hevitr'ikaretsaka manokana io dia tsy misy sazy intsony ho an'ny "fijangajangana, fangalarana, lainga, famonoana olona, fanompoan-tsampy" fa samy voavonjy daholo izay manao ny saim-pantany rehetra ... izany tokoa vare ity ambaran'ikaretsaka isan'andro hoe "finoana orizinaly naorin'i Jesoa"?
35. niryna ( 05/09/2007 05:40)
LazaDaddy:

Satana angaha mampiseho mivantana hoe mampatahotra fa tsy manambitamby hoa avia aty amiko?

Efa nanao fanoharana aho mikasika ilay ray nanomena fanantenana ny zanany kanjo tamin'ny farany navelany nianjera ilay zaza.Toy izany ihany koa satana,mahay manangolangola,manome fanantenana,manome toky ny tanora,mandrebireby ny vadin'olona,mamela-pandrika izay ho eritreretin'ny olona fa mety tsy misy mahita sns kanefa dia toy ny ohatra hoe miriorio ny angindina kanefa any an-kady no hiafarany.:cry:

Tsy tian'i Satana ho fantatsika fa:
- Misy izy
- Ambodia mitafy hodi-janak'ondry izy
- Manova ny endriny ho toy ny anjelin'ny fahazavana izy
- Misy ilay Fahamarinana (Verite Absolue)

Misaotra nanazava,ary io dia mbola misy ka araka ny tenin'ny namana fa manana ny miaramilany koa izy na any am-piangonana aza.Izany no mahatonga ny olona izay noheverintsika ho mpitondra fivavahana na mpitantana ny raharam-piangonana voan'ny fandrika satria tsy nahatohatra ny fakam-panahy izay nasehon'i satana.:cry:

- I Jesosy irery ihany no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Miampy ihany koa ny hoe Tsy misy mankany amin'ny Ray raha tsy avy amiko ( no one comes to the Father expect through me.) Jaona 14:6

- Izy no fahavalontsika fa tsy ny namana mpiserasera :)
- Fohy sisa ny androny
- Ampy antsika ny fahasoavan'i Jesosy
- Ilaina ny fibebahana sy fialana @ ratsy fanaontsika (lainga, halatra, fankahalana olona, sampy, fitiavam-bola, fijangajangana, fitsiriritana fananan'olona, fireharehana, ...)
...
...

Misaotra anao nizara.



36. niryna ( 05/09/2007 05:44)
ikaretsaka:


zahako:
-Miverimberina anefa fa Andriamanitra dia fitiavana fa tsy Andriamanitra Masika, Tsy Andriamanitra mpanasazy intsony!
-Betsaka kokoa ny tenin'Andriamanitra hoe ... satria za tia anao, sy ny mamiko ianao, sy ny hoe izaho homba anao, Toy izao no nitiavan'andriamanitra antsika

Nohon'ny hoe, ataovy io! bediko Ity raha tsy manao an'io, vonoiko ianao sns...
(tsy tian'i Satana ho fantantsika io voalohany io fa ilay faharoa no tena endoctrinevany amintsika)

Ampiako kely:

Lasa mifangara be izy izany ry ika a ,mba azavao ahy kely hoe fa tena tsy azoko mihitsy ilay tianao ho tenenina.Indrindra eo amin'ny fivavahana.
misaotra
Ilay faharoha no tena endoctrinevany antsika hoe sy asainy voizin'ireny mpianany ireny .. Ataony hoe izany anie no ataon'Andriamanitra anao e



37. niryna ( 05/09/2007 05:47)
fanitsiana kely ,mifangaro ,sy faharoa no tiako
ikaretsaka:

Ilay faharoha no tena endoctrinevany antsika hoe sy asainy voizin'ireny mpianany ireny .. Ataony hoe izany anie no ataon'Andriamanitra anao e


Lasa mifangaro be izy izany ry ika a ,mba azavao ahy kely hoe fa tena tsy azoko mihitsy ilay tianao ho tenenina.Indrindra eo amin'ny fivavahana.
misaotra
38. niryna ( 05/09/2007 05:54)
majesty:

niryna:
vao mahita an'ilay lohateny aho hoe "inona no tsy tian'ny devoly ho fantantsika," dia tsy dia mandefa saina loatra amin'izany satria mandrary faly io ingahy rainy io raha vao izy foana no atao sujet fa mitombo ny lazany.

=))=)) ka izany indrindra no antony hampahafantarana ny namana @ izay tsy ho vao rebirebiny intsony.
Efa fantatray amin'izay ny kilean'ialahy hoy ny ankizy fa izahay tsy ho azon'ialahy eo intsony
adios satanas!:evil::twisted:

39. niryna ( 05/09/2007 05:55)
LazaDaddy:

ikaretsaka:
Tsy Andriamanitra mpanasazy intsony!
Arak'io ny hevitr'ikaretsaka manokana io dia tsy misy sazy intsony ho an'ny "fijangajangana, fangalarana, lainga, famonoana olona, fanompoan-tsampy" fa samy voavonjy daholo izay manao ny saim-pantany rehetra ... izany tokoa vare ity ambaran'ikaretsaka isan'andro hoe "finoana orizinaly naorin'i Jesoa"?

Ka izany koa no mahatonga ahy hanontany fa mifanohitra ilay teneniny.

40. nirinkosoa ( 05/09/2007 08:52)
Ny fitiavan-tsika an'Andriamanitra no tena tsy tian'ny devoly hataontsika kanefa re mazotoa mandrakariva fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao @i KJ, na zavtra kely fotsiny ataon-tsika aza anie tsy tian'ny devoly e! oh: mianjera eano dia miantso hoe "Jesosy ô! tahio aho ", zay zao dia tsy zakany. koa antsoy mandrakariva izy fa mihaina anao izy n'aiza n'aiza,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112