FITSAPANA

1. kalina80 ( 02/09/2007 04:44)
Manao ahoana daholo indray, ity misy andininy kely @ hiran'I Rija Rasolondraibe:
".....Omeo fitsapana, omeo fisedrana aho
mba hijoro am-po torotoro
Sao variana tratra aoriana
Tafasaraka aminao....."
Taloha aho dia tsy sahy manonona io andininy io akory rehefa mihira io hira io satria sarotra be zany hoe angataka fitsapana @n'Atra izany.Satria rehefa misy ilay izy toa tsy zaka ary indraindray....Fantatra fa hahasoa matoa ataony fa matahotra foana e .Ahoana hoy nareo????
2. kalina80 ( 02/09/2007 05:01)


Ity ilay hira ho anizay mila azy.


Na ny tsy hita . Na ny hafenina aza fantatrao
Zay efa vita , ny nenina sy izay mbola hatao
Ny herinao tsy misy fetra
Tsy ho voafaritra an-tsaiko ao
F'izay momba ahy rehetra efa voadinikao

Ref : Asehoy ahy hahitako
Toe - panahy sy ny fahotako
Aiza ho aiza aho . Sao dia nandao
Tahafasaraka aminao


Ampangino aho raha mitory zaiy tsy nolaizainao
Sao hoe za indray no hita hoa fa tsy Ianao
Mba tsy ho menatra aho raha ho avy ilay andro iray
Fa mba ianao no nampandroso ahy hatramin'ny Ray

Ref...

Ampianaro aho hahalala
Aza havela aho Tompo Malala o
Ampianaro aho mbahanisa
Ny androko sisa
ieeeeeeeeh

Ref...

Ampianaro aho hahalala
Aza havela aho Tompo Malala p
Ampianaro aho mba hanisa
Ny androko sisa



[center]Centered text[/center]Italic text


I(l)JESUS
3. bosista ( 02/09/2007 11:50)
mila loza!!!!!!!!:roll::?:
4. piste ( 02/09/2007 21:55)
Tsy angatahana io fa tonga ho azy.
Ny eo aza tsa zaka ka mbola hitady aiza indray
5. ikaretsaka ( 02/09/2007 22:05)
ny an-tratra tsy lavo ko avy koa rainilahy be
to mifanohitra @ ilay hoe
"o ry Tompo tianay, aza entina misedra izay tsy zakanay izahay"
6. xxx ( 03/09/2007 01:26)
bosista,piste,ikaretsaka, kivy aho hanaraka anareo milaza ho kristiana.Izao ve no mpanara-dia.:oops:
7. niryna ( 03/09/2007 01:59)
Kalina80 > mety ho hirahira io fa ny fitsapana dia tonga ho azy,toy ny atao hoe "test",matetika dia mandalo izany daholo isika fa ny fomba famahana no samy hafa,manatona an'Atra ve ilay olona ary tsy kivy na dia mahery aza ny tafio-drivotra sa tonga dia miziriziry ny herin-tsainy fotsiny.Io no mahasamy hafa ny olona:D
8. ikaretsaka ( 03/09/2007 02:10)
xxx> ianao no kristianintsianim-poana ko.. rehefa misy tsy tiatianao ilay kristianisma dia iny ianao no mitsoaka.. rehefa tiatianao dia iny ianao fa miala any!
tsy Kristianina izany fa fanatisme.. tahaka ny hoe malaza ambondrona dia iny ianao fa miala any, jerry marcos indray no malaza dia iny ianao fa miala any, dia avy eo miverina malaza ambondrona fdia iny indray...
ffanatika tsss
atsy i mere theresa lavinareo manao an'io .. ato ekenareo ilay izy...
Duh! kristianointianim-poana
9. piste ( 03/09/2007 04:39)
xxx : inona no tsy maha-d`accord anao @ zavatra nosoratako ?
10. cutie ( 03/09/2007 05:04)
HS kely
Mba lasa aiza reto i marozevo a:cry:
Tsy hitako tsony
11. ikaretsaka ( 03/09/2007 05:12)
any ihany izy sy i Siligaoma... vo haingana no hitako online:wink:
12. Mandefitra ( 03/09/2007 06:30)
Samy manana ny fijeriny, fa raha ny fandinihako io hira io zao, de hiran'ny olona (mpino) tsy de manana olana loatra eo @ fiainana, nefa te handinin-tena hoe :
Aiza ny lanitra mo zao no misy ahy? Mbola ao ve sa variana mankafy fiainana fotsiny?
Ary fakam-panahy lehibe mahazo ny olona tsy de lalovam-pahoriana firy ny manadino ny fisin'ilay Nahary.
omeo fitsapana , homeo fisedrana aho
Mba hijoro am - po torotoro
Sao variana tratra aorina aho
Tahafasaraka aminao

13. xxx ( 03/09/2007 15:15)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 03-09-2007 07:12:35
Lohateny : Re : FITSAPANA
any ihany izy sy i Siligaoma... vo haingana no hitako online

hay ve ry IKa
veloma any e :)
14. pissoa ( 03/09/2007 15:44)
Omeo fitsapana ... zany ve tsy fanaovana rainizafilemena ? :-D:-D:-D

Mba diniho anie ny zavatra tenenintsika an'Andriamanitra e ! Refa manao ny Vavaka nampianarin'ny Tompo dia mody milaza hoe "Aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy" ... dia sady mangataka koa hoe mba omeo fitsapana ! ^^^^^^ Izany ve tsy miteny hoe "Ndao za sy ny ratsy ampifanandrino ... fa za arovanao an !" =))=))=))

Toa mivoy an'ilay toe-tsaina Andriamanitra raha misy patsa koa ny fahitako an'ilay izy. Toy ny miteny hoe hoe raha tsisy ratsy mahazo (=fitsapana) ahy anie ka tsy mifikitra aminao aho e !

Tsy voatery mila fitsapana fanampiny isika vao afaka mifikitra amin'Andriamanitra !
15. tsaramaso ( 03/09/2007 15:50)
xxx:
bosista,piste,ikaretsaka, kivy aho hanaraka anareo milaza ho kristiana.Izao ve no mpanara-dia.

ikaretsaka:
xxx> ianao no kristianintsianim-poana ko..


tssssss!!! Omeo le feo fa mba hivazo ny bandy e
16. Mandefitra ( 04/09/2007 05:47)
@ Pissoa zany fitsapana=fisedrana=fakam-panahy=fitaoman-dratsy.
Manan-karena kosa zany voambolanao zany.
1/Ny fakam-panahy=fitaoman-dratsy de ity :
Jakoba 1:
13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
15 Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana.

2/ny fisedrana=fitsapana eto kosa dia fizahan-toetra
IPetera 4:
12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany;
13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.

Salamo 26:2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko
IIKorintiana 13:5 Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo.

17. pissoa ( 04/09/2007 09:33)
Dia inona no dikan'ireo ? Tsy mitondra fanazavana ny dikan'ny fitsapana sns mihitsy ianao fa nanao pli vava baiboly fotsiny ... tsy ampy voambolana angamba :-D:-D:-D

Ary za anie toa tsy nanoratra mihitsy hoe fitsapana = fitaoman-dratsy sns e, sa tsy ampy voambolana ianao dia voatery nampiasa an'io equal sign io :wink:
18. Mandefitra ( 04/09/2007 09:47)
Hoy Pissoa
Mba diniho anie ny zavatra tenenintsika an'Andriamanitra e ! Refa manao ny Vavaka nampianarin'ny Tompo dia mody milaza hoe "Aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy" ... dia sady mangataka koa hoe mba omeo fitsapana ! Izany ve tsy miteny hoe "Ndao za sy ny ratsy ampifanandrino ... fa za arovanao an !"


Fa ny fitsapana na ny fizahan-toetra ny finoana eto, de Andriamanitra no mahalala azy, zay no faniriany mba tsy hatory ny finoany. Tahaka ny nitsapan'Andriamanitra an'i Abrahama hoe ndeha hataovy sorona ny zanakao .. Azy zany fa tsy antsika .....
19. kalina80 ( 04/09/2007 12:21)
za ihany ô!!!!
toa lasa problème indray ilay izy...ny fahazoako io FITSAPANA io amiko dia tsy ho voatery ho fankam-panahy ihany satria izany no betsaka mpiteny eto.NY fitsapana amiko dia zvt ataon'Atra mitranga eo @ fiainantsika mba hahafahantsika hiakatra zanan-tohatra hatrany @ fanompoana azy ho anireo izay efa manompo azy ary ho anizay mbola tsy manompo azy dia nataony ny FITSAPANA mba hanoloranireo farany tena ho Azy.

Tsy d'accord ve ianareo raha miteny aho hoe rehefa metimety ny fiainantsika dia toa manadino ny fisian'Atra isika indraindray? Dia tsy maintsy asiany ny fitsapana mba hampitodika antsika aminy.

Izaho dia d'accord tanteraka @io tononkira io.Satria tiako Atra, tsy te hanalavitra Azy aho na dia iray segondra monja aza dia manaiky tefeny aho ary avelako Izy hanamboatra izay mbola tsy mety eo @ fiainako.

Tsy aiko na ho azonareo na tsia fa izany io no avis ako.
Nilaza i bosista hoe "mila loza!!!!" Tsia tsy mila loza aho fa mila ny Tompo hanamboatra ahy mba ho mendrika azy aho rehefa ho avy eny @ rahon'ny lanitra Izy.



20. Mandefitra ( 04/09/2007 12:26)
Mitovy hevitra @ Kalina80.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6784