FITSAPANA

21. kalina80 ( 04/09/2007 12:33)
HOY PISSOA
pissoa:

Omeo fitsapana ... zany ve tsy fanaovana rainizafilemena ? :-D:-D:-D

Mba diniho anie ny zavatra tenenintsika an'Andriamanitra e ! Refa manao ny Vavaka nampianarin'ny Tompo dia mody milaza hoe "Aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy" ... dia sady mangataka koa hoe mba omeo fitsapana ! ^^^^^^ Izany ve tsy miteny hoe "Ndao za sy ny ratsy ampifanandrino ... fa za arovanao an !" =))=))=))

Toa mivoy an'ilay toe-tsaina Andriamanitra raha misy patsa koa ny fahitako an'ilay izy. Toy ny miteny hoe hoe raha tsisy ratsy mahazo (=fitsapana) ahy anie ka tsy mifikitra aminao aho e !

Tsy voatery mila fitsapana fanampiny isika vao afaka mifikitra amin'Andriamanitra !


Marina mihitsy ny voalazanao fa ny tsirairay dia samy manana ny fomba fanompoany sy fandraisany ny sitrapon'Atra.Ny fitsapana dia tsy maintsy misy satria isika olombelona tsy misy tanteraka na iray aza.Misaotra betsaka @ famaliana :lol::lol::lol:


22. deric ( 04/09/2007 13:28)
Raha raisiko sy fakaiko indray ilay tonon-kira, dia mitory fahavonona fa tsy hivadika ain'Andriamanitra na dia hisy inona aza.Tahaka ny an'i Joba izay nanao hoe:"tsy ny soa ihany no raisitsika amin'Andriaùanitra fa ny ratsy koa"; ary koa ny teniny hoe:"Na dia hamono ahy aza Izy dia mbola hanatena azy foana aho; nefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho". Davida koa dia nilaza fa "Soa ihany aho nampahoriana mba hianarako ny didinao". Ny fahavononany hijoro no tena zava-dehibe amiko, IZany hoe na hangatahina na tsia io fitsapana io dia tonga rehefa tendren'Andriamanitra ny fotoana hahatongavany.Amiko tsy olana ny mangataka hafa indray na dia mbola tsy lasa aza ny eo, ho fanehoana ny fahavonona.
23. ikaretsaka ( 04/09/2007 14:20)
zany ve tsy miteny hoe "Ndao za sy ny ratsy ampifanandrino ... fa za arovanao an !"


tssssss ny olona efa mba mitady ho serieux.. ampivanivanianareo indray le
24. pissoa ( 04/09/2007 17:29)
Aleo aloha hazava fa izaho tsy niteny hoe tsy misy ny fitsapana an ! Hoy aho hoe tsy mila mangataka fitsapana hafa intsony isika.

Mandefitra : dia mbola tsy nazavaina indray ilay fitsapana fa mbola nampiana pli vava baiboly hafa ! tsy napetraka fotsiny ny toko sy andininy ... ^^^^^^

Diniho ireo zavatra lazainareo ireo, misy ohatra amin'ny antsoinareo hoe fitsapana :
Tahaka ny nitsapan'Andriamanitra an'i Abrahama hoe ndeha hataovy sorona ny zanakao ..

tsy ny soa ihany no raisitsika amin'Andriaùanitra fa ny ratsy koa

Na dia hamono ahy aza Izy dia mbola hanatena azy foana aho; nefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho

Soa ihany aho nampahoriana mba hianarako ny didinao
toa karazam-pahoriana daholo izy izany ? :-D:-D:-D

Amiko ny fitsapana sy ny fakam-panahy dia samy mametraka antsika manoloana ny safidy goavana be : haneho fankatoavana an'Andriamanitra isika sa tsia. Hoy Andriamanitra : vonoy ny zanakao ... dia mipetraka ny safidy goavana : hovonoiko tokoa sa tsia :( Ny nataon'i Abrahama dia naneho fankatoavana sy finoana an'Andriamanitra izy fa tsy hoe "nanamafy" ny finoany akory ! Toy izany koa ny hafa ...

Ny fitsapana (avy amin'Andriamanitra :?::!:) dia heveriko fa mamela varavarana misokatra amin'ny fakam-panahy foana. Jereo hoa le karazana ohatra hitanareo, toa karazam-pahoriana, ny iray aza moa niteny mivantana fa tsy ny "soa" ihany no raisintsika amin'Andriamanitra fa ny "ratsy" koa :?: Dia alaivo an-tsaina hoe lazain'Andriamanitra ianao hoe vonoy ny zanakao ... tsy tonga ve dia hitsambikimbikina be i Satana :twisted: hoe "Jere ... zanakao asainy vonoina" sns ka hitarika antsika handa ny fangatahan'Andriamanitra. Omen'Andriamanitra "ratsy" izany ve isika tsy hanararaotra be i Satana hitady ze fika handosirantsika an'Andriamanitra ? Ka ny fangatahana fitsapana amiko dia mahasarona koa ny fangatahana io fakam-panahy io ketriketrehin'i Satana io.
Izany ve tsy miteny hoe "Ndao za sy ny ratsy ampifanandrino ...
(ilay tohiny avy amin'ilay vavaka nampianarin'ny Tompo).

Izay ilay fifandraisany fa tsy = ry Mandefitra :-D:-D:-D
25. fijo ( 04/09/2007 21:55)
fa maninona no ferana amin'ny tahotra foana ny fiainana e????tsy hiaina ampifalian amihintsy fa mil afahoriana foana ve ,vao atao hoe olona manaja ny finoany????ratsy raha izay fa hialao
26. ikaretsaka ( 04/09/2007 22:56)
izya le endoctrinement heverin'ny sasany fa mety ko! izay tiany ihany no asainy ataon'ireo tiany hanaraka azy!

Tsy mety nefa izany
27. fijo ( 04/09/2007 22:58)
io no tena ratsy amin'ilay finoana rehefa arahana fotsiny ka
28. piste ( 05/09/2007 04:04)
Araka efa voalazako ery ambony : tsy ilaina angatahina izany fitsapana avy @ Andriamanitra izany fa tonga ho azy eo io. Fantany ny mahasoa antsika.
Ary manamafy voalazan`i Pissoa : tsy voatery ao anatin`ny fahoriana vao hahatsiaro an`Andriamanitra. Rah izany dia manao fihavanana raha misy patsa @ Andriamanitra isika.
Raha tretrika ianao dia mba zarao @ hafa koa izany hafaliana izany. Ary raha sendra ao anatin`ny fahoriana kosa dia tsarovy ilay andro volamena nahasambatra anao iny fa manome hery anao tsy hanary toky izany.
29. kalina80 ( 05/09/2007 06:44)
piste:

Araka efa voalazako ery ambony : tsy ilaina angatahina izany fitsapana avy @ Andriamanitra izany fa tonga ho azy eo io. Fantany ny mahasoa antsika.
Ary manamafy voalazan`i Pissoa : tsy voatery ao anatin`ny fahoriana vao hahatsiaro an`Andriamanitra. Rah izany dia manao fihavanana raha misy patsa @ Andriamanitra isika.
Raha tretrika ianao dia mba zarao @ hafa koa izany hafaliana izany. Ary raha sendra ao anatin`ny fahoriana kosa dia tsarovy ilay andro volamena nahasambatra anao iny fa manome hery anao tsy hanary toky izany.


d'accord @ zvt lazainao aho fa io oa araka2 ny fandraisan'ny tsirairay izany hoe manaraka an'Atra izany ihany.Rah mangataka fitsapana izy hahamety ny ara_panahiny dia azy izany.
Atra dia fitiavana, ao anatin'izany fitiavany izany dia tsy izay mety hahafaly ny sain'ny zanak'olombelona ihany no mety itranga ao fa hisy koa ny alahelo.Ny zava-dehibe anefa ary tiako mba hampitaina ani Fijo dia hoe " Tsy maintsymandalo ady avokoa rehefa mety ho olombelona ety antany fa ny mahasamy hafa ny mpanompo an'Atra dia misy fifaliana foana ny fiainany ary manantena foana tandis ke ny tsy mino otrany tsisy antenaina, reraka ny mitady vahaolana irery eo"
Za manokana nandalo olana sy fitsapana maro ihany teo @ fiainako fa nahasoa ahy avokoa izy ireo.Sady manome solution Atra no nahazo lesona aho t@zany.

Misaotra Azy aho t@ fitsapan izay nomeny, misaotra azy @izay mbola sedraiko izao ary mbola hisaotra azy @ izay mbola hataony.

Tsisy fahasambarana otran'izany hoe arahin'Atra akaiky izany ry reto ny faiainana an!!!!



30. deric ( 05/09/2007 06:51)
Saiky mahazatra atsika jiaby fa rehefa fitsapana no resahina dia fahiriana, na loza na zavatra tena mampivarahotsana sy mampitaintaina. Mba dinoho koa fa atao fitsapana tonga amintsika koa indraindray ny zavatra toa mahafinaritra sy mampientanentana.Rehefa tonga mantsy ny fitsapana dia tsy ny tena fijoroanao amin'ny zavatra ijoroanao no tiana ho hita na koa ny fahaizanao mampiahatra ny zavatra nanabeazana anao. Raha resaka fivavahana:Tsapaina ianao amin'ny zavatra mahafinaritra,
1- ohatra hoe vola be, nefa vola tsy avy amin'ny fahamarinana; koa hijoro amin'ny marina ve ianao sa handainga, sa hangalatra, sa ...
2- Vehivavy mahafinaritra be, vadin'olona anefa , na koa ianao efa manam-bady(miala tsiny fa lehilahy no manoratra),Dia ahoana, hila azy ve ianao sa hanohitra fakam-panahy?
Ampy ho ohatra amin'ny fitsapana amin'ny zava-mahafinaritra ireo.
Ny sitrak'Andriamanitra dia ny hijoroanao amin'ny fahamarinany hatrany na amin'ny soa na soa na amin'ny ratsy; saingy irin'ny deoly kosa ny hivadihanao amin'Andriamanitra, nefa moa anao ihany ny safidy na ny fanampahan-kevitra fa tsy an'Andriamanitra na an'ny demony.
Raiso ho fitsapana avokoa ny zavatra rehetra manoloana anareo ry zalahy a!
31. kalina80 ( 05/09/2007 06:54)
deric:

Raiso ho fitsapana avokoa ny zavatra rehetra manoloana anareo ry zalahy a!


ok deric ah

32. bozyboleta ( 05/09/2007 08:11)
Mitovy hevitra @ Kalina sy Deric @ fanazavany le hoe fitsapana, tsy voatery ho fahoriana ihany fa na fahasoavana koa aza.
Anisan'ny tena nampitombo finoana ahy io hiran'i Rija Rasolondraibe io satria amiko de maneho hetahetan'ny kristiana te-handroso fitia eo anatrehan'Atra. Tsy sanatria mitsy hoe mila loza fa mangataka fitsapana mba ahafahana mianatra, mandini-tena, mampitombo ny fahalalana ny sitrapon'Atra ahitana hoe aiza ho aiza no misy ny tena eo @ lafiny ara-pinoana. Tsisy tahotra satria Atra tsy manome zay tsy zakan'ny olona.Ary na mandalo fitsapana aza ny olona matoky ny Tompo dia hafa foana ny fiatrehany izany.
Izaho manokana de anisan'ny efa nangataka mitsy ary nahazo valimbavaka.

Sal@ fitsapam-pahaizana refa mianatra ihany io. Refa tsisy fanadinana de tsy mivaky loha loatra.
33. Mandefitra ( 05/09/2007 09:03)
Mitovy hevitra @ Kalina sy Deric @ fanazavany le hoe fitsapana, tsy voatery ho fahoriana ihany fa na fahasoavana koa aza.

hatraty io ...


Pissoa :
Ka ny fangatahana fitsapana amiko dia mahasarona koa ny fangatahana io fakam-panahy io ketriketrehin'i Satana io.

Izay ilay fifandraisany fa tsy = ry Mandefitra

Hay ve e ... tsy mira zany fa mahasarona no tianao ho tenenina. OK

Efa betsaka ngamba ny fanazavana momba ny fitsapana arak'ireo nolazain'ny namana ireo, zay iombonanako hevitra @ zareo ka tsy bedinao ntsony za na mahantra voambolana aza an. :oops:
34. piste ( 05/09/2007 16:17)
Ny tiako hisarihana ny saintsika koa dia ny Fahoriana mahazo antsika dia tsy avy @ Andriamanitra velively. Fa ny fomba handraisanao an`iny no mety ho sitrapony na tsia.
35. ikaretsaka ( 05/09/2007 18:54)
i piste sy izaho no mitovy hevitra
nisy voasoratro izay koa nanao hoe:
"La souffrance, c’est un désir contrarié. C'est désirer que les choses se passent comme tu le veux ou que les personnes se comportent comme tu
le voudrais, et lorsque ça ne se passe pas comme cela, le désir bute sur la réalité et, de cette friction, surgit la souffrance. Le problème vient de ton obstination à vouloir autre chose que la réalité; c'est ta prétention à faire concorder la réalité avec ton attachement, en la déformant."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3193