RATSIRAKA Marary?

21. Solitikabe ( 04/09/2007 01:12)
Ary Ra-Jean ity kay tena deep flag mihintsy koa. Hitanao le zavatra hoy Ranokombe.
Atao ahoana ny hanovana ny fisainan'ny olona ry Nanas, mba tsy ho voaloton'io valifaty io foana ny lohany. Ka io mantsy no lasa mibahana ny fony sy ny sainy ka tsy ahavitany ny asa ataony?
22. Jeankely ( 04/09/2007 02:28)
Manana ny hery ahafahana miresaka sy manoratra ianareo ka mba atoroy ahalala ny tokony hatao ny maro anisa fa aza anaovana sasinteny sy sikidy sikidy. Firenena manana vahoaka mahalala ny fandrosoana ary mahay mifidy ny lana halehany no ahafahana mandroso haingana. Tsy hain'ny olona izay atao ary na ny ho filohany aza dia mifidifidy fahatany izy na avy dia mijanona tsy mifidy nohon'ny tsy fahalalany fa zony ny manova ary mifidy ny mety ho mendrika. Omeo mivantana fa tsy takatry ny lohanay ity sikidy sikidy ity.
23. nanas ( 04/09/2007 17:27)
Solitikabe:

Ary Ra-Jean ity kay tena deep flag mihintsy koa. Hitanao le zavatra hoy Ranokombe.
Atao ahoana ny hanovana ny fisainan'ny olona ry Nanas, mba tsy ho voaloton'io valifaty io foana ny lohany. Ka io mantsy no lasa mibahana ny fony sy ny sainy ka tsy ahavitany ny asa ataony?



Ka eo indrindra isika zao ry Solitikabe, raha amiko aloha raha olona milaza hoe te-handroso zany tokony tsy hieritreritra zay nahavo tany aloha tany intsony,tokony ho tsotra zany e! ny mahavo manko indrindra amin zao fotoana raha misy olona mitaraina ohatra @ tsy mety ataon ny fitondrana dia matetika vetesin ny sasany foana hoe ny teo aloha no nahatonga an io na dia zavatra mitranga ataon-tsika hoe vetivety teo aza, dia mahita ahilika foana hoe ny 40 taona lasa aza zaka koa zao vao mimenomenona, angaha moramora ny manaraina an ireny sy ny sisa. Ka izay no tokony hasorina aloha satria tsy handroso mihintsy raha ho refere-na @ teo aloha foana ny dingana atao. Lasa mifaninana @ ratsy.
24. Solitikabe ( 04/09/2007 18:14)
Nana
Io indrindra anie ilay fijery Malagasy tsy te-ho tomponandraikitra rehefa misy tsy mety eh: "Raha maty aho matesa Rahavana ary raha maty rahavana matesa ny omby" Izany hoe aleo mifanilika rehefa misy tsy mety.
Nefa koa misy ilay fiteny hoe :'Atao dian-tana ny todihina ny lasa hitsinjovana ny ho avy". Nefa io tsy midika velively hoe ahilio amin'ny teo aloha ny tsy fetezan-javatra ankehitriny, fa milaza kosa hoe ataovy lesony ny teo aloha hanarenana ny ho avy.
Dia ny nampalahelo aza dia ny fiten'ny mpitondra sasany na ny mpanao politika sasany sahy mampitaha ny tsy mety vitany amin'ny vitan'ny teo aloha.
Resa-be amin'ny Tribina ohatra izao ny hoe "ahoana ihany ity resaka hazomainty sy voamboana ity?... Ny filoha mihintsy no maka ny miandraikitra ny fitehirizana ny vokatra tratran'ny tomponandraiki-panjakana". Saingy ny mampalahelo dia omena ny kaompanian'ny zanaky ny filoha ihany io, satria izy irery no manana certification amin'ny fanondranana ireo hzo sarobidy eto Madagasikara izao.
Ka ireny no anisany iantsoako ny hoe:
Sikidy sikidy hoy ny mpiaro ny tontolo iainana
Ny tantsaha aza avela hitraka aza avela hamboly vary an-tanety fa ny zavamaniry sy ny gidro ahondranay ho dolara any an-dafy
Sikidy sikidy
25. nanas ( 04/09/2007 21:21)
Efa betsaka ny zavatra tsy manjary any antanana any fa ny vahoaka koa sady efa mafy ady dia jamba @ fitadiavana ny ho arapaka anio, hany ka handihizan-dry tsy mataho-tody isany ny lapa miaraka amin ny fitsetsefana sy fanararaotana isan-karazany.
Hay ve ka ny zanak ingahy filoha no manao ilay hazo e! efa ela io no henoko fa noheveriko hoe MAGRO no misahana an izy io. Ny asa-tanana , vatosoa sy volamena, vanille, vary no tena fantatro tsara ny paik'adin-dry filoha mivady ao.
Dia ho avy indray zao ny sasany hanao comment hoatran ny nataon i Ravalomanana hoe "be fialonana sy ory hava-manana ny gasy" nefa dia noho ny fitiavan-tenany miompampana no mahatonga ny gasy ho tezitra amin ireny fangoronankarena ambadika-terivaimanta ireny. Mampalahelo fa ny ana zao no hivavahako mafy ny mba hiakaran izay olona tsy tia kely sy tsy tia voninahitra ho filoha @ 2010.
26. Jeankely ( 05/09/2007 01:25)
Momba ny zavatra ataon'ny mpitondra dia tsy afaka ny hiaro olondratsy aho fa izy no miaro ny tenany. Ny zavatra tena mba resahiko dia ny fisarahan'ny mpitondra sy ny vahoaka. Mahafantatra tsara ny vahoaka fa izay mpitondra nifanesy dia hitangoronan'ny zava-dratsy rehetra. Ny zava-doza anefa raha sarahana mifanalavitrabe ny vahoaka sy ny mpitondra dia miverina amin'ny vahoaka ihany ny fahavoazana. Raha maro no tsy mifidy, maro ny mpanaradrenirano dia mazava fa mbola hitohy ihany ny toetra tsy mendrika ataon'izay mahazo fitondrana. Amiko dia tokony tsy mitaza-potsiny ny rehetra fa hatonina ary miaraka ao fa hita haingana ny hanalana ny ratsy. Raha jerenao lavitra fotsiny ny mpangalatra na hivazavaza eo aza ianao lasa ny tody sisa no andrasana nefa ny fotoana mandeha ihany ary ny firenena hafa mandroso ihany. Amiko dia fandrisiana ny olona hiverina hirotsaka ary handray anjara na mivantana na ankolaka amin'ny rehetra fa tsy mijanona misikidy sikidy na miorakoraka avy alavitra.
27. Solitikabe ( 05/09/2007 02:39)
Izaho aloha hisikidy foana mba anamboarako ny vintako ka. Ahahahahahahha
28. Jeankely ( 05/09/2007 02:55)
Izay indrindra sady misikidy sikidy no mihinana araka ny teninao tary aloha tary. Izaho moa tsy mpitondra ary tsy mievitra ny amin'izany fa aza ny sahala anay no tonga eo fa any ampasana izay mivinany amin'ny firenena aminay. Orakoraka avy eo arovana fa dadatoako. Iza no tena ratsy fijery amin'izany?
29. Solitikabe ( 05/09/2007 03:03)
Fa dadatoan'iza hono no aiza ry Jean? Ahahahahahahahha
30. Jeankely ( 05/09/2007 03:13)
Tsy hitan'ny sikidy poakatinao angaha io soratan'i nanas io? Ianao no tena manoko sikidy sy miaro ny ratsy.
31. bozyboleta ( 05/09/2007 12:24)
Laozanareo miady eo ndray!
Maninn tsy le jamba aloha no vonjena sa andrasana miala aina eo?
Mbola tsy voavaly fôna nge le fanontaniana nataon'ny mpametraka lohahevitra hatr@ zao e!

Fa za aloha ry zareo de anisan'reo nitondra faisana t@ io ranga :twisted: io. Tsy mba nahita tsirony t@ fahazazana fa lany teny ampilaharana savony, menaka, vary,...ny tontolon'andro.
De mbola misy tokony hiasako saina @ io :twisted: ve?
32. Jeankely ( 05/09/2007 13:37)
Tsy misy miasa saina aminy akory fa ny ho avin'i Madagasikara izao tena ilaina hizahavana hevitra tsara. Izany tsy midika fa vendrana ny mpitondra araka ny fijeriko manokana fa ny mety hamerenana ny fitiavan'ny olona izany hoe Fireneny ary andraisany andraikitra feno. Ity vahoaka mitaza-potsiny noho ny ratsy vitan'ny mpitondra hatr'izay ity manko vao mainka manasarotra zavatra. Fijeriko tsotsotra io. Tsy miasa saina ny hitady vaovao @'io fanontaniana io kosa aloha aho satria tsy hinako hanina.=))=))=))
33. nanas ( 05/09/2007 17:50)
Jeankely:

Momba ny zavatra ataon'ny mpitondra dia tsy afaka ny hiaro olondratsy aho fa izy no miaro ny tenany. Ny zavatra tena mba resahiko dia ny fisarahan'ny mpitondra sy ny vahoaka. Mahafantatra tsara ny vahoaka fa izay mpitondra nifanesy dia hitangoronan'ny zava-dratsy rehetra. Ny zava-doza anefa raha sarahana mifanalavitrabe ny vahoaka sy ny mpitondra dia miverina amin'ny vahoaka ihany ny fahavoazana
Raha maro no tsy mifidy, maro ny mpanaradrenirano dia mazava fa mbola hitohy ihany ny toetra tsy mendrika ataon'izay mahazo fitondrana. Amiko dia tokony tsy mitaza-potsiny ny rehetra fa hatonina ary miaraka ao fa hita haingana ny hanalana ny ratsy. Raha jerenao lavitra fotsiny ny mpangalatra na hivazavaza eo aza ianao lasa ny tody sisa no andrasana nefa ny fotoana mandeha ihany ary ny firenena hafa mandroso ihany. Amiko dia fandrisiana ny olona hiverina hirotsaka ary handray anjara na mivantana na ankolaka amin'ny rehetra fa tsy mijanona misikidy sikidy na miorakoraka avy alavitra.



Nisy zavatra nosoratanao zay tany @ rubrique hafa tany hoe tsara miaraka miasa moa izy zay ny fanjakana sy ny vahoaka, teny mody entinareo mpanohana ny fitondrana foana io hanafenana ny ratsy atao, nefa ity mba misy fanotaniana hapetrako aminao,lazainao manko fa ny vahoaka mitazam-potsiny, efa nisy ve program nanotanian ny fanjakana ny vahoaka, efa nisy ve fiarahana midinika t@ vahoaka ny projet atao eo @ firenena? ataoko fa ny program aroson ny fanjakana tsy niarahana nidinika t@ vahoaka fa zay eritreretina fa mety aminy no ataony hatreto. Nisy koa ireny ny fifidianana fanovan-dalana mba firy % @ gasy moa no mahalala zay tao anatin lalana vao2 iny? Hifidy, inona ilay ho fidiana tsy fantatra akory zay ao antiny. Ka aza dia faly manome tsiny ny vahoaka fa ny zavatra tsapa dia tsy misy ilain ny mpitondra ny vahoaka fa resabe ny ankoatran izay, satria koa manjary manembatsembana ny tombon-tsoany raha hidiran ny vahoaka, mbola tsy miditra ampotony aza moa ny vahoaka efa hita sahady ny hoe "tsingolohana ny atsy sy ny aroa raha mahavita manaova"
Hiteny ianao ny tsy mety lazaina fa mitsikera sy mpanohitra, aiza ary no hiainanao amin zany?
34. Solitikabe ( 05/09/2007 21:46)
Jeankely:

Tsy hitan'ny sikidy poakatinao angaha io soratan'i nanas io? Ianao no tena manoko sikidy sy miaro ny ratsy.


Ka aleo aloha aho aloha hisolo salaka kely fa izay angaha no tsy nahitan'ny sikidiko hoe dadatoanareo ny eo amin'ny fitondrana koa
35. Jeankely ( 06/09/2007 04:44)
Dia hiantsoantso sy hataon'ny olona miditra amin'ny sofina ilany mivoaka amin'ny sofina ilany tokoa izany. Samy majehy ny andro ho lava eto fa dia ny vahoaka ihany no resy ka izay izany no izy fa ny sikidin'ny maloto salaka jerena=))=))=))
36. Solitikabe ( 07/09/2007 00:52)
Le hoe marary mantsy Ratsiraka dia faly ny olona, dia mitovy tamin'izy teo amin'ny fitondrana farany ihany, rehefa handeha izy hitondra ny vato voahangony dia alefa daholo ny resaka hoe lasa hitsabo tena, marary. Dia faly ery isika tamin'izany, kay moa izy andeha hivarotra any Paris
37. Jeankely ( 07/09/2007 05:05)
Ianao no faly tamin'izany fa aza mampiditra ny isiaka na ny Malagasy. Ny samy mpanao Politika no manaraka izay fiainan'ny olona avy nitondra fa tsy misy handanian'ny olona tsotra maro anisa rondoha amin'izay mahazo azy na lasa mpanakarena erantany izy na manana varotra Malaza eran'izao tontolo izao na lasa mifanohitra amin'izany. Ny ho avin'i Madagasikara sy ny taranany no hisainan'ny olona. Na ny tanora vao misandratra aza tsy dia mahalala loatra izany olona izany firy koa inona no tombotsoany @ fahalalana fa marary izy na matanjaka izy.
38. ronaldo09 ( 07/09/2007 17:00)
TSY MARINA IO VAOVAO IO FA MANANA NAMANA IZAY ANISAN'NY NAHAZO VATSIM-PIANARANA T@ I RATSIRAKA AHO VAO AVY NIFAMPIANTSO IZAHAY ARY NILAZA IZY FA TSAHO IZANY ,NISY IREO MPIANATRA AREMA NIHAONA TAMINY NY ZOMA LASA TEO!
ZA TSY AREMA ARY ILAY NAMAKO KOSA TORAKA IZANY FA IZANY NO VAOVAO MARIM-POTOTRA
39. Jeankely ( 08/09/2007 03:59)
Araka ny voalazako etsy ambony tsy mbola nanao ela mpitondra aho na efa lasa na mbola anaty fitondrana. Tsy misy tombontsoa ho an'ny olona ny fizahavana ny valin'ny fanontaniana na marary izy na tsia. Ny mpihira no mihamalaza rehefa lazaina maty nefa mbola velona ka asa mety izany ve no tiana atao? I tenagasy tompon'ny fanontaniana tsy dia miditra firy fa mitsapa ny halalan'ny rano angamba?
40. lamie ( 08/09/2007 10:38)
tsy aleo ve hipetraka any @ misy any izy e!raha marary ve izy tsy hitsabo tena,aza sahirana @ io isika fa maheno vaovao foana refa misy tranga!:lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083