RATSIRAKA Marary?

1. tenagasy ( 01/09/2007 14:18)
Mankamamy ô!

Tena marina tokoa ve ry namana isany fa marary mafy ny filohantsika taloha? Lazain'ny sasany fa vaovao nolazain'ny RFI hono izany. De marina tokoa ve?

Mirary soa eh!
répondu par Jeankely le 11/10/2007 09:07
2. xxx ( 01/09/2007 15:11)
:twisted:asevo averiny aloa ny volan'ny malagasy rehetra nangalariny, vao hitsetra azy angamba ny vahoaka voafitaka:twisted:
3. Fiffi ( 01/09/2007 16:22)
xxx:

:twisted:asevo averiny aloa ny volan'ny malagasy rehetra nangalariny, vao hitsetra azy angamba ny vahoaka voafitaka:twisted:
indrindra ireo maty ......


4. menalamba ( 01/09/2007 17:05)
Ko inona iny raha dangy any...:roll::roll:
5. patrick2002 ( 01/09/2007 18:00)
aza maniry ratsy olona ry zareo ah! Mivavaha ho azy :lol::lol:
6. nanas ( 01/09/2007 18:11)
tsy zay nangalariny irery no tokony haverina fa zay naka rehetra sy ny mbola eo ampakana amin zao fotoana.
7. xxx ( 01/09/2007 18:38)
maninona koa ary manao anizao toetra zao , mba olona ihany iz ,au moins izy fantatra we olona fopla sy ratsy fa tsy miatsara velatsihy ohatrany eo @ fitondrana zao , mialokaloka sy manao fitaovana ny anaran'Andriamanitra nefa na ny ataony mifanohitra aminizany , za aloha tena deçu @ty ra8 ity e! nefa mba anisany olona nifidy azy ny tenako taloha ,anatra ho any manaraka , nefa efa trop tard !
8. milouda ( 01/09/2007 19:23)
aiza no misy azy izao
9. Fiffi ( 01/09/2007 20:52)
patrick2002:

aza maniry ratsy olona ry zareo ah! Mivavaha ho azy :lol::lol:
heu...tsy hoe maniry ratsy fa....isakin'voateny izy de miverina foana ny zavatra niseho.....


10. Solitikabe ( 01/09/2007 21:08)
Ahahaha
le fanontaniana nge ry reto hoe "Tena marina tokoa ve ry namana isany fa marary mafy ny filohantsika taloha? Lazain'ny sasany fa vaovao nolazain'ny RFI hono izany. De marina tokoa ve?"
Izaho aloha tsy mahay ry Tenagasy an, raha tsy izany nolazaiko anao ilay izy.
11. tenagasy ( 01/09/2007 21:46)
Mankamamy!

Isaorana ny rehetra nanoina ny antsoko, isaorana manokana i Solitikabe namaly mivantana sy mahitsy.

Tsy hita hifanimezantsiny moa izy ity fa samy manana ny lasany isika rehetra; ary na izahay izao aza raha hitantara aminareo izay nozakaina t@ naha-filoha azy dia inoako marimarina fa hitan-takolaka sy hisento tokana ihany ianareo. Maro tokoa ny azo ambara. Mafy anie izany rey olona e!
Izany moa dia efa tsy zoviana @ manodidina ary hatao tsara lazaina @ taranaka.

Tsy haiko anefa fa na mangidy dia mangidy aza izay nozakaina, hoatry ny nisy fihetseham-pò tsy haiko hazavaina izany tato anatiko nahita io "tsaho" io (satria mbola tsy voamarina). Dia izany no nanosika ahy avy hatrany hiatsampy tamintsika eto: izay raisiko ho namako akaiky ahy indrindra na dia tsy mifankahita tava aza isika.

Tsy haiko aloha fa izaho maniry mafy ny handraisan'ny tsirairay ny valinkasasarany: na tsara io na ratsy. Ary raha ny momba ireo nanao izay tsy eran'ny aina tamiko sy ny fianakaviako, ny namako sy ny malagasy rehetra dia zary manozona aza aho.

Saikatra ihany anefa ny tena izay miezaka manaraka ny lalana nosoritan'Ilay atahorako. Olombelona nofo sy rà ny tena, nefa isika koa voadidy hahay hamela mba havela!

De tsy hita eh!
Sanganehana tanteraka ary mitrahotraho beny ihany satria zary indray mitambolona ao am-pò sy saina ny lasa rehetra!

Sao mibananàka eto ny foko fa dia mirary soa!
12. xxx ( 02/09/2007 03:35)

Tsy mahazo maty iny olona iny raha tsy tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra eto amintsika.Dia hoy ianao heo manontanitena inona izany sitrapon'Andriamanitra izany? Izaho koa aza mba gaga.
Grave izany tsy mahazo maty izany nefa maniry ny ho faty an!
13. Jeankely ( 02/09/2007 06:37)
Ny olona marary tsisy tokony ahafaly saingy ny mampalahelo raha alahatra daholo ny filoha Malagasy nifandimby dia ny Malagasy ihany no manondro molotra azy voalohany. Rehefa jerena tsirairay dia niafara nankaiza? Ny vokany na ny tanora aza tsy tia ho Malagasy fa mihevitena ho vazaha rehefa manankatao sy mivoaka andafy ary ny tsy manankatao mitady hevitra mba ho lasa vazaha. Raha jerena ny soratra mivezivezy eto dia saika tsy fitiavana izay filoha nifandimby eny hatramin'ny mbola hamperin'asa aza. Tantaran'ny Malagasy izany.
14. ronaldo09 ( 02/09/2007 13:32)
Za aloha tsy mahafantatra mazava hoe marary izy na tsia za koa olona mpanohitra an-dRatsiraka fa raha sanatria ka maty izy de tsy maintsy mampalahelo ihany satria tsy azo atao ny mifaly amina olona maty!Ny rehetra zao nilaza fa mendrika an'i Sadamm filoha Irakiana teo aloha ny nahantona sy novonoina za anefa nitsetra ary tsy nahatelikanina satria mampalahelo ny zavatra nisy marina fa betsaka ny ratsy nataony.
Zao fotsiny :tsika rehetra nahalala fa betsaka ny maty t@ 10 aout 1991 nefa naverina indray izy ny taona 1997 ary notsenaina ohatry ny HEROS national teny Ivato t@ 1996 !Io no tsy mazava amiko amintsika gasy :androany izy ratsy rapitso izy tsara zao indray ratsy....Isika no mpandiso tantara,isika no tomponantoka tamin'ireny zavadratsy nataon'io rangahy io izay saika hampizara roa ny Malagasy,raha tsy naveritsika izy dia tsy nisy ireny tohana (barrage antieconomique )t@ 2002 ireny!
Marary izy na miala aina, aza mifaly fa mivavaha hoa azy dia izay...
15. ririmena ( 02/09/2007 15:23)
mba mariny ve izany sao tsaho fotsiny
16. daomania ( 02/09/2007 17:23)
Misy fitenintsika malagasy hoe : tsy mandidy alohan'ny tompony. Talohan'ny nahatongavan'ny misionera dia efa notoavin'ny ntaolo ny hoe Zanahary no tompon'ny aina. Ny tena alahelontsika dia anisan'ny mpitondra nampitondra fahoriana mihatra aman'aina ary nampamono mihitsy aza Ratsiraka. Tsy nandala io fahendrena voalaza io izy raha nanana ny fahefana. Resy izy izao, dia hanaraka ny adalany ve isika ka iseho antsika ho tompon'ny aina ihany koa ary handidy alohan'ny tompony ?
Samy mijinja ny nafafiny ary mizaka ny vokatry ny adalany ny tsirairay, fa ny mifofo ain'olona kosa dia famosaviana no dikany @ maha-malagasy !
17. xxx ( 02/09/2007 19:23)
Tsy aleo ho maty any iny? Olona ratsy sady mpamono olona no mpambotry firenena ka hoe inoa an, inona! Efa hita fa io no nahabotry an'i Madagasikara izy irery ka ndeha hivavahana ve? Sanatria izany!
Io no nahatonga ny fahantrana tany ary inona no hitomaniana raha maty? Io ve nitomany t@ ireny 10 aout ireny sa ireo mpisoleleka sy namafa ny tsy tokony hatao mba hahazoana vary 10 sotro???
OLON-dratsy, mpangalatra, tsy mataho-tody, tsy malagasy fa mpangalatra hitan'ny masoandro!:-w:-@:-@:-@
18. Solitikabe ( 03/09/2007 04:59)
Ny somary mampalahelo ry mpamaky havana dia ...
Gaigy lahy raha samy firenena tamin'ny fangalarana sy fambotriana teto Afrika (anisan'izany Madagasikara) i Frantsa nefa dia tian'ny Gasy sy ny Afrikanina ihany ny mialokaloka any. Sa iza no efa naheno olona nilaza hoe tsy ho any Frantsa intsony fa ireo no mpankorotana sy mpandrdoba an'i Afrika sy MAdagasikara. Na hoe "Enga anie ho faty sy harary any daholo ny Frantsay".
Saingy Gasy moa ilay RaDidy dia omena ozona mahafaty mihintsy mba ho ela velona. Fa raha vazaha io dia nomena dera sy laza. Ahahahahahahahahahaaha
19. Jeankely ( 03/09/2007 05:07)
Mitombona io ho an'ny sasany mihevitena ho lasa Frantsay rehefa any Frantsa. Ny marina moa dia efa nahazo zo maha-Parantsay izy na izany na tsy izany tsy manakilasy azy ho mpiray tandrizana mihintsy ny tena Frantsay.
Ny olona rehetra samy mety harary ary tsy misy matanjaka mandrakizay. Mandalo ny hery sy tanjaka ary any ampasana daholo any aoriana. Rehefa tonga ny fahafatesana dia izay tsara natao sy vita no resahina eny ampandevenana sy ao ampiangonana fa tsy misy mitanisa ny ratsy. Mifanesy eo ny olomangan'ny firenena sy sns.
Manana olomanga maro hono isiaka e!!!ary noho ny asan'ireo olomanga dia lasa nahaibe daholo ny Malagasy ary tsy misy gisitra fa avobe daholo amin'ny lafiny rehetra.
20. nanas ( 03/09/2007 16:40)
Solitikabe:

Ny somary mampalahelo ry mpamaky havana dia ...
Gaigy lahy raha samy firenena tamin'ny fangalarana sy fambotriana teto Afrika (anisan'izany Madagasikara) i Frantsa nefa dia tian'ny Gasy sy ny Afrikanina ihany ny mialokaloka any. Sa iza no efa naheno olona nilaza hoe tsy ho any Frantsa intsony fa ireo no mpankorotana sy mpandrdoba an'i Afrika sy MAdagasikara. Na hoe "Enga anie ho faty sy harary any daholo ny Frantsay".
Saingy Gasy moa ilay RaDidy dia omena ozona mahafaty mihintsy mba ho ela velona. Fa raha vazaha io dia nomena dera sy laza. Ahahahahahahahahahaaha


Za aloha tena tsy tia vitana Ratsiraka fa za tsy hanozona azy zany e! ambo-po diso toerana angamba sisa no azo ilazana an izany tsy fitivakao azy zany, ny lasa efa omban ny lasa tsy hitondra soa intsony, ny hoavy no tokony jerena fa tsy mamoha fotamandry intsony hoe nanao an izao iny ka tsy maintsy hataon izao na izatsy. Andriamanitra no tompon ny teny farany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0508