Ny Teny:sabatra roa lela maranitra ,manindrona???

1. niryna ( 31/08/2007 07:00)
Ny tenin'Atra dia sabatra roa lela maranitra sady manindrona.

Inona no dikan'izany?

Ahoana no anehoan'Atra izany teny izany amin'ny fiainana?

Mbola miteny amintsika ihany ve Atra? Ahoana?



(l)niryna
2. pkm ( 31/08/2007 07:39)
Ny dikan'izany araka ny nampianarana anay dia hoe : sady manindrona ny olona hitoriana no manindrona izay olona mitory, izay ilay hoe roa lela.
3. xxx ( 31/08/2007 11:24)
sabatra roa lela ve tsy traduction n'ny hoe "à double tranchant"
4. ikaretsaka ( 31/08/2007 16:06)
mitovy isika sy xxx eto.
Ampiako kely hoe:
mba tsy ho voatataka sy tsy ho voatsindrona koa dia ilaina tena ilaina ny mianatra mampiasa ilay "sabatra" fa tsy hoe "manana sabatra" dia lasa @ izao fotsiny.
Izay no ilaina fanaovana Fianarana manokana sy "kotrana" isan'andro
5. dadie ( 31/08/2007 21:04)
asa aki ry niryna ra za no tokony ianatra soratra masina fa tena bola tsy naeno zany teny zany za fa tena isaorako ny serasera.org fa naitako zavatra maro
NB i ikaretsaka kosany sérieu b na aty na ary an ;-)
6. ikaretsaka ( 31/08/2007 21:51)
serieux @ ahoana.. za anei serieux foana fa ny fomba filazako azy no...
7. fijo ( 31/08/2007 21:59)
raha ny fahitako azy dia io voalazan'ika io.ka eto lozan'ireo mpitsmpona.satria mety hivadika aminao le teny
8. dadie ( 31/08/2007 22:09)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 31-08-2007 23:51:21
Lohateny : Re : Ny Teny:sabatra roa lela maranitra ,manindrona???
serieux @ ahoana.. za anei serieux foana fa ny fomba filazako azy no...

NB : ilay tiko tenenina eo aty na ary d ilay ary any am forum sasany an ,so misy gaga eo8O
9. fijo ( 31/08/2007 22:16)
hummmm,noheverinay sao ary ambadika ary kosa ko.:-D:-D
10. niryna ( 01/09/2007 02:44)
pkm:

Ny dikan'izany araka ny nampianarana anay dia hoe : sady manindrona ny olona hitoriana no manindrona izay olona mitory, izay ilay hoe roa lela.


misaotra pkm a.Sady ny marina mandratra fo amin'ny voalohany fa rehefa mandinika izany dia miaiky ihany fa diso na marina tokoa izany:D

11. niryna ( 01/09/2007 03:03)
xxx:

sabatra roa lela ve tsy traduction n'ny hoe "à double tranchant"


Ie mitovy an'izany ny dikany na hoe "deux tranchants"koa.
Izany hoe mandratra ny fahenona Azy satria marina na mahafantatra ny marina izany isika dia mandratra antsika ilay fahamarinana kanefa manafaka ihany koa raha manaiky sy manaraka ny tokony aleha,manindrona koa ilay izy satria mety tsy mino isika ka dia ho very,voatsindron'ilay fahamarinana isika kanefa vao maika midiridiry manao ny tsy tokony atao ihany .Ilay heviny izany dia na isika manaraka ny Tompo noho ny fahalalana ilay fahamarinana ao anatin'ny tenin'Atra na isika mivily lalana izany dia ny fizarantsika amin'ny fahafantarana ny marina lazain'Atra.

12. niryna ( 01/09/2007 03:30)
dadie:

asa aki ry niryna ra za no tokony ianatra soratra masina fa tena bola tsy naeno zany teny zany za fa tena isaorako ny serasera.org fa naitako zavatra maro
NB i ikaretsaka kosany sérieu b na aty na ary an ;-)
Ilaina ny fianarana ny soratra masina ka,ilaina koa ny famakiana ny baiboly araka izay fotoana mampalalaka antsika.Mivavaha ary mangataha ny Fanahy Masina hampianatra,hanoro,hitari-dalana anao isaky ny mijery na mahita fampianarana vaovao omen'ny namana.:D. Izaho koa misaotra an'ATra fa afaka nianatra zavatra sy nizara izay kely fantatro mikasika ny tenin'Atra tato.:*
Ny Fanahy masina mantsy no miaraka amintsika isan'andro ary Izy no manoro,mampianatra,mitarika,miaro antsika amin'ny fiainana sy ny tenin'Atra izay omen'Atra antsika.Hoy i Kristy hoe andeha Izy ary angataka ny rainy ny mba andefa antsika ny Fanahy Masina mba hiaraka amintsika(Counselor-tsika Izy).Io dia miaraka amintsika mandrakizay hoy ny Tompo. Jaona 14:16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anarei Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay:D



Hoy ny teny ao amin'ny Heb 4:12 Fa velona sy mahery ny tenin'Atra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka,ka mahay mamantatra ny ertitreritra sy ny fisainan'ny fo.Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany,fa ny zavatra rehetra dia mihanjajanja sy aharihary eo imason'Izay iafaran'n ataontsika.

13. niryna ( 01/09/2007 03:36)
fijo:

raha ny fahitako azy dia io voalazan'ika io.ka eto lozan'ireo mpitsmpona.satria mety hivadika aminao le teny

Afaka mitsimpona daholo na ny satana aza mahay soratra masina noho ny kristiana.
Efa notantaraiko teto fa nisy olona mitondra baiboly eo Analakely ary ny tenin'Atra no ampiasainy angatahany vola ary raha vao tsy manome azy ny olona dia sady angarihany no hitenenany teny ratsy.Ny teny avoakany anefa dia tenin'Atra miraradraraka tsy misy toa izany.
Tsy ho voatery ny rehetra koa anefa no hitsimpona,matoa izy mitsimpona dia namaky ny baiboly izy izay:roll:.misy aza manohitra izay tenenin'Atra kanefa mbola manaraka sy mamaky ilay teny foana foana ,sady mahafinaritra koa satria ny fiainana dia misy mangidy,misy ny mamy,misy ny mitantara,misy ny mpanohitra ilay tantara,misy ny mino ,ny tsy mpino koa vao maika mitombo satria efa voalaza ao anaty baiboly izany hoe hihamangatsiaka ny fitiavan'ny mpianakavy ary hiroborobo koa ireo olona manohitra ny tenin'Atra.:cry:

14. niryna ( 01/09/2007 03:52)
fijo sy ika a> ao anatin'ny bokin'ny Mpitory ny filazana fy hitsaran'Atra ny ratsy fanahy sy ny fanoharana amin'ny fiainana.Sy ireo olona izay tsy mitsahatra ny mitsongoloka ny tenin'Atra ary manoro lalan-diso ny olona tahaka azy.:roll:

Ao ny andro anariam-bato ary ao ny andro anangonam-bato;..Ao ny andro hitadiavana ary ao ny andro ahaverezana;..Ao ny andro anginana,ary ao ny andro itenenana;..Ao ny andro itiavana,ary ao ny andro ankahalana.Mpit 3:5,6,8

Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'ATra ny zanak'olombelona hisasarany.Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoanay avy;ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony,kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Atra hatramin'izay voalohana ka hatramin'ny farany Mpit 3:9

[I]Fantatro fa izay rehetra ataon'ATra dia haharitra mandrakizay;tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany;ka dia ataon'Atra matahotra eo imasony ny olona.[/i] Mpit 3:14
15. ikaretsaka ( 01/09/2007 03:53)
niryna:

misaotra pkm a.Sady ny marina mandratra fo amin'ny voalohany fa rehefa mandinika izany dia miaiky ihany fa diso na marina tokoa izany:D


izay ny antony ianarana ilay izy e! fa tsy misy ohatran'ny directe ihany io aloha e!


16. niryna ( 01/09/2007 04:10)
Ity koa ry ika sy fijo mbola misy tsimpona baiboly,toherin'izay mankahala azy fa raha mino Azy tsy hanohitra ny Tenin'ATra velively satria mitovy izay resahiny.
Ary ny Ray izay naniraka Ahy,Izy no nanambara Ahy.Tsy mba renareo ny feony,na hitanreo akory aza ny endriny,ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo,satria tsy mino Izay nirahiny hianareo Jaona 5:37-38

Ho an'i Kristy Irery anie ny voninahitra,mangataha aminy mba hiaraka amintsika mandrakariva ny Fanahy Masina.^:^^:^.

Derao i Kristy,manaraha Azy,matokia Azy,fa Izy no lalana sy fahamarinana ary ny fiainana mandrakizay (sy ny famonjena).Tsy misy na iray aza mankany amin'ny Ray raha tsy avy amin'ny Anarany.

Praise the Lord.Follow Christ,trust Him,He is the way,the truth,and the everlasting life (and salvation).There is no way to go to God without Christ's name
17. ikaretsaka ( 01/09/2007 04:13)
satria tsy mino Izay nirahiny hianareo Jaona 5:37-38

Tsy ianao io fa Izy!
za mino ka.. fa ianaa milaza ho nirahiny no tsy inoako!
18. ikaretsaka ( 01/09/2007 04:15)
matoa izy mitsimpona dia namaky ny baiboly izy izay

mamaky baiboly izy... ekeko izay saingy izay tiatiany ihany no "tsimponiny"!
19. niryna ( 01/09/2007 04:29)
[quote=niryna]
Ny tenin'Atra dia sabatra roa lela maranitra sady manindrona.

Ahoana no anehoan'Atra izany teny izany amin'ny fiainana?

Manaza ny saintsika Izy,mampianatra ny teniny Izy ary ny Fanahy Masina no miaraka amintsika amin'izany,mandresy lahatra antsika Izy,mahatonga antsika hibebaka sy hamela ny fahalalana ny tenin'Atra,miaro antsika ihany koa ary noho ny fahafantaran-tsika ny voninahiny sy ny asa lehibe nataony antsika dia mizara ny fahasoavana amin'ny mpiara-belona koa isika ka mizara izay soa nataony tamin-tsika.
Ny Heb 4:12 dia manambara antsika fa ny fahamarinana dia mandratra ka na isika hanatona Azy na isika hihemotra.Roa lela satria ny iray dia hamonjena antsika ary ny iray dia hitsarana antsika.
Jaona 6:63-64 Ny fanahy no mahavelona ;ny nofo tsy mahasao na inona na inona;ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana..Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino

Fa maro no maditra,mpitaria foana sy mpamitaka,indrindra fa ny avy amin'ny voaforaa-tsy maintsy hotampenam-bava ireo -izay mampivadika mpianakavy maro ,fa ma,mpianatra izay tsy mety ,mba hahazoany harena maloto.Hoy ny anankiray amin'ireny ,izay mpaminany teo aminy:Mpandainga mandrakariva ny Kretana,biby ratsy,kamo be tenda.Marina izany vavolombelona izany.Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana,tsy mitandrina ny anganoanganon'i Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana. Tit 1:10-14




20. ikaretsaka ( 01/09/2007 04:33)
niryna an.wake up
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7243