mpaminany sandoka

1. Kwasi ( 29/08/2007 17:31)
Ahoana no ilazana fa Mpaminany sandoka ny mpitory na mpitarika fivavahana iray, raha samy ao anatin'ny valaben'ny kristianisma?
Mifampiampanga daholo manko ka tsy hay intsony hoe iza no izy na iza no tsy izy? Ary samy mampiseho ny versets @ fanamarinan'izay lazainy avy ireo.
répondu par Kwasi le 07/09/2007 02:07
2. ikaretsaka ( 29/08/2007 17:43)
Tsotra!
1)rehefa tsy azoazony ny hevitra fototra sasantsasany amin'ilay Kristianisma ilay tena naorin'i Kristy sy voamarina ara baiboly sy ara tantara, ilay nomeny Kristy fahefana ilay olona hitondra azy ho vato namelan-kafatra ,

2) Rehefa somary nankarary ny sainy ny zavatra sasany amin'io. dia lasa izy namory olona dia nanangana hafa ilay tsy naorin'i jesoa , dia mody lazainy sy am,pisalorany an'io anarana io
nefa izay tiatiany sy ankasitrahiny momba an'io ihany no tatatatainy fa ireo izay hafahafa aminy sy tsy ekeken'ny sainy dia modiany fanina ary tsy ankatoaviny mihitsy sy hataony izay handemena ny sain'ireo mpanaraka azy hino izay fiheviny izay!

3)mindrakindrana ilay bokin'ilay nisarahany izy dia mitsipontsipona ireo izay tiany ao... mba hanamarinany tena!
3. fijo ( 29/08/2007 20:55)
matetika ireny tsy nianatra theologia akory fa mamaky baiboly de mikapoka vantana eny.vola io ko
4. tsaramaso ( 29/08/2007 21:18)
ny mpaminany sandoka dia izay misy devoly !!!!!
5. fijo ( 29/08/2007 21:20)
ke mety mpamonany ny devoly kosa ka,efa izy ihany izany ka
6. ikaretsaka ( 29/08/2007 22:31)
misy kao ilay tsy mahafantatra akory ny zavatra lazainy fa miteniteny fahatany.. ireny koa sandoka
7. majesty ( 30/08/2007 05:18)
tsy haiko na mety ahavaly azy ity:

Isaia 8:20 "Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina":D
8. ikaretsaka ( 30/08/2007 05:21)
eo indrindra isika izao:
"izay tiana @ le teny vavolombelona sy ny lalana ihany ve?
9. xxx ( 30/08/2007 05:25)
majesty:

tsy haiko na mety ahavaly azy ity:

Isaia 8:20 "Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina":D

Ampiko koa raha misy olona manome teny ao anaty baiboly dia afaka jerena.Hita arak'iny teneniny iny izy na mpanara-dia an'i kristy na tsia.Raha milaza izy fa kristiana kanefa toheriny sy tapenany foana ny valin-teny amin'ny lalana mivilana dia efa samy mahita ilay olona isika fa ampiasan'ny satana.Tandremo ary fadio ny manaraka azy.

10. ikaretsaka ( 30/08/2007 05:44)
dia ampiako ihany... izay teny tian'ilay nanome ihany ve bno hojerena ao anaty baiboly fa izay tsy tiany sy tsy azoazony dia tsy hojerena mihitsy na tena odiana fanina tanteraka??
11. ikaretsaka ( 30/08/2007 05:47)
le manara dia an'i kristy koa amiko tsy hoe mamaky baiboly dia manaraka ny dikan'izay
En plus tsy fitadiavana an'i kristy dia isan'andro, ary izaho miteny hoe tsy mbola nahita azy tanteraka fa eo an-dalana foana.
fa tsy heo namaky baiboly za de nahita azy

(cf ilay resaka momba an'i Mere theresa atsy)
12. majesty ( 30/08/2007 05:49)
ika : izy rehetra aloha no voalaza ao fa tsy hoe izay tiany na izay tsy tiany e,satria raha diso amin'ny iray loha hono dia diso amin'izy rehetra :D
13. ikaretsaka ( 30/08/2007 05:50)
ko maninona no tsipotsiponina ohatran'io?
14. niryna ( 30/08/2007 06:09)
xxx:

majesty:

tsy haiko na mety ahavaly azy ity:

Isaia 8:20 "Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina":D

Ampiko koa raha misy olona manome teny ao anaty baiboly dia afaka jerena.Hita arak'iny teneniny iny izy na mpanara-dia an'i kristy na tsia.Raha milaza izy fa kristiana kanefa toheriny sy tapenany foana ny valin-teny amin'ny lalana mivilana dia efa samy mahita ilay olona isika fa ampiasan'ny satana.Tandremo ary fadio ny manaraka azy.



Ny ahy indray dia jereko izay tokony ho izy ary mbola vakiko ny eo aloha sy ao aoriana vao mino izay lazainy aho fa tsy izay teneniny no ekeko.Mety manao mpitari-bato vilambava ilay izy.

15. ikaretsaka ( 30/08/2007 06:18)
Tsotra!
1)rehefa tsy azoazony ny hevitra fototra sasantsasany amin'ilay Kristianisma ilay tena naorin'i Kristy sy voamarina ara baiboly sy ara tantara, ilay nomeny Kristy fahefana ilay olona hitondra azy ho vato namelan-kafatra ,

2) Rehefa somary nankarary ny sainy ny zavatra sasany amin'io. dia lasa izy namory olona dia nanangana hafa ilay tsy naorin'i jesoa , dia mody lazainy sy am,pisalorany an'io anarana io
nefa izay tiatiany sy ankasitrahiny momba an'io ihany no tatatatainy fa ireo izay hafahafa aminy sy tsy ekeken'ny sainy dia modiany fanina ary tsy ankatoaviny mihitsy sy hataony izay handemena ny sain'ireo mpanaraka azy hino izay fiheviny izay!

3)mindrakindrana ilay bokin'ilay nisarahany izy dia mitsipontsipona ireo izay tiany ao... mba hanamarinany tena!


ny ahy dia ireo fepetra 3 no hijereko azy.. jereko ny heviny dia dinihiko hoe avy aiza ilay hevitra dia anontaniako azy ny momba ireo zavatra nodiany fanina satria manelingelina azy ka iny fa manomboka misambodika, dia jereko avy eo ny fitaovana ampiasainy kay ilay anahy ihany! fa ny akanjo fotsiny no novaina ... dia mailo aho fa tsy izy izay
16. niryna ( 30/08/2007 06:27)
Hoy ny teny: Aza mety ho fitahin'olona amin'ny teny foana hianareo;fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Atra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.Koa aza mety ho mpiombona aminy hianareo. Efe 5:6

Ny mpaminany sandoka dia ireo olona izay manohitra an'i kristy kanefa ny anarany no hitondrany ny fiangonana sy hitoriny teny.Saingy tsy mandray ny ny fahamarinana izay hamonjena azy izy ireo fa ny azy ihany sy izay fampianarana diso.
2 Tes 2:10" ary ny famitahana momba ny tsifahamarianana amin'izay ho very,satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany,manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga.. 1 Ti 4:1-2

**** Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema ,fa hangidihidy sofina izy ,dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany,ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.:roll:
2 Ti 4:3-4

17. ikaretsaka ( 30/08/2007 06:32)
dia iza amin'izay ary no mpaminany sandoka fa efa fantatra ireo ny conditio0ns sy ny fahalalana azy?
18. fijo ( 30/08/2007 21:25)
izany hoe raha mody mamaky baiboly ve aho de mba lasa koa manaparitaka izay itako tao dia efa izy ry majesty sa ahoana?
19. pissoa ( 30/08/2007 21:27)
Izaho manokana aloha, tsy rarahiko akory ze sandoka any ! Matoa aho mino araka ny finoako, dia tsy sandoka io amiko ... ka ny mamantatra sy manaraka ilay inoako, ary mino azy bebe kokoa hatrany no tanjoko isan'andro !

---> Sandoka ve i xxx sa tsia ? : tsy mahaliana ahy akory ny hamantatra ny valiny !
---> Hiteny foana ve i xxx hoe sandoka ilay mpitondra fivavahako ? Dia ozy koa za hoe :-D:-D:-D

Averiko foana : Heveriko fa misy zavatra hafa kokoa takian'i Kristy amintsika Kristianina noho ny manao deminera amin'ny olona 6 miliara mahery eto an-tany hoe ito sandoka ito tsy sandoka :oops::lol:
20. fijo ( 30/08/2007 21:31)
izany hoe nympaminany sandoka mety hitarika ny olona hanaraka ny lalana tsy sandoka????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1018