Izahay ihany no eto
1. Solitikabe
(
28/08/2007 19:51)
sikidy sikidy. Aza matahotra aza misafotofoto, fa izahay ihany no eto, ny olona no nisolo fa nihevitro mitoetra. Ny olona mpandimby mbola olona niaraka tamiko na olo-nisandratra tamin'ny androko. Koa dia mandimby ny toe-dRainy, mandimby ny foto-pisainan-dRay: "Izaho no tompon'ny tany, ka izay tiako no atao". Ary "rehefa misy manjo dia modia miova loko, fa aza miova toetra".
Sikidy sikidy foa foa masina, masina itambrana na ho an'ny kristianina na tsia. Saingy minoa fa ny harenanareo ho aty am-paosinay sy ny namako ihany ary ny mpandova ahy.
Sikidy sikidy, mivavaha mafimafy ry vahoaka dia arotsay amin'ny fiangonanay ny rakitra misimisy ny ny faha-10n-karena dia hitombo ny efa anananay.
Sikidy sikidy, enga anie ny vahoaka ho dondrona hatrany tsy ahita ny sarinadinay mpanao politika eto Madagasikara. enga anie ireo ho saron'ny adim-piainana tsy hitraka ahita ireo voalazako ireo, fa ho falin'ny maitso nefa tsy mahita fa fahavaratra ny andro.
Sikidy sikidy, isaorana ny fiangonana rehetra nanohana anay hatramin'ny fanjanahana no mankaty. Dia arodany izay tsy ao ataovy hoe sekta.
Ahahahahahahahha

novalian'i Jeankely ny 10/09/2007 03:22
2. Jeankely
(
29/08/2007 02:11)
Izay indrindra no mahatonga aho nandray anjara tamin'ity SERASERA ity. Misy ny milaza fa mpanohana fitondrana aho nefa tsy misy hidirako izay Mpitondra. Amiko ny vahoaka manana ny lanjany ary izay mahasoa ny vahoaka dia ny fampahalalana ny zavatra tiana hatao. Matoa tsy lasa alavitra i Madagasikara dia satria ara-taratasy "Potiques et Strategies" mirehitra sy milailay fa ny vahoaka tsy miaradia amin'izany. Raha mbola resaka mifanambaka dia sarotra ny hisian'ny fivoarana haingana. Izany tsy midika fa toloram-potsiny ny vahoaka. Mila miady koa izy ary miara-miady. Tokony tanjona iray no henjehina. Raha samy maka ho azy dia tsy ahatonga lavitra ny firenena. Fanjaitra, paingotra sy kofehy, vary hanina isan'andro aza hafarana.
3. lamie
(
29/08/2007 06:54)
tongotra vakivaky ka sady marary no mahamenatra!tsy nisy nahay nanao politika izay nitondra any Madagasikara,mety mahay ihany fa ny fitiavam-bola no tena nanjaka,ny filoha @ zao fotoana no tonga saina sy manana ny fikany fa ny mpanaraka azy no tsy tafa,ny azy koa moa fitondrana orin'asa no tena hainy, fa nahavita ny "essentiels"kosa izy aloha e!nefa raha tsy mifanampy isika rehetra tsisy dikany reo tafatsangana ireo!
4. Jeankely
(
29/08/2007 07:13)
Izaho aloha manaraka izay hevitra izay ary izany no nilazako fa ny ezaka vitan'ny mpitondra teo aloha ezahin'ny mpitondra manaraka ny manatsara sy manohy azy. Ny zava-misy eto dia miverina depart zero foana ary ny sasany aza tiany potika ny firenena raha tsy izy no mitondra. Aminay ny firenena hasoavina foana na iza na iza mpitondra ary izay mihevitra ny hanimba ny firenena koa aminay fahavalo na iza na iza. Tsy mahafinaritra ahy mihintsy ny amerina fa resaka ahatonga saina no nilazako hoe kofehy sy fanjaitra ary vary harapaka isan'andro hafarantsiaka nefa Madagasikara midadasika. Voalaza fa be manampahaizana fa ahoana? Misy agronome maro, Ingenieur maro, sns koa ahoana no manaiky resy. Ny zavatra hitako kosa dia na tsy mbola foana aza ny toetra ratsin'ny tompon'andraikitra dia efa hita fa misy fivoarana ary ny zadratsy no tena be taraina.
5. LazaDaddy
(
29/08/2007 07:23)
Solitikabe> Ka ianareo tsinona mody jamba sy Bado sy Bonaika (J&B&B) kinanjo kapotsaka daholo kanou!
6. Jeankely
(
29/08/2007 11:07)
Ianareo no tena kapotsaka LazaDaddy sady miresaka Baiboly; no manitatra fivavahana; no milaza fanetretena nefa tsy mankafia ny hisondrotan'ny tanindrazana. Hafa no tondroin'ny molotra hafa ny voizin'ny tanana. Lozabe
8. Solitikabe
(
29/08/2007 18:06)
Sikidy sikidy enga anie ireo nahita fianarana mbola ho jamban'ny diplaoma eo ihany, dia jamban'ny fitadiavan'asa koa, ka ho anay tsy tafa ny fitantanan-karena sy ny fitrandrahana rehetra. Izahay tsy niatra hoy ..., izahay tsy ny baosy hoy ... fa dia anay ny harena eh...
Sikidy sikidy enga anie ny vahoaka ho variana misonanika amin'ny arabe mikodana, ka tsy hahita ny hivarotanay ny haren'ny tany amin'ny vazaha be manambola avy any an-dafy. Dia hotototra zone franche ny tanana fa ho gorobadrobaky ny fangadianay volamena sy vatosoa ny vohitra rehetra.
Dia samy mazotoa amin'ny asa aza mitraka ka hifampijerijery
Solitika be

9. menalamba
(
29/08/2007 21:01)
Ranokombé an! efa ilazana ianao fa tsy mandeha io mazy anao io raha tsy somary asalisalinao afo kely ny fitombenanao eo ampanaovana ilay foà! foà ! iny:^):-D
11. Jeankely
(
30/08/2007 02:20)
Ho an'i Solitikabe kosa aloha mazava ny tianao lazaina. Erantany fa tsy ao Madagasikara ihany no ahitana olona tsy nianatra firy nefa mpanankarena. Raha nianatra ianao tsy midika izany fa tsy maintsy hanankarena. Ny nianatra na aiza na aiza miasa ary mpiasan'ny tompon'ny vola. Aza afangaro fa tsy mety.
Ny amporisiana ny zaza hianatra mba hampitombo ny fahalalany sy fahaizany ny zava-misy fa tsy ny hampanakarena azy akory.
Ny momban'ny Zone Franche indray mba diniho fa anisany nampivoatra haingana an'i Singapore, Hong Kong, China, Mexico sns ny FDI saingy ny resaka "Spill Over" na "Technology transfer" tsy mazava fa sahalan'ny famporisiana ny ankizy tsy hianatra ary miazakazaka mitady vola any amin'ny ZF vao manana CEPE.
Ny Fianarana zava-dehibe noho izany tokony hianatra ary hampitombo ny ahavon'izany fianarana izany satria sarotra ampiakarina ny vahoaka tsy ampy fianarana.
Ny lalana migodana indray tsisy maharatsy azy fa anjaranao ny mitady izay ahasoa ny fampiasana azy.
Aza manao resaka mifangaro fa misolitika na mofo mamy aza mandoto akanjo.

12. LazaDaddy
(
30/08/2007 02:26)
Solitikabe> tena mila an'i Jesosy ny Malagasy fa toa rebirebenareo amin'ito politika'ny sikidy ity tokoa.
13. Jeankely
(
30/08/2007 03:25)
Jesosy tena hilaina fa ny loza dia ilay milaza no tsy mahalala ny tena zavatra ataon'i Jesosy ary mbola manontany tena aza. Tsy ho an'ny hafa ny resaka Jesosy fa ho anao miteny. Aleo tsy manonona ilay anarana toy izy miteny nefa mivilamolotra.
14. Solitikabe
(
30/08/2007 12:02)
Sikidy Sikidy
Dia ireo izy fa variana amin'ny lala-mikodana tahaka ahy. Dia tsy hitany akory fa gorobahako tsikelikely ny vohitra sy ny tanety hanondrananay sy vazaha ny haren'ny taniny. Izy moa variana manao fety eny amin'ny sisin-dalana dia variana mitono masikita fa zara aza mba afaka. Dia jamban'ny tono hena eo ka tsy ka tsy mahita vatosoa sy ny volamena amidiko amin'ny vazaha tsy tompon'ny tany.
Sikidy sikidy
enga anie ireo hino lalan-dava fa an'ny mahantra ny fanjakan'ny lanitra.

15. nanas
(
30/08/2007 20:18)
mampime be koa i Solitika be, marina ny anao fa na izany aza tsy misy azonao atao anie e! zay ary no efa misy sy hiainana , efa zary rano fisotro sy lamba rakofana koa inona no azonao atao? Mampalahelo fotsiny ny vahoaka, haindry zareo tsara manko ny manafina ny ratsy ataony. Dia ho samy velon aina hoy ny ntaolo fa ety antany ihany dia hivaly ny ratsy atao e! Ilay raika lahy Ratsiraka sy ny tropiny aloha iny efa nahazon ny tandrify.
17. Jeankely
(
01/09/2007 02:22)
Manampahaizana marina ianareo raha resaka firenena no lazaina fa manala azy.
19. Jeankely
(
02/09/2007 06:29)
Aza gaga raha taraiky i Madagasikara satria ny olona milaza manampahaizana manala azy amin'ny resaka firenena. Mba mifandray amin'ny olona samihafa fihaviana maro aho fa ny Malagasy no sahy manao tondromolotra sy manambany ny fihaviany. Ny ahy manokana aloha tsy afaka ny handainga aho fa harovako ary mijoro tsy ho aorian'ny karazan'olona mifampikasoka amiko aho. Tsy amin'ny vava na ny jesta hoy ry zalahy fa amin'ny zavatra hiarahamanao. Tsy karazako ny manambany na manala azy ny fiaviako ary tsy mbola nihevitra ho vahiny aho na antanin'olona aza.
20. nanas
(
02/09/2007 20:49)
fa inona mihitsy aza no tsy zakan i Jeankely @ ty manampahaizana ty, nga misy manampahaizana zany eto an-tany e! A/tra irery ihany no tompon ny fahaizana.