Izahay ihany no eto

21. Jeankely ( 03/09/2007 02:15)
Samy nianatra fa ny sasany miseho manampahaizana ary miseho mpivavaka nefa hafahafa. Tsy mahalala menatra fa izy indray no manaratsy ny tanindrazany ary mihevitena ho manampahaizana nefa samy mahalala izao fa tsy mbola nisy Malagasy nahazo "Prix Nobel" hatramin'izao. Tsongolohana daholo izay rehetra atao ary miseho mahay tokoa nefa samy vizana hatrany ampiandohana.
22. Solitikabe ( 03/09/2007 04:52)
Haingana haingana
Omeo rano omeo rano
sao aho dia miakatra eto koa ka ho torana eto.
Ndry ry tony ty Jeankely eh. Ilay miventy fitiavan-tanindrazana nefa milefa miamboho adidy any an-tanin'olona.
Dia aleoko ihany domelina ohatra ahy ka manoko sikidy eto fotsiny dia manaty 20 sy 100 miampy fotsim-bary iray tatao sy akoholahy mena iray.
Sikidy sikidy
23. Jeankely ( 03/09/2007 05:17)
Sikidy mila voa tsy ary ny anao ary tsy mahita inon'inona. Iza no milaza aminao fa mpandositra adidy daholo izay miala ny tanana. Aiza no ahafantaranao fa asampanjakana no ataon'ny olona? Ary ny miasa tena aza izy mitady eran'izao tontolo izao fa tsy mangalatra sy mambotry ny eo akaiky eo. Sikidy sidiky hatramin'izao mbola manafatra kofehy sy fanjaitra ary ny fotsimbary atao sikidy. Izany no hita ka atsipazo ihany ny sikidy. Aza arisika hifofotra sy hiady ny olona fa sikidy alefa. Misolitikabe=))=))=))
24. nanas ( 03/09/2007 16:24)
Za kalokany mbola tsy nahita na dia olona iray aza teto niteny hoe manampahaizana izy fa Jeankely foana no hitako miventy an io isan andro ato @ politika ato. De gaga be aho hoe fa inona loatra, lasa mivona manko ny hevitra harosona ka matetika lasa fandrangitana sisa no hiafarany
25. nanas ( 03/09/2007 16:33)
Mba misy fanotaniana hapetrako @ i Jeankely, Jeankely manko leader @ fitiavan-tanindrazana, raha misy zavatra hita fa tsy manjary na tsy mety ataon ny olona milaza fa hampandroso tanindrazana ve dia tsy azo tenenina? Hodiana fanina fotsiny ve sa ahoana no atao ary? Ny olona anie ry Jeankely mba mijery sy makafaka toa anao koa e! dia avelao izy mba hiteny fa tsy tonga dia hoe " tsongolohana daholo zao sy zao na hoe mihevi-tena ho manampahaizana sy miseho mahalala an izao sy zao" Ianao zao malalaka amin ny tianao soratana eto dia mitovy daholo ny eto.
26. Solitikabe ( 04/09/2007 01:03)

Sikidy Sikidy, hoy JeanKely sa JeanBe
Jeankely:

Sikidy sidiky hatramin'izao mbola manafatra kofehy sy fanjaitra ...atao sikidy. Izany no hita ka atsipazo ihany ny sikidy. Aza arisika hifofotra sy hiady ny olona fa sikidy alefa. Misolitikabe=))=))=))

Poa Poa masina masina, sady afangaro lainga ihany. Ny kofehy vita gasy fa ny fanjaitra eran'ny tany vita sinoa daholo. Tsy nisy vita frantsay ary tsy nisy vita indonezianina. Fa mbola vita sinoa daholo. Koa hajaiko ny sinoa ary omeko voninahitra.
Sikidy sikidy
tsy fantany anefa fa ny fanjai-be mbola vita etsy Isotry sy Ambatolampy ka raha jerena amin'ny masolavitra mivadika dia lasa fanjaikely koa.
Sikidy sikidy
ivaroty amin'ny Euro izy saingy karamao amin'ny Ariary, ka ny tombony ifanasahako amin'ny Rainizafitsinitatatra amin'izay na tsy nahaloa hetra aza aho tsy misy sazy tsy misy bedy.
Ka atolako adimizana sa atamberiko alakarabo hoy izy

27. nanas ( 04/09/2007 21:39)
Sao ary hoa mba efa voahozona ho tia-tena sy mpangoron-karena daholo zay lany ho filohan i Madagasikara e! ny mahagaga dia tsy mba misy tonga saina mihitsy ve zay olona tonga eo, @ ity fahantrana mampintrongy ny vahoaka @ tany ity, fa dia ny ho ahy ny ho ahy foana aloha? Miezaka anie ry reto ny gasy any Mada anie e! lazain ilay dadatoanay zay akamakam ny fitondrana ao fa matoa hono mbola tsy tafavoaka tsy ampy ny ezaka, ry zareo anefa mitaingina seza mihody fotsiny mitombo isam-bolana ny vola anaty paosiny, ny sasany anefa efa mila hanaraka hatramin ny ainy nefa dia mbola ny azo anio handoavana ny omaly. Nefa iza no tena miantoka ny karama raisiny ireo lohandohan ireo isam-bola miompampana io tsy ny hetra alohan ny ireny mpitatitra biriky sy ireny mpanasa lamba ireny ve. Voninahitra sy vola no tena tompon zay eo @ fitondrana, ka tsy fantany intsony sy adinony ny fampanantenana nataony
28. Solitikabe ( 05/09/2007 02:49)
Tsy haiko loatra ry Nanas, fa mety hoe tsy eo amin'ny toerana angamba aho dia mitsikera fa rehefa eo aho mety handoa-danitra mihintsy angamba an...Ahahahahaha

Hoy LazaDaddy hoe: "tena mila an'i Jesosy ny Malagasy fa toa rebirebenareo amin'ito politika'ny sikidy ity tokoa."
Dia hoy aho hoe Poa Poa, masina ho'zy masina ho'zy. Toa mitombo andro aman'alina ny kristianina ary miforona tsy miato ny Jesosy Mamonjy, nefa dia mitombo manaraka izay koa ny fanambakana sy ny endriny rehetra.
Asio BIANCO ho'zy hanesorana ny mpamafa trano sy hanagadrana ny pilanitao ary ny dokoteran'ny hopitaly. Nefa ireo ho'zy asio masobe tsy mahita tsy hahita ny ataonay sy direktera, ny ataonay sy karana, ny ataonay sy vazaha ary indrindra indrindra ny ataoany iray fikambanana.
29. Jeankely ( 05/09/2007 02:50)
Nisy fanontaniana napetrakao amiko dia mba valiako ry "nanas". Izaho tsy manakana ny olona tsy hiteny ary tsy mahasakana. Ny olona afaka miteny mafy ary izaho koa afaka manoratra araka ny fisainako noho izany izay mahatsapa voadona dia azy ny azy. Izaho miteny tsy mbola nanao antoko politika tao amin'io Madagasikara io ary tsy manana fahaizana ny hitondra firenena. Nianatra aho tsy anisany manarak'efa fa mba nanana ny laharana tsara isak'izay dingana mba vitako. Ny zavatra tsy tantiko eto dia ny fitsongolohana tsy misy vokany. Sarahina ny vahoaka sy ny mpitondra ary lasa ny mpitondra manao izay tiany hatao ary ny vahoaka ery ampita mitaza-potsiny sy mihaino ny orakorakin'ny avy nitondra. Rehefa misy voina mahazo anefa dia miantso fanjakana ihany avy eo. Ny risoriso sy ny fanabotriana ataon'ny mpitondra tsy ho afaka mihintsy raha hialanao ny andraikitra. Amiko aleo hifangaro eo ary aleo hiaraka hiasa fa potika ho azy ny tsisy hilana azy raha tena maro tokoa ny tsara. Ny hita anefa dia ny ratsy no maro ka tena mampalahelo. Ny mpanao ratsy aza no tena mimenomenona matetika.
Tsongolohana ny mpangalatra avy eo arovana rehefa tratra. Aiza izany? Raha sahala amiko na havako na iza na iza na izaho miteny aza mivazivazy amin'ny firenena dia tsara tapahana ny lohany. Izay no tsy hitoviana. Ianao no voalohany miaro io dadatoanao lazainao mifandray amin'ny mpitondra io rehfa misy fanenjehana azy. Lazao raha lainga.
30. nanas ( 05/09/2007 18:46)
Tsy misy hidiran ny voadona sy ny tsy voadona ny fanehon-kevitra ry Jeankely, olona manana ny mahaizy ianao hoy ianao tokony hahatakatra an izany, raha milaza ny hevitrao sy ny fomba-fisainanao fotsiny ianao eto anie tsy misy olana e! fa aza asiana fandrangitana toy ny fanaonao hatrizay. fa tsy rehefa hoe tsy mitovy hevitra aminao dia mpamosavy, gidro, manampahaizana sy tsy haiko intsony reny zavatra soratanao reny.
Lasa mivona koa aza ilay resaka rehefa avy eo
31. Solitikabe ( 05/09/2007 21:56)
Tsy hitako izay atao Ra-Jean fa aleo aho hisikidy eto ihany an.
Fa ilay dadatoa aloha mbola tsy hitan'ny sikidiko foana eh, efa nisolo kilaoty mihintsy aho fa noheveriko fa nasiso ilay teo dia lasa ny sikidy kay tsy izany koa.
Tena sarotra ny raharaha hoy Ranokombe
32. Jeankely ( 06/09/2007 04:10)
Raha tsy hitan'ny sikidy hafakelina dia ity hoy nanas "lazain ilay dadatoanay zay akamakam ny fitondrana ao fa matoa hono mbola tsy tafavoaka tsy ampy ny ezaka, ry zareo anefa mitaingina seza mihody fotsiny mitombo isam-bolana ny vola anaty paosiny". Ny resaka fandrangitana sy ny sisa dia tsy haiko fa samy manana ny fomba firesany ary na mahatsiaro voadona ianao na ny hafa aza dia gaga fa mba mandona ny hafa koa ny fomba fanoratrao. Omeo ny tena marina fa aza be resaka. Izaho tsy manambony tena fa na izany aza samy nahita ary samy nianatra koa afaka mifandona amin'ny hevitra. Ny sndry mbola tsy nisy. Aza mamafy resabe izay hafa ny tondroin'ny molotra nefa hafa ny nitaizana anao sy ny hataonao sy ny havanao. Avy eo harovana indray.
33. rasil ( 06/09/2007 14:02)
O ry Jeankely ah,
Ianao miteny hoe aza amavoina ny tanindrazanao. Ianao indray anefa miteny fa mihevitena ho manampahaizana nefa samy mahalala izao fa tsy mbola nisy Malagasy nahazo "Prix Nobel" hatramin'izao.
O lahy eh, dia ambanianao tokoa mantsy ireo olona aman'aliny mba milofo miantra. Dia tsy asianao sokajiny mihitsy ry Ratsimamanga sy ry Rajemisa. O lahy eh. Fa dia fahalalana tahaka ny inona loatra no anananao fa tena mahaliana ny hahalala azy. Izany hoe porofon'ny mpiasa hono ny bainga ka atoroy ary ilay bainga mba miavaka noho ny vitan'ireo mpianatra sy mpiasa aman'apitrisa.
34. nanas ( 06/09/2007 16:56)
Hoan i Jeankely
Aza tezitra aloha ianao fa tena tonga dia ho tsoriko ny marina, eny e! tsy maninona fa tena tsikaritro amin zavatra soratanao eto, sady mba hisainanao koa, zany akory tsy milaza aho hoe ratsy toetra ianao fa samy manana ny haratsian-toetrany daholo ny olona.
Ianao an! manana character arrogant be hany ka ny adi-hevitra atao aminao eto tsy mandeha amin zay loniny fa miafara @ fifamaliana foana matetika, satria ny antony dia tsotra ianao mi-eritreritra hoe ny zavatra lazainao ihany na ny point de vue anao ihany no marina sy tena misy reasonment fa ny an ny hafa sous estimenao, dia rehefa misy zavatra lazain ny olona ka tsy azokazonao na tsy zakanao dia tsy mamaly direct ianao fa mitady argument manao sasi-teny sy fandrangitana mba hanafenanao ny faiblessenao. Ny hiafarany moa dia valivalin ny olona fahatany koa ianao satria efa mivona ny resaka ko!. lasa tsy misy credibilité mintsy le resaka atao raha zao fandehan ny resaka eto zao foana no atao. Indrindra ianao miresaka politika, vahoaka mpitondra, fampandrosoana fitiavan-tanindrazana sy ny sisa, ny zavatra irinao hampitambatra nefa ny zavatra lazainao mampisaraka. Mianara aloha miala amin zay dia tsy hisy hi-contre ny zavatra lazainao intsony eto fa mety hitombo aza ny olona hanaraka ny hevitrao, araka ny fanirianao. Zay angamba ny tena marina.:lol:
35. menalamba ( 06/09/2007 18:19)
Tenin'olon-kendry ny anao ry nanas.Mankasitraka:-*
36. Solitikabe ( 07/09/2007 00:35)
Sikidy sikidy aza matahotra ianareo vahiny hoy izy fa omeko anjakanareo ny volamena sy ny vatosoanay, Ohatrinona asahinareo ny eny Maevatanana sy Tampoketsa? Ohatrinona no anombananareo ny eny Daraina sy Nosivarika? Ohatrinona... fa mbola betsaka ny toerana. Dia aza adino ny mandrotsaka rakitra
37. Jeankely ( 07/09/2007 04:55)
Ho an'i nanas, solatakabe sns izay somary mitodika amin'ny fomba fijeriko dia mba manana resaka aho. Tsy ny Malagasy rehetra no resahiko fa ny olona miseho milay be resaka eto. Miresaka ami'i Ratsimamanga na hafa nolazaina tsotra ary tsy manao sahalan'ny resaka atsipinareo eto noho izany aza izaho manambony ny Malagasy indray no avadika manao sahala ny fanaonareo. Izaho tsy mangataka an'iza an'iza hanaraka ny hevitro. Misy credibility amin'inona moa ny resaka nataonao teto ary nahatonga inona ho an'ny firenena. Ianao no tratra sady mody manenjika mpanao risoriso sy mpambotry firenena avy eo ny tananao ihany no manoratra fa anisan'ireo ny dadatoanao. Izay nobehazina tamin'ny risoriso ve no hanenjika risoriso? Olokendry ve ny menejika sy mamazivazy firenena?
38. LazaDaddy ( 07/09/2007 05:45)
rasil> oh lahy e! Tsy hita izy ty rasil fa sendra tafavoaka any @ kely maso moa ny namana ka mihakely avokoa ny fahalala-pomba sns...eny fa hatr@ anarana aza (ps) :)
39. Jeankely ( 07/09/2007 10:38)
Mazava fa tsy mivadika jaonabe io. Ny mampihomehy dia ny kely saina indray no mankarary andoha ny be saina. Be saina any amin'ny fotaka ve? Mbetsika mitanisa baiboly, mbetsika manao resaka fivavahana, mbetsika manontany tena, mbetsika mihevitena ho favy, mbetsika mihevitra ny ho any andanitra amin'ity Christiana sandoka sns. Izaho mitohy fa raha mbola hitako mifamadika ny resaka ataonao dia miteny aho. Mananatra sy miteny ny Mpitondra nefa ny tenany tsy hitany. Izay ilay tsy mety. Fomba inona no resahanao? Fomba Malagasy sa fomba Christiana sa fomban'adala?=))=))=))
40. Solitikabe ( 07/09/2007 18:29)
Sikidy sikidy
Aza mijery aza mitrakatraka, mihainoa fa aza mitandreny fa ataoko varo-boba ary ataoko sold daholo ny entana. Izay tsy lasanareo angoninay mianakavy ihany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0353