Roa taona izy no maty ny reniny,moa ve izy afaka hivavaka @?

61. ikaretsaka ( 03/09/2007 05:09)
salamo 6, 31, 37, 50, 101, 129, 142!
Ireo koa mivavaka ho an'ny maty ka
ireo no atao hoe De Profundis (Out of the Depths/any anaty lavaka... inona no ao anaty lavaka?)

fa ny tsy azoko ary tsy novalian'i niryna hoe le t@ jesoa niova tarehy dia niresaka t@ Moizy (mosesy) sy Elia izy e!
fa :nahoana?
i jesoa aza izany niresaka nefa izy 2 lahy efa maty ko!
62. ikaretsaka ( 03/09/2007 05:16)
ce qui fait.. voalaza ao anaty baiboly io ko.. jesoa aza nanao niresaka t@ Mosesy sy Elia ko :roll:
sa tsy azo atao in tsony koa ny manaraka sy miezaka maka tahaka ny ataon'i jesoa?
tsy azo atao fa tsy mifanaraka @ ilay "andalana izay tiana" notsipotsimponina arak'izay itiavana azy tao anaty baiboly?:idea:
63. niryna ( 03/09/2007 05:34)
piste:


Amiko tsy ampy velively raha ny ny Baiboly irery ihany no ifaharana anaovana argumentation.

Ampy tokoa ny baiboly:
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Atra dia mahasoa koa ho fampianarana ,ho fandresen-dahatra ,ho fanitsiana izay diso,ho fitaizana amin'ny fahamarinana. 2 Tim 3:16

Tsy afaka ny hahalala sy hihazona ireo fotoam-pinoana isan-karazany ny kristiana raha toa ka tsy miverina ao @ baiboly.Mamaky sy mamakafaka tsara izay voasoratra araka ny tokony ho izy @ saina tsy miangatra sy finoana ary matoky an'Atra @ izany dia hahita ny fahamarinana.
Na ho ela ny ho aingana dia tsy maintsy hirona any amin'ny fahalalana diso ny momba an'Atra izay manankina ny fahitana sy marina avy @ izay ao anatin'ny olombelona,na @ zavatra hafa izay mety ho diso na miova.
Ao anatin'ny baiboly daholo ny fahamarinana rehetra ahazoana famonjena ary tokony iainan'ny kristiana izany fa tsy ny saina na ny feon'ny fieritreretana na ny fiangonana na ny lovan-tsofina no ahazoana famonjena.Ka izany no tokony tsy aha- menatra ny hitory ny filazantsara izay mahalala an'i Kristy mba ho jiro sy fanazavan'izao tontolo izao:D:D

Tompo o ,toroy lalana izay tokony alehanay izahay.Enga anie tsy hiantehatra amin'ny fisainanay sy izay fiheveranay ny ao an-tsainay no hilazanay ho fahamarinana. Misaotra Kristy fa mbola mitondra anay sy mitarika anay ny ho any Aminao hatrany hianao.
Sokafy ny fonay mba hanara-dia anao Irery ihany .Ampio izahay mba ahalala ny marina fa tsy misy na iray aza mankany aminao raha tsy mibebaka,mangataka famelan-keloka,manao anao ho Kristy Tompo sy Mpamonjy.
Misaotra Ray o ,raha nomena Ity Zanakao Lahitokana izahay mba hanavotra anay sy hiverina indray ho any aminao.Omeo anay ny Fanahy Masina mba ahafantaranay ny marina mandrakariva ka tsy hivilivily lalana izahay fa andinika ny teninao hatrany.
Amena :*
64. tywa68 ( 03/09/2007 05:37)
Nyrina : tsy mahagaga ny nanarahin'ilay zaza finoana hafa satria voadòna izy (kamboty) dia mora notangosana ! ary naratsiana ny finoan-dreniny. Sendra olona "nahay nihaino" azy izy, dia nanaraka ny fombany sy ny fijeriny !

Ka avelao izay te-hivavaka ho an'ny maty nialoha lalana, hanohy izany vavaka izany, satria tsy misy maha-ratsy izany aminy. Tsy mandika lalàna izy na miala @i Tompo manao an'io vavaka io, satria ny fanantenàna hifankahita any aoriana, no anisany hanaovana izany. Inona no olana ? i Jesoa no hivavahana hahatanteraka izany.
65. ikaretsaka ( 03/09/2007 15:55)
Ampy tokoa ny baiboly?:
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Atra dia mahasoa koa ho fampianarana ,ho fandresen-dahatra ,ho fanitsiana izay diso,ho fitaizana amin'ny fahamarinana. 2 Tim 3:16


soratra rehetra soratra rehetra fa tsy izay soratra rehetra voalaza ao anaty baiboly ihany no nomen'ny tsindrimandrin'andriamanitra ry niryna an , fa ny soratra rehetra na ny ao na ny tsy ao!!

(joany 21,25) manambara mazava tsara fa tsy noferana ao anatin'izay voasoratra (ao anaty boky) ihany ny Teny fa izao tontolo izao aza tsy ho omby!

tywa:
Nyrina : tsy mahagaga ny nanarahin'ilay zaza finoana hafa satria voadòna izy (kamboty) dia mora notangosana ! ary naratsiana ny finoan-dreniny. Sendra olona "nahay nihaino" azy izy, dia nanaraka ny fombany sy ny fijeriny !


Ka avelao izay te-hivavaka ho an'ny maty nialoha lalana, hanohy izany vavaka izany, satria tsy misy maha-ratsy izany aminy. Tsy mandika lalàna izy na miala @i Tompo manao an'io vavaka io, satria ny fanantenàna hifankahita any aoriana, no anisany hanaovana izany. Inona no olana ? i Jesoa no hivavahana hahatanteraka izany.
66. pissoa ( 03/09/2007 16:46)
ka tsy mitovy anie ny zavatra resahinareo rankizy raha azoko tsara e ... i Ika milaza vavaka ho an'ny maty ! I Niryna milaza vavaka amin'ny maty !

Niryna:
antsoy koa izany raha izany izay maty rehetra e,ianao moa mino fa dadabe sy bebe mbola mihaino ny tenin'ny zafikeliny
Maty i Eric ary nandritra ny fotoana niveloman'ity vadiny dia mandrehitra labozia foana izy isan'andro,variana ny zanany kanefa tsy afaka ny niteny fa nanaja ny rainy.Eric a ,reraka be aho androany,Eric a izao sy izao,Eric a,marary aho.Nihombo ny aretiny,aiza Eric? Nanasitrana ve? Afaka niteny ny zanany ve mba ho ento any amin'ny dokotera ny reninareo? Tsy nahavita na inona na inona fa ny mpivarotra labozia fotsiny no nahazo vola

Tsy mahagaga ny soratrao ! Fitia raha misy patsa ! Refa tsy mamaly ahy de tsy tiko na tsy hajaiko na tsy ataoko tsony ze fanaoko :-D:-D:-D
Miteny an'ireo koa ve aminao dia midika hoe mivavaka amin'ny maty ? :-w:-w:-w

Ankoatra izay ... maninona moa raha tsy mifidifidy otran'io mamaly fanontaniana e ... :-P
67. ikaretsaka ( 03/09/2007 23:57)
oups!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2072