Roa taona izy no maty ny reniny,moa ve izy afaka hivavaka @?

21. Kwasi ( 28/08/2007 23:01)
Izaho aloha dia miombonkevitra @ i Niryna @ ity resaka ity e @ hoe manao zavatra tsy mety io namana io ka tokony ahitsy.

...Mandeha eny amin'ny fasana manatitra voninkazo dia mivavaka eo am-pasana miresaka aminy? Maheno ve izy?Mandrehitra labozia dia mandohalika dia mivavaka miantso ilay reniny eo?


Dia mamaly koa ve hono?
Dia inona hono no efa mba torohevitra nomen'ny reniny azy? ...Sa dia mba hoe mitanisa ny alahelony eo fotsiny izy dia mba mahatsiaro maivamaivana miala eo?

Raha ny fahitako azy dia tsy idiran'ny maha-kato sy maha-prote io. Raha kato aho izao dia au lieu de mikaonfesy any @ eglizy izy dia mikaonfesy @ reniny () eny ambodi fasana. Dia mety ve izany?

Fa raha hiteny azy ihany i Niryna dia jereo aloha raha kristiana ilay olona na tsia. Raha tsy kristiana moa izy dia mbola mila mitarika azy ho kristiana aloha ianao vao miteny azy @ zavatra ataony. Raha efa kristiana indray izy dia ampahatsiahivo azy ny teny ao @ baiboly izay hitanao fa tokony omena azy.
Dia mivavaha aloha ho anao izay handresy lahatra azy?

Raha zavatra efa namaka elabe zany manko sarotsarotra ihany raha tsy araham-bavaka.
22. fijo ( 28/08/2007 23:07)
satria ve tsy misy hafaka manao ny mety raha tsy ny kristianina?????
23. Mitah ( 29/08/2007 03:48)
ikaretsaka:

dia maty izany ny olona dia matimaty foana ohatran'ny alika? any izy de any?

Ny maty tsy afaka midera an'Atra intsony,maty dia maty.Malahelo isika kanefa miverina ho vovoka izy

24. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:38)
ka raha tsy alika r'ianona koh! (azafady)
Maty dia tsy mitomany valala intsony.
Rahamihambo mino ny fitsanganan-ko velona sy hoe mbola ho velona ny maty rehetra ... dia mankaiza ny maty?mIhainohaino fotsiny aloha mandra pa?
raha mino fa misy vatana sy fanahy ny olona, mankaiza le fanahy rehefa maty ny vatana? misidisidina eny?
25. kalina80 ( 29/08/2007 07:05)
hoy ikaretsaka
ikaretsaka:

ka raha tsy alika r'ianona koh! (azafady)
Maty dia tsy mitomany valala intsony.
Rahamihambo mino ny fitsanganan-ko velona sy hoe mbola ho velona ny maty rehetra ... dia mankaiza ny maty?mIhainohaino fotsiny aloha mandra pa?
raha mino fa misy vatana sy fanahy ny olona, mankaiza le fanahy rehefa maty ny vatana? misidisidina eny?

Ny ana d zay ihany tsy misy contact intsony ny maty sy ny velona.Fa raha toa ka misy izany dia asan'ny maizina.Hisy ny fihaonana indray andro any fa any an-danitra any.Araka ny ny finoana sy ny vita tety antany koa io anefa.Raha nanao ny tsara sy nandray ani Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany dia any @ paradisa soa sinon efa fantatrareo ny tohiny.
Le fait hoe malahelo sy miresaka indraindray raha olontiana anie le izy logique e malahelo dia mba mirediredy kely lol, fa le hoe misy mamaly ianao no tsy possible sa aoana? Mis hery hafa ao izany..


26. LazaDaddy ( 29/08/2007 07:49)
Sarotra be ito resaka ito ary mila fahalemem-panahy ny miresaka sy miady hevitra momba azy. Fomba fijeriko amin'ny maha Kristianina ahy no arosoko.

Mitah:
Ny maty tsy afaka midera an'Atra intsony
Ny fiderana an'Andriamanitra no zavatra iray "sady atao ety an-tany no atao any an-danitra" (Jereo ny Apokalipsy)
niryna:
ka na katolika na protesta na sekta ve tsy Atra iray ihany no hivavahana e.
Tsy voatery fa mety ho tena samihafa tokoa.

Iverenako amin'izay ilay lohahevitra:

1) Ny lolo na matoatoa na angatra dia tena misy tokoa (na i Jesoa aza niresaka an'izany).

2) ara-Baiboly dia "tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny fiantsoana ny fanahin'ny maty." Eny fa na ny mpanjaka Saoly niantso ny fanahin'i Samoela aza dia tsy nankasitrahiny.

3) Hoy i Abrahama t@ ilay mpanankarena @ tantaran'i Lazarosy hoe: "efa manana bokin'ny lalana sy ny mpaminany izy (isika velona), ka rehefa tsy mino ireo dia tsy hino na hisy hiverina aza ny maty" (Dika teny malalaka.



27. Mandefitra ( 29/08/2007 08:54)
Miombon-levitra @ LazaDaddy.
Ny fanontaniana ho anareo katolika zany de zao:
1/Raha azo iresahana daholo ve ny maty rehetra, sa zay maty ao @ Tompo ihany?
2/Raha azo iresahina ry zareo, tsy efa nisy niteny ve hoe tandremo ny zao sy zao fa so mijabaka aty ...
3/De ahoana ny fandraisanareo io dinik'i Abrahama t@ ilay mpanankarena io raha izany?
28. ikaretsaka ( 29/08/2007 15:39)
mandefitra
ka ilay hitsarana hoe iza no maty ao amin\'ny tompo dia iza no tsy maty ao amin\'ny tompo!!! eo d\'efa polemiques be. mampiomana amin\'izay aloha izaho alohan\'ny hanohizako ny resantsika

1)Raha aminay katolika, dia misy anankiroa no hijerena izay maty ao amin\'ny Tompo izay : a) ny oha-piainana nasehony fony fahavelony, b) ny fivalian\'ny fangatahana natao amin\'Andriamanitra teo am-pivavahana niaraka tamin\'ny fanahin\'ilay olona!
famaliana ilay hoe afaka hiresahana... dia ie .. afaka ka.. io miankina @ ilay finoana hoe mbola misy afo fandiovana dia ilaina hivavahana ry zareo ao ohatra! (efa betsaka ny fanazavana momba an\'io naroso tato fa asa raha novakianao)

2)Ny hoe maty amin\'ny katolika dia hoe lasa nialoha lalana, ary azony atao tsara mihitsy ny miteny ireo mbola hanaraka azy hoe aza manao izao sy izao.
Dia nisy niteny tokoa (I masina maria miseho atsy sy eroa manoro ny tokony atao ohatra) ... Misy an\'izany koa @ propesta \'ilay vazavazaina teto hoe \"miteny @ teny tsy fantatra\"...:lol:

fa raha mila porofo ara baiboly (euhhh lasa indray isika:roll: :wink: )dia ireto ny manamarina an\'io

Jesoa niova tarehy dia nifandray t@ Moizy (mosesy) sy i Elia (elijah) ary niresaka taminy!!


Eto dia tsy azoko ny tian\'i LazaDaddy ambara satria [url=http://baiboly.katolika.org/boky/Samoela+I/28/12-15]1 Samoela 28:12-15
,Siraka 46:20; Efa maty i samoela fa niseho indray (ilay siraka nanambara fa teo no maty i samoela) ary nanambara tokoa hoe izao sy izao no mitranga

Azo atao tsara mihitsy ka..
hebrio 12;1 milaza mazava fa eo anilantsika ireo fanahy \"vavolombelona\" ary miaro antsika \"manodidina\", ny ao amin\'ny apokalipsa koa maromaro ihany
29. niryna ( 29/08/2007 16:32)
Mandefitra:

Miombon-levitra @ LazaDaddy.
Ny fanontaniana ho anareo katolika zany de zao:
1/Raha azo iresahana daholo ve ny maty rehetra, sa zay maty ao @ Tompo ihany?
2/Raha azo iresahina ry zareo, tsy efa nisy niteny ve hoe tandremo ny zao sy zao fa so mijabaka aty ...
3/De ahoana ny fandraisanareo io dinik'i Abrahama t@ ilay mpanankarena io raha izany?



=D=D
30. ikaretsaka ( 29/08/2007 16:37)
efa novaliako anie io ry niryna sady fanontaniana napetraka ho anay e

Ny fanontaniana ho anareo katolika zany de zao:
1/Raha azo iresahana daholo ve ny maty rehetra, sa zay maty ao @ Tompo ihany?
2/Raha azo iresahina ry zareo, tsy efa nisy niteny ve hoe tandremo ny zao sy zao fa so mijabaka aty ...
3/De ahoana ny fandraisanareo io dinik'i Abrahama t@ ilay mpanankarena io raha izany?
31. niryna ( 29/08/2007 17:06)
ikaretsaka:

dia maty izany ny olona dia matimaty foana ohatran'ny alika? any izy de any?

ianao no niteny an'izany fa mety izay no tao anaty sainao.Tsy matimaty izany ny olona fa raha kristiana izy dia ao aorian'io no manomboka ny fiainana vaovao,ary miaraka amin'i kristy izy,raha tsy kristiana izy dia miandry ny fitsarana any amin'ny fitoeran-tsihita ary any izy no midradradra miantso vonjy(vakio ny tantaran'ilay mpanankarena sy ilay lazarosy.Nomen'ny Tompo ny anaran'ilay novonjena :arrow: tantara marina io fa tsy fanoharana.)

32. ikaretsaka ( 29/08/2007 17:33)
dai nahoana ary izy no tsy azo iresahana..
(mifanohitrtrohitra be manko ny fanambaranao)

.
niryna:
Tsy matimaty izany ny olona fa raha kristiana izy dia ao aorian'io no manomboka ny fiainana vaovao,ary miaraka amin'i kristy izy

dia eo no vao mainka tsy azoko ny tianao ahatongavana, ianao mino hoe ho avy hitsara i Kristy ..right?
mino ianao fa ho avy ny fara andro, right?
Ianao mino fa hiverina i Kristy, right?

Dia inona ny antony hiverenany sy hitsarany @ izany andro izany, raha vao maty ny olona dia efa voatsara?
33. fijo ( 29/08/2007 21:42)
kalin a80,hoy enao"ny maty dia maty tsy misy contacte amin'ny velona intsony"za koa mino an'io saingy ny tsy itavizantsika de enao kristianina.ka raha tsy mifandray amin'ny matyy intsony ,aza mino an'i jesoa fa efa maty iny
34. Mandefitra ( 30/08/2007 05:19)
Ika,
- Ny nahafan'i Jesosy niresaka t@ Moizy sy Elia de noho ny maha-Andriamanitra Azy "Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny tavany nampirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana."
- Ny nahafahan'i Saoly nahita an'i Samoela de izy nankany @ ilay vehivavy notsindrian-javatra zay tena tsy nankasitrahan'i Jehovah tokoa :

ITantara 10:13 Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra
35. Mandefitra ( 30/08/2007 05:30)
Vakio koa ny Isaia 8:
19 Ary raha lazainy aminareo hoe: MilĂ  saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
36. Mandefitra ( 30/08/2007 05:46)
@ Baiboly katolika aza vao maika mazava kokoa:
19 Raha avy izay hilazany aminareo hoe: Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin'ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika, valio hoe: Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian'ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an'ny velona?
37. ikaretsaka ( 30/08/2007 06:23)
dia averiko @ le raisonemment an'i fijo.
Izaia efa maty
paoly efa maty
jaona efa maty..

aminareo rehefa maty dia any!
de maninona anefa ny zavatra nosoratany no mbola anaovanareo referansa ho an'ny velona?
:roll:

Raha ireo niteny hoe maty izy fa mifandray manko dia zavatra hafa indray!

38. niryna ( 30/08/2007 06:39)

Aza avadika foana ny resaka,fivavahana no resahina dia omeo ao anaty baiboly mba hi-back-up fa tsy ny opinion foana,tsy lasa, manjary manao izay saim-pantantsika isika.
"Trust in Lord with all your heart,and lean not unto thine own understanding,in all thy ways,acknowledge him,and he shall direct thy path"
Io no hafany ,aiza moa izy io Ohabolana raha tsy diso aho .
Oha 3: 5-6 ."Matokia an'ny Tompo amin'ny fonao rehetra,fa aza miankina amin'ny fahalalanao.Maneke azy amin'ny alehanao rehetra,fa Izy no handamina ny lalanao"
39. niryna ( 30/08/2007 06:51)
Malahelo ny tena satria mandao ilay olon-tiana saingy raha kristiana dia miezaka ny ahalala fa ny fahafatesana no fiainana vaovao.Tsy manao raharaha intsony,tsy misy manenjika na misy mankahala intsony,tsy marary intsony ny tanana na tongotra na izay aretina mety mahazo,tsy misy intsony ny fahoriana.Vita hoy ny Tompo.Mianatra ny manadino isika fa tsy hitanondrika lava eo.Samy nandalo izany fahoriana izany ary misy aza tsy mba afaka nandevina ny havany.Mbola tsy nahalala an'Atra sy tsy nahafantatra isika fa tsy miteny na miresaka intsony ny fianakaviana maty dia mianatra mihonintena izany.

Hoy Joba: Kanefa raha izaho,ia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy.Ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.Ary rehefa levona ny hoditro,izay simba izao.Sady afaka amin'ny nofoka aho ,ia hahita an'Atra. Joba 19:25-26
40. niryna ( 30/08/2007 07:12)
Mijoro vavolombelona indray aho.Nanontany ny hevitrareo aho hoe ahoana no hitenenako ity namana manana fialonana ny namany telo vavy.Noresahiko azy izay teny azoko notsoahina tato izay nomen'ny namana rehetra.Hisaorako anareo rehetra izay nandray anjara.Izy ihany koa io nitomany fa maty io ny reniny tamin'izy roa taona.Mafy izany hoe niresaka @ rivotra,noheveriny fa naheno ny reniny nandritra ny andro niainany ary rehefa naseho azy daholo ny clou na zava-misy voasoratra ao anaty baiboly dia nihova ny sainy ary nihanazava.Inona no nitranga? Toa misy mitranga foana izy izany e,ireo namany izay noheveriny fa manana fifaliana sy manana ny ampy andeha hividy zavatra dia nahita azy nanokatra baiboly ,satria nomeko ny ahy izy fa tsy manana hono izy,ireo olona ireo indray no talanjona sy nanao fiteny maneso.Izay ilay zavatra ,nofo sy ra ihany ny tena ,malahelo kanefa rehefa mandinika ny marina ao anaty baiboly dia miaiky fa marina ny voasoratra.
Nanana fitsiriritana an'ireo namany izy kanefa rehefa nanolotena ho an'ny Tompo izy dia ireo niriany indray no variana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008