Roa taona izy no maty ny reniny,moa ve izy afaka hivavaka @?

41. ikaretsaka ( 30/08/2007 07:25)
fivavahana ange izany ry niryna e...
sady ao anaty baiboly ange ireo olona nalaiko ireo e!

alefako indray ary raison manaraka e..

1) tantaran'i Jesoa niova tarehy no hojerentsika ary! (Matio toko 17 angamba izy izay) raha tsy ilaina ny miresaka amin'ny maty... naninona i Mosesy sy i Elia no niseho teo dia niresaka t@ Jesoa?

2) raha tsy ilaina intsony ny maty! maninona Andriamanitra no handefa olona efa maty .."hijoro vavolombelona" rehefa amin'ny fara andro (apok, 11:3-12)

3)naninona i Piera no nivavaka ho an'ny maty, i Dorkasy (Tabitha) izay vao nanagana azy (asa 9:36-41) toy izany kao i jesoa..nivavaka t@ ray ho an'i lazara izay vao nanagana azy?(Joany 16)

4)raha tsy ilaina intsony ny maty dia ahoana ilay Batemy ho an'ny Maty lazain'i Md paoly (1Kor 15,29)

Raha izany ary no ampifanfaharina @ ilay hoe voarara ny mifanerasera amin'ny maty..
maninona ireo olona indrindra fa i Kristy, sy izy 2 lahy apostoly (Piera sy paoly, sns...) no nanao izany anefa... donc izy ireo izany no tena farak'izay nandika ilay lalana maha voahozona anie raha ny lojikanareo no arahina?

Mba valio point par point raha azo atao.

AMDG
42. Mandefitra ( 30/08/2007 08:52)
Hovaliako @ zay sombim-pahalalana mba haiko
1/Zay no maha-Andriamanitra an'i Jesosy.Sady fampihariariany fa mbola hihaona aminy isika rahatrizay raha mino Azy. "handeha Aho ary hanamboatra fitoerana ho anareo, ka zay misy Ahy no hisy anareo koa".

2/Eto koa de Andriamanitra no maniraka, tahaka ny anirahiny ireo anjeliny.

3/"Navoakan'i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: Ry Tabità, mitsangàna."
Nivavaka t@ Ray Petera mba hananany fahefana hampitsangana an'i Tabita ... fa tsy hoe nivavaka ho an'i Tabita
Toy zany koa Jesosy:
Jaona 11: 41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.

Tsy nivavaka ho an'i maty na Petera na Jesosy

4/Romana 6:3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?
Ka raha tsy nitsangana Jesosy, de natao batisa ho an'ny maty tokoa isika. :)
43. Mandefitra ( 30/08/2007 11:53)
Ilay IItimoty1 notsiponin'i Ika teo aloha zao :
olona maty i Oseniforo lazain'i Md paoly eto

15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.
16 Homen'ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita

Siora ve Ika fa olona maty Oseniforo no nitady an'i Paoly tany ampigadrana? :roll:

Raha ny tsoa-kevitro zao de izao :
Ny nahatonga an'i Saoly nila resaka t@ Samoela na efa maty aza izy, ka nindramany an'ilay vehivavy notsindrian-javatra (na mpiresaka @ maty), de satria tsy namaly azy Jehovah.
Ary efa voalaza teo fa tsy sitrak'i Jehovah zany.
Donky, ny olona tsy afaka ny hiresaka mivantana @ Andriamanitra no mila miresaka @ maty.Isika anefa efa nampihavanin' iJesosy t@ Ray, t@ nanolorany ny Tenany sy nandatsahany ny Rany teo @ hazo fijaliana.Foana hatreo ny elanelana.

Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
44. Mandefitra ( 30/08/2007 12:32)
Homen'ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan'i Onesiforosy; => rehefa maty Onesiforosy de ny ankohonany no nivavahan'i Paoly mba homen'i Tompo famindrampo.
La maison d'Onesphore, la famille d'Onesphore, the house of Onesiphorus, the family of Onesiphorus ...
ankohonan'i Onesiforosy, na fianakavina' iOnesiforosy
fa tsy hoe "Onesiforo mianakavy" araka ny baiboly katolika.
Raha io tokony nataony hoe "Onesphore et sa famille", sa ahoana?
45. kalina80 ( 30/08/2007 14:14)
fijo:

kalin a80,hoy enao"ny maty dia maty tsy misy contacte amin'ny velona intsony"za koa mino an'io saingy ny tsy itavizantsika de enao kristianina.ka raha tsy mifandray amin'ny matyy intsony ,aza mino an'i jesoa fa efa maty iny



i Jesosy Fijo dia Anisany Andriamanitra Telo izay iray (Ray sy zanaka ary fanahy masina.Naka tarehin'olombelona izy tety antany mba hamonjena antsika @ fahotana teo anatren'Atra Ray.Izay no mission fantany fa mety mba hahanfahan'ny fahontantsika.Vitany ny mission dia lasa any andanitra izy nakeo ankavan'Atra Ray.
Tsy maty Izy fa any an-danitra izao.Izy no Atra inoako ary tsy maty Izy fa velona atoo am_poko sy any an-danitra."Sambatra izay mino nefa tsy mahita"
46. pissoa ( 30/08/2007 22:24)
Ahoana no fomba hiresahanao ity olona ity?
Vao roa taona fotsiny hono izy dia maty ny renininy.Nanontany izy hoe afaka mankany am-pasana ve aho miresaka aminy?Na hoetsy any aza fa fantatro fa mandehandeha eny ny fanahiny dia rehefa malahelo azy aho dia miresaka aminy,dia mitantara ny mahazo ahy hoy izy.
Raha manana olon-tiana toy izany isika,moa ve mbola afaka miresaka aminy?Mandeha eny amin'ny fasana manatitra voninkazo dia mivavaka eo am-pasana miresaka aminy? Maheno ve izy?Mandrehitra labozia dia mandohalika dia mivavaka miantso ilay reniny eo?
Ahoana no fomba hiresahana hilazana ny marina ka tsy handratra ity olona ity? Ny marina mantsy mandratra fo kanefa kosa ny marina no hanafaka antsika amin'ny fahalalana sy fahafahana.
Misaotra betsaka
niryna


Amiko manokana, fantaro aloha izay tena ataony marina. Fantaro hatramin'ny vavaka ataony.

1 - Sao ianao fotsiny no mihevitra fa mivavaka amin'ny reniny izy ? Raha izay dia ianao no mila fitsaboana fa tsy izy.

2 - Sao tratran'ny harcelement psychologique izy ka na tsy mivavaka amin'ny reniny maty aza dia, voaterinao hilaza izany aminao ? (ie, raha ny fahitako an'ilay ianao miresaka eto amin'ny forum dia tena talentanao ny manao harcelement psychologique). Raha izay koa dia ianao no mila fitsaboana fa tsy izy.

3 - Tena mivavaka amin'ilay reniny tokoa izy. (Sarotra aminao ny mamantatra an'io noho ireo 1 sy 2 ireo). Teneno izy hoe tsy izy no hivavahana, fa kosa izy azo asaina mivavaka ;)

4 - Sao miresaka fotsiny izy. Tsisy na inona na inona tokony horesahinao aminy, raha tsy hoe otran'ny olona adala ny fahitana azy isan'andro. Na maheno na tsia ny reniny, tsy olanao izany rehefa izay no mahaafaka ny alahelony.

Rehefa voalevina ao am-pasana ny "vatana", mankaiza ny fanahy, maty sy alevina koa ve ?

Ny tsy mety koa rehefa miresaka matetika dia atao mifangaro daholo fa tsy mba precis mihitsy hoe "vatana" no resahiko, na fanahy no resahiko ! Mazava ho azy fa raha resaka ara-batana fotsiny no resahina dia tsy afaka miteny akory hoe "miresaka amin'ny reniny" na hoe "tsy maheno ny reniny" ...
47. pissoa ( 30/08/2007 22:27)
Oops, "maheno ve ny reniny" le farany io fa tsy hoe "tsy maheno" !
48. fijo ( 30/08/2007 22:49)
niryna an,ny baiboly dia toy ny lalana hiany"samy lalana moa ireo"
ny lalana dia soratra.fa rehefa mampihatra azy ianao dia mila interpretation io fa tsy hoe samy hampiady izay vosoratra fotsiny.toa izay koa ny baiboly.raha samy ampiady(samy hitsaingoka izay itany ao hanamarinana ny voalazany )mivaona ny hiafarany.
samy mpitsara aza samy manana ny fandikany ny lalana iray voasoratra eo.samy mpino koa samy manana ny fomba fandikany na fandraisany izay voasoratra eo.ka aza ferana hoe izay ao anaty boky ihany.fa tery be le ady hevitra.
49. ikaretsaka ( 31/08/2007 14:36)
Siora ve Ika fa olona maty Oseniforo no nitady an'i Paoly tany ampigadrana?

ie! jereo ao @ asan'ny apostoly ao ao. (azafady fa ety an-dalana mi wi-fi aho dia tsy nitondra hanomezako anao ny toko sy andalany)
50. ikaretsaka ( 31/08/2007 14:40)
pissoa:
Ny tsy mety koa rehefa miresaka matetika dia atao mifangaro daholo fa tsy mba precis mihitsy hoe "vatana" no resahiko, na fanahy no resahiko ! Mazava ho azy fa raha resaka ara-batana fotsiny no resahina dia tsy afaka miteny akory hoe "miresaka amin'ny reniny" na hoe " maheno ny reniny" ...

miombon-kevitra tanteraka
51. fijo ( 31/08/2007 22:53)
izay mihintsy ka
52. piste ( 01/09/2007 20:28)
Tena mifangaro voraka tokoa ilay adi-hevitra dia tsy hita intsony, aiza no tian`ny mpametraka sujet iresahana. Misy fanontaniana kely mba apetrako ity :
Maninona ny olombelona no hany zava-boaary mandevina ny matiny ?
Faharoa :
Amiko tsy ampy velively raha ny ny Baiboly irery ihany no ifaharana anaovana argumentation. Ary izay no mahavoa an`i Protestant na ireo fiangonana hafa. Tonga dia vertical be rehefa mireaka momba2 ny finoana. Tadidio fa ny tenin`Andriamanitra dia tsy voahidy ao anaty Baiboly irery ihany fa manambara azy daholo ireo sciences misy @ izao fotoana izao.
Ohatra fotsiny : nisy Pretra frantsay izay niasa naharitra tany Atsimo antsinana. Havara-pianarana tokoa ny lehilahy indrindra moa raha resaka Teolojia. Kanefa rehefa niaraka niaina t@ ireo Antemoro elaela ny tenany vao tonga saina. HOy izy : tsy nahazo ny tena dikan`ny hoe Batemy aho na Batisa raha tsy nahita ny fombanareo( ala-volon-jaza, fitsofan-drano). Toy izany koa tany Imady. Tsy nahazo ny tena dikan`ny hoe Fitsangan-ko velona aho raha tsy nahita sy niaina ity Famadihana ataonareo ity.
Ary mba fantatrao mo afa @ faritry Papouasie iny misy foko mihinana ireo zokiolona( rehefa maty izy) izay heveriny ho hendry sy manam-panahy ary matanjaka. Antony dia mba hifindra @ taranany koa hono iny talentany iny. Dia ataovy parallele @ Eokaristia izany.
Ka raha iverenana ny fifandraisan`ny olona @ maty dia domaine ny anthropologique aloha no tokony jerena satria n`iza n`aiza ary efa hatr@ izay dia manaja ny razany ny olombelona. Na i Kristy aza saika hanaterana voninkazo ny alahady maraina.
Amin`ny Malagasy dia tsy ny fahafatesana velively no hanapaka ny fihavanana.
Fa kosa ny olona efa maty dia miova statu(razana) ary tsy afaka miara-miaina sy mifanosihosy @ velona intsony.

Fehiny : sokafy ny saina fa aza tery be ao Baiboly fa lasa mi-condamne zavatra be dia be ianareo. Tadidio fa na ny hiragasy aza taloh voarara tsy azo nojeren`ny Kristianina fa asan-demony hono. Izay ny vokatry ny tsy fahalalana.
Ka aza condamne-na ny olona manatitra voninkazo ho an`ny havany any am-pasana fa misy dikany lalina be io.

Aoka ny marina no haha-olon`afaka anareo.
53. ikaretsaka ( 01/09/2007 21:24)
"tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any, fa santarina eto an-tany..."
54. niryna ( 03/09/2007 04:32)
Kwasi:

Izaho aloha dia miombonkevitra @ i Niryna @ ity resaka ity e @ hoe manao zavatra tsy mety io namana io ka tokony ahitsy.

...Mandeha eny amin'ny fasana manatitra voninkazo dia mivavaka eo am-pasana miresaka aminy? Maheno ve izy?Mandrehitra labozia dia mandohalika dia mivavaka miantso ilay reniny eo?


Dia mamaly koa ve hono?
Dia inona hono no efa mba torohevitra nomen'ny reniny azy? ...Sa dia mba hoe mitanisa ny alahelony eo fotsiny izy dia mba mahatsiaro maivamaivana miala eo?

Raha ny fahitako azy dia tsy idiran'ny maha-kato sy maha-prote io. Raha kato aho izao dia au lieu de mikaonfesy any @ eglizy izy dia mikaonfesy @ reniny () eny ambodi fasana. Dia mety ve izany?

Fa raha hiteny azy ihany i Niryna dia jereo aloha raha kristiana ilay olona na tsia. Raha tsy kristiana moa izy dia mbola mila mitarika azy ho kristiana aloha ianao vao miteny azy @ zavatra ataony. Raha efa kristiana indray izy dia ampahatsiahivo azy ny teny ao @ baiboly izay hitanao fa tokony omena azy.
Dia mivavaha aloha ho anao izay handresy lahatra azy?

Raha zavatra efa namaka elabe zany manko sarotsarotra ihany raha tsy araham-bavaka.


Marina izany ar mbola gaga ary aho fa hay tsy izy ihany no mino an'io fa mbola maro.Tsy miteny ,tsy mamaly ,tsy mahalala ny ampitso.Koa ahoana no tsy hananatra azy raha misy zavatra tsy mety hataony?
Mbola maro no mino na dia efa fatantra aza fa tsy mamaly ny maty,hay moa mbola misy mivavaka amin'ny maty.:cry:
55. niryna ( 03/09/2007 04:35)
piste:

Tena mifangaro voraka tokoa ilay adi-hevitra dia tsy hita intsony, aiza no tian`ny mpametraka sujet iresahana.


Ny olona izay miresaka ny maty kanefa efa voalaza fa rehefa maty dia tsy afaka hidera an'Atra na hiresaka ny velona ny maty.Hay mbola maro no mino fa miresaka.Toy ireny manao atra hafa noho Atra Tokana ireny.:roll:fa ary tsy manaiky ny fahamarinana:cry:
Salamo 115:1-9
Tompo o ,aza izahay ,aza izahay no omenao voninahitra ,fa ny ananaranao ihany.Noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao.Nahoana ny jentilisa no manao hoe Aiza izay Andriamaniny?
Nefa any an-danitra Andriamanintsika.
Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny asan'ny tanan'olona.
Manam-bava izy fa tsy miteny;
Mana-maso izy ,fa tsy mahita,
Manan-tsofina izy ,fa tsy mandre
Manan-tongotra izy ,fa tsy mandeha
Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.
Ry Israely o,matokia an'i Tompo;hery sy ampinga Izy


Mbola nohamarininy ihany io ao amin'ny Lev 19: 4

Io izao dia voalazan'ny baiboly na toherin'ny olona aza kanefa efa nampahafantarina mialoha ny fisiany.:cry:

Misy fanontaniana kely mba apetrako ity :
Maninona ny olombelona no hany zava-boaary mandevina ny matiny ?


nomen'Atra fisainana izy ary izany indrindra no mahatonga ny olona hanana fahalalana na hanaraka Azy na hanohitra ny teniny, fa misy fiteny hoe sahala amin'ny biby.:oops: ireo izay misaina toy ny biby.
Vakio ny Lev 19:4 Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy ,ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo.. :roll: kanefa dia tsy mino fa ny ataoko ihany no ataoko hoy ilay olona izay.
56. piste ( 03/09/2007 04:47)

nomen'Atra fisainana izy ary izany indrindra no mahatonga ny olona hanana fahalalana na hanaraka Azy na hanohitra ny teniny, fa misy fiteny hoe sahala amin'ny biby. ireo izay misaina toy ny biby.
Vakio ny Lev 19:4 Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy ,ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo.. kanefa dia tsy mino fa ny ataoko ihany no ataoko hoy ilay olona izay.


Mbola tsy mahalaza ny tena valiny io ry Niryna.

Ary aminao voasakan`ny fahafatesana ve ny fihavanana ?

Ary azonao valina ve ilay fanontaniana tery am-boalohany : Nahoana i Jesoa niresaka t@ Moizy sy Elia teny an-tendrombohitra ?

57. ikaretsaka ( 03/09/2007 04:51)
iza no zava boahary mandevina ny matiny, satria nahoana?

Ny olona satria manana saina izy ka nahalala fa MISY HAJANY NY MATY fa tsy navela ho lanilanin'ny olitra eo fotsiny

2 bertsak any source azo angalana porofo fa nesorina moa satroa tsy nifanaraka @ ilay "izay tiatiana" ko!:roll:
Tobia, makabeo..sns...
58. niryna ( 03/09/2007 04:54)
ikaretsaka:

iza no zava boahary mandevina ny matiny, satria nahoana?

Ny olona satria manana saina izy ka nahalala fa MISY HAJANY NY MATY fa tsy navela ho lanilanin'ny olitra eo fotsiny

2 bertsak any source azo angalana porofo fa nesorina moa satroa tsy nifanaraka @ ilay "izay tiatiana" ko!:roll:
Tobia, makabeo..sns...


Fanajana ny maty tsy midika fa mandeha mivavaka any kanefa olona efa tsy mifoha intsony,samy malahelo ny havany maty fa ny maty tsy miverina intsony. Manohitra ny tenin'Atra izany raha efa noresahiny hoe ny maty tsy afaka hidera ny velona na hidera an'Atra.Aiza re ika izany e.Mampiditra mamoaka toa lelon-jaza.
59. ikaretsaka ( 03/09/2007 04:58)
raha te hamaky ilay bokin'i makabeo ianao dia manao hoe:
3 Rahefa izany, nampanao vokatra i Joda, ka nahavory drakma roa arivo nampanateriny hanaovana sorona fanonerana any Jerosalema. Asa soa sy mendrika, avy amin'ny fiheverana ny fitsanganana amin'ny maty, izany. 44 Satria, raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty, ny miaramila maty an'ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an'ny maty. 45 Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an'izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an'izany sorona fanonerana izany ho an'ny maty, mba ho afaka amin'ny fahotany izy ireo.
60. niryna ( 03/09/2007 05:02)
ikaretsaka:

ka raha tsy alika r'ianona koh! (azafady)
Maty dia tsy mitomany valala intsony.
Rahamihambo mino ny fitsanganan-ko velona sy hoe mbola ho velona ny maty rehetra ... dia mankaiza ny maty?mIhainohaino fotsiny aloha mandra pa?
raha mino fa misy vatana sy fanahy ny olona, mankaiza le fanahy rehefa maty ny vatana? misidisidina eny?



=))=))antsoy koa izany raha izany izay maty rehetra e,ianao moa mino fa dadabe sy bebe mbola mihaino ny tenin'ny zafikeliny:@
Maty i Eric ary nandritra ny fotoana niveloman'ity vadiny dia mandrehitra labozia foana izy isan'andro,variana ny zanany kanefa tsy afaka ny niteny fa nanaja ny rainy.Eric a ,reraka be aho androany,Eric a izao sy izao,Eric a,marary aho.Nihombo ny aretiny,aiza Eric? Nanasitrana ve? Afaka niteny ny zanany ve mba ho ento any amin'ny dokotera ny reninareo? Tsy nahavita na inona na inona fa ny mpivarotra labozia fotsiny no nahazo vola=))
Maty izy,tsy nanao ny fanaony akory ny zanany fa nihova finoana mihitsy aza satria nahita ireo mpanao choral misotro divay niaraka ity mpitarika.
Inona no nitranga,efa samy lehibe ny ankizy ary nihiratra ny masony satria ninohino foana ny reniny .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4737