MALAHELO aho!

41. rakaroka ( 30/08/2007 19:51)
Misaotra hatrany anareo namana niara-niantsoroka izay manjo:
"Azoko androany ny "résultat du scanner" sy ny analyse rehetra natao taminy tany tao @ hopitaly
Soavonandriana.
Dia nojereko hoe iza avy ireo "central" misy "au monde" mihevitra sy efa nitsabo io aretina io: hatraiza ny "fikarohana", ny "top" amin'izany?...: dia ny dokotera lehiben'izay no no "consulté-ko": efa nalefako any daholo 'reo analyse mikasika azy!
Fa efa mba nihatsaratsara indray hono izy androany!
42. tywa68 ( 31/08/2007 05:44)
Isaorana anie ny Tompo @ fitantanany antsika isanandro. Aza kivy fa tsy very zay miankina Aminy :-*
43. bobone ( 31/08/2007 06:30)
Marina tokoa izany !Atra manana izay hevitra heverany antsika izany mitondra fiadanana fa tsy loza !ary! hataony hafa anie izay tena manompo azy e!
Rakaroka an!! :D:Disaorana ny Tompo @ izay efa nataony sy mbola hataony anareo! indrindra i Mamanareo ! ny irina sy hangatahana aminy de ho sitrana tanteraka ,izay le finoantsika fa aza kivy fotsiny!!! fa Atra mandahatra ny fiainatsika e! ka izay mahasoa hataony akia an!:-*:-*
44. rakaroka ( 31/08/2007 16:47)
Dia noresahin'ny dokotera tamiko ny zava-manjo azy: "misy faritra simban'ny otrik'aretina ny ilany @ lohany havanana anoloana, mahazo ny taolana dia izay no nampi-"convulse" azy! Tsara ihany anefa hono
satria tsy tena mbola nahatratra ny "cerveau" na dia voakasika kely ihany aza izany: dia ny "fanafody" mi-compressé ilay otrik'aretina!
T@ 2003 nobedesiko rizareo tany Mcar sy ny iraitam-po amiko taty: variana mitady vola ny rehetra anefa efa reko narary izy, t@ nonony, dia nandefa vola ho azy aho hoe 'ndana mitsabo tena fa 'narei izany anie mandrimandry manana aretina. Dia nodidina "cancer du sein" izy.
Raha ny marina hoy ny dokotera efa simptômen'ilay aretina ity iny, ary mateza aza izy raha ny marina.
Nanontaniako h@ "éspérance de vie-ny": " 2mois raha betsaka".....:cry::cry::cry::? Ary na hotsaboina aty aza, çà change rien!
45. rakaroka ( 31/08/2007 17:09)
:-w:-w:-w Donk, Ny fahafatesana izany no "atrehina sy andrandraina sy 'ndeha omanina . Sarotra amiko aloha ny hidina any noho ny "vacances" efa tapitra, ary "pilier"n'ny orinasa koa aho, rahateo efa tsy ampy olona ny mampandeha izany, vao ni-"embauche fa "votsa" lé olona.
Hisy rahavaviko hidina any ny 15 izao, dia "ampitondraiko" ny akanjo hanaovan'ny rahavaviko
nikarakara azy tany sy ny zanany tsy mahasaraka an'i Mama, akanjo hanaovana @ fadevenana..., sns
Nahazo an-dreniko tan-téléfona aho teo, dia nolazaiko fa efa nalefako any ny vola hividianana lamba mena satria 'nareo nilaza hoe ho faty ho'aho!
Ié mety izany hot izy, dia efa ni-enviseage ny fikarakarana mikasika izany aho.
Tsy manaintaina intsony indray aloha izy satria efa nandefasana fanafody miaraka @ dokotera hanara-maso akaiky any.
Dia nampahereziko teo:
"Ario ny tahotrao ry olona osa fo...Sady notononiko MAAAAfy no midana mba hanakoako any ampara hatony
dia izy no manohy"...
Dia notohizako indray t@
"Jehovah ô ianao na nandinika ahy"...Mbola tadidin'
i mama moa izay hira izay?...
Ny lohany aloha mbola mahiratra tsara:
Misy hoe ilay hira: "Na velona aho, eny na maty aza
ny tenako dia eo imasonao, na apetraka Aminao".
Toa velombelona tahaka ny tsy ho faty indray: fianana koa re izao!
Isan-kariva alohan'ny hatorian-drizareo any dia miantso foana aho sady miarahaba mbola nomena tombon'andro no makahery handia ny alina, no mifamarafara fa raha sanatria lasa ny alina dia
soava finaritra indrindra ny ho tohin'ny fiainana rehetra na ny ho ho an'ny handeha na ny mbola hitoetra!
46. rakaroka ( 31/08/2007 17:22)
Ny côté positifn'ny resaka natao t@ dokotera dia nahafantara zavatra maaaro tokoa: tsy hoe manaranaka ity aretina ity, fa mbola tsy détérminé hoe inn marina ny "causen'ilay izy.
Ny torohevitry ny dokotera dia nomeny "ordonnance" hakana rendez-vous "septembre" ity ihany aho dia tsara ny manao "dépistage" mialoha mikasika ny fahasalamana, donk hanao mammographie aho, dia ny "frottis vaginal" koa "conseillén-drizareo".
Indrindra hono ireny afa-jaza tsy fidina ireny: Tsy voatery aloha hoe misy virus fa misy tranga maro koa,
izay tsy voa-détécté mialoha foana no fahavoazana!
47. tywa68 ( 31/08/2007 21:18)
Mahafaly ny mahita fa efa mitraka ianao ary matanja-tsaina na dia sarotra aza ny hamela azy handeha. :cry: :-*
48. Fiffi ( 01/09/2007 05:45)
tywa68:

Isaorana anie ny Tompo @ fitantanany antsika isanandro. Aza kivy fa tsy very zay miankina Aminy :-*
marina akia zany an !
rakaroka: de aza mitsahatra mivavaka fa io ihany no tena fanafodiny.....


49. sasa ( 04/09/2007 04:54)
rakaroka, mivavaha mafy fa tsy misy tsy vitan'ny vavaka, ary mivavaka ho anareo rehetra koa izahay, mafy tokoa ny mieritreritra anzao satria enao any alavitra any, nefa mahereza foana fa Andriamanitra manampy antsika lalandava.
50. rariri ( 05/09/2007 01:44)
Dia feno gaigy le tany lol,

le fivavahana sy finonompoana io angamba no mahalasa adala an'i sasany.:-D
51. xxx ( 05/09/2007 12:57)
:evil::evil::evil:makiriko be ty rariri rey olona,refa tsy mino sy mivavaka ianao dia aza mamaly sy mitafa aminay, donto zany ra olona!:evil::evil:
52. rariri ( 05/09/2007 15:19)
zao zany le famalinareo mivavaka sy mino :-D
aleoko ihany ohatranay ohatra'izao.
tsy azon'ny lavage de cerveau.

mahazendana.
53. rakaroka ( 05/09/2007 16:47)
En faite, nisy namana tsy tato @ sera2 aloha nanome ahy réponse "concret" hoa asaivo manao corticoide intraveineuse de solution solumedrole 12 heures izy isaky ny 12 heures pendant 48 heures, dia raha mihatsara dia manaova demande d'évacuation hatao "chirurgie" @ hôpitaux spécialiste. Ary par "chirurgie" dia possible tokoa hoe mihalava ny andro iainan'ireo patient vao no-éxpérimentén-drizareo.
Dia noresahiko izany rizareo, dia narahiny tapany ny
"conseil" , izany hoe ilay "entraveineuse" fa tsy
marisika ny hitsabo tena aty ivelany hono izy fa aleo
any ihany, dia inn moa ny azoko atao, fa dia mi"ouf" ftsn!
Hanao "dépistage" mialoha fotsiny aho, mba hisorohana
ny tahaka izao.
54. mahitsih ( 07/09/2007 06:50)
Tohina tokoa ny fo sy fanahy raha mamaky ny cas misy anao satria,zao za vao mitsidika ity site ity ndray, nefa finaritra satria vehivavy manana an\'Andtra tokoa ianao ary hita soritra fa mahatoky azy tanteraka ary tsara akana lesona izany rehetra izany.Andrtra dia manana ny hevitra hiheverany ny tsirairay ka rehefa tsy misaraka aminy isika fa mahatoky ny fitondrany hatr@ farany dia mpandresy any am-parany.MIVAVAKA HO AN\'I MAMANAO, IANAO SY NY HAVANAO REHETRA AHO ry Rakaroka.

mahitsih:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
55. rakaroka ( 08/09/2007 08:41)
mahitsih:

Tohina tokoa ny fo sy fanahy raha mamaky ny cas misy anao satria,zao za vao mitsidika ity site ity ndray, nefa finaritra satria vehivavy manana an\'Andtra tokoa ianao ary hita soritra fa mahatoky azy tanteraka ary tsara akana lesona izany rehetra izany.Andrtra dia manana ny hevitra hiheverany ny tsirairay ka rehefa tsy misaraka aminy isika fa mahatoky ny fitondrany hatr@ farany dia mpandresy any am-parany.MIVAVAKA HO AN\'I MAMANAO, IANAO SY NY HAVANAO REHETRA AHO ry Rakaroka.

mahitsih:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*


Misaotra mahitsih a :-*:-*:-*.
De toute façon "Ny fahafatesana aza", lalam-piainan'ny velona "rehetra" tsy an-kanavaka,
et chacun son tour.
"Devoir à accomplir"ny être rehetra koa hoy ny fitenenana izay.
Très important ny "Fahaiza-miatrika" sy mi-accomplir na ny "dernière souffle de notre vie" aza!
Ny antsoina hoe "tsara fiafarana koa" mbô afa-po t@ fiainana, t@ izay vita indrindra indrindra, ary ny finoana fa ce n'est qu'une partielle de vie izao lalovantsika izao, et on tend vers une autre meilleure, pour un être meilleure.
Rahateo ny mamako izao no nampiononona ahy hoe
"Aza malahelo". Ny hilevenany aza eo anilan'ny tany novidiako tany. Izao koa nanamafy ny sainy, satria tsy nanao ratsy, donc ho tony sy hilamina hatrany ny ho aviny: tsy tahaka izay nolalovana teto akory!...


56. sarobidy ( 06/10/2007 08:03)
rakaraoka: nanaôna zay le reninao narary fa izao ary a vo nahita an'ty resaka tato ity:(, na izany na tsy izany mirary faherezana ho anao d atrakao fôna ny loha fa tsy ahavitana n'inoninona ny fahakiviana, mahereza!!!!
57. rakaroka ( 23/10/2007 04:23)
Nandao antsika omaly hariva t@ fito ora malagasy izy.
:cry:'ndriiiiy Lasa ry reto ilay "mpimatimaty" amiko!:cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
Fandalovana tokoa ny fiainantsika: mielina ihany.
De toute façon efa nataoko ny ala-nenina rehetra : nierako ny ho entina ho tsaboana aty France na atsy "Afrique" du Sud izy fa tsy nety, dia nahavitako "Albumn-kira izy no-dédié-ko ho azy mba handrotsy ny takarivany iny ho solon'ny tanako manotra azy rehefa izy vizana.
'Hijery ny "vols" possible aho izao maraina izao. Halevina ny zoma izao izy.
58. sasa ( 23/10/2007 04:39)
Dia miaraka ory aminao tanteraka izahay namanao rehetra, tena kepoka aho fa raha possible enao ka tonga aty d hijery anao izahay.
59. tywa68 ( 23/10/2007 05:54)
rakaroka : tena mampalahelo zany vaovao zany fa mamangy @ fahoriana d entitsika ambavaka ny fanahiny sy ny fiononana feno ho anareo mianakavy kely nilaozany : efa niala-nenina enao fa tsy maintsy malahelo, normal be zany fa sarotra ny fisarahana.:-*:-* miara-ory aminao zahay namana eto.:cry::cry:
60. Ralay ( 23/10/2007 06:26)
rakaroka:Tsy hoe hamendrofendro fa miara-ory aminao @ izany vaovao mampalahelo izany.Efa nanao ny adidinao tokoa ianao ka tombondalana ihany ny azy fa isika mbola hanaraka daholo.
Koa dia mampionona anao sy ny fianakavianao rehetra aho sy ny namana eto.Dia mahereza e!
Ralay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1463