MALAHELO aho!

21. volana1 ( 28/08/2007 11:35)
RAkaroka : témoignage no ataoko aminao mba hampahery (raha azo atao anao, satria tsy vitan'izany teny fampaherezana izany izy io), mafy amin'ny maha-olombelona, indraindray misy ny fanantenana ary indraindray dia tena milentika, ny azoko ambara dia nolalovako tanteraka io toerana io, mbola azoko atao hoe sambatra anefa ianao satria mbola mandre anao izy raha hiresaka aminy ianao, lazao azy ary averimbereno ny fitiavanao azy, zaho dia nanenina tsy mba dia nilaza izany firy tamin'ny reniko, handeha hiakatra any Tanà izy hitsabl tena dia tsy sahy nitomany aho ary izao no lazaiko hoe mama a ! je t'aime akia a! dia izay, dia lasa herinandro izy tany Tanà dia nanao coma amin'izay, presque 1 mois ny coma-ny, nijaly.
Fehiny : raha azonao atao, mba miangavy aho tsy iverenan'izany, raha afaka midina aty dago ianao , jereo izy fa tsy fantatra izay ho avy, ary aza ela, marina fa Andriamanitra mahay zavatra fa ilainy ny fahatongavanao, ataovy zany raha possible, tsy ho sanatria zavatra hafa no ahatongavanao aty.
Mahereza, hoy i Volana1 namanao sahady.
22. fahamarinana ( 28/08/2007 11:58)
:arrow:Miombom-bavaka miaraka amin'ny rehetra aho dia mahereza fa izay hitranga rehetra dia ho zakaintsika daholo na soa na ratsy.Aza kivy fa mbola eo izy ary mbola misy ny azo atao dia ny miresaka,manao zay ahafaly azy,ny fitsaboana dia anjaran'ny dr ary ny fanapaha-kevitra dia an'Andriamanitra irery ihany.,mahereza an:-*(l)
23. miantra ( 28/08/2007 12:10)
Tena tsapa ny hamafin'izany zavatra entinao izany ka mirary anao mba omen'Andriamanitra hery hoenti-miatrika izany.

Eto am-panoratana dia mahatsiaro ny tenin'ny soratra masina manao hoe: "Ny zanako, ny asan'ny tanako aleo ho adidiko ihany hoy Jehova" tsy tadidiko na Isaia na jeremia no misy io teny io.

Miara-miombom-bavaka amin'ny namana rehetra ho anareo mianaka;

:-*:-*:-*
24. tywa68 ( 28/08/2007 12:11)
Tsy maintsy malahelo fa mahereza an = mila anao izy, ary ireo voalazan'ny namana ireo dia tena marina tokoa ! ataovy izay hampifaly azy, fa aza mampiseho hoe tena ketraka sns... ny Tompo anie hanamaivana anareo mianaka.:-*
25. lasadolnysolony ( 28/08/2007 12:37)
Manohina ny fo tokoa ny mamaky ny témoignage n'ny olona rehetra manoratra eto, tsy irery ianao fa maro ny olona mitondra am-bavaka anareo mianaka amin'izao fotoana izao, aza kivy, mitrakà ary indrindra mahaiza mankasitraka amin'ny zavatra rehetra, misy ambony sy ambany ny fiainana, nefa tsarovy fa na inona na inona zavatra mitranga amin'ny fiainanao dia misy ilay tenin'Andriamanitra hoe : "Ny zavatra rehetra miara miasa ahasoa izay tia an'Atra".
Mampahery anao, manonona ny fanafahana ny reninao amin'izao aretina mahazo azy izao.:-*
26. sympa ( 28/08/2007 14:01)
mahereza :-*:-*
27. rakaroka ( 28/08/2007 17:13)
'Ndriiiiiiyyyyyyyyy : Misaotra indrindra ry reto an!
Mahafinaritra ny fiainana hoe: "misy hafa mitempo anao" : "Soavatsarà daholo dia ho ambinina @ izay atao: "Tiako BBBbbbbbe 'nareo":
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Messages/friends-forever-4.gif[/IMG]
I Mama any Dago, izaho aty Frantsa, samy mino an'Atra fa tahaka ny hoe "izaho tokiny, izy tokiko" t@ fihoirana ny fiainana, ary maaaaafffffyy tokoa ny lalana nodiavina izay!...Nioitra tena nioitra t@ fiainana tokoa izahay: tahaka ny "gasy maaaaafy ady @ ankapobeny!"...
Nahatratra poste aho avy niasa dia nandefa télégramme "fankaherezana ho azy".
Dia vao nahazo azy tan-téléfona koa vao teo:
toooooooommmmmmaaaannnny izao narotsako izao , mba notanako ihany ny ranomasoko fa he!he, tsy tana mihitsy, tsy arakaraka ny herintsaiko mahazatra: samy mafy loha anefa izahay mianaka, dia nisaraka nifankahery: hivavaka isa-marai-tsy hariva:*
Hatao scanner izy rahampitso, alohan'ny hanaovana radiothérapie. Dia nangatahina mba ho fo sy saina tony no hiatrehana ny sisa rehetra!
28. rakaroka ( 28/08/2007 17:18)
marajah:

Atanjaho ny saindry ary mahereza fa manovazavatra ny vavaka ary mbola manao fahagagana Andiamanitra, Mivavaka ho an'ny Reninao aho,Ny zavatra rehetra ain'ny mino atao,ka aza kivy
Marajah namanao


Driiiiiiy Marajah:?::?::?:
Tena i Marajah lé fantako tokoa ve:?:
Faly aho raha izany : " Misaotra indrindra !"
(l):-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*(l)
29. rakaroka ( 28/08/2007 17:30)
[quote=volana1]
lazao azy ary averimbereno ny fitiavanao azy
,

Misaotra akia volana.
Ny ahy sy ny mamako indray anie dia raràny aza aho, tsy handany sy hisahirana aminy: "efa BBbe loatra hono ny vitako: "Fisaoranana mirarakompana tahaka ny inn? miampy tso-drano izany no fataony ahy .
Herintaona katroka izay niara-niriaria taty Paris izahay:"Notsenaiko tamina "Pencarte Ngozabe misy ny sarin'izy mivady sy ny soratra "tongasoa" : menamenatra rizareo @ maha "bizarre" ahy anefa dia izaho irery no nitomanian-drizareo nony nanoroka namihina ahy hoe :"ny zanako":cry::cry::cry:
30. rakaroka ( 28/08/2007 17:37)
lasadolnysolony:

Manohina ny fo tokoa ny mamaky ny témoignage n'ny azy izao.:-*


Misôtra e:-*:-* ary vao2 amiko lé Ps-nao ? Faly aho mana-namana vao2 :-*:-*:-*
31. rakaroka ( 28/08/2007 17:48)
>>Fiffi,xxx,sakaizakely,booboo,fasaly,ari.malala,diamondra27,kalina80,Rafotsy,bobone,mamzelkely,marajah,samoana,dadie,mandy,kosety,volana1,felanarinana,miantra,tywa68;lasadolnysolony,sympa!:
(l)"SITRAKA SY TELINA" ny maha namana
Misaotra tsy namela ahy ho irery!
Atra homba anareo tsi1/1 dia ho ambinina indrindra amizay kasaina sy atao: @ fiainana manontolo mihitsy:
(l):-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*(l)(l):-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
32. soanja ( 29/08/2007 05:22)
Any Rakaroka namako,
Mahereza hatrany.
Androany ihany dia hivavaka aho momba anao sy ny reninao.
Manampy be tokoa Rakaroka raha miezaka mandefa ny fanirianao mafy any amin'ny Universe ka mametraka azy eo ampelatanan'Ilay Mahery IANAO!
Mameloma labozia iray eo anoloanao. Diniho dia akipiho ny maso.
Eritrereto hoe eo ampelatananao ny vatan'i mamanao ary koseho miakatra na midina hiala ny aretina. Fenoy eritreritra maintso ny toerana rehatra izay heverinao fa ianjadian'ny aretina. Mitenena izay mahamety ny fiampitany any aminy ka handaitra.
Rehefa reraka ianao dia isaory Andriamanitra nanome hery anao nahavita izany.
Izy no hamita ny ambiny ary mahatoky Azy ianao!
Mahereza hatrany! :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
33. volana1 ( 29/08/2007 07:26)
Rakaroka : nirotsaka indray ny ranomasoko nahita ny valin-teninao, sy nieritreritra ny fihaonanareo tany Paris, nirotsaka satria zaho dia tsy mba nahavita an'izany izay efa noteneniko anao fa nanenenako, ny mba vitako dia ny tsy nanana tokantrano manokana fa niara-mipetraka tamin'izy mivady zahay mianakavy kely satria izay no tiany, tohizo ny fanehoam-pitiavana fa ety an-tany ry zareo no mila izany.

Mivavaka ho anareo, ny namanao volana1
34. ari.malala ( 29/08/2007 07:43)
hoan'i rakaroka, tsy misy fisaorana aky fa izay anie no mahampinamana e, efa ntambatr'ity site ity isika rehetra ho mpinamana dia mifampizaka izay manjo. Mbola mamerina ny fampaherezana sy ny fitondrana am-bavaka anao sy ny reninao. Courage foana e! Ary manahoana nefa hono izy izay? Mino isika fa izay rehetra mitranga dia fitiavan'Andriamanitra anareo daolo koa mahereza hatrany aky a!:-*:-*:-*:-*
35. rakaroka ( 29/08/2007 10:43)
soanja:

Any Rakaroka namako,
Mahereza hatrany.
Androany ihany dia hivavaka aho momba anao sy ny reninao.
Manampy be tokoa Rakaroka raha miezaka mandefa ny fanirianao mafy any amin'ny Universe ka mametraka azy eo ampelatanan'Ilay Mahery IANAO!
Mameloma labozia iray eo anoloanao. Diniho dia akipiho ny maso.
Eritrereto hoe eo ampelatananao ny vatan'i mamanao ary koseho miakatra na midina hiala ny aretina. Fenoy eritreritra maintso ny toerana rehatra izay heverinao fa ianjadian'ny aretina. Mitenena izay mahamety ny fiampitany any aminy ka handaitra.
Rehefa reraka ianao dia isaory Andriamanitra nanome hery anao nahavita izany.
Izy no hamita ny ambiny ary mahatoky Azy ianao!
Mahereza hatrany! :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*



:-*:-* Misaotra akia Soanja tsy manadino::-*:-*:-*,
'ndriiiiiy n'inn n'inn hazakazam-piainana atrehintsika mbola ahatsapako hoe mana-namana mi-soutenir aho : "Thanks again!":-*:-*:-*, misaotra indrindra koa @ "conseil" : tsy olona miavonavon-kevitra ireny aho : ho ataoko tokoa ! Mi-souffrir
anie akia izy @ "état hoe tapaka ny tongotra" , fanina,sns. Donk torohevitra izay hioirana izany mihitsy no iriana aza! "Merci" an :-*:-*:-*
36. rakaroka ( 29/08/2007 10:56)
volana1:

Rakaroka : nirotsaka indray ny ranomasoko nahita ny valin-teninao, sy nieritreritra ny fihaonanareo tany Paris, nirotsaka satria zaho dia tsy mba nahavita an'izany izay efa noteneniko anao fa nanenenako, ny mba vitako dia ny tsy nanana tokantrano manokana fa niara-mipetraka tamin'izy mivady zahay mianakavy kely satria izay no tiany, tohizo ny fanehoam-pitiavana fa ety an-tany ry zareo no mila izany.

Mivavaka ho anareo, ny namanao volana1


SSsssss, En faite ny ray @ dreniko : "afa-po hatry ny ela t@ izay vitako" , dia inn akory 'gnefa ny
ny vitako teo: c'est vraiment rien!...sady tsy fitanisa izany amiko, 'zay vita dia vita, fa ny zavatra tsy vitako akory t@ fikasana tiako ho no-réalisé-na no betsaka! Brefff ...Heureusement mbola en vie isika, ny ahy izay noheveriko tsy vitako taminy hono dia ataovy @ zafikeliny mantsy ny zanako!
I Dalida na nalaza toa ny inn aza, namono tena izy nony farany satria tsy mba nanana olona tahaka antsika izao ho notiavina: "vide" ny fiainana indraindray! raha toa izany.
Soa fa misy antsika mpiara-miaina
Iray vatsy iray aina!
:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*

37. bobone ( 29/08/2007 13:31)
Rakaroka: marina akia izany !soa fa nisy antsika mpinamana nifankahery tahaka izao! mafy anie zany tsy misy hizarana ny manjo izany e! fa de misaotra tena enao misaotra anay fa isika izao de tena iray tokoa ary tena iray vatsy iray aina tokoa ! mankasitraka:wink::-*:-*:-*:-*
38. rakaroka ( 29/08/2007 15:03)
Natao "scanner" androany izy, dia ho alefan-jandriko rahampitso aty hono ny "valin'izany". Dia mbola tafaresaka tamiko izy, dia notantaraiko azy daholo, hoe misy namako hafa amin'ny "internet" mirary soa ho an'i mama koa, dia nisaotsaotra anareo anareo
rehetra izy!
Nampiasaiko tokoa ny toro-hevitr'i Soanja, dia asa na ahoana na ahoana fa natory BBbbe hono izy nifanandrify t@ fe-potoana nanaovana izany.
39. fijo ( 29/08/2007 20:44)
mankahery ,ary aza kivy fa io lalanan'ny fiainana ka tsy azo hialana.
40. miantra ( 30/08/2007 08:06)
Miarahaba an'i Rakaroka.

Tsy misy fisaorana akia a! Izay no maha mpinamana .

Mbola mampahery anareo mianaka hatrany.
Mitondra amim-bavaka ihany koa.

"Mangataha dia omena" hoy ny soratra masina .
"Antsoy aho dia hovaliako ianao..." hoy ny teny ao amin'ny salamo 50.15

:-*:-*:-*

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1674