Ny manan-kery ny teny

1. gasynamana ( 15/08/2007 00:05)
Ny teny no naharian'Andriamanitra ny zava-boaary rehetra.
Ny teny dia mahatsangana amin'ny maty
Ny teny dia mampitony ny onjan-dranomasina sy ny rivo-mahery ....

Ahoana ny hevitrao?
novalian'i fijo ny 24/08/2007 23:02
2. ikaretsaka ( 15/08/2007 00:37)
ny teniteny foana no ahitan-doza:wink:
Miko dia ny eritreritra (conceptualization) sy ny faniriana (desir) miampy ny fahavononana no mitondra an'io
ny eritreritra no hitondran-kanakana oy ny gasy
ary niheritreritra be Andriamanitra aloha vao niteny
Nieritreritra i dada sy mama sy andriamanitra t@ nanamboatra anao fa tsy vitan'ny niteny fotsiny!:wink:
ny concept sy ny fahalalana fa vita rehefa tena ilaina no tena manan-kery amiko.
Raha tenenina hoe amboary io ka tsy ao ilay concept dia na miteny aza ianao ka tsy manao .. nga mahavita raha?
3. niryna ( 15/08/2007 00:37)
Amiko Kristy no Teny
"Tamin'ny voalohany ny Teny ary ny Teny tao amin'Atra,ary ny Teny dia Atra.Izy dia tao amin'Atra tamin'ny voalohany.Izy no nahariana ny zavatra rehetra ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao ,na dia iray aza." Jaona 1: 1-3

Raha tsy manankina an'i kristy izany isika dia ho zava-poana daholo izao fiainana izao,satria izay manantona azy no ahita fiainana mandrakizay,ho velona mandrakizay.Ary Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana mankany amin'ny Ray.
Andramo ka zahao fa tsara Izy.
Izy no alfa sy omega ilay voalohany sady farany,ilay fiandohana sady fiafarana.:arrow:Raha mbola tsy nandray azy tao am-ponao ianao dia manatona azy fa mbola nomeny andro ianao hanaovanao izany.
4. ikaretsaka ( 15/08/2007 11:19)
dia aza aadino koa fa ny TENANY no nilatsa- dra hamonjy antsika.
Raha ts'isy ny TENA tsisy ny Teny.
Ny Teny tonga nofo (lasa Tenany) (Joany 1) ny Tenany Lasa mofo
Ho sakafon-panahintsika hatr@ izao (Joany 6)
"Izy ao amintsika ary isika ao Aminy"
5. niryna ( 15/08/2007 11:47)
ikaretsaka:

ny teniteny foana no ahitan-doza:wink:
Miko dia ny eritreritra (conceptualization) sy ny faniriana (desir) miampy ny fahavononana no mitondra an'io
ny eritreritra no hitondran-kanakana oy ny gasy
ary niheritreritra be Andriamanitra aloha vao niteny
Nieritreritra i dada sy mama sy andriamanitra t@ nanamboatra anao fa tsy vitan'ny niteny fotsiny!:wink:
ny concept sy ny fahalalana fa vita rehefa tena ilaina no tena manan-kery amiko.
Raha tenenina hoe amboary io ka tsy ao ilay concept dia na miteny aza ianao ka tsy manao .. nga mahavita raha?
:roll:


6. ikaretsaka ( 15/08/2007 14:50)
niryna.
Velabelaro HOE IO:roll:anao io? raha tsy mahadiso
7. fijo ( 15/08/2007 19:37)
ilaina ny teny,marina io satria io no hifanakalozana.fa hoy ny gasy,"asa fa tsy kabary"
8. ari.malala ( 16/08/2007 11:58)
ny teniteny foana no ahitan-doza


miombonkevitra!
9. fijo ( 16/08/2007 22:06)
ny asa aloha no tena ahitana vokany,fa ny teny kosa hanazavana ny asa atao
10. niryna ( 17/08/2007 23:13)
Ika a ,Teny,Kristy no tiany ho tenenina eto fa tsy ny fomba fitenintsika.:roll:

11. niryna ( 17/08/2007 23:23)
gasynamana:

Ny teny no naharian'Andriamanitra ny zava-boaary rehetra.
Ny teny dia mahatsangana amin'ny maty
Ny teny dia mampitony ny onjan-dranomasina sy ny rivo-mahery ....

Ahoana ny hevitrao?


ika a,hazavaiko eto ilay izy.

"Ny Teny" na " The Word" The Word of God"

Ao anatin'i Jaona 1:1-4 na vakio hatrany amin'ny farany raha tianao dia hazava.:wink:

Kristy no nahariana ny zavatra rehetra
Kristy nanangana an'i lazarosy (aiza moa iny fa tsy tadidiko ny misy azy? :roll::D )
Iza no nampitsahatra ny ranomahery sy ny rivo-doza ?
Moa tsy i kristy ?
Ary mbola maro .

Izay ve izy io ry gasy ?:*
12. fijo ( 17/08/2007 23:30)
angano ireny fa tsy mino ireny aho.ekeko fa teny no mampitsahatra ny ady ohatra,fa tsy teny baiko io fa teny hifanaovana
13. niryna ( 18/08/2007 00:22)
ikaretsaka:

niryna.
Velabelaro HOE IO:roll:anao io? raha tsy mahadiso

Tamin'i Jaona mpanao batisa nitory ny filazantsara na ny gospel dia nantsoiny hoe "Teny " i kristy " logos " amin'ny teny greka :roll:
Nampiasainy izany io "Teny " fa amin'ny andro farany Atra dia hiteny amin'ny olona avy amin'ny alalan'ny Zanany. Fa avy Aminy no nanaovana anareo ho ao amin'ny kristy ,izay nataon'Atra fahendrena sy fahamasinana ary fahamarinana ary fanavotana ho antsika 1 Kor 1:30

1-Christ's relation to the Father
2-Christ's relation to the world
3-Christ's relation to humanity

1-Kristy izay miaraka amin'ny Rainy::arrow: mbola tsy ary izao rehetra izao dia efa nisy Izy( kol 1:15)
Izy no endrik'Atra tsy hita,ny Lahimatoa talohan'izao zavatra rehetra,Izy dia Atra (the Word was God)Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe;Hianao no Zanako mamalalako,Hianao no sitrako.(Mat 1:11)

2-Kristy izay miaraka amin'izao tontolo izao:arrow:tao amin'i kristy no nanombohana naharian'Atra izao tontolo izao Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany....Izy no Lahimatoa tamin'ny maty,mba ho lohany aminny zavatra rehetra Izy Kol 1:16-18

3-kristy izay miaraka amin'ny olombelona ::arrow:Ny Teny dia tonga nofo (Jaona 1:14).Tao amin'i kristy izany Atra no tonga olombelona nanana toetra mitovy ny olona rehetra Izy saingy tsy mba nanana fahotana Izy(He has no sin or without sin).
Nandao ny lanitra Izy ary tonga tety an-tany . Indro ny virijiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy .Ary ny anarany hataon'ny olona hoe "Imanoela" Izany hoe raha adika dia Amintsika Atra(God with us) Mt 1:23) :D

Hoy Kristy "Izy no mofon'aina ary izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy hangetahahena intsony" (Jaona 6:35):arrow:Afaka mahatoky ny tenin'Atra isika fa miresaka antsika ary miharo antsika isan'andro isan'andro Izy .^:^





14. ikaretsaka ( 18/08/2007 01:02)

1-Kristy izay miaraka amin'ny Rainy: mbola tsy ary izao rehetra izao dia efa nisy Izy( kol 1:15)
Izy no endrik'Atra tsy hita,ny Lahimatoa talohan'izao zavatra rehetra,Izy dia Atra (the Word was God)Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe;Hianao no Zanako mamalalako,Hianao no sitrako.(Mat 1:11)

Dia eritrereto tsara.. TENY ve no nolazain'andriamanitra fa nisy io sa TENA?

Nampiasainy izany io "Teny " fa amin'ny andro farany Atra dia hiteny amin'ny olona avy amin'ny alalan'ny Zanany. Fa avy Aminy no nanaovana anareo ho ao amin'ny kristy ,izay nataon'Atra fahendrena sy fahamasinana ary fahamarinana ary fanavotana ho antsika 1 Kor 1:30

dia iza no niteny... tsy ny TENA ve?

....Izy no Lahimatoa tamin'ny maty,mba ho lohany aminny zavatra rehetra Izy Kol 1:16-18
TENA koa io Izy io

Izy niara nonina tamintsika... tsy ny Teny koa io fa tena...

Tadidio Lalandava fa ny Teny Tonga Nofo, ny Nofo tonga Mofo
15. niryna ( 20/08/2007 03:05)
ika > sady Izy no mofon'aina.Fiteny koa ny hoe body of Christ na tena izy eto .
Ny teny no tian'ilay mpanontany eto,izaho angaha milaza fa hoe tena no teneniko.Teny (the word of God fa tsy the body of Christ)
Aza afangaro ny hevitra tenenina hoe dia tonga nofo izy,lasa mitovy ny olona sy ny teny dia Atra.
Samy mandray anjara amin'ireo teny roa ireo Kristy .Efa niresaka an'io ianao hoe tena fa tsy teny.
Teny tiako ho tenenina eto dia word amin'ny teny anglisy.John 1:1-2"In the beginning was the Word,and the Word was with God and the Word was God.He was with God in the beginning"

Io voalazako ery ambony ery ny fanazavana amin'ny teny gasy hoe "Tamin'ny voalohany ny Teny,ary ny Teny dia Atra,Izy dia tao amin'Atra tamin'ny voalohany. Jaona 1:1-2

Aza afangaro amin'ny fandraisana na "lord supper" na ny niarahan'i Kristy nihinana ny Paska izay miresaka famakina ny mofo izay teneny "tenan'i kristy" ...ka nony efa nisaotra Izy ,dia novakiny ka natolony ny mpianatra,ary hoy Izy:Raiso hano ity ny tenako Mat 26:26
Eto ny tena dia "body of Christ"[i]Take and eat this is my body

Itanao amin'izany ny mahasamy hafa azy:D

Teny= Word of God na tenin'Atra
Tena=bread na body of Christ na mofo.
:*
16. LazaDaddy ( 20/08/2007 07:45)
gasynamana> misaotra anao mampahatsiahy an'ito fa ilaintsika tokoa io indrindra amin'izao "fotoanan'ny fahalalahana" izao.

1)Eny, tena manan-kery tokoa ny teny: na mamelona na mamono.
"Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany". Ohabolana 18:21

2) Tsy afaka manova ny herin'ny teny isika, fa kosa afaka misafidy ny teny ampiasaina.
"Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao." Matio 12:37
17. booboo ( 20/08/2007 18:30)
miombon-kevitra tanteraka
18. ikaretsaka ( 20/08/2007 23:26)
dia ahoana ary ny fandraisana ny teny nefa tsy mandray akory ny tena izay niteny sy tsy mino io fisian'ny tena (nofo tonga mofo) io?
niryna.. fa ny faran'io Joany io dia nasiany hoe: ary ny TENY TONGA NOFO!
ary miara monina amintsikaandininy faha 14

fa tsy nijanona teo @ wawawa fotsiny! ary nitohy hatrany @ joany toko faha 6 ilay izy...
efa nilaozana ela ny mihaino fotsiny
fa ny mihinana sy mandray sy mamela azy hitoetra koa no tena izy
19. LazaDaddy ( 20/08/2007 23:38)
mivoaka ny vala ikaretsaka (na koa tsy mety mivoaka ny boaty kely misy azy) fa ny resaka eto dia hoe "manan-kery ny teny". Ny ankoatr'izay mivilana
20. ikaretsaka ( 21/08/2007 00:02)
ka tsy mana-kery ny teny raha tsy mandray ny tena... aiza ny vala mivoaka amin'izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9424