Fanaovam-beloma farany!

1. niryna ( 11/08/2007 06:15)
Efa niatrika na nikarakara ny fanaovam-beloma farany ny olon-tianao ve ianao?Tsy mba tao an-tsaiko mihitsy hoy izy raha tsy niatrika sy nikarakara ny fahafatesan'ny raiko aho.
Na dia nojereko ny fihovan'ny vatany dia hitako fa miova daholo izay hitan'ny masoko.Tsy hitako izay ho lazaiko azy ny ato am-poko,ahoana no hamborahako fa sarobidy teo amin'ny fiainako izy?Nieritreritra aho ary norasiko ny tanany,ary ilay fiarahanay mamy sy tsara indrindra no nibahana tato an-tsaiko.Nanomboka noteneniko azy ny naha-sarobidy azy teo amin'ny fiainako,nitsiky kely izy ary nihomehy,tarehy mirana no tazako farany teo amin'ny endriny ary iny no nanome fankaherezana ahy hiatrika izany fandaozana azy izany .Samy nieritreritra izay tsara nandalo tamin'ny fiarahanay izahay mianaka ary nibanjina ny ho avy ihany koa aho.
Mafy ny fisarahana farany @ ny havana aman-tsakaiza ary isika rehetra izay maty ao amin'i kristy dia fisarahana mandalo fotsiny ihany,ho an'ireo izay olon-tiantsika.

Ny fitiavana dia mahery lavitra noho ny fahafatesana.Tsy fantatra izay ho avy fa toy ireny olona niaran-doza ireny ny fahafatesana tsy afaka ny hihomana izy ireo,very ny fananana,ny trano mianjera ,tsy nisy azo raisina tao an-trano,nafoy ireo olon-tiana,tsy nahazako na inona na inona:cry:
koa tsy aleo ve mifankatia,mifamela,mifampizara ny tsara hatrany !
Misaora an'Atra isika fa mbola nomeny tombon'andro hiainana hiatrika izao fiainana izao indray.
Satria Kristy dia velona ary ho toy izany ihany koa isika,izay no fanantenan'ny mpino rehetra raha resaka fahafantesana.
Ary raha niara-maty tamin'i kristy isika,dia mino fa hiara-belona aminy koa isika,ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty kristy,dia tsy maty intsony Izy,tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Rom 6:8-9


Tompo,omeo hery izahay mba hifankatia sy hifamela-heloka .Ampio izahay mba hanana finoana sy fahatokisana fa mbola hihaona aminao ihany koa izahay ary any aminao irery ihany koa no misy ny famonjena koa mitalaho izahay ry Tompo ny mba hamonjenao anay tsirairay avy.
Amena.^:^

(l)niryna
novalian'i niryna ny 26/08/2007 04:19
2. Fiffi ( 11/08/2007 06:51)
asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....

rehefa tsy mifanaraka am zay tianao moh zany de efa tsy misy fanantenana mintss hoe mba hamaly enao...(heritreritra nandalo iny)
"niryna":
koa tsy aleo ve mifankatia,mifamela,mifampizara ny tsara hatrany !
sy koh mba mihaino ny namana hafa...mamaly ny fanontaniana zay napetraka anao....sy mba mamaly tahaka ny famalianao am dinika rehetra ataonao....
niryna":
Efa niatrika na nikarakara ny fanaovam-beloma farany ny olon-tianao ve ianao?
aleo io ho tazomiko ho ahy manokana...ao am-poko ......
3. Rafotsy ( 11/08/2007 07:21)
Fiffi ! Salut ndry !
Nanao ahoana ny vacances aky ?
Aza masika loatra indry an ! Maha be rides anie hono io e ! :-D:-D
:-*:-*:-*
4. sallai ( 11/08/2007 08:37)
asesikao be loatra ny dinika ry niryna....

tsy hitako ny olana fa ianao koa aza mandefa foana :wink:

Efa niatrika na nikarakara ny fanaovam-beloma farany ny olon-tianao ve ianao?

Izaho aloha tsy afaka nanatrika nohon'ny fahalaviran-tany any ka na efa lasa aza izy heveriko fa mbola any foana, mafy io tsy afaka manao veloma farany io
5. gasynamana ( 11/08/2007 11:30)
Mpandefa : Rafotsy [ Valio ] 11-08-2007 09:21:19
Lohateny : Re : Fanaovam-beloma farany!
Fiffi ! Salut ndry !
Nanao ahoana ny vacances aky ?
Aza masika loatra indry an ! Maha be rides anie hono io e !

Inona ity? Inona zao no ifandraisan'io amin'ny veloma farany?
6. Fiffi ( 11/08/2007 13:57)
heu....tsy hoe masika zah kah ! :) fa raha manaraka ny zavatra eto zah de rehefa hametrahana fanontaniana niryna de tsy mba valiny mintss koh !:)
Oaka zay fa so de lasa HS eo an ! :)
7. ikaretsaka ( 11/08/2007 15:19)
fiffi:
asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....

rehefa tsy mifanaraka am zay tianao moh zany de efa tsy misy fanantenana mintss hoe mba hamaly enao...(heritreritra nandalo iny)


miombon-kevitra (2 sahady izahay izay no miombon-kevitra)
8. xxx ( 11/08/2007 15:26)
mampihome mihitsy nareo ireto
9. diamondra27 ( 11/08/2007 15:51)
heveriko fa nyrina aza no andeha de manao veloma 8O

ka efa mangataka famelan-keloka nge izy sa tsy zany?

nga tsy hainareo le fitenenana we: manaiky matoa tsy miteny? ametrahana fanontaniana le olona de tsy manome valiny de manaiky zany de on passe à autre chose

alefaso foana kambony fa za mazoto mamaky foana na de tsy mamaly aza indraindray.

Ny tena mafy ry nyrina dia ity: ni-tél ny dadako ny fin de la journée , nitsiky izy faly tamiko sy ny resaka nifanaovanay ; nony alin'iny anefa dia tapaka lalandrà izy. Niditra hopitaly ary avy eo maty. Ny tena @izany aty an-tany lavitra efa niomana fa hijery azy farany @ été sao tsy hahita azy intsony satria nanana aretina nitaiza izy nefa dia izao lasa aloha izao satria izay no fotoanany.T@ herintaona izany no nitranga
Tsy nahalatsa-dranomaso ny tena na dia hatra@izaO aza
Dia fahatsiarovana sisa...

Ka raha mahita resaka tsy fifankatiavana aho indraindray de somary malahelo ihany satria hoy aho hoe: ilaozana mifamaly sy mifanenjika fa tsy mba manararaotra ny fotoana sisa tavela mba hifankatiavana. Marina fa tsy ary mitovy hevitra daholo isika fa na dia izany aza mba tokony hifanazava ihany satria indraindray tsy mitovy ny tadin-dokanga.



10. ikaretsaka ( 11/08/2007 16:12)
diams> ny zavatra tokony mba nataon'i niryna izany rehefa izany dia tokony miteny izy hoe manaiky, any @ ilay dinika ireny. Tsy mpaminany daholo manko isika ka hahafantatra ny any an-dohany any!

ny efa natrehiko t@ io aloha dia ny fiaraha mivavaka sy fanomezana ny "sakramenta farany" ireo olona tiako sy namako. indroa izay...
dia ny Fialany aina teo akaikiko.

Fa mafy indrindra tokoa (indrindra ho an'ireo relijiozy sy mpiandraikitra fiangonana: pasitera, mompera...) dia ny manao "absoute" dia ny renibeny na ny rainy na olom-patany ilay anaovana "absoute" iny!
11. ikaretsaka ( 12/08/2007 13:01)
Fiffi:

asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....


misy fomba fiteny izay manao hoe ny an-tratra tsy lavo di antsoina koa i Rainilahibe (ilay lehilahy matanjaka eo @ tanana)


12. niryna ( 12/08/2007 21:26)
Fiffi:

asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....

rehefa tsy mifanaraka am zay tianao moh zany de efa tsy misy fanantenana mintss hoe mba hamaly enao...(heritreritra nandalo iny)
"niryna":
koa tsy aleo ve mifankatia,mifamela,mifampizara ny tsara hatrany !
sy koh mba mihaino ny namana hafa...mamaly ny fanontaniana zay napetraka anao....sy mba mamaly tahaka ny famalianao am dinika rehetra ataonao....
niryna":
Efa niatrika na nikarakara ny fanaovam-beloma farany ny olon-tianao ve ianao?
aleo io ho tazomiko ho ahy manokana...ao am-poko ......


niryna:

Mpandefa : niryna [ Valio ] 12-08-2007 23:23:49
Lohateny : Re : Maninona no mijanona tampoka lay ordi ?????
Ny anao izany mila anti-variosy ,ny ahy ny fahatra mihitsy no misy mamafa ary fotsibe daholo ilay hafatra nalefan'ny olona araka ny halavany.Ny ankizy mimenomenona hoe tsy mamaly kanefa inona moa no valiako eo rehefa tsy hitako ilay hafatra?Izaho anefa afaka mandray anjara any an-kafa

:cry:
13. niryna ( 12/08/2007 21:27)
Rafotsy:

Fiffi ! Salut ndry !
Nanao ahoana ny vacances aky ?
Aza masika loatra indry an ! Maha be rides anie hono io e ! :-D:-D
:-*:-*:-*



:roll:
14. niryna ( 12/08/2007 21:34)
sallai:

asesikao be loatra ny dinika ry niryna....

tsy hitako ny olana fa ianao koa aza mandefa foana :wink:

Efa niatrika na nikarakara ny fanaovam-beloma farany ny olon-tianao ve ianao?

Izaho aloha tsy afaka nanatrika nohon'ny fahalaviran-tany any ka na efa lasa aza izy heveriko fa mbola any foana, mafy io tsy afaka manao veloma farany io


Izany mihitsy,misaora an'Atra isika fa mbola nomeny tombon'andro,ny hifaly lalandava,ny hidera azy ihany koa ary indrindra indrindra ny hijoro ho jiro sy taratra fa isika no fahazavana eo amin'ny manodidina,ny fiteny indrindra,ny fihetsika,mahay mamela olona fa tsy hanaratsy na hankahala olona foana.Izany rehetra izany anefa tsy ho tanteraka raha tsy manankina ny fo amin'Atra tokoa ary mamela olona fa tsy misy marina na iray aza sy mangataka famelana.
Raha fahatezerana lava sy fankahalana lava no miboiboika ao anaty dia mangataka aminy ny mba hovany ny toetra satria ny tarehy ratsy no tsy azo hovana fa raha fanahy ratsy tsotra fotsiny :roll::P ratsy :arrow:io tsy ataoko intsony amin'ny manaraka:D


15. niryna ( 12/08/2007 21:36)
Fiffi:

asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....


Fa angaha moa tsy ho antsika rehetra io,raha mahavaly dia hisaorana ,ny namana koa mba manana izay lazainy sy tiany ho tenenina.
Calme aky fiffi a ,mitsiky hatrany fa io no fanafody manampy antsika amin'ny fiainana.:*


16. niryna ( 12/08/2007 21:46)
ikaretsaka:

fiffi:
asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....

rehefa tsy mifanaraka am zay tianao moh zany de efa tsy misy fanantenana mintss hoe mba hamaly enao...(heritreritra nandalo iny)


miombon-kevitra (2 sahady izahay izay no miombon-kevitra)

8O:D
andaho hoe tapenana ny maso dia jereo izay olona mametraka sujet?Rehefa i ihany no miteny sy manao fanankianana dia iny koa aho hiteny,izany ve no fitarihantsika ny ondrikely e?
Sao isika mpiandry ondry ambodiha mitafy hodi-janakondry ?
Tsy ianao ihany no nandefasako lava eo hoe tsy afaka mamaly aho?
Raha amin'ny fo tsy miangatra izany dia tokony mamaly ny fanontaniana fa tsy hifampitsikera sy hi-kritika lava,aiza tokoa moa ny tsy mpino tsy vao maika miletika sy mandositra.
Tokony ianao no niteny hoe efa nimenomenona i niryna fa tsy mety mivoaka ny hafany:cry: na izany aza mamela ahy satria tsy afaka ny namaly aho noho ny antony tsy niankina amiko,ary izaho koa efa mamela anao
Sady izao koa anie e,antsika rehetra ity ka rehefa tsy afaka ny hamaly ika ohatra dia tonga ny namanao mamaly,sa ianao mahavaly ny fanontaniana rehetra ?
Raha HS dia aleo tsy mamaly fa mandany andro fotsiny tsy ahitana vokany sady tsy misy zavatra azo hianarana sy ho raisina ampiarina amin'ny fiainana:P
:*

17. niryna ( 12/08/2007 21:52)
Fiffi:

asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....


niryna:


Mpandefa : niryna [ Valio ] 10-08-2007 06:14:35
Lohateny : Re : fitarainana azo

Hoy i fijo:

salama aby isika.
misy mitaraina fa misy hafatra ampidirina ato izay somary manelingelina ny mpitondra fivavahana dia tsy mivoaka.ohatra ,izany resaka 680millions natolotry ny vatican hoan'ny ankizy lahy novetavetain'ny mopera izany.raha manana loharanom baovao marina izay nilaza izany avelao izy hamoaka dia hojerentsika eo ny fahamarinany.


Misaotra ry fijo nandefa ity hafatra ity fa izaho koa dia anisany tsy mahita ny hafatro nalefako mikasika "Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Andraso alefako eto aminao fa efa 188 no namaly ao kanefa tsy misy tonga aty amiko na iray aza fa fotsifotsy be [fotsiny.Simba ny loptop-ko?Ahoana aho afaka mamaly
ny hafatra rehetra.
18. niryna ( 12/08/2007 21:54)
Fiffi:

asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....

rehefa tsy mifanaraka am zay tianao moh zany de efa tsy misy fanantenana mintss hoe mba hamaly enao...(heritreritra nandalo iny)
"niryna":
koa tsy aleo ve mifankatia,mifamela,mifampizara ny tsara hatrany !
sy koh mba mihaino ny namana hafa...mamaly ny fanontaniana zay napetraka anao....sy mba mamaly tahaka ny famalianao am dinika rehetra ataonao....
niryna":
Efa niatrika na nikarakara ny fanaovam-beloma farany ny olon-tianao ve ianao?
aleo io ho tazomiko ho ahy manokana...ao am-poko ......



Dia misaotra anao izany nizara fa tsy maninona ny hitazomana azy ao am-po raha izany no manaly ny alahelo azy.
19. niryna ( 12/08/2007 22:04)
fiffi a ity koa aky mbola misy a
Valim-panontaniana tany amin'ny 186 tany ho any ary teo amin'ny tapany fotsiny no voaraiko tato fa nisy namafa daholo ary tsy mba afaka nijery aho fa fotsifotsy misy halavany samihafa ilay tsipika isaky ny miova ny mpanoratra.:cry::cry:
niryna:

mpandefa : niryna [ Valio ] 10-08-2007 06:34:38
Lohateny : Re : fitarainana azo
Fijo io alefako ato aminao ny hafatra farany izay azoko,ary miala tsiny aho ry namana isany fa tsy misy azoko atao izay hafatra nalefanareo ho ahy.

Voalaza teo :


Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 30-07-2007 17:35:31
Lohateny : Re : Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?
Hoy i mbaliana ...

Voalaza teo :
Ity mba misy fanontaniana manitikitika ahy: raha mahita olona nahazo fahasoavana be ianao eo anoloanao...ahona ny fomba ifandraisanao amin'io olona io? arabainao izy ...rehefa arabainao izy dia hozy hoe mivavaha miaraka amiko fa efa nomena ahy ny fahasoavana ka ho zaraiko aminareo ihany koa...sa hozy ianao hoe za koa hahita lalana ho ahy manokana hahitako ny fahasoavan'Atra...?




de

Hoy i boraingy:
Miala tsiny raha nandingana kely teto fa tsy teo moa.

Ny tao Lourde dia mazava amiko fa ho an'ny vazaha. Antso ho azy io ary ry zareo no tokony hijery tsara hoe iza no manampy azy.

Resaka Andriamanitra Ray kosa no an'ny rehetra eran-tany. Mila manomboka eo Aminy isika rehetra raha hivavaka araka ny vavaka nampianarin'ny Tompo. Tsy misy anampiana, ary tsy misy hanalana. Izany no ilazako hoe tsy mila mpanelanelana aho raha nampianarin'ny Zanany. Raha fantatro ny Ray amin'ny alalan'ny Zanany dia ampy ho ahy izay.


Ka manomboka eo aminy anie ilay izy e... efa io ilay lazaiko foana hoe maria no arofanina .. fa i jesoa no lalana mankany
fa ity ange tsy mbola nisy namaly hatr@ izao e:
Ekena fa i Jesoa no intermediaire entre antsika sy ny Ray... ary mba iza no intermediaire entre antsika sy i Jesoa?




Voalaza teo :
Tsy nataotao foana akory ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra eran'izao tontolo izao amin'ny tenim-pirenena samihafa ho an'ny olona rehetra. Miantefa amin'ny tsirairay ny Hafatra

.

Ekena.. fa zaraina dia atao inona? jerena eo fotsiny? atao hoe heno izay?
amin'ny Raozery izao ohatra dia meditena be

Hoy i boraingy ihany:

Miteny mivantana amin'ny Voariny Andriamanitra satria Endriny no namoronany azy. Tokony tsy hitady ohatra intsony isika noho ny Vavolombelona voalohany. Ilay Mpanjakan'ny Mpanjaka. Tsy misy anampiana, tsy misy analana ny Teniny. Ampy, feno ary ampoka


dia miverina t@ ilay fanontanianatany taloha be izay.. dia voafetra ao amin'ny baiboly ve io fitenenana io, baiboly ve no miteny dia tsy miteny intsony izy ? mivantana foana ve? nefa ao anaty baiboly aza t@ alalan' i Isaia, Moizy sy ireo mpaminany, Apostoly, sns...Andriamanitra no miteny?


Voalaza teo :
Raha izaho marivo salosana dia sarotra be amiko hoy aho ny logique Rosary. Mila mianatra zavatra hafa indray ve izany? dia ahoana ireo olona tarihina, i Maria ve no hitany sa ny "Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?"


Ny Ray sy Zanaka sy ny Zanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovan'i Maria no hitany ka...
eto koa ianao no manafangaro ilay "devotion" sy "worship" (miala tsiny fa tsy mahalaza azy ny teny gasy fa lazain'ny gasy fa "mivavaka" aby izy 2 ireo nefa samihafa be)

Mitovy tanteraka @ hoe Ray sy Zanaka sy Fanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovan'ny Baiboly, ny mivavaka @ Ray sy zanaka sy fanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovana azo @ alalan'ny raozery, @ baiboly aza mety teny vitsivitsy no tsimpontsiponina arakarak'izay inspiraka eo, fa ny raozery dia izy 1 manontolo isaky ny mihetsika sady miampy meditation lalina

Voalaza teo :
Tsarovy ity Teny ity: "Hosoratako ao am-pony ny Lalako". Efa ampy ireo Apostoly nizara ny Teny. Tsy mila hanampiana, tsy mila hanesorana. Tsy mila vavolombelona hafa. Efa antso ankehitriny izany satria efa antomotra ny fetr'andro.


Tadidio fa ireo apostoly tsy nizara ny TENINY ihany , dia nizara ny TENANY koa, ary nandray an'i Maria ho reniny foana izy ireo, ary nila ny intervention sy nanaja an'io reny masina io foana Ary tsy nisy aposoly niteny mihitsy hoe ratsy izany!

Voalaza teo :
Tadidio fa roa arivo taona lasa no nanomboka ny fampianarana nataon'i Kristy ary i Petera sy ny Apostoly no nirahiny ary avy eo Izy Tenany no niseho tamin'i Paoly. I Maria dia nilazany hoe, Ravehivavy, io ny zanakao. Tsy niteny Izy hoe ry Reniko, io ny zanakao.


Niteny T@ joany izy kosa izy hoe Indro ny Reninao ka (Joany 19:26-27) oooops diso ianao!
rehefa tsy niteny izy izany dia vita hatreo? @ izao fotoana izoa izy tsy miteny intsony dia vita hatreo? Izy tsy niteny t@ Piera, nony avy nanda azy i Piera, fa tonga de azon'i Piera ny tiany holazaina... sa nila niteny t@ Piera izy hoe .. "tsy efa niteny an'ialahy aho Ry Piera fa ialahy mafy loha" izay vao nibebaka i Piera?

Voalaza teo :
Raha toa ka ho eo am-pitsarana isika, Ny Zanaka no Mpitsara. Hanontany anao Izy sa hanontany an-dreniny hoe ry Neny a, inona moa no nataon'i Ranona? Arovanao va izy?


Eny, isika no tsaraina.. fa Maria no avocate. . .
Raha miditra fitsarana ianao ka fantatrao fa manana mpiaro, tsy hahatsapa tena ho maivamaivana kokoa ve ny sedra noho ianao ilay miatrika irery?
Raiso ohatra @ fiainana andavan'andro fotsiny fa aza mandeha lavitra, raha tsy takatrao ! Jereo ireo ao Antanimora, betsaka ny na nanana ny marina aza ka tsy nanana avocat dia tany dia tany!

Voalaza teo :
Tena azonao antoka zato isan-jato ve fa io Reniny io Mihitsy no niseho vatana? Ny zanany izay Mpanjaka angaha tsy niseho vatana? Iza no Mpanjakanao, Iza no miantso anao? ny Rainy sa ny Zanany sa Ny Reniny?


Azo antoka satria rehefa ireny fisehoana ireny dia mbola dinihina lalina sy angalana porofo be dia be , misy aza efa aman-jatony taona aty afara mihitsy vao ekena! miseho vatana koa ny zanaka, fa azon'Andriamanitra natao, ary efa nataony ny maniraka olona hafa hampita ny hafany, (arakanjely Gabriely, ny Anjely, ireo mpivahiny tao amin'ny Abrahama nilazat@ Sara fa hiteraka izy...)
nataony sy ataony iznay ary voalaza ao anaty Soratra masina Izany, ary izany no ataony mandrak'izao!
Ahoana no azonao antoka izanytamin'izany fotoana izany fa tsy azonao antoka izao?
Izany ve dia lojika?

Voalaza teo :
Inona no narotsaky ny Zanany hanazava anao, ny Reniny sa ny Fanahy Masina iraisany amin'Andriamanitra Rainy izay tsy nofo aman-dra?



Izy rehetra... ny teniny , ny tenany, ny fanahiny ny olomasina.. ny mpampita hafatra rehetra! hanampy ahy hanaraka ny fahazavany @ fisian'ny tenany ao amiko , ny olomasina manodidina ahy!
Tahakan'ny hoe mandeha @ "Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana aho"
Dia nahazo jiro (ny fanahy masina)
Nahazo lasantsy (Ny vatany sy ny teniny)
Misy poteaux sy signes isan-karazany (Maria sy ny olomasina) manoro ahy ny lalana sy manazava ilay lalana...
tsy zarako aza?
toy izay hitsilopilopy ao anaty maizina ao tsy mahalala ny atsimo sy avaratra, mijery carte (baiboly) nefa tsy hita akory hoe aiza aho izao?

Voalaza teo :
Farany, antso io hoy aho. Jereo ny fahafainganan'ny fotoana, tsy mila ny reniny intsony izao. Avaozy ny Fiangonana fa sao matimaty daholo eo ny anaran'ny rehetra efa nilofosana roa arivo taona izay no nanombohana nanaovana ny batisany.


Izay indrindra ary no vao mainka ilana ny intervention aza amin'izay resaka fanavaozana izay..
Fa ny mahagaga ahy: nety ilay izy 2000 taona, talohan'izaaaaay elaaaabe aza...
dia maninona no izay olonolom-poana tonga taty afara no miteny hoe tsy mety ilay izy? diniho ihany!


Io ry namana isany no hafatra voaraiko ato amiko ary misy tsy ampy aza ny hafatra fa ny antony tsy fantatro.Ka raha mety manontany ianareo hoe maninona aho no tsy mamaly dia izay no antony
io no antony tsy nahafahako namaly ,tsy sitrapoko ary tokony hifanampy isika fa tsy afaka hoe izay nanome fanontaniana ihany no tsy maitsy mamaly.Asa aloha e ,rehefa tsy afaka dia ahoana no atao?Isika anefa mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin'ny tompo daholo?Ahoana izany raha mitori-teny ka tsy fantatry ny hafa ny valiny raha misy mahay dia valiana araka izay fantatra 8)8)
20. niryna ( 12/08/2007 22:12)
fiffi:
asesikao be loatra ny dinika ry niryna....bdb ny dinika tsy valianao....ny an'namana no tiako lazaina eto.....fa ny anao hiany no asesinao valiana....

rehefa tsy mifanaraka am zay tianao moh zany de efa tsy misy fanantenana mintss hoe mba hamaly enao...(heritreritra nandalo iny)

ikaretsaka:

miombon-kevitra (2 sahady izahay izay no miombon-kevitra)

ikaretsaka:

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 10-08-2007 06:47:23
Lohateny : Re : fitarainana azo
niryna> ah ok.
tsy haiko indray izany.. asa.. nisy nanao fahagagana angamba na nanao miracle ny computer anao!

Ika a
io no valiny ary efa nahafantatra ianao dia maninona no manampy trotraka ny efa tsy mety indray,ilay fivavahana any tsy vitan'ny hoe pli-vava araka ny hafatrao nampianarinao taminay e,ampiarina amin'ny fiainana mihitsy,miara mifanampy rehefa misy vona mahazo ny iray fa tsy hitarina any amin'ny tsy tokony ho izy,indrindra ianao nahalala fa nisy olana teo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2792