fitarainana azo

1. fijo ( 09/08/2007 23:07)
salama aby isika.
misy mitaraina fa misy hafatra ampidirina ato izay somary manelingelina ny mpitondra fivavahana dia tsy mivoaka.ohatra ,izany resaka 680millions natolotry ny vatican hoan'ny ankizy lahy novetavetain'ny mopera izany.raha manana loharanom baovao marina izay nilaza izany avelao izy hamoaka dia hojerentsika eo ny fahamarinany.
novalian'i niryna ny 15/08/2007 12:53
2. cutie ( 09/08/2007 23:31)
tsy mazava
tany @fijo ve le oul no nitaraina??
De iza zany mpitondra fivavahana somary voangelingelina zany ?
3. ikaretsaka ( 10/08/2007 00:32)
ny henoko aloha dia toa hoe tsy vatican no nanome betsaka momba an'io
fa organization sasany hafa no nanome
dia nisy batista, methodista sy mormons betsaka koa

ilay mompera nametaveta ankizy dia nisy ny marina nisy ny tsy izy!
taty amerika no niseho io (inoako fa mahay daholo ny gasy nipetraka taty t@ io nalaza)! nisy nanao an'io ho fomba fangalam-bola fotsiny dia mody mamorona histoire
ary betsaka no nametraka plainte fople! dia henjehan'ny heritreriny avy teo dia mibabaka fa nandainga..

izay mompera nanao moa dia mazava ho azy fa excommunicated (izany hoe nisaorana t@ asany dia tsy mahazo mandray komonio intsony)
karazan'ny hoe lasa katolika anarany fotsiny sisa!
4. LazaDaddy ( 10/08/2007 00:49)
fijo:
ohatra ,izany resaka 680 millions natolotry ny vatican hoan'ny ankizy lahy novetavetain'ny mopera izany.

fijo> Sao dia mba tsy izany no nanakanana ilay hafatra fa antony hafa?
5. LazaDaddy ( 10/08/2007 01:21)
Mampalahelo ilay tantara...fa isika eto koa misy mahatsikaiky...
Hery atsy @ politika:
Ianareo koa ireto manao ohatra an'ilay mpangalatra tratra niteny hoe Maninona no tsy samborinareo koa i ranona sy ranona kanefa nangalatra?
Fijo> Mohameda nanambady ankizy vavy 6-9 taona, izy aza tsy nandoa vola be natao onitra kanefa tsy tabatabainao eto fa maninona no rehefa vatican dia enjehinao?
6. niryna ( 10/08/2007 04:14)
fijo:

salama aby isika.
misy mitaraina fa misy hafatra ampidirina ato izay somary manelingelina ny mpitondra fivavahana dia tsy mivoaka.ohatra ,izany resaka 680millions natolotry ny vatican hoan'ny ankizy lahy novetavetain'ny mopera izany.raha manana loharanom baovao marina izay nilaza izany avelao izy hamoaka dia hojerentsika eo ny fahamarinany.

Misaotra ry fijo nandefa ity hafatra ity fa izaho koa dia anisany tsy mahita ny hafatro nalefako mikasika "Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Andraso alefako eto aminao fa efa 188 no namaly ao kanefa tsy misy tonga aty amiko na iray aza fa fotsifotsy be fotsiny.Simba ny loptop-ko?Ahoana aho afaka mamaly ny hafatra rehetra.

7. niryna ( 10/08/2007 04:27)
Mikasika io 680 millions de dollars io dia vaovao nisy tokoa taty ary toy izao no fahafantarako azy io,efa nisy olona niresaka koa io ,ka raha nisy naheno dia mba lazao satria efa nisy nanontany an'io ihany koa.Hoy ny filazan'ny vaovao tao amin'ny TV hoe vola 680 millions de dollars no nomen'ny vatican nanaovana fampiraharahana(settlement) ho an'ireo rar sy ny tanora izay nitory ireo monpera na frere na ny hafa nametaveta ireo ankizilahy na tanora.Ary eo amin'ny 560 eo ho eo fa tsy tadidiko tsara ilay isan'ny olona nitory.Mbola misy ary maro koa hoy ny mpilaza vaovao ny olona izay tsy mbola nanatona na tsy nitory.Tsy nisy resaka fiangoanana hafa izany na resaka hoe vola nangonina fa vola omena ny olona izay noratrain'ny ara-tsaina ,vatana ary fanahy.Na inona na inona ary na ohatrinona anefa ny vola horaisin'ireo olona ireo,tsy ampihova ny ratra nahazo azy ireo izany
Io aloha dia ahitana izany zavatra izany daholo satria toeran'ny satana ity ka tsy ry zareo irery ihany no manao an'io(tsy resaka fivavahana izany no asiana resaka fa ny zava-misy ary ahitana izany daholo rehefa manaiky am-piasan'ny satana ilay olona) fa maro na ny ray niteraka na ny raikely na ny iray tampo sy ny cousins sy cousines ,ny dadatoa sns no manao izany ary maro ny ankizy no tsy mitaraina raha tsy misy manoro ka tratra kosa dia tena mifafa ny kihony.:cry::cry:
8. niryna ( 10/08/2007 04:34)
Fijo io alefako ato aminao ny hafatra farany izay azoko,ary miala tsiny aho ry namana isany fa tsy misy azoko atao izay hafatra nalefanareo ho ahy.


Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 30-07-2007 17:35:31
Lohateny : Re : Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?
Hoy i mbaliana ...

Voalaza teo :
Ity mba misy fanontaniana manitikitika ahy: raha mahita olona nahazo fahasoavana be ianao eo anoloanao...ahona ny fomba ifandraisanao amin'io olona io? arabainao izy ...rehefa arabainao izy dia hozy hoe mivavaha miaraka amiko fa efa nomena ahy ny fahasoavana ka ho zaraiko aminareo ihany koa...sa hozy ianao hoe za koa hahita lalana ho ahy manokana hahitako ny fahasoavan'Atra...?




de

Hoy i boraingy:
Miala tsiny raha nandingana kely teto fa tsy teo moa.

Ny tao Lourde dia mazava amiko fa ho an'ny vazaha. Antso ho azy io ary ry zareo no tokony hijery tsara hoe iza no manampy azy.

Resaka Andriamanitra Ray kosa no an'ny rehetra eran-tany. Mila manomboka eo Aminy isika rehetra raha hivavaka araka ny vavaka nampianarin'ny Tompo. Tsy misy anampiana, ary tsy misy hanalana. Izany no ilazako hoe tsy mila mpanelanelana aho raha nampianarin'ny Zanany. Raha fantatro ny Ray amin'ny alalan'ny Zanany dia ampy ho ahy izay.


Ka manomboka eo aminy anie ilay izy e... efa io ilay lazaiko foana hoe maria no arofanina .. fa i jesoa no lalana mankany
fa ity ange tsy mbola nisy namaly hatr@ izao e:
Ekena fa i Jesoa no intermediaire entre antsika sy ny Ray... ary mba iza no intermediaire entre antsika sy i Jesoa?




Voalaza teo :
Tsy nataotao foana akory ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra eran'izao tontolo izao amin'ny tenim-pirenena samihafa ho an'ny olona rehetra. Miantefa amin'ny tsirairay ny Hafatra

.

Ekena.. fa zaraina dia atao inona? jerena eo fotsiny? atao hoe heno izay?
amin'ny Raozery izao ohatra dia meditena be

Hoy i boraingy ihany:

Miteny mivantana amin'ny Voariny Andriamanitra satria Endriny no namoronany azy. Tokony tsy hitady ohatra intsony isika noho ny Vavolombelona voalohany. Ilay Mpanjakan'ny Mpanjaka. Tsy misy anampiana, tsy misy analana ny Teniny. Ampy, feno ary ampoka


dia miverina t@ ilay fanontanianatany taloha be izay.. dia voafetra ao amin'ny baiboly ve io fitenenana io, baiboly ve no miteny dia tsy miteny intsony izy ? mivantana foana ve? nefa ao anaty baiboly aza t@ alalan' i Isaia, Moizy sy ireo mpaminany, Apostoly, sns...Andriamanitra no miteny?


Voalaza teo :
Raha izaho marivo salosana dia sarotra be amiko hoy aho ny logique Rosary. Mila mianatra zavatra hafa indray ve izany? dia ahoana ireo olona tarihina, i Maria ve no hitany sa ny "Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?"


Ny Ray sy Zanaka sy ny Zanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovan'i Maria no hitany ka...
eto koa ianao no manafangaro ilay "devotion" sy "worship" (miala tsiny fa tsy mahalaza azy ny teny gasy fa lazain'ny gasy fa "mivavaka" aby izy 2 ireo nefa samihafa be)

Mitovy tanteraka @ hoe Ray sy Zanaka sy Fanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovan'ny Baiboly, ny mivavaka @ Ray sy zanaka sy fanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovana azo @ alalan'ny raozery, @ baiboly aza mety teny vitsivitsy no tsimpontsiponina arakarak'izay inspiraka eo, fa ny raozery dia izy 1 manontolo isaky ny mihetsika sady miampy meditation lalina

Voalaza teo :
Tsarovy ity Teny ity: "Hosoratako ao am-pony ny Lalako". Efa ampy ireo Apostoly nizara ny Teny. Tsy mila hanampiana, tsy mila hanesorana. Tsy mila vavolombelona hafa. Efa antso ankehitriny izany satria efa antomotra ny fetr'andro.


Tadidio fa ireo apostoly tsy nizara ny TENINY ihany , dia nizara ny TENANY koa, ary nandray an'i Maria ho reniny foana izy ireo, ary nila ny intervention sy nanaja an'io reny masina io foana Ary tsy nisy aposoly niteny mihitsy hoe ratsy izany!

Voalaza teo :
Tadidio fa roa arivo taona lasa no nanomboka ny fampianarana nataon'i Kristy ary i Petera sy ny Apostoly no nirahiny ary avy eo Izy Tenany no niseho tamin'i Paoly. I Maria dia nilazany hoe, Ravehivavy, io ny zanakao. Tsy niteny Izy hoe ry Reniko, io ny zanakao.


Niteny T@ joany izy kosa izy hoe Indro ny Reninao ka (Joany 19:26-27) oooops diso ianao!
rehefa tsy niteny izy izany dia vita hatreo? @ izao fotoana izoa izy tsy miteny intsony dia vita hatreo? Izy tsy niteny t@ Piera, nony avy nanda azy i Piera, fa tonga de azon'i Piera ny tiany holazaina... sa nila niteny t@ Piera izy hoe .. "tsy efa niteny an'ialahy aho Ry Piera fa ialahy mafy loha" izay vao nibebaka i Piera?

Voalaza teo :
Raha toa ka ho eo am-pitsarana isika, Ny Zanaka no Mpitsara. Hanontany anao Izy sa hanontany an-dreniny hoe ry Neny a, inona moa no nataon'i Ranona? Arovanao va izy?


Eny, isika no tsaraina.. fa Maria no avocate. . .
Raha miditra fitsarana ianao ka fantatrao fa manana mpiaro, tsy hahatsapa tena ho maivamaivana kokoa ve ny sedra noho ianao ilay miatrika irery?
Raiso ohatra @ fiainana andavan'andro fotsiny fa aza mandeha lavitra, raha tsy takatrao ! Jereo ireo ao Antanimora, betsaka ny na nanana ny marina aza ka tsy nanana avocat dia tany dia tany!

Voalaza teo :
Tena azonao antoka zato isan-jato ve fa io Reniny io Mihitsy no niseho vatana? Ny zanany izay Mpanjaka angaha tsy niseho vatana? Iza no Mpanjakanao, Iza no miantso anao? ny Rainy sa ny Zanany sa Ny Reniny?


Azo antoka satria rehefa ireny fisehoana ireny dia mbola dinihina lalina sy angalana porofo be dia be , misy aza efa aman-jatony taona aty afara mihitsy vao ekena! miseho vatana koa ny zanaka, fa azon'Andriamanitra natao, ary efa nataony ny maniraka olona hafa hampita ny hafany, (arakanjely Gabriely, ny Anjely, ireo mpivahiny tao amin'ny Abrahama nilazat@ Sara fa hiteraka izy...)
nataony sy ataony iznay ary voalaza ao anaty Soratra masina Izany, ary izany no ataony mandrak'izao!
Ahoana no azonao antoka izanytamin'izany fotoana izany fa tsy azonao antoka izao?
Izany ve dia lojika?

Voalaza teo :
Inona no narotsaky ny Zanany hanazava anao, ny Reniny sa ny Fanahy Masina iraisany amin'Andriamanitra Rainy izay tsy nofo aman-dra?



Izy rehetra... ny teniny , ny tenany, ny fanahiny ny olomasina.. ny mpampita hafatra rehetra! hanampy ahy hanaraka ny fahazavany @ fisian'ny tenany ao amiko , ny olomasina manodidina ahy!
Tahakan'ny hoe mandeha @ "Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana aho"
Dia nahazo jiro (ny fanahy masina)
Nahazo lasantsy (Ny vatany sy ny teniny)
Misy poteaux sy signes isan-karazany (Maria sy ny olomasina) manoro ahy ny lalana sy manazava ilay lalana...
tsy zarako aza?
toy izay hitsilopilopy ao anaty maizina ao tsy mahalala ny atsimo sy avaratra, mijery carte (baiboly) nefa tsy hita akory hoe aiza aho izao?

Voalaza teo :
Farany, antso io hoy aho. Jereo ny fahafainganan'ny fotoana, tsy mila ny reniny intsony izao. Avaozy ny Fiangonana fa sao matimaty daholo eo ny anaran'ny rehetra efa nilofosana roa arivo taona izay no nanombohana nanaovana ny batisany.


Izay indrindra ary no vao mainka ilana ny intervention aza amin'izay resaka fanavaozana izay..
Fa ny mahagaga ahy: nety ilay izy 2000 taona, talohan'izaaaaay elaaaabe aza...
dia maninona no izay olonolom-poana tonga taty afara no miteny hoe tsy mety ilay izy? diniho ihany!

Io ry namana isany no hafatra voaraiko ato amiko ary misy tsy ampy aza ny hafatra fa ny antony tsy fantatro.Ka raha mety manontany ianareo hoe maninona aho no tsy mamaly dia izay no antony:cry::cry::cry:
9. ikaretsaka ( 10/08/2007 04:47)
niryna> ah ok.
tsy haiko indray izany.. asa.. nisy nanao fahagagana angamba na nanao miracle ny computer anao!

ahoana koa moa io resaka 6880 millions io?
betsaka no nitory satria mba te hahazo anjara amin'io vola io.. nefa inona fa mamorona fotsiny.
ary tsy voatery ho vatican irery no namoaka an'io fa tao koa ny anglikanina, nisy pasitera nanao koa..
fa ny tontalin'ireo rehetra ireo no 680 millions
10. LazaDaddy ( 10/08/2007 05:07)
Hery ao @ Politika:
anareo koa ireto manao ohatra an'ilay mpangalatra tratra niteny hoe Maninona no tsy samborinareo koa i ranona sy ranona kanefa nangalatra?
=)) =)) =))
11. ikaretsaka ( 10/08/2007 05:09)
misy mahamarina ny an'i Hery
Lozika tsotra be mihitsy
12. tywa68 ( 10/08/2007 05:13)
Ika : sao dia be loatra izany 6880 fa esoriko ny 0 :lol:

Ny anay taty frantsa d titre niteny fotsiny hoe nisy an'io vola 680 millions io fa tsy arako ny détails hoe iza tsara : misaotra anao t@ précisions.
13. ikaretsaka ( 10/08/2007 05:19)
680.
ooops misaotra.. azafady r'a olona:oops:
tywa: misaotra nampatsiahy o:-*
14. hery ( 10/08/2007 05:54)
Hey,

Toa tsy mbola nahita an'izany hafatra izany niditra teto aho. Raha eto amin'ny serasera dia tsy misy olana mihitsy ny mampiseho izany indrindra moa fa vaovao mitranga @ gazety sns.

Sao dia tsy amin'ny teny gasy?
Sao dia manonona ps-na namana hafa hanalana baraka azy?
Sao dia tsy nanaraka fitsipika.

Raha tsy izany dia normalement izy tokony tafiditra ihany... fa sao dia ny ordi-nao kosa no simba???

Ilay hafatra lazain'i niryna tsy ao mantsy toa hitako io http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46a8368c05035

aza matahotra fa tsisy sivana eto :-)
15. niryna ( 10/08/2007 05:57)
ikaretsaka:

niryna> ah ok.
tsy haiko indray izany.. asa.. nisy nanao fahagagana angamba na nanao miracle ny computer anao!

mifanohitra izany,tsy miracle mihitsy io.

ahoana koa moa io resaka 6880 millions io?
betsaka no nitory satria mba te hahazo anjara amin'io vola io.. nefa inona fa mamorona fotsiny.
ary tsy voatery ho vatican irery no namoaka an'io fa tao koa ny anglikanina, nisy pasitera nanao koa..
fa ny tontalin'ireo rehetra ireo no 680 millions

Araka ny teniko teo dia mitranga matetika ny zavatra toy izao saingy nifanaraka izany ireo olona nitoriana sy ny mpitory ireo fa tsy hampiakatra ilay tantara ka vola no nomena azy ireo dia mijanona hatreo ny tantara.Izay ilay izy ry ika a.Koa raha tsy adala kosa ny olona ka hanome vola tsy misy porofo eo.Tsy misy faotintsika anie ilay izy ry ika e,fa nisy olona nampiditra an'io fotsiny tao dia nohazavaiko ny zavatra nitranga tao amin'ny TV kanefa tapaka ny hafatra hatreo aminao ihany ary ny antsasany hafatrao fotsiny no voaraiko.Alefaso ato ho jereko ireo ambony raha tsy manahirana.:roll:
misaotra mialoha ika a:*

16. ikaretsaka ( 10/08/2007 06:01)
niryna: zavatra mahagaga koa tsy ataoko hoe fahagagana?

le resaka 680 millions..
hery:
anareo koa ireto manao ohatra an'ilay mpangalatra tratra niteny hoe Maninona no tsy samborinareo koa i ranona sy ranona kanefa nangalatra?

am-bava homana...
17. rhina ( 10/08/2007 09:42)
ikaretsaka:

niryna: zavatra mahagaga koa tsy ataoko hoe fahagagana?

le resaka 680 millions..
hery:
anareo koa ireto manao ohatra an'ilay mpangalatra tratra niteny hoe Maninona no tsy samborinareo koa i ranona sy ranona kanefa nangalatra?

am-bava homana...



18. xxx ( 10/08/2007 13:21)
lazaddy: ela ange no manao resa-jaza io .mba jereo moa io voalazanao ery ambony io eh!!!
fa i mohameda anie tsy namango bodaboda ffify mantsy mbava .
19. ikaretsaka ( 10/08/2007 13:24)
ka izay tsy nanota taminareo no aoka hitora bato azy ary e
20. hery ( 10/08/2007 14:05)

Ny loharanom-baovao dia http://www.cnn.com/2007/US/07/16/church.abuse.ap/index.html
(Manana télé, gazety, internet sns isika ka alohan'ny hihainoana honohono dia araho ny vaovao)

1. Ny fitsarana no mampandoa an'io vola io. Vokatry ny fifanarahana teo amin'ny mpitory sy ny voapanga. Tsy misy resaka fanambatambazana na fanakona-maso fa sazy tsotra izao. Ny Fiangonana katolika izay miaina eo anivon'ny Fiarahamonina dia manaiky ny sazy raha nisy heloka nataon'ny zanany.
2. Tsy Vatican no nandoa an'io vola io. Marina fa mety tsy ampy ny vola eo ampelatanan'ny diosezy ao LA na ny Fiangonana katolika ao USA ka mety nanampy amin'izany ny Vatican. Ny Fiangonana Katolika dia tahaka ny fianakaviana iray lehibe. Raha misy voasazy ny zanany dia afaka manampy ny Raiamandreny, raha misy ny hatao.
3. Tsy ampy, tena tsy ampy hamerenana amin'ny laoniny ny fahavoazana nisy tokoa ny vola. Izany indrindra no nolazain'i Kardinaly Roger Mahony izay mpitondra ny fiangonana ao an-toerana tamin'izy nangata-pamelana avy amin'ireo izay victimes tamin'izy ity.


Araka ny efa nolazainareo eo ambony ireo dia misy tokoa ny olona hafa izay tsy mpitondra fiangonana no manao abus tahaka izany kanefa afa-maina. Fa ny olom-piangonana kosa, indrindra ny katolika, izay heverina fa manam-bola, raha sendra lavo, dia tsy maintsy atao "Tsindrio"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1842