fitarainana azo
21. ikaretsaka
(
10/08/2007 14:14)
marina ny an'i hery
atao ahoana e..
rehefa i mompera na i masera no anaovana blagy (ary maro beeee mihitsy a) ... tsy maninona
fa rehefa ankoatran'izay...maninona !
atao ahoana e..
rehefa i mompera na i masera no anaovana blagy (ary maro beeee mihitsy a) ... tsy maninona
fa rehefa ankoatran'izay...maninona !
22. fijo
(
10/08/2007 21:22)
za aloha eto dia tsotra ny zavatra nataoko.nampita ny hafatra fotsiny aho.fa raha ny resaka "fond" momba le resabola tsy haiko ary tsy mbola henoko akory raha tsy izao.
idirako ihany aloha ilay izy satria efa mivoaka ihany.aleo aloha hazava fa tsy mopera irery no efa nalaza nanolana zaza fa maro koa ny pasitera tano angletera no efa nivoaka vaovao taty frantsa momba ity fanolanana ankizy ity.amiko na mopera na pasitera na ray kely,rehefa manao an'io dia tokony hofaizina mafyyyyyyy mihintsy.satria aloka mandra maty izay hoan'ilay ankizy.
ny tena tiako niaviana teto dia le resaka hoe misy hafatra voafafa.io kosa raha tsy misy ompa na fanalana baraka olona mivantana tsy tokony hisy eto amintsika.hatramin'izay aloha tsy mbola nisy teto io fanakanana io,ka izay no nilazako azy raha nisy nitaraina.
idirako ihany aloha ilay izy satria efa mivoaka ihany.aleo aloha hazava fa tsy mopera irery no efa nalaza nanolana zaza fa maro koa ny pasitera tano angletera no efa nivoaka vaovao taty frantsa momba ity fanolanana ankizy ity.amiko na mopera na pasitera na ray kely,rehefa manao an'io dia tokony hofaizina mafyyyyyyy mihintsy.satria aloka mandra maty izay hoan'ilay ankizy.
ny tena tiako niaviana teto dia le resaka hoe misy hafatra voafafa.io kosa raha tsy misy ompa na fanalana baraka olona mivantana tsy tokony hisy eto amintsika.hatramin'izay aloha tsy mbola nisy teto io fanakanana io,ka izay no nilazako azy raha nisy nitaraina.
23. niryna
(
10/08/2007 21:48)
hery:
Hey,
Toa tsy mbola nahita an'izany hafatra izany niditra teto aho. Raha eto amin'ny serasera dia tsy misy olana mihitsy ny mampiseho izany indrindra moa fa vaovao mitranga @ gazety sns.
Sao dia tsy amin'ny teny gasy?
Sao dia manonona ps-na namana hafa hanalana baraka azy?
Sao dia tsy nanaraka fitsipika.
Raha tsy izany dia normalement izy tokony tafiditra ihany... fa sao dia ny ordi-nao kosa no simba???
Ilay hafatra lazain'i niryna tsy ao mantsy toa hitako io http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46a8368c05035
aza matahotra fa tsisy sivana eto :-)
Misaotra anao fa dia io alefako io no azoko farany ary tsy afaka mamaly mihitsy aho.
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 30-07-2007 17:35:31
Lohateny : Re : Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?
Hoy i mbaliana ...
Voalaza teo :
Ity mba misy fanontaniana manitikitika ahy: raha mahita olona nahazo fahasoavana be ianao eo anoloanao...ahona ny fomba ifandraisanao amin'io olona io? arabainao izy ...rehefa arabainao izy dia hozy hoe mivavaha miaraka amiko fa efa nomena ahy ny fahasoavana ka ho zaraiko aminareo ihany koa...sa hozy ianao hoe za koa hahita lalana ho ahy manokana hahitako ny fahasoavan'Atra...?
de
Hoy i boraingy:
Miala tsiny raha nandingana kely teto fa tsy teo moa.
Ny tao Lourde dia mazava amiko fa ho an'ny vazaha. Antso ho azy io ary ry zareo no tokony hijery tsara hoe iza no manampy azy.
Resaka Andriamanitra Ray kosa no an'ny rehetra eran-tany. Mila manomboka eo Aminy isika rehetra raha hivavaka araka ny vavaka nampianarin'ny Tompo. Tsy misy anampiana, ary tsy misy hanalana. Izany no ilazako hoe tsy mila mpanelanelana aho raha nampianarin'ny Zanany. Raha fantatro ny Ray amin'ny alalan'ny Zanany dia ampy ho ahy izay.
Ka manomboka eo aminy anie ilay izy e... efa io ilay lazaiko foana hoe maria no arofanina .. fa i jesoa no lalana mankany
fa ity ange tsy mbola nisy namaly hatr@ izao e:
Ekena fa i Jesoa no intermediaire entre antsika sy ny Ray... ary mba iza no intermediaire entre antsika sy i Jesoa?
Voalaza teo :
Tsy nataotao foana akory ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra eran'izao tontolo izao amin'ny tenim-pirenena samihafa ho an'ny olona rehetra. Miantefa amin'ny tsirairay ny Hafatra
.
Ekena.. fa zaraina dia atao inona? jerena eo fotsiny? atao hoe heno izay?
amin'ny Raozery izao ohatra dia meditena be
Hoy i boraingy ihany:
Miteny mivantana amin'ny Voariny Andriamanitra satria Endriny no namoronany azy. Tokony tsy hitady ohatra intsony isika noho ny Vavolombelona voalohany. Ilay Mpanjakan'ny Mpanjaka. Tsy misy anampiana, tsy misy analana ny Teniny. Ampy, feno ary ampoka
dia miverina t@ ilay fanontanianatany taloha be izay.. dia voafetra ao amin'ny baiboly ve io fitenenana io, baiboly ve no miteny dia tsy miteny intsony izy ? mivantana foana ve? nefa ao anaty baiboly aza t@ alalan' i Isaia, Moizy sy ireo mpaminany, Apostoly, sns...Andriamanitra no miteny?
Voalaza teo :
Raha izaho marivo salosana dia sarotra be amiko hoy aho ny logique Rosary. Mila mianatra zavatra hafa indray ve izany? dia ahoana ireo olona tarihina, i Maria ve no hitany sa ny "Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?"
Ny Ray sy Zanaka sy ny Zanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovan'i Maria no hitany ka...
eto koa ianao no manafangaro ilay "devotion" sy "worship" (miala tsiny fa tsy mahalaza azy ny teny gasy fa lazain'ny gasy fa "mivavaka" aby izy 2 ireo nefa samihafa be)
Mitovy tanteraka @ hoe Ray sy Zanaka sy Fanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovan'ny Baiboly, ny mivavaka @ Ray sy zanaka sy fanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovana azo @ alalan'ny raozery, @ baiboly aza mety teny vitsivitsy no tsimpontsiponina arakarak'izay inspiraka eo, fa ny raozery dia izy 1 manontolo isaky ny mihetsika sady miampy meditation lalina
Voalaza teo :
Tsarovy ity Teny ity: "Hosoratako ao am-pony ny Lalako". Efa ampy ireo Apostoly nizara ny Teny. Tsy mila hanampiana, tsy mila hanesorana. Tsy mila vavolombelona hafa. Efa antso ankehitriny izany satria efa antomotra ny fetr'andro.
Tadidio fa ireo apostoly tsy nizara ny TENINY ihany , dia nizara ny TENANY koa, ary nandray an'i Maria ho reniny foana izy ireo, ary nila ny intervention sy nanaja an'io reny masina io foana Ary tsy nisy aposoly niteny mihitsy hoe ratsy izany!
Voalaza teo :
Tadidio fa roa arivo taona lasa no nanomboka ny fampianarana nataon'i Kristy ary i Petera sy ny Apostoly no nirahiny ary avy eo Izy Tenany no niseho tamin'i Paoly. I Maria dia nilazany hoe, Ravehivavy, io ny zanakao. Tsy niteny Izy hoe ry Reniko, io ny zanakao.
Niteny T@ joany izy kosa izy hoe Indro ny Reninao ka (Joany 19:26-27) oooops diso ianao!
rehefa tsy niteny izy izany dia vita hatreo? @ izao fotoana izoa izy tsy miteny intsony dia vita hatreo? Izy tsy niteny t@ Piera, nony avy nanda azy i Piera, fa tonga de azon'i Piera ny tiany holazaina... sa nila niteny t@ Piera izy hoe .. "tsy efa niteny an'ialahy aho Ry Piera fa ialahy mafy loha" izay vao nibebaka i Piera?
Voalaza teo :
Raha toa ka ho eo am-pitsarana isika, Ny Zanaka no Mpitsara. Hanontany anao Izy sa hanontany an-dreniny hoe ry Neny a, inona moa no nataon'i Ranona? Arovanao va izy?
Eny, isika no tsaraina.. fa Maria no avocate. . .
Raha miditra fitsarana ianao ka fantatrao fa manana mpiaro, tsy hahatsapa tena ho maivamaivana kokoa ve ny sedra noho ianao ilay miatrika irery?
Raiso ohatra @ fiainana andavan'andro fotsiny fa aza mandeha lavitra, raha tsy takatrao ! Jereo ireo ao Antanimora, betsaka ny na nanana ny marina aza ka tsy nanana avocat dia tany dia tany!
Voalaza teo :
Tena azonao antoka zato isan-jato ve fa io Reniny io Mihitsy no niseho vatana? Ny zanany izay Mpanjaka angaha tsy niseho vatana? Iza no Mpanjakanao, Iza no miantso anao? ny Rainy sa ny Zanany sa Ny Reniny?
Azo antoka satria rehefa ireny fisehoana ireny dia mbola dinihina lalina sy angalana porofo be dia be , misy aza efa aman-jatony taona aty afara mihitsy vao ekena! miseho vatana koa ny zanaka, fa azon'Andriamanitra natao, ary efa nataony ny maniraka olona hafa hampita ny hafany, (arakanjely Gabriely, ny Anjely, ireo mpivahiny tao amin'ny Abrahama nilazat@ Sara fa hiteraka izy...)
nataony sy ataony iznay ary voalaza ao anaty Soratra masina Izany, ary izany no ataony mandrak'izao!
Ahoana no azonao antoka izanytamin'izany fotoana izany fa tsy azonao antoka izao?
Izany ve dia lojika?
Voalaza teo :
Inona no narotsaky ny Zanany hanazava anao, ny Reniny sa ny Fanahy Masina iraisany amin'Andriamanitra Rainy izay tsy nofo aman-dra?
Izy rehetra... ny teniny , ny tenany, ny fanahiny ny olomasina.. ny mpampita hafatra rehetra! hanampy ahy hanaraka ny fahazavany @ fisian'ny tenany ao amiko , ny olomasina manodidina ahy!
Tahakan'ny hoe mandeha @ "Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana aho"
Dia nahazo jiro (ny fanahy masina)
Nahazo lasantsy (Ny vatany sy ny teniny)
Misy poteaux sy signes isan-karazany (Maria sy ny olomasina) manoro ahy ny lalana sy manazava ilay lalana...
tsy zarako aza?
toy izay hitsilopilopy ao anaty maizina ao tsy mahalala ny atsimo sy avaratra, mijery carte (baiboly) nefa tsy hita akory hoe aiza aho izao?
Voalaza teo :
Farany, antso io hoy aho. Jereo ny fahafainganan'ny fotoana, tsy mila ny reniny intsony izao. Avaozy ny Fiangonana fa sao matimaty daholo eo ny anaran'ny rehetra efa nilofosana roa arivo taona izay no nanombohana nanaovana ny batisany.
Izay indrindra ary no vao mainka ilana ny intervention aza amin'izay resaka fanavaozana izay..
Fa ny mahagaga ahy: nety ilay izy 2000 taona, talohan'izaaaaay elaaaabe aza...
dia maninona no izay olonolom-poana tonga taty afara no miteny hoe tsy mety ilay izy? diniho ihany!
Ny tao aorian'io izany dia nanjavona ary fotsibe daholo hatramin'izao ary mbola tsy afaka mamaly na mijery ihany fa vao maika mi-blocke ilay izy.:cry:
24. niryna
(
10/08/2007 21:55)
Dia ireto farany nalefanao ato amin'i fijo ireto dia tsy misy hitako ary tsy mivoaka mihitsy,io irery ihany anefa fa io hitanao mamaly eto io aho.
Miala tsiny aho ry ireto fa tsy afaka namaly satria tsy misy hitako hatreo amin'ireo ambony ireo.:cry:
Voalaza teo :
Efa betsaka ny vitanao ry Katolika tamin'ny fanaovana ny Batisa amin'ny Anaran'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Efa eo am-pijinjana ny Masaka izao ny Mpanjaka. Ireo vita sedra no hojinjaina. Efa resy ilay mpiampanga ny tsirairay. Efa tsy misy vavolombelona hisolo vava anao intsony. Aza jerena ny lokonao, jereo ny fonao nodondonin'i Jesoa fa ho azonao ny Loka Lehibe tsy misy mahalala afa-tsy ny tenanao tsirairay avy izay Tempoliny.
Dondomin'i jesoa tokoa ny fo...
fa tsy zara aza miara mihoraka be daholo izaho sy ny fiombanan'ny olomnasina rehetra miteny hoe .. ity zaaaaahay
Voalaza teo :
Izay manan-tsofina aoka hiaino ny lazain'ny Fanahy!
ekena... izay no nolazain'ny fanahiko ahy nahatonga ahy ho convaincu tanteraka!
Voalaza teo :
Hafatra farany amin'izao androntsika izao. Ny Malagasy no iantefan'ny Hafatra ary manaraka ny sisa. Ianao io ankehitriny no jereo fa tsy ny hafa. Aza mierikerika etsy sy eroa mitady hoe ny an'iza no marina ka mampetipety anao. Tempolin'Andriamanitra ianao fa tsy vato aman-kazo akory. Tiany hiaraka hanjaka Amin'ny Zanany ianao io satria zanany ihany koa. Tiany hidera Azy ianao marobe ireo. Izay mangataka amin'ny Ray amin'ny Anarako hoy Izy no omeko fa tsy izay mangataka amin-dreniko hanoro Ahy.
ary raha atao hoe miara mangataka amin-drenmiko hanoro ahy?
Raha miteny ianao hoe omeo , dia misy manampy hoe eo moa mba omeo izy!
inona ny olana?
Voalaza teo :
Ahirato ny maso fa efa omena anao ny odi-maso.
ary raha sady efa mahiratra aho no voatantana sy tsilovina hoe aty ny lalana?
tsy vao mainka tsara ve?
Voalaza teo :
Efa feno ny valin-teny ary aza manontany sy mitady an'i boraingy fa arak'izany anarana izany izy "he izany izy hoe boraingy!" Jesoa iresahana fa mamaly Izy.
Dia raha miaraka miresaka sy misy manampy anao hiresaka amin'i jesoa .. tsy vao mainka hamaly lavitra izy?
raha misy 2 na telo.... hoy izy!
ity tafika 1 manontolo, no miaraka mangataka sy miresaka aminy ho an'ilay tsy nahavita na ny efa "nahavita ny fihazakazahany" na ny tsy mbola nahavita!
tsy vao mainka tsara?
Voalaza teo :
Amin'ny Anaran'i Jesoa Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Amen
.
Miampy ny fanazavana rehetra azo avy amin'ny n'ny Fanahy masina sy ny Olomasina rehetra mba hirosoako mamindra mamikavika amin-kafaliana eo @ ilay lalana, sady misy mitarika no misy manazava no misy mpanosika avy ato afara handroso lalindalina kokoa!
izay vao tena Amen!
AMDGy hitako na mivoaka mihitsy izay tao aoriana.
Miala tsiny aho ry ireto fa tsy afaka namaly satria tsy misy hitako hatreo amin'ireo ambony ireo.:cry:
25. niryna
(
13/08/2007 03:23)
hery:
Hey,
Toa tsy mbola nahita an'izany hafatra izany niditra teto aho. Raha eto amin'ny serasera dia tsy misy olana mihitsy ny mampiseho izany indrindra moa fa vaovao mitranga @ gazety sns.
Sao dia tsy amin'ny teny gasy?
Sao dia manonona ps-na namana hafa hanalana baraka azy?
Sao dia tsy nanaraka fitsipika.
Raha tsy izany dia normalement izy tokony tafiditra ihany... fa sao dia ny ordi-nao kosa no simba???
Ilay hafatra lazain'i niryna tsy ao mantsy toa hitako io http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46a8368c05035
aza matahotra fa tsisy sivana eto :-)
Nivoaka daholo ny hafatra tao aorian'ika kanefa toa lasa fotsy daholo indray rehefa namaly aho.Misitery izany ry hery
26. niryna
(
15/08/2007 12:53)
hery:
Hey,
Toa tsy mbola nahita an'izany hafatra izany niditra teto aho. Raha eto amin'ny serasera dia tsy misy olana mihitsy ny mampiseho izany indrindra moa fa vaovao mitranga @ gazety sns.
Sao dia tsy amin'ny teny gasy?
Sao dia manonona ps-na namana hafa hanalana baraka azy?
Sao dia tsy nanaraka fitsipika.
Raha tsy izany dia normalement izy tokony tafiditra ihany... fa sao dia ny ordi-nao kosa no simba???
Ilay hafatra lazain'i niryna tsy ao mantsy toa hitako io http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46a8368c05035
aza matahotra fa tsisy sivana eto :-)
Hery a,raha mba azonao atao dia mba hafindrao any amin'ny hafa ny hafatra fa tsy misy hitako izay resahina ao.Ikaretsaka no farany kanefa dia fotsy foana.Misaotra indrindra tompoko.
