diso ve za rha raha manratsy ny rafozako @vadiko fa tena

1. xxx ( 31/07/2007 18:45)
zao eh! tena tsy tiako vitana mintsy ny rafozako vavy fa mahay atsy sy aroa ; za anefa kamboty de tsy zakako ny zavatra ataony amiko fa rehefa misy tsy mety de avy hatrany izy mandaza @vadiko ; tena mankaleo eh! tsy tatiko ary satria iza no mba hitarainako de naleoko nitantara @ vadiko ny zava-miseho za tsinina tsy manana olona mba afaka hilazana izany nefa hoy nareo le vadiko tsy mba micomprendre an'izany fa reniny hono iny tsy atakalony ny reniny hono za nefa ne za tsy mampiady an-dry zareo eh! fa milza ny alaheloko fotsiny
tena mila vonjy ry reto an! inona no tokony ataoko sa ve izy manararaotra fa hoe efa tsy misy famille za de ze tian'izy mianakvy atao amiko
tena tsy haiko tsony eh! tena mila vonjy sy valiny avy aminareo ; izy ary milza ny hipetraka aty aminay mintsy
novalian'i niryna ny 06/08/2007 00:18
2. mamifohy ( 31/07/2007 18:48)
tsoriko anefa fa za de tena mandefitra be mintsy mitomany fotsiny refa misy tsy zaka fa tsy mahavaly azy akory na ny vadiko ary ; ny fanomezana fanampiana azy ary tsy misy tenerananay mivady akory fa de omen'ny vadiko an-tsokosoko any de rhefa mba miteny za de izy ndray mananagana ady amiko
3. menalamba ( 31/07/2007 21:14)
Izay ilay tonkan-trano raha vao idikidiran'ny fianakaviana ,dia tsy maintsy miteraka disadisa toy izany foana.Matoa ianao nanambady,matoa ny vadinao nanambady anao,dia olona efa mahaleo tena sy tompon'andraikitry ny tonkan-tranonareo ianareo roa,tsy misy tokony hanana fahefana hitsabaka @ izany na dia olon-dehibe aza ny rafozanao.Torohevitra tsotra no azoko homena anao; ataovy izay hanalaviran-toerana ilay rafozanao,fa raha mbola mitan-kosina eo foana dia tsy maintsy miseho foana olay hoe :Ny havan-tiana tsy iaraha-monina.Ary tokony mba mampiseo firesaka hentitra @ vadinao ianao manazava fa raha ny ranomaso foana no hapotrapotrakao,dia efa milaza fahalemena eo anatrehany izany ,ka lasa
fanararaotana anao foana no hitranga.Mahereza ,ary aza adino ny miresaka mangina @ ilay Nahary.Izy anie homba anao.Mitrakà fa tsy olon-dresy akory ianao:-*
4. meva2 ( 01/08/2007 06:54)

Mahafinaritra be ny ny valintenin'i menalamba ary dia marina mihitsy ny zavatra nolazainy.
Ny hanampiako azy fotsiny angamba dia ny hoe, tsy misy ohatran'ny firesahana koa. Na mikizitina aminao aza ny rafozanao, manàna herimpo milaza azy @ fomba tsotra sy milamina ny tsy tantinao.Aza asiana intermédiaire mihitsy satria manjary tsy mitovy ny version.Fantatro fa sarotra fa ho hitanao fa ho soulagée ianao avy eo ary izy koa mino aho fa hieritreritra @ izay tsy mety nataony.Tsy misy olona parfait na ianao na izy, izay no ilàna fifanakalozana.
Manantena vavao tsara izany a!! mirary soa!
5. Angolaina ( 01/08/2007 07:12)
Tena manahirana tokoa ity fiainana miaraka @ rafozana ity fa tena mety izay hevitr'i menalamba zay oe ataovy izay hanalaviranao azy ary aza manaiky izany izy hipetraka any aminareo izany fa manana ny tokantranony izy ary matoa izy nanaiky ny nivadianareo sy ny zanany dia efa mahatsapa fa mahaleo tena sy afaka hitantana ny tokantrano ny zanany. Azavao ampilaminana sy ampahatoniana @ vadinao izany ary ataovy mazava aminy fa raha nivady nareo tsy midika akory izany fa tafiditra ao koa ny rafozana. Kozary foana e!
6. bozyboleta ( 01/08/2007 07:38)
Resaka efa mpande eto io resaka rafozana sy vinanto io. Samy manana ny iainany azy satria samihafa koa ny fisehony.
Enao zao @ lohateny miteny hoe diso ve za raha manaratsy ny rafozako @ vadiko. Raha hoe manaratsy kalou de tsy mety e! Satria mety hoe tsy ratsy izy izany fa haratsianao. Hafa ndray mantsy raha miteny ny tsy tantinao @ ataony enao, mety hoe tena ratsy ny ataony, ka refa ratsy de ratsy. Avaho kely reo de hitantsika eo ny vahaolana.

Ty hevitra efa nalefako taloha be tany averiko eto
>>>Mpandefa : bozyboleta [ Valio ] 28-04-2007 12:08:33
Lohateny : Re : zaobavy sy rafozana manirikiry
Tokony hahalala ny reny fa refa manambady ny zanany de efa tapaka zay le cordon ombilical, ary efa matotra sy mahazaka tokatrano zay ny zanany matoa mandeha manambady.
Misy ireo reny (na ny an'ny lahy zany na ny an'ny vavy) tsy mahatakatra an'io fa mihevitra foana fa zanany io ka zo-ny ny miteny azy na de mahakasika ny tokatranony aza. De eo le fitsabahana @ tokatrano surtout resaka vola, avy eo miitatra @ resaka hafa: sakafo, fitaizana zaza, fianaran'ny ankizy, entana vidina ao an-trano... Tsy miteny za hoe tsy tokony hanome conseil ny reny fa le izy matetika tsy conseil fa tena critiques mitsy ary tonga de miantefa @ le vady (le vhv io).
Fa ny famahana ny situation sal@ io aloha de miankina betsaka @ fahendren'le lhl e. Raha mijoro @ maha-chef de famille azy izy de milamina.
Tokony ho fantatry ny reny fa samy hafa mitsy izany fitiavan-janaka, fitiavana RAD, fitiavam-bady izany ka tsy tokony afangaro ary tsy hisy antony hiteraka fialonana. Raha tena tia ny zanany le reny de tokony ho faly izy mahita ny zanany sambatra, de manaja ny fahasambaran'ny zanany fa tsy be fialonana.
Na tsy miray trano sy tsy mifampikasoka aza rehefa tsy mahay mandanjalanja an'ireo karazam-pitiavana ireo de mipetraka foana ny olana.>>>

Korazy fôna na izany aza!

7. kelly13 ( 01/08/2007 08:29)
ra za alou no nolazaina oe
reniny hono iny tsy atakalony ny reniny hono za
d miala tsiny fa d asaiko mivady @ reniny izy e. masika be v le teniko? mety masika marina nefa tsarovy fa tsy fomba fiteny io nolazainy anao io fa mandratra fo, fanahy sy saina. ary ny lhl d mila andreniny foana (na lhl efa lehibe taona aza, ary ekena izany satria zazabe reo), ary io matetika araraotin'ny reny. ny ahy mantsy ny vava efa azoko t@ rafozako d oe "hafa ny vitan-dreny, hafa ny vitam-bady, ny reny tsy azo soloina fa ny vady azo soloina" fa novaliko soa amantsara izy oe "io aza ny zanakao tazomy ho anao ary vadio fa lhl io". za alou somary nay vava taminy e, ms bon, nilaiko le izy satria @ zao d tsy mahasahy midikiditra tsony izy ary tsy mahasahy miteniteny ahy koa atanjao ny saina ary mahasahia mamaly refa fantatrao fa anao ny rariny. bon courage :)
8. tywa68 ( 01/08/2007 09:49)
xxx : mahaiza miteny ny tsy zakanao @ilay rafozanao ianao, dia teneno an'ilay vadinao fa misy fotoana tokony hiresahana alohan'ny maka décision satria zay no an’isany nivadiana = mifampizara ny ratsy sy tsara hatrany e ! sa tsy izany moa ilay hoe mariazy ?

Ny reniny tsy maintsy maha-sarotiny azy donc tsy tsara manaratsy azy kosa ianao fa ny vadinao treromina mba tsy hiteniteny foana sa efa niova koa dia tsy mieritreritra ny zavatra aloakin’ny vava ! Mahaiza mandefitra fa tsy midika izany akory hoe tsy hamaly mihitsy : mahereza e :-*

Kelly13 : :-D
9. kelly13 ( 01/08/2007 11:57)
tywa68>loll, le anahako ankia tena tsy azo nifampiresahana t@ zany fa tena ôtran'ny oe rafahamarinana ngamba ny anarany a. fa nataoko nandraingiraingy kosa klou aveo tsy avelako mahita ny zafikeliny fa fay tateraka, hahha! ratsy saina b v za?

xxx>bon courage fôna fôna ankia d mivavaha fa miravona fôna io a
10. tywa68 ( 01/08/2007 12:58)
Andray ry kelly ! nadraingiraingy ve ? tena mandaitra zany ilay tsy mahazo mahita zafikely :lol:?
tsy hoe ratsy saina fa nisy antony marina tao matoa nipoaka !
11. kelly13 ( 01/08/2007 13:15)
mitomany, mitalao etc... t@ vôlohany tany @ i ramose no nitaraina oe tsy mahita ny zafikeliny et tout et tout, ramose tsy afaka handidy ahy oe "alefaso any @ reniko ny zanako" (odoié b kou ra niseo niteniteny teo k) farany niantso anahako d oe malahelo mafy ny zafikeliny ono izy, efa fohy andro iainana ono izy, d za mou "zentille" qd ze veux d nasaiko nentin'i ramose tany ny zaza hihihi
12. tywa68 ( 01/08/2007 13:18)
gentille fa rehefa masiaka tena mampandraingiraingy !:lol: tsara rehefa réglée fa nilaina zany ilay nampiseho an'io fahasikàna io, ho an'i ramose koa :-D:-D
13. bozyboleta ( 01/08/2007 13:56)
Kay kosa Kelly! ahoana akia zany atao mandraingiraingy zany? :-D:-D

Io ange le teneniko hoe miankina @ fahendren'le lhl ny famahana ny olana eo @ le vady sy le reny. Fa refa tsy hendry koa le lhl de somary kapohina kely @ maritoa ôtran'zay ny lohany hampiverina ny sainy.

Fay tsara koa zay ra-bôfy. Tsy misy te-hikorontana zany eto an-tany fa ndraindray ny ool sasany tsy mahay miaina de aleo aseho ny adala ny hadalany refa tsy mety aminy ny miresaka milamina.
14. menalamba ( 01/08/2007 14:11)
Tena mba nanohina ahy mantsy ity nanjo ity namana eto ity fa nitovitovy t@ nahazo ahy,satria kamboty vao kely koa aho.T@ voalohany tena tsy nasian'ilay ramama vidiny mihintsy aho,fa izy no toa mibaiko ny ankavia sy ny ankavanana.
Ny tena koa moa vao nanorina tonkan-trano t@ izany,ka somary mbola niankina tsindraindray taminy teo @ ady finansy,dia nasehony mihintsy fa tsy miteny ianao fa vola baoritra :roll:Rehefa nivadika anefa ny rasa fa mba nihoitra ny tena ka nitahy Ingahibé tao ambony,ary efa mba nahaleo tena i Menalamba,dia mbola nitoy ihany ny tsindry aloka! Ilay fahazaran-dratsy mitsabaka koa moa tsy afaka teo @ ilay rafozana, satria nihevitra fa ramasabomanga tsy mba miteny io,kinanjo
nitraotra tampoka sahala @ omby nanapatady vao tora-kovitra ny iray tanana.
Mahereza iky ry ankama fa Ingahibé Nahary momba ny kamboty an!!!:-*
15. tywa68 ( 01/08/2007 15:22)
menalamba : tora-kovitra :-D:-D Misy mitahy ao ambony ao e ! :wink:
16. kelly13 ( 01/08/2007 15:55)
ka zay nge le izy e, ra vao mba tsy miteny sy tsy mamaly ianao noho ny fanajana azy fa RAD izy d manao tsindry bokotra! nenà ny tany @ tena naharary azy no namelezako azy d ny zafikeliny, fa d tena mandaitra tokou mou zany! aseoko azy kou fa za no vadinjanany fa tsy izy donc tsy mila miditra @ fiainanay izy, hihihi! mila mba entitra zany e, fa entitra @ fahamarinana! tsy aratsiana any @ zanany izy satria na ihodikavia isika na iodikavanana reniny fôna iny, ra tsy nisy azy tsika tsy nahita ny ramose-tsika, ms tsy izany kosa alou no entina hibaikobaikona na idikidirana ny aferan'ny ankizy! sa karakôry hozy nareo? :)
17. ikaretsaka ( 01/08/2007 16:24)
fa amin'ireny tokoa hono dia tsy hay intsony hoe iza no henoina
ny vady sa ny ray sy reny?

aleo ihany ilay vady sy rafozana mifanaraka ka
ny ahy rehefa tsy mifanaraka dia ampanatsoiko dia mifanantona imaso imaso eo dia lazaiko hoe aiza ny olana? dia hita eo hoe ny an'iza no fitia te higafy fotsiny!

tsy haiko.. za moa tia ity mamakafaka miaraka amin'ny arguments ity vao maka fanapahan-kevitra!

dia rehefa hitako dia lazaiko imaso imaso eo @ izay hoe amin'izao resaka izao dia tsy tsabahana Ray aman-dreny satria anay mivady.

rehefa izao dia tsy tsabahan'ny vady satria ahy sy ny ray amandreny.

dia izay koa ny toetra asehoko ary @ ankilany.
rehefa resaka tsy hidirako dia tsy miditra aho.
rehefa resaka tsy tokony hidiran-drafozana dia teneniko ny vadiko mba tsy hampiditra ny ray aman-dreniny @ ilay resalka
rehefa misy probleme dia alefa ny imaso imaso!

Manahirana manko io mifampitsabaka be io
18. tywa68 ( 01/08/2007 18:24)
Ika : amiko aloha tsy misy tokony hiteny akory hoe hatreto antsika mivady, fa itsy kosa resahiko @RAD-ko, satria rehefa mahay mifanaja sy mahalala fomba (ary kristiana rahateo) dia tena mandeha ho azy, samy mahay maka ny place-ny avy : satria fitiavana samihafa ireo, ary tsy adala akory fa misaina. Inona re zany fiainana hananan'olona alahelo e ? indrindra moa hoe RAD !!!
19. evasoa ( 01/08/2007 20:05)
sarotra be izany.

Rehefa tena toetran'ilay rafozana dia ho sarotra aminy ny miala aminy. Indrindra koa fa mahazo vahana izy satria ny zanany mamporisika azy amin'ny tsy fitenenana. Tokony an'ny lahy no miteny manokana an'ny reniny. Nefa izy aza moa miteny fa tsy atakalony ny reniny ianao.

Dia mazava ho azy izany fa tsy tena tia anao izy satria tsy miezaka mi comprendre anao akory. Sady he ity izy ho hi skaty any aminareo. Raha ohatra ka manaiky izany ilay vadinao dia tena tsy misy hevitra fa raha izaho ianao dia ialako izy dieny mbola tsy misy zaza satria hi dégénérer ny tantara any aoriana

Tokantrano itsabahandrafozana izany dia tsy maintsy rava maina foana no iafarany na hivavaka tahaky n'inona aza hianao
20. bozyboleta ( 02/08/2007 11:39)
Ny vavaka kosa akia evasoa tena manova zavatra. Fa tsy vavaka fotsiny fa ampiana hetsika ihany koa.
Refa mbola azo atao ny miresaka de atao ary tsisy mpanelanelana fa avy de imaso imaso, refa miziriziry tsy azo alamina mora de anaovana pression na boycott sal@ ny an'ny kelly.
Ny tena tsy maha-tafa ny resaka vinanto sy rafozana koa mantsy de ndraindray le vhv samy be saina no be ambom-po. De eo le lhl no tsy maintsy mandray andraikitra satria teren'ny andaniny 2 de tsy maintsy mitady hevitra ihany ny farany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1189